2015
Ireo Toetran’i Jesoa Kristy : Maharipo sy Manam-paharetana
Martsa 2015


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Martsa 2015

Ireo Toetran’i Jesoa Kristy : Mahari-po sy Manam-paharetana

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ny fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny anjara asany hampitombo ny finoanao Azy sy hitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Matetika ny faharetana dia heverina fa toetra tsy tia miteniteny sy mandefitra, saingy araka ny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia “Tsy filavoana lefona ny faharetana, na hoe tsy fanaovana na inona na inona noho ny tahotra ananantsika. “Ny faharetana dia midika hoe miandry sy maharitra ao anatin’ ny fahavitrihana. Izany dia midika hoe miezaka ny hanana fanantenana … na dia tsy mivaly eo no eo aza ny fanirian’ny fontsika. Ny faharetana dia tsy hoe maharitra fotsiny fa maharitra tsara!”

Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahantsika dia nanomana drafitra ho antsika—zanany ara-panahy—ny Ray any an-danitra ary nihoby avokoa isika tamin’ilay fahafahana ho ety an-tany (jereo ny Joba 38:7). Rehefa misafidy ny hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy isika mandritra ny fiainantsika eto an-tany dia “hahatonga [antsika] ho fitaovana eo an-tana[ny] ho famonjena fanahy maro” Izy (Almà 17:11).

Notohizan’ny Filoha Uchtdorf izany hoe “Ny faharetana dia midika hoe manaiky ny zavatra izay tsy azo ovaina ary miatrika izany amin-kerimpo sy amim-pahamendrehana ary amim-pinoana. Midika izany hoe ‘vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ ny Tompo fa mety ampitondraina [antsika], dia tahaka ny zaza manoa an-drainy’ [Môsià 3:19]. Ary farany, ny faharetana dia midika hoe ‘mafy sy maharitra ary mifototra amin’ ny fitandremana ny didin’ ny Tompo’ [1 Nefia 2:10] isan’ora isan’andro na rehefa sarotra aza ny manao izany.”1

Soratra Masina Fanampiny

Salamo 40:1; Galatiana 5:22–23; 2 Petera 1:6; Almà 17:11

Avy ao amin’ny Soratra Masina

Milaza amintsika ny soratra masina fa isika dia tokony “[haharitra] amin’ny fahoriana, fa ho tojo maro [isika]” amin’ny fiainantsika eto an-tany. Manome antsika ity fampanantenana mampionona ity Andriamanitra hoe “Iareto ireny, fa indro, Izaho momba anao hatrany amin’ny faran’ny andronao” (F&F 24:8).

Ity tantara manaraka ao amin’ny Baiboly ity dia ohatra amin’ny faharetana sy ny finoana.

“Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin’ny folo taona … nanendry ny somotraviavin-damban’[i Kristy], ary niaraka tamin’izay dia nijanona ny aretiny.

“Ary hoy Jesosy, … Nisy olona nanendry Ahy: fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.

“Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan’ny vahoaka rehetra izay anton’ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin’izay.

“Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara” (Lioka 8:43–48).

Tahaka azy, dia afaka mahazo fitahiana sy fampiononana, na fanasitranana mihitsy aza isika rehefa manolotra ny tanantsika amin’i Jesoa Kristy—ka ny Sorompanavotany dia afaka manasitrana antsika.

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Continue in Patience,” Liahona, Mey 2010, 57, 59.

Eritrereto Ity

Raha tsoahina avy amin’ilay tantara ao amin’ny Lioka 8 dia ahoana no namaliana soa ny faharetan’ity vehivavy ity nandritra ny taona maro sy ny finoany an’i Jesoa Kristy taorian’izay?

Hamoaka printy