2015
Ny fifaliana avy amin’ny fananana fiainana mifantoka amin’i Kristy
Nôvambra 2015


Ny fifaliana avy amin’ny fananana fiainana mifantoka amin’i Kristy

Tsy maintsy eo afovoany tsara ao amin’i Kristy isika, raha toa ka te hahita ny tena fifaliana sy fiadanana eto amin’ity fiainana ity.

Ny tontolo izay iainantsika dia manery mafy ireo olona tsara na aiza na aiza mba hampihena na hamela tanteraka ireo fitsipiky ny fiainana araka ny fahamarinana. Na eo aza anefa ireo ratsy sy ireo fakam-panahy izay manodidina antsika isan’andro dia afaka mahita sy hahita ny tena fifaliana isika amin’ny alalan’ny fananana fiainana mifantoka amin’i Kristy.

Hitondra fifandanjana sy fahasambarana eo amin’ny fiainantsika ny fanaovana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ho fifantohan’ny fiainantsika araka ny asehon’ireto ohatra manaraka ireto.

Ny Loholona Taiichi Aoba ao amin’ny Fitopololahy, izay mipetraka any amin’ny tanàna kely ambonin’ny tendrombohitra iray any Shikoku, Japana, dia nangatahina mba hampianatra kilasy iray nandritra ny fihaonamben’ny tanora. Nofidiana ho lohahevitr’ilay fihaonambe ny hoe: “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo.” Rehefa avy nieritreritra momba ilay lohahevitra sy ny zavatra izay ho ampianarina dia nanapa-kevitra ny hampiasa ny asa fivelomany ho fitaovana ampiasaina hoenti-mampianatra ny Loholona Aoba. Mpanamboatra vilany tanimanga no asany.

Manamboatra vilany tanimanga miaraka amin’ireo tanora ny Loholona Aoba

Nilaza ny Loholona Aoba fa tena liana sy faly tokoa ireo tanora rehefa nahita azy nanova ny tanimanga ho lasa lovia, sy lovia jobo ary kaopy saika efa tamin’ny fomba mahagaga tokoa. Rehefa avy nampiseho izany izy dia nanontany azy ireo raha toa ka te hanandrana izany izy ireo. Nanangana ny tanany avokoa izy rehetra.

Nasain’ny Loholona Aoba nanatona mba hanandrana ilay zava-mahaliana azy ireo ny tanora maromaro. Noheverin’izy ireo fa ho mora izany rehefa avy nijery azy. Tsy nisy tamin’izy ireo anefa nahomby tamin’ny fiezahan’izy ireo nanamboatra lovia jobo iray. Nilaza izy ireo hoe: “Tsy afaka manao ity aho!” “Fa maninona ity no sarotra be?” “Sarotra be ity.” Nanao ireo fanamarihana ireo izy ireo rehefa nipitipitika eran’ny trano ny potika tanimanga.

Nanontaniany ny tanora ny antony nahasarotra be ny fanamboarana izany ho azy ireo. Nilaza valinteny samihafa izy ireo: “Tsy manana traikefa aho,” “Tsy nanaraka fanofanana velively aho,” “Tsy manana talenta aho.” Araka ny vokatra azo dia marina avokoa ny zavatra nolazain’izy ireo. Ny antony manan-danja indrindra tamin’ny tsy fahombiazan’izy ireo anefa dia noho ilay tanimanga tsy napetraka tsara teo afovoan’ilay kodiaram-pisaka. Nieritreritra ireo tanora fa napetrak’izy ireo teo afovoany tsara ilay tanimanga, saingy raha ny fijerin’ny matihanina dia tsy teo amin’ny tena afovoany izany. Dia hoy izy tamin’izy ireo avy eo: “Andao andramana indray mandeha izany.”

Manamboatra vilany tanimanga ny Loholona Aoba

Napetraky ny Loholona Aoba teo amin’ny tena afovoan’ilay kodiaram-pisaka ny tanimanga tamin’izay ka nanomboka nampihodina izany izy, nanisy loaka teo afovoan’ilay tanimanga. Nanandrana indray ny tanora maromaro. Nanomboka nitehaka ny rehetra tamin’izay sady niteny hoe: “He, tsy mihovitrovitra!,” “Afaka manao ity aho,” na “Vitako ilay izy!” Tsy tonga lafatra mazava ho azy ny endrik’izany, saingy samy hafa tanteraka tamin’ilay fanandramana voalohany ny vokatra azo. Ny anton’ny fahombiazan’izy ireo dia satria napetraka tsara teo afovoan’ilay kodiaram-pisaka ny tanimanga.

Mitovy amin’ny kodiaram-pisaky ny mpanamboatra vilany tanimanga ny tontolo izay iainantsika, ary mitombo hatrany ny haifanganan’ny fihodinan’ilay kodiaram-pisaka. Tahaka ilay tanimanga teo ambonin’izany dia tsy maintsy eo afovoany tsara koa isika. Tsy maintsy i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany no fototra ijoroantsika, no ivon’ny fiainantsika. Ny miaina fiainana mifantoka amin’i Kristy dia midika hoe mianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ary manaraka ny ohatra nasehony sy mitandrina ny didiny amin’ny antsipiriany.

