2015
Sakambinin’ireo Sandrim-pitiavany
Martsa 2015


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Martsa 2015

Sakambinin’ireo Sandrim-pitiavany

Tahaka ny olona maro hafa dia matetika aho no mahazo fahazavan-tsaina amam-panahy avy amin’ireo haikanto tsara tarehy sy mozika mahafinaritra. Nitranga izany indray andro rehefa nijoro teo anoloan’ny sary hosodoko tsara dia tsara iray aho izay noforonin’ilay mpahaikanto Danoa Frans Schwarz ary mitondra ny lohateny hoe Ilay Fijaliana tao amin’ilay Saha.1

Io sary hosodoko kanto dia kanto io dia mampiseho ny Mpamonjy izay mandohalika ao amin’ny Sahan’i Getsemane. Eo am-pivavahany dia misy anjely iray mijoro eo anilany, izay mamihina Azy amin’ireo sandrim-pitiavany ary manolotra fampiononana sy famonjen’ny lanitra ary fanampiana.

Arakaraka ny handinihako an’io hosodoko io no mahafeno fahatsapana fitiavana sy fankasitrahana tsy hay lazaina ny foko sy ny saiko. Afaka mahatsapa kely aho hoe mety ho toy ny ahoana marina izany hoe nanatrika teo izany rehefa nanomboka ilay asany farany tety an-tany izay lehibe indrindra ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fitondrany teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao. Talanjona aho amin’ilay fitiavana sy fangorahana tsy manam-petra ananan’ny Ray ho an’ireo zanany. Heniky ny fankasitrahana lalina aho noho ny zavatra nataon’ilay Zanaka tsy manam-pahotana ho an’ny olona rehetra sy ho ahy.

Ny Sorona nataon’ilay Zanak’Andriamanitra

Isan-taona amin’ny fotoana toy izao isika dia mankalaza sy misaintsaina ny sorona nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny olona rehetra.

Mihoatra lavitra ny fahafahako mahataka-javatra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy avy tao Getsemane ka hatrany Golgota. Nentiny teo Aminy ny vesatry ny fahotantsika ary nandoa onitra maharitra mandrakizay sy mamatotra Izy, tsy ho an’ilay fandikan-dalàna nataon’i Adama tany am-piandohana ihany fa ho an’ireo fahotana sy fandikan-dalàna nataon’ireo olona an’arivo tapitrisany izay efa niaina tety ihany koa. Ity sorona mandrakizay sy masina ity dia nahatonga “ny tena[n’]Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy” (F&F 19:18).

Nijaly ho ahy Izy.

Nijaly ho anao Izy.

Diboky ny fankasitrahana ny fanahiko rehefa mandinika ny hevitra sarobidy fonosin’io sorona io aho. Mampanetry tena ahy ny mahafantatra fa ireo rehetra izay manaiky io fanomezana io ka mampitodika ny fon’izy ireo any Aminy dia afaka ny ho voavela sy ho voadio amin’ny fahotan’izy ireo, na ratsy toy ny ahoana ny tsy fahatanterahan’izy ireo na mavesatra toy ny ahoana ny entan’izy ireo.

Afaka ny ho atao tsy misy pentina sy madio indray isika. Afaka ny ho avotana amin’ny alalan’ilay sorona mandrakizay nataon’ilay Mpamonjy malalantsika isika.

Iza no Hampionona Antsika ?

Na dia tsy hisy hiaina ny hamafin’ny zavatra nijalian’ny Tompo mihitsy aza isika dia samy hanana ny fotoana sarotra sy mangidy izay antsika tsirairay avy isika—fotoana izay mety hahatsapantsika fa lehibe mihoatra izay zakantsika ny alahelo sy ny fahoriantsika. Ho avy ireo fotoana izay hahatsapantsika fa hampijaly antsika tsy misy indrafo ny vesatra sy ny nenina noho ny fahotantsika.

Fa na izany aza, raha manankina ireo fihetsehampontsika amin’ny Tompo isika mandritra ireo fotoan-tsarotra ireo dia ho fantany sy ho azony an-tsaina izany. Izy, izay nijaly ho antsika sady tsy nieritreritra ny amin’ny tenany akory tao amin’ilay saha sy teo amin’ny hazofijaliana, dia tsy hamela antsika ho fadiranovana amin’izao fotoana izao. Hampatanjaka sy hampahery ary hitahy antsika Izy. Hisakambina antsika amin’ireo sandrim-pitiavany Izy.

Hanao mihoatra izay ataon’ny anjely amintsika Izy.

Hitondra fampiononana sy fanasitranana sy fanantenana ary famelan-keloka masina Izy.

Fa Izy no Mpanavotra antsika.

Mpanafaka antsika.

Ilay Mpamonjintsika be indrafo ary ilay Andriamanitsika voatahy.

Fanamarihana

  1. Hoy ilay pretra izay nanao lahateny tamin’ny fandevenana an’i Frans Schwarz hoe “notafiana ny herin’Andriamanitra ny haikanto nataony ary toa mendrika kokoa noho ny lahateny maro izany” (Emmilie Buchanan-Whitlock, “History of Artists’ Lives Gives Greater Context for Exhibit,” Deseret News, 29 Sept. 2013, deseretnews.com).

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Alohan’ny hampianaranao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra manokana ilain’ireo izay ampianarinao. Rehefa mizara ireo ampahany notsongaina avy amin’ny hafatra nomen’ny Filoha Uchtdorf ianao dia mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy sy ny sorona manavotra nataony. Anontanio an’ireo izay ampianarinao ny lanjan’ny Sorompanavotany amin’izy ireo sy ny fomba nahatsapan’izy ireo ny fampiononan’ny Tompo nandritra ny “fotoana sarotra sy mangidy” nolalovan’izy ireo.

Hamoaka printy