Zatovo
Fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Nanana olana tamin’ny fihinanana sakafo be loatra aho. Ireo fotoana betsaka namerimberenako nisesika hanina be dia vokatry ny halehiben’ny fahatsapana ho meloka sy ny fahasorenana ary ny fahadisoam-panantenana tato amiko. Nahatsapa ho malemy aho rehefa niezaka nandresy ny olako.
Notsinontsinoaviko nandritra ny fotoana maharitra ilay hoe tsy mamonjy antsika fotsiny ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy fa manavotra antsika sy manao izay hahatanteraka antsika koa, ary izany dia mitombina na amin’ny fahazarako mihinan-kanina be izay hita fa ratsy aza.
Nanapa-kevitra ny hanolotra ny tenako tamin’ny Mpamonjy aho. Nivavaka aho. Nanaiky tamin-kitsimpo ny fahalemeko sy ny filàko famindrampo aho, ary avy eo dia nangataka ny Ray any An-danitra mba hanome ahy ny fanampiany masina tamin’ilay andro manarak’izay. Tamin’io alina io aho dia nahatsapa ny fanomezan’ny Ray be fitiavana antoka ahy fa nanana ilay faniriana tsy hay refesina mba hanampy ny zanany lahy Izy ary ilay hery tonga lafatra mba hanatanterahana ny sitrapony.
Hatramin’izay alina izay dia tsy nahasarika be ahy toy ny teo aloha intsony ny sakafo. Fantatro fa i Jesoa no anton’ny fahombiazako. Mahafantatra tahaka an’i Paoly aho fa “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13). Ary miezaka aho ny tsy hanadino na oviana na oviana ny lesona iray hafa avy amin’i Paoly manao hoe: “Fa isaorana anie Andriamanitra Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika” (1 Korintiana 15:57).