2015
Milamina sy manaraka fomba eto Bristol: Aoka ho mendrika ny ho any amin’ny Tempoly— amin’ny fotoana milamina sy amin’ny fotoana sarotra
Nôvambra 2015


Milamina sy manaraka fomba eto Bristol: Aoka ianao ho mendrika ny ho any amin’ny tempoly—amin’ireo fotoana milamina sy fotoan-tsarotra

Ny fanarahana ireo fitsipika masin’ny filazantsara no hahatonga antsika ho mendrika ny ho any amin’ny tempoly sy hahita fahasambarana ary hitarika antsika hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Nanambara ny mpaminany Lehia hoe: “Raha tsy misy fahamarinana dia tsy misy fahasambarana.”1

Tena nahomby ny fahavalo tamin’ny fambolena anoanon-kevitra iray lehibe tao an-tsain’ny olona maro. Manambara izy sy izay misolo tena azy fa ny tena safidy ananantsika dia na ny fahasambarana na ny fahafinaretana mandritra izao fiainana izao ankehitriny ary fahasambarana mandritra ny fiainan-ko avy (izay hamafisin’ny fahavalo fa tsy misy). Safidy diso io zavatra lazainy io, saingy tena manintona tokoa.2

Ny tanjona tsara faratampon’ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra dia ny hahatonga ireo mpianatra marina sy ireo fianakaviana nanao fanekempihavanana ho iray amin’ny fitiavana sy filaminana ary fiadanana mandritra ity fiainana ity3 ka hahazo voninahitra selestialy mandritra ny mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra, ilay Mpahary antsika; sy ny Zanany Malala, i Jesoa Kristy, ilay Mpanavotra antsika.4

Fony aho misiônera tanora notendrena hanompo tany amin’ny Misiôna Britanika dia tao amin’ilay toerana nantsoina tamin’izany hoe Distrikan’i Bristol no faritra niasako voalohany. Nanantitrantitra ny mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana teo an-toerana fa mila “milamina sy manaraka fomba eto Bristol” ireo misiônera izay manompo ao amin’izany faritra izany.

Sambo eo amin’ny seranan-tsambon’i Bristol

Tamin’ny voalohany dia tsy azoko ny zavatra tiany nohamafisina. Vetivety dia haiko ny tantara sy ny dikan’ilay teny filazan’ny tantsambo hoe: “milamina sy manaraka fomba eto Bristol.” Nisy fotoana i Bristol no seranan-tsambo faharoa be mpampiasa indrindra tao Royaume-Uni. Ambony be teo amin’ny 13 m teo ny vohon-dranomasiny, ny faharoa avo indrindra eto amin’izao tontolo izao. Rehefa misintona ny ranomasina amin’ny fotoana fihenan’ny rano dia hikasika amin’ny fasi-dranomasina ireo sambo efa antitra ka hianjera amin’ny lafiny iray, ary rehefa tsy tsara fanamboarana izany dia ho simba. Ankoatra izany, izay rehetra tsy milahatra tsara na tsy mifatotra tsara dia ho voasintona amin’ny fomba mikorontana ka ho rava na simba.5 Taty aoriana dia takatro ny dikan’ilay andian-teny, nazava fa nilaza taminay io mpitarika io hoe, amin’ny maha-misiônera anay, dia tsy maintsy marina sy manara-dalàna ary vonona hiatrika toe-javatra sarotra izahay.

Azo ampiharina amintsika tsirairay izany fanamby izany. Ny hoe “milamina sy manaraka fomba eto Bristol” dia ho faritako hoe “mendrika ny ho any amin’ny tempoly”—amin’ny fotoana milamina sy amin’ny fotoana sarotra.

