Hazòny ny lalanao
Ataovy lohalaharana Andriamanitra, na inona na inona fitsapana midona. Tiavo Andriamanitra. Mananà finoana an’i Kristy ary atolory ho eo Aminy ny momba anao rehetra.
Ny 11 martsa 2011 dia nitsangana teo amin’ny toerana fiandrasana fiaran-dalamby tao amin’ny tobim-piaran-dalambin’i Tokyo Shinagawa aho handeha hitsidika ny Misionan’i Kobe, Japon. Tamin’ny 2 ora sy 46 minitra, teo ho eo dia nisy horohorontany nanana maridrefy 9.0 amin’ny heri-korohorontany niseho. Tsy afaka nijoro aho vokatry ny tanjaky ny fihozongozon’ny tany, ka nihazona mafy teo amin’ny arofanina iray. Nanomboka nihintsana teo amin’ny gorodona ireo jiro teo amin’ny valin-drihina akaiky teo. Tao anatin’ny fahatairana i Tokyo iray manontolo.
Tsara vintana aho satria tsy naratra, ary ora efatra taty aoriana dia nisinda ny ahiahiko rehefa avy nahafantatra fa tsy nisy naninona ny fianakaviako manontolo.
Nifanesy sesilany teo amin’ny fahitalavitra ireo horonantsary voarakitra mampivarahontsana. Tafatsofoka tao amin’ny faritry ny misiôna Sendai ny onjan-dranomasina lehibe—nifaoka izay rehetra nifanehatra tamin’ny lalany: fiara, trano, orinasa sy saha maro. Tsy nahaloa-bava aho nahita ireto sary mampahonena ary dia nitomany. Nivavaka tamin-kery tamin’ny Raintsika any An-danitra aho mba hahazoan’ny olon-drehetra tian’ny foko tokoa, izay miaina tany amin’ity faritra ity, fiarovana sy fanampiana.
Voamarina taoriana kely fa tsy nisy naninona ireo misiônera sy mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Na izany aza dia maro ireo mpikambana no niharan-javatra toy ny famoizana ny olona ao amin’ny fianakaviany, trano ary fananana. Efa hananika ny 20.000 no olona maty, fiaraha-monina maro no rava ary maro ireo olona no voatery nandao ny tranony vokatry ny fipoahana tao amin’ny orinasa mpanodina akora atômika.
Mihanaka manerana ny tany manontolo ankehitriny ny loza be toy izany, mahatonga famoizana ain’olona maro. Efa nampitandremana isika fa hitranga eto amin’izao tontolo izao ny loza, ady, ary ireo zava-manahirana maro.
Mety hametra-panontaniana ianao, rehefa mitranga tampoka aminao ny fitsapana toy izany, manao hoe: “Nahoana no mitranga amiko izao?” na hoe “Nahoana no tsy maintsy mijaly aho?”
Nandritra ny fotoana lava taorian’ny niovako fo tamin’ny filazantsara dia tsy nanana valiny mazava aho tamin’ilay fanontaniana hoe “Nahoana no mandalo izao fitsapana izao aho?” Takatro ny ampahan’ny drafitry ny famonjena izay mampahafantatra fa hosedraina isika. Kanefa, eo amin’ny zavatra iainana tena izy, rehefa mitranga io fanontaniana io dia tsy resy lahatra tsara aho ka tsy afaka hamaly tsy am-pisalasalana izany fanontaniana izany. Nisy anefa fotoana izay nandalovako ihany koa fitsapana mivaivay.
Nitsidika ny misiôna Nagoya aho araka ny lamina teo amin’ny asako tamin’izaho 30 taona. Taorian’ny fivoriana dia narindran’ny filohan’ny misiôna ny mba hanateran’ireo elder ahy ho eny amin’ny seranam-piaramanidina. Rehefa nanatona fihaonan-dalana teo amin’ny faran’ny havoana mitsotsorika iray anefa izahay dia indro nisy fiara be misosososo mafy midina avy taorianay. Nandona mafy ny sisin’ny fiaranay izany ary nanapitika izany tery amin’ny 20 m tery aloha. Ny tena nampivarahontsona tamin’ity resaka ity dia tsy nisy mpamily ilay fiara be. Niforitra hatreo amin’ny antsasan’ny habeny ny sisin’ny fiaranay. Soa ihany fa velona soa aman-tsara izaho sy ireo elder.
Ny ampitson’iny anefa dia nanomboka nahatsapa fanaintainana tao amin’ny hatoko sy ny soroko aho ary narary an-doha tsy zaka. Tsy nahita tory aho nanomboka tamin’izay andro izay ary voatery niaina fanaintainana ara-batana sy ara-tsaina isan’andro isan’andro. Nivavaka tamin’ Andriamanitra aho ny mba hanasitranany ahy kanefa nitohy nandritra ny 10 taona izany fambaran’aretina izany.
Tamin’izay fotoana izay dia nanomboka nikiky ny saiko ny fisalasalana, ary nanontany tena aho hoe: “Nahoana no tsy maintsy hiharan’izao fanaintainana lehibe izao aho?” Na dia tsy nahazo ilay fanasitranana nokatsahiko aza anefa ny tenako dia niezaka ny hahatoky eo amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra. Nivavaka hatrany aho mba ho afaka ny hahavaly ireo fanontaniana mikasika ireo fitsapana lalovako.