Nilaza i Isaia mpaminany fahiny hoe: “Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ ny tananao izahay rehetra.”1

Raha toa ka mifantoka amin’i Jesoa Kristy ny fiainantsika dia afaka mamolavola antsika amim-pahombiazana Izy ka ho lasa izay olona tiany hahatongavantsika isika mba hahafahana miverina any Aminy sy eo anatrehan’ny Ray any An-danitra any amin’ny fanjakana selestialy. Ny fifaliana ananantsika eto amin’ity fiainana ity dia hifandray mivantana amin’ny hoe nifantoka tanteraka amin’ireo fampianarana sy ohatra ary ny sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy ve ny fiainantsika.

Rahalahy sy ranabavy, teraka tao anatin’ny fianakaviana iray aho ary olomasin’ny andro farany ny razambeko maro, ka mifandray amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanay andavanandro ireo fitahiana sy fifaliana avy amin’ny fananana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho fototry ny kolontsain’ny fianakavianay. Tamin’ny fotoana nanaovako asa fitoriana amin’ny fotoana maharitra fony aho zatovolahy no nahafantarako ny fitaomana tsara sy mahagaga nananan’ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy teo amin’ireo izay tsy mbola niaina na oviana na oviana izany fitahiana izany teo amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra amin’ny zavatra iainan’ireo olona izay miova fo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izao andinin-tsoratra masina iray ao amin’ny Matio izao: “Ary ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.”2

Aoka aho hizara aminareo ny ohatra iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampiseho ny zavatra foin’ny olona iray mba hahazoana ilay fifaliana mifandraika amin’ny fahitana ilay harena nolazain’i Jesoa ao amin’ilay fanoharana momba ilay harena nafenina tany an-tsaha.

Tadidio ao amin’ny bokin’i Almà, toko faha-20, fa nandeha nankany amin’ny tanànan’i Midônia mba hitady sy hanafaka an’i Aharôna rahalahin’i Amôna tao am-ponja i Amôna sy i Lamônia. Nifanena tamin’izy ireo teny an-dalana ny rain’i Lamônia, izay mpanjakan’ny Lamanita nanerana ny tany rehetra.

Tezitra ny mpanjaka fa nandeha niaraka amin’i Amôna, misiônera Nefita iray, izay noraisiny ho fahavalo, ny zanany lahy. Nihevitra izy fa tokony nanatrika ny lanonambe iray izay nokarakarainy ho an’ireo zanany lahy sy ny vahoakany ny zanany. Tezitra mafy ilay mpanjaka Lamanita ka nodidiany i Lamônia zanany mba hamono an’i Amôna amin’ny sabany. Rehefa nandà i Lamônia, dia navoakany ny sabany mba hamonoana ny zanany noho ny tsy fankatoavany. Nisakana mba hanavotana ny ain’i Lamônia anefa i Amôna. Nandresy ny mpanjaka izy tamin’ny farany ary afaka namono azy mihitsy.

Izao no nolazain’ny mpanjaka tamin’i Amôna rehefa teo anelanelan’ny fiainana sy ny fahafatesana izy: “Raha hitsimbina ny aiko ianao, dia hotoviko aminao na inona na inona hangatahinao, na dia ny antsasaky ny fanjakana aza.”3

Koa vonona ny handoa ny antsasaky ny fanjakany ny mpanjaka mba tsy hamonoana azy. Tsy maintsy gaga ny mpanjaka rehefa nangataka ny hamotsorana fotsiny an’i Aharôna rahalahiny sy ireo mpiara-miasa taminy tany am-ponja i Amôna, ary koa mba hihazonan’i Lamônia ny fanjakany.

Navotsotra avy tao amin’ny fonjan’i Midônia i Aharôna rahalahin’i Amôna taorian’izay, vokatr’izany resaka izany. Rehefa avy navotsotra izy dia nentanim-panahy handeha any amin’ny toerana izay nanjakan’ny mpanjaka Lamanita teo amin’ny tany. Nampahafantarina ny mpanjaka i Aharôna ary nanana tombontsoa nampianatra azy ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ka anisan’izany ny drafitra lehiben’ny fanavotana. Nanentana mafy ny fanahin’ny mpanjaka ireo fampianaran’i Aharôna.

Hita ao amin’ny andininy faha-15 ao amin’ny Almà, toko faha-22 ny valinteny nasetrin’ny mpanjaka tamin’ny fampianaran’i Aharôna: “Ary ny zava-nitranga, nony efa nanazava ireo zavatra ireo taminy i Aharôna, dia hoy ny mpanjaka: Inona no hataoko mba hahafahako manana izany fiainana mandrakizay izay efa noresahinao izany? Eny, inona no hataoko mba ho azo aterak’ Andriamanitra aho, rehefa hongotana hiala ao an-tratrako izao faharatsiam-panahy izao ka handraisako ny Fanahiny mba hahatonga ahy ho feno fifaliana mba tsy hahazoana mandroaka ahy amin’ ny andro farany? Indro, hoy izy, hilaozako izay rehetra ananako, eny, hafoiko ny fanjakako mba hahazoako mandray izany fifaliana lehibe izany.”