Raha toa ka azo vinavinaina sy iomanana mialoha ihany ny fiovaovan’ny vohon-dranomasina ao amin’ny lakandranon’i Bristol, ireo fitsapana sy fakam-panahy amin’ity fiainana ity kosa dia matetika tsy ampoizina. Fa izao no fantatsika: tsy maintsy ho avy izy ireny! Mba handresena ny zava-tsarotra sy ny fakam-panahy izay tsy maintsy atrehintsika, dia ilaina ny fiomanana amim-pahamarinana sy ny fampiasana ireo fiarovana nomen’ Andriamanitra. Tsy maintsy miezaka ny ho mendrika ho any amin’ny tempoly isika. Raha efa miomana isika dia tsy hatahotra.6

Ny fahasambarana amin’ity fiainana ity sy ny fahasambarana amin’ny fiainan-ko avy dia misy ifandraisany amin’ny fahamarinan’ny tena. Na dia mandritra ny fotoana manelanelana ny fahafatesana sy ny Fitsanganana amin’ny maty aza “ny fanahin’ireo izay marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana.”7

Tany amin’i Isiraely asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany teo amin’ Isiraely ary avy eo teo anivon’ny Nefita dia niresaka momba ny olana misy amin’ny fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay ny Mpamonjy. Nohamafisiny ireo ôrdônansy saingy nasiany fanantitranterana lehibe ny fihetsika ara-pitondran-tena. Ohatra, ho voatahy ireo mpianatra raha toa ka noana sy mangetaheta ny fahamarinana, be famindrampo, madio am-po, mampihavana, ary manaraka ireo fitsipika fototra ara-pitondrantena hafa. Namafisin’i Jesoa Kristy Tompontsika mazava tsara ho hafatra fototra ara-potopampianarana ny toe-tsaina sy ny fitondrantena feno fahamarinana amin’ny fiainana andavanandro. Tsy hoe manolo sy mampivelatra kokoa ireo singa ao amin’ny lalàn’i Mosesy fotsiny ny fampianarany8 fa fandavana ireo filôzôfia dison’ny olombelona ihany koa.

Nandritra ny taonjato maro ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia nanentam-panahy ireo finoana maro ary nametraka fitsipi-pitondrantena momba ny dikan’ny hoe marina sy mahatehotia ary tsara fitondrantena, sy momba ny zavatra miteraka fahasambarana sy fifaliana. Na dia izany aza dia iharam-panafihana lehibe ireo fitsipika sy fitondrantena fototra nampianarin’ny Mpamonjy. Iharam-panafihana ny maha-Kristianina. Maro no mino fa amin’ny ankapobeny dia efa niova ny dikan’ny hoe tsara fitondrantena9

Miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika. Misy ny fironana bebe kokoa “[hiantso] ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy.”10 Miteraka ahiahy lehibe ny tontolo izay manasongadina ny fanambonian-tena sy ny fankahalana fivavahana. Hoy ny mpanoratra fanta-daza iray, izay tsy mpiray finoana amintsika, nilaza izany nanao hoe: “Mampalahelo fa vitsy ny porofo hitako hoe faly marina kokoa ny olona amin’izao vanimpotoana lalovantsika izao, na hoe tsaratsara kokoa ny fiainan’ireo zanany, na hoe mihatra ny rariny ara-piaraha-monina, na hoe ny fihenan’ny tahan’ny fanambadiana sy ny hakelin’ny fianakaviana … dia mampanantena zavatra ankoatra ny fahatsapana ho manirery kokoa sy ny tsy fisian’ny fandrosoana amin’ny ankapobeny.”11

Amin’ny maha mpianatry ny Mpamonjy antsika dia takiana amintsika ny manao drafitra sy miomana. Ao amin’ny drafitry ny fahasambarana dia ny fahafahana misafidy ara-pitondran-tena no ivon’ny fitsipi-pandaminana ary manan-danja ny safidintsika.12 Nohamafisin’ny Mpamonjy izany nandritra ny asa fanompoany, tao amin’ny fanoharany momba ny virijiny adala sy ny talenta.13 Tao anatin’ny tsirairay amin’ireo ny Tompo dia namporisika ny fiomanana sy ny fanaovana asa ary nanameloka ny fangatahana andro sy ny fidonanaham-poana.