Tonga anefa ny fotoana izay mbola nisian’ny olana vitsivitsy fanampiny teo amiko, ary nitroatra aho noho ny tsy fahafantarako ny fomba hiatrehana ity sedra vaovao ity. Nivavaka aho mba hahazo valiny kanefa tsy nandray izany avy hatrany anefa aho. Ka dia nanatona sy niresaka tamin’ny mpitariky ny Fiangonana natokisako aho.
Teo am-piresahanay dia nilaza toy izao izy, tamin’ny feo feno fitiavana, “Rahalahy Aoyagi, moa va tsy handalo izany fitsapana izany no antony nahatongavanao eto an-tany? Moa ve tsy ampy ny manaiky ireo fitsapana mandalo amin’ny fiainana araka izay fisehony ary mametraka ny ambiny ho eo am-pelatanan’ny Tompo? Tsy mieritreritra ve ianao fa hivaha izany olana izany rehefa mitsangana amin’ny maty isika?”
Nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo nahery vaika aho raha nandre ireo teny ireo. Efa nandre ity fotopampianarana ity imbetsaka aho saingy tsy mbola nisokatra tahak’izay nitranga tamin’izany fotoana izany ny mason’ny fahatakarako. Takatro fa izany ilay valim-panontaniana nokatsahiko avy tamin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataoko. Afaka nahatakatra nazava ny drafitry ny Raintsika any An-danitra aho ary nahatakatra hevi-baovao mikasika ity fitsipika manan-danja ity.
Ao amin’i Abrahama, ny Tompo dia nanambara hoe: “Dia hosedraintsika amin’ izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ ny Tompo Andriamaniny azy ireo.”1
Ny fitsipika tadidiana dia ity: fantatr’ilay Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany ny hoavy lehiben’ity tany ity, ary manjaka amin’ny zava-drehetra eny an-danitra sy ety an-tany Izy, ary mba hahatanteraka ny drafitry ny famonjena dia mampandalo antsika amin’ny traikefa maro isan-karazany Izy—isan’izany ireo fitsapana—ety am-pandiavantsika ny tany.
Ary nilaza izao manaraka izao tamin’i Joseph Smith ny Tompo:
“Dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany. …
“Koa hazòny ny lalanao … , fa homba anao mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.”2
Ireo fisedrana eto an-tany—anatin’izany ny aretina sy ny fahafatesana—dia ampahany ao amin’ny drafitry ny famonjena ary zavatra iainana tsy azo ialana. Ilaintsika ny “mihazona amin’ny lalan[tsika]” ary manaiky ireo fitsapana antsika amim-pinoana.
Na izany aza anefa dia tsy hiaritra fotsiny ny fitsapana no anton’ny fiainantsika. Nandefa ny Zanakalahy Malalany, Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika mandresy ireo fitsapana atrehintsika eto an-tany, na amin’ny teny hafa, manao izay hampahatanjaka ny fahalemena ao amintsika Izy,3 nanonitra ny ota sy tsy fahatomombanantsika ary manao izay hahazoantsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.
Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Tsy natao hahitana raha maharitra zava-tsarotra fotsiny ilay fitsapana napetrak’ilay Andriamanitra be fitiavana ho antsika. Natao hahitana izany raha toa ka maharitra tsy mitakemotra isika. Mahomby eo amin’ilay fitsapana isika amin’ny alalan’ny fanehoantsika fa mahatsiaro Azy sy ireo didy izay nomeny.”4
“Hazòny ny lalanao” no safidy mahomby mandritra ny fotoan’ny fitsapana. Atodiho amin’ Andriamanitra ny fonao, indrindra mandritra ny fotoam-pitsapana. Mankatoava amim-panetrentena ireo didin’ Andriamanitra. Manehoa finoana mba hampifanarahana ny fanirianao amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.
Ndeha hiverenantsika ilay fifandonan’ny fiara tany Nagoya. Tokony ho faty tamin’izany loza izany aho. Kanefa, noho ny famindrampon’ny Tompo dia velona soa aman-tsara aho. Ary fantatro fa ireo fanaintainako dia entiko hianaran-javatra sy hitomboako.5 Nampianatra ahy hanana faharetana ny Ray any An-danitra, hampitombo fitserana ny hafa ary hanafaka ny fanaintainan’ireo mijaly. Feno fankasitrahana amin’ny Raiko any An-danitra aho noho ireo fitsapana rehefa avy nahatakatra izany.
Ataovy lohalaharana Andriamanitra, na inona na inona fitsapana midona. Tiavo Andriamanitra. Mananà finoana an’i Kristy ary atolory ho eo Aminy ny momba anao rehetra. Nanao izao fampanantenana izao i Môrônia, ho an’ny olona tahaka izany: “Ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’ izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’ i Kristy.”6
Mijoro ho vavolombelona amin-kitsimpo aho fa velona Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahy Malalany, Jesoa Kristy ary ho tanteraka ny fampanantenan’ Andriamanitra ho an’ireo izay “[mi]hazòna ny lala[ny]” sy tia Azy na dia ao anatin’ny fitsapana aza, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.