Mahagaga tsotra izao hoe, mifanohitra tamin’ny fahafoizana ny antsasaky ny fanjakany mba tsy hamonoana azy, dia vonona ny hahafoy ny fanjakany iray manontolo ny mpanjaka Lamanita teto mba hahazoany ny fifaliana avy amin’ny fahatakarana sy fanekena ary fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ihany koa i Nancy vadiko. Nambarany tamiko imbetsaka nandritra ny taona maro ny fifaliana tsapany hatramin’ny nahitany sy nanekeny ary niainany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izao manaraka izao no eritreritra avy amin’ny Rahavavy Maynes mikasika ny zavatra niainany:

“Fony aho tanora tany amin’ny fiandohan’ny faha-20 taonako, dia fantatro fa tonga ny fotoana hanisiako fanovana teo amin’ny fiainako mba hahatonga ahy ho olona faly kokoa. Tsapako toa tsy nisy tanjona na lalana itodihana ny fiainako, ary tsy fantatro ny toerana ahitana izany. Efa nahafantatra hatrany aho fa nisy ny Ray any An-danitra ary nivavaka aho indraindray nandritra ny fiainako, sady nahatsapa fa nihaino ahy Izy.

“Nandeha tamin’ny fiangonana maro samihafa aho rehefa nanomboka ny fikarohana nataoko kanefa niaina ireo fahatsapana sy fahakiviana ireo indray taty aoriana. Mahatsapa ho tena notahiana tokoa aho satria novaliana ihany tamin’ny farany ny vavaka nataoko ka nangatahiko fitarihana sy tanjona, dia nentina teo amin’ny fiainako ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Fotoana voalohany nahatsapako ho toa nanana tanjona izany, ary nitondra fifaliana marina teo amin’ny fiainako ny drafitry ny fahasambarana.”

Manazava tsara ny traikefa iray hafa avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa afaka mameno antsika amin’ny fahasambarana lehibe kokoa ny fananana fiainana mifantoka amin’i Kristy na dia miatrika fisedrana mafy aza isika.

Rehefa nandao an’i Jerosalema i Lehia sy ny fianakaviany tamin’ny 600 talohan’i J.K., dia nirenireny tany an-tany foana nandritra ny valo taona teo ho eo izy ireo mandra-pahatonga azy ireo tany amin’ny tany nantsoina hoe Soafeno nony farany, toerana izay teo amoron-dranomasina. Toy izao no famariparitan’i Nefia ny fiainan’izy ireo feno fahoriana tany an-tany foana: “Efa [niaritra] fahoriana maro sy fahasahiranana be [izahay], … ka tsy hay soratana avokoa [ireny].”4

Nomen’ny Tompo andraikitra mba hanangana sambo izay hitondra azy ireo hiampita ny ranomasina mankany amin’ny tany nampanantenaina i Nefia raha nipetraka tao Soafeno. Taorian’ny fahatongavana tao amin’ny tany nampanantenaina dia nipoitra hatrany ireo fifandirana goavana teo amin’ireo vahoaka nampifantoka ny fiainan’izy ireo tamin’i Kristy sy ireo tsy mpino izay nanaraka ny ohatra nasehon’i Lamana sy i Lemoela. Goavana tokoa ny mety hisian’ny herisetra teo amin’ireo vondrona roa ireo ka nisaraka tamin’izy ireo i Nefia sy ireo izay nanaraka ny fampianaran’ny Tompo ka nitsoaka tany an-tany foana ho fiarovana azy ireo. Tamin’izay fotoana izay, tokony ho 30 taona taorian’ny nandaozan’i Lehia sy ny fianakaviany an’i Jerosalema, dia nanao fanambarana mari-pototra sy toa mahagaga i Nefia, indrindra rehefa avy noraketiny tao amin’ny soratra masina ireo fahoriana sy fisedrana izay natrehan’izy ireo efa hatry ny ela. Ireto no teniny: “Ary ny zava-nitranga dia niaina tao amin’ ny toetry ny fahasambarana izahay.”5 Afaka niaina araka ny toetry ny fahasambarana izy ireo satria nifantoka tamin’i Kristy sy ny filazantsarany na dia teo aza ny zava-tsarotra niainany.

Ry rahalahy sy ranabavy, tsy maintsy eo afovoany tsara ao amin’i Kristy isika, tahaka ilay tanimanga teo amin’ilay kodiaram-pisaky ny mpanamboatra vilany tany, raha toa ka te hahita ny tena fifaliana sy fiadanana eto amin’ity fiainana ity. Manohana izany fitsipika marina izany avokoa ny ohatra nasehon’ilay mpanjaka Lamanita; sy ny an’i Nancy vadiko; ary ny an’ireo vahoaka Nefita.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho androany fa afaka mahita izany fiadanana, izany fahasambarana, izany tena fifaliana izany ianareo raha toa ka misafidy ny hanana fiainana mifantoka amin’i Kristy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.