Ekeko fa na dia eo aza ny fahasambarana lehibe izay hita ao amin’ny drafitra masin’ Andriamanitra dia mety azo raisina ho lavitra sy tsy mifandray amin’ny toe-javatra misy antsika amin’izao fotoana izao izany. Mety azo raisina ho sarotra takarina izany amin’ny maha-mpianatra miana-mandresy fitsapana antsika. Amin’ny fomba fijerintsika izay voafetra dia toa manintona ireo fakam-panahy sy ireo fialam-boly amin’izao fotoana izao. Ny valisoa ho azo noho ny fanoherana ireo fakampanahy ireo, etsy andaniny, dia mety azo lazaina ho lavitra sy tsy azo tratrarina. Saingy ny fahatakarana marina ny drafitry ny Ray dia manambara fa ny valisoan’ny fahamarinan’ny tena dia afaka ny ho azo izao dia izao. Ny faharatsiana, toy ny fitondrantena ratsy, dia tsy hitondra fahasambarana na oviana na oviana. Hoy i Almà nilaza izany mazava tsara tamin’i Kôriantôna zanany lahy: “Indro, lazaiko aminao, ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”14

Ny fotopampianarantsika dia nolazain’i Amioleka mazava tsara ao amin’ny Almà 34:32: “Fa indro, izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; eny, indro, ny andron’izao fiainana izao no andro ho an’ny olona mba hanatontosany ny asany.”

Ahoana ary izany no hiomanantsika ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao? Ankoatra ny fahamendrehana ho any amin’ny tempoly dia maro ireo fitsipika izay mahatonga antsika ho marina. Hanasongadina telo amin’izany aho.

Voalohany: Ny fifehezan-tena sy ny fitondrantena marina

Mino aho fa indraindray ny Raintsika be fitiavana izay any an-danitra dia mijery antsika amin’ny hafaliana izay tsapantsika rehefa mijery ireo zanatsika mianatra sy mitombo isika. Tafintohina sy mianjera avokoa isika rehetra eo am-pandraisana traikefa.

Fanandramana tamin’ny vatomamy guimauve

Tena tiako ilay lahateny nomen’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tamin’ny 201015 mikasika ilay andrana momba ny vatomamy natao tao amin’ny Oniversiten’ny Stanford tany amin’ny taona 1960. Tadidinareo fa nisy ankizy efatra taona nomena vatomamy iray avy. Raha toa ka afaka miandry 15 na 20 minitra izy ireo ka tsy mihinana izany dia hahazo vatomamy iray faharoa. Navoaka ny horonantsary nampiseho ny fihetsika nasehon’ireo ankizy maro mba hisorohana ny fihinanana ilay vatomamy.16 Tsy naharitra kosa anefa ny sasantsasany.

Tamin’ny taon-dasa dia nanoratra boky iray ilay mpampianatra nitarika io andrana io, i Dr. Walter Mischel, izay nilazany fa anisan’ny antony nahatonga azy nanao an’io fikarohana io ny olany mikasika ny fifehezan-tena sy ny fiankinan-dohany manokana amin’ny fifohana sigara. Voakasika manokana izy rehefa namoaka tatitra ny minisitry ny fahasalam-bahoaka tao Etazonia fa ny fifohana sigara dia mahatonga ny homamiadan’ny havokavoka.17 Raha niainga avy tamin’ny fandalinana nandritra ny taona maro, dia nanao tatitra ny mpiara-miasa matihanina iray fa “ny fifehezan-tena dia mitovy amin’ny hozatra iray: arakaraka ny hampiasanao azy no hampatanjaka azy bebe kokoa. Ny fanalavirana fakam-panahy indray mandeha dia hanampy anao hampitombo ny fahafahana hanohitra ireo fakam-panahy hafa amin’ny ho avy.”18

Fitsipika iray momba ny fivoarana mandrakizay ny hoe hanamafy ny fahafahantsika hanohitra ny fakam-panahy ny fifehezan-tena. Marina izany na amin’ny ara-panahy na amin’ny ara-nofo.

Ireo misiônerantsika dia ohatra tonga lafatra ny amin’izany. Manana toetra tahaka ny an’i Kristy izy ireo ary manasongadina ny fankatoavana sy ny zavatra ara-panahy. Asaina manaraka fandaharam-potoana hentitra izy ireo ary mandany ny fotoany amin’ny fanampiana ny hafa. Manana endrika tsotra sy mitana ny maha-izy azy izy ireo fa tsy irony fomba fitafy mahazatra na tsy maotina izay fahita ankehitriny irony. Mampita hafatry ny fitondran-tena tsara sy matotra ny fitondrantena sy ny endrik’izy ireo.19

Miisa 230.000 eo ho eo ireo zatovolahy izay manao asa fitoriana amin’izao fotoana izao na ireo izay niverina avy nanao asa fitoriana tao anatin’ny dimy taona lasa. Nahazo hery ara-panahy sy fifehezan-tena miavaka izy ireo izay mila ampiharina mandrakariva raha tsy izany ireo toetra ireo dia halemy tahaka ny hozatra izay tsy ampiasaina. Isika rehetra dia mila manana sy mampiseho fitondrantena sy endrika izay manambara fa mpanaradia an’i Kristy marina isika. Ireo izay mandao na ny fitondrantena marina na ny endrika tsara sy maotina dia mampiharihary ny tenany amin’ny fomba fiainana izay tsy mitondra fifaliana na fahasambarana.

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampiseho antsika ny torolalana momba ny drafitry ny famonjena ary mandrisika antsika hahatakatra sy hampihatra fifehezan-tena ka hisoroka ny fakam-panahy. Mampianatra antsika ny fomba fibebahana ihany koa izany rehefa nisy fandikan-dalàna nitranga.

Faharoa: Hampitombo ny fahamarinana sy ho fiarovana ho an’ny fianakaviana ny fanajana ny Sabata

Novain’ny Fiangonana Kristianina tany am-boalohany avy tamin’ny andro sabotsy ka lasa alahady ny fitandremana ny Sabata ho fahatsiarovana ny Fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty. Ireo tanjona masina hafa an’ny Sabata kosa dia mbola tsy niova. Ho an’ny Jiosy sy ny Kristianina, ny Sabata dia maneho ny asan’ Andriamanitra.20

Vao haingana izaho sy ny vadiko ary ny mpiara-miasa amiko anankiroa, niaraka tamin’ny vadiny, no nandray anjara tamin’ny Sabata Jiosy nandritra ny fanasana izay nataon’ny namana malala iray, i Robert Abrams sy i Diane vadiny, tao an-tranon’izy ireo ao New York.21 Nanomboka tamin’ny fotoana fiatombohan’ny Sabata Jiosy izany tamin’ny Zoma hariva. Ny zavatra nifantohana dia ny hanome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny maha-Mpamorona Azy. Nanomboka tamin’ny fitsofan-drano ny fianakaviana sy ny hiran’ny Sabata izany.22 Nandray anjara tamin’ilay fombafomban’ny fanasana tanana, ny fitsofan-drano ny mofo, ny vavaka, ny sakafo kosher, ny fanaovana tsianjery ny soratra masina ary ny fihirana ny hiran’ny Sabata tamin-karavoana izahay. Nihaino ireo teny Hebreo izahay, narahan’ny fandikan-teny tamin’ny teny anglisy. Ireo andinin-tsoratra masina tena nampihetsi-po novakiana avy tao amin’ny Testamenta Vaovao, izay tena manan-danja amintsika ihany koa, dia nalaina avy tao amin’ny Isaia, izay manambara ny Sabata ho fahafinaretana,23 sy avy tao amin’ny Ezekiela, izay milaza ny Sabata “ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”24

Ny fahatsapana tena mahery vaika avy tao amin’io takariva mahafinaritra io dia ny amin’ny fitiavan’ny fianakaviana, ny fahafoizan-tena ary ny maha-tompon’andraikitra manoloana an’ Andriamanitra. Rehefa nieritreritra momba an’io hetsika io aho dia nandinika ny fanenjehana be niainan’ireo Jiosy nandritra ny taonjato maro. Mazava fa ny fanajana ny Sabata dia efa “fanekena mandrakizay,” izay niaro sy nitahy ireo vahoaka Jiosy tamin’ny fanatanterahan’ny soratra masina.25 Nahatonga ny fiainana sy ny fahasambaram-pianakaviana mahatalanjona izay hita soritra eny amin’ny fiainan’ny Jiosy maro koa izany.26

Ho an’ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny fanajana ny Sabata dia endriky ny fahamarinanan’ny tena izay hitahy sy hanamafy orina ny fianakaviana sy hampifandray antsika amin’ilay Mpamorona antsika ary hampitombo ny fahasambarana. Afaka manampy antsika hiala amin’ny zavatra tsy misy dikany na tsy mendrika na maharatsy fitondrantena ny Sabata. Mamela antsika ho eo amin’izao tontolo izao izany fa tsy naman’izao tontolo izao.

Tao anatin’ny enim-bolana lasa dia nisy fiovana tena miavaka nitranga teo amin’ny Fiangonana. Izany dia ho valin’ny famerenana ny fanamafisana momba ny Sabata izay nataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ary ny fanamby nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ny hanao ny Sabata ho fahafinaretana.27 Mpikambana maro no nahatakatra fa ny fitandremana marina ny andro Sabata ho masina dia fialofana amin’ny tafiodrivotr’ity fiainana ity. Mariky ny fahafoizan-tenantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy fahatakarana nitombo momba ny fahamasinan’ny fanasan’ny Tompo koa izany. Na izany aza, dia mbola betsaka ny lalana izay hodiavintsika, saingy manana fiandohana mahatalanjona isika. Manome fanamby antsika rehetra aho mbola hanohy hanaraka io torohevitra io ary hanatsara ny fanajantsika ny Sabata.

Fahatelo: Hahazo fiarovana isika rehefa marina

Ao anatin’ny drafitra masin’ Andriamanitra dia notahiana amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina isika. Io fanomezana io dia “ny zo hanana ny fiarahana lalandava amin’ ny Fanahy Masina … rehefa mendrika ny olona iray.”28 Io mpikambana amin’ny Andriamanitra io dia miasa ho mpanadio raha toa ka ataontsika voalohany amin’ny fiainantsika ny filazantsara. Feo fampitandremana amin’ny ratsy koa izy sy feno fiarovana amin’ny loza. Rehefa mamakivaky ny onjam-piainana isika, dia zava-dehibe ny manaraka ny fahatsapana ny Fanahy Masina. Hanampy antsika hisoroka ny fakam-panahy sy ny loza ny Fanahy ary hampionona sy hitarika antsika ao anatin’ny fahasahiranana. “Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana.”29

Ny fanarahana ireo fitsipika masin’ny filazantsara no hahatonga antsika ho mendrika ny ho any amin’ny tempoly sy hahita fahasambarana ary hitarika antsika hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tsy mora ny fiainana, sady tsy natao ho mora izany. Fotoam-pitsapana sy fizahan-toetra izany. Tahaka ireo sambo efa antitra tao amin’ny Seranan-tsambon’i Bristol dia hisy fotoana izay hampisintona ny ranomasina ka dia toa manjavona avokoa ny zava-drehetra amin’izao tontolo izao izay nitana antsika tsy hilentika. Mety hikasika amin’ny tany isika ary mety hitongilana amin’ny lafiny iray mihitsy aza. Ao anatin’ny fitsapana toy izany dia mampanantena anareo aho fa ny fiainana sy ny fitazonana fiainana mendrika ho any amin’ny tempoly no hampiaraka izay rehetra tena manan-danja. Ho tanteraka ireo fitahiana mamin’ny fiadanana sy fahasambarana ary fifaliana miaraka amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay sy ny voninahitra selestialy miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. 2 Nefia 2:13. Io soratra masina io dia anisan’ny fahamira-zotra iray hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mahaliana fa maro amin’ireo mpaminany izay manana asa soratra sy toriteny tafiditra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampiasa io fomba fanoratra io mba hanamafisana ireo hevitra ara-potopampianarana manan-danja. Jereo ohatra ny 2 Nefia 9:25 (Jakôba) ary ny 2 Nefia 11:7 (Nefia).

  2. Jereo ny 2 Nefia 28.

  3. Jereo ny 4 Nefia 1:15–17.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23.

  5. Jereo ny Wiktionary, “shipshape and Bristol fashion,” wiktionary.org.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30.

  7. Almà 40:12; nampiana fanamafisana.

  8. Jereo ny Matio 5, famintinana ny toko.

  9. Jereo ny Carl Cederstrom, “The Dangers of Happiness,” New York Times, 19 jolay 2015, Sunday Review section, 8.

  10. 2 Nefia 15:20.

  11. Ross Douthat, “Gay Conservatism and Straight Liberation,” New York Times, 28 june 2015, Sunday Review section, 11.

  12. Jereo ny 2 Nefia 2.

  13. Matio 25:2–3, 14–30.

  14. Almà 41:10.

  15. Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Mitozoa ao amin’ny faharetana,” Liahona, mey 2010, 56.

  16. Jereo ny Walter Mischel, The Marshmallow Test: Mastering Self-Control (2014), 136–38; jereo koa ny Jacoba Urist, “What the Marshmallow Test Really Teaches about Self-Control,” Atlantic, 24 sept. 2014, theatlantic.com.

  17. Jereo ny Mischel, The Marshmallow Test, 136–38.

  18. Jereo ny Maria Konnikova, “The Struggles of a Psychologist Studying Self-Control,” New Yorker, 9 ôkt. 2014, newyorker.com, izay milaza an’i Roy Baumeister, mpampianatra psikôlôjia ao amin’ny Oniversiten’ny Florida State, mandalina ny sitrapo sy ny fifehezan-tena.

  19. Jereo ny Malia Wollan, “How to Proselytize,” New York Times Magazine, 19 jolay 2015, 21. Naka ny tenin’i Mario Dias avy ao amin’ny Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera any Brésil izy.

  20. Jereo ny Torolalana momba ny soratra masina, “Andro Sabata.”

  21. Niaraka taminay mivady ny Loholona Von G. Keetch sy i Bernice vadiny, ary i John Taylor sy i Jan vadiny, namonjy Sabata mahafinaritra niaraka tamin’i Robert Abrams sy i Diane vadiny, tamin’ny 8 mey 2015. Atoa Abrams dia efa lehiben’ny fampanoavana in’efatra nifanesy tao amin’ny fanjakan’i New York ary efa naman’ny Fiangonana nandritra ny taona maro. Nanasa mpiara-miasa Jiosy anankiroa mivady ihany koa Atoa Abrams.

  22. Ny hiran’ny Sabata hoe Shalom Aleichem (“Fiadana anie ho anao”) no nohiraina.

  23. Jereo ny Isaia 58:13–14.

  24. Ezekiela 20:20.

  25. Jereo ny Eksodosy 31:16–17.

  26. Jereo ny Joseph Lieberman, The Gift of Rest: Rediscovering the Beauty of the Sabbath (2011). Ny boky mahafinaritra an’ny loholona Lieberman dia manoritsoritra ny Sabata Jiosy ary manome fijery manentam-panahy.

  27. Jereo ny Isaia 58:13–14. Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 129–32.

  28. Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanahy Masina.”

  29. Galatiana 5:22.