2015
Ireo toetra masin’i Jesoa Kristy: mangoraka sy malemy fanahy
Desambra 2015


Hafatra ho an’ny famangiana isan-tokantrano, desambra 2015

Ireo toetra masin’i Jesoa Kristy: mangoraka sy malemy fanahy

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina Amin’ny fomba ahoana no hampitomboan’ny fahatakarana ireo toetra masin’ny Mpamonjy ny finoanao Azy sy hitahiana ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Ny hevitra ara-bakitenin’ny hoe fangorahana ao amin’ny soratra masina dia hoe: ‘miaraka ory.’ Ny heviny koa dia ny hoe maneho fo onena, alahelo, ary famindram-po amin’ny hafa.”1

“Nanome ohatra maro momba ny fiahiana feno fangorahana i Jesoa,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson. “Ilay lehilahy nalemy tongotra teo amin’ny farihin’i Betesda; ilay vehivavy izay azo nijangajanja; ilay vehivavy teo amin’ny fantsakan’i Jakôba; ilay zanakavavin’i Jairo; Lazarosy, anadahin’i Maria sy i Marta—dia samy naneho ny fahavoazana teny amin’ny lalan’i Jeriko avokoa. Samy nila fanampiana ny tsirairay avy.

“Hoy i Jesoa tamin’ilay lehilahy malemy tao Betesda: ‘Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.’ Niantefa tamin’ilay vehivavy feno fahotana ny torohevitra hoe: ‘Mandehana, ary aza manota intsony.’ Mba hanampiana ilay vehivavy izay nantsaka, dia nanome loharano “miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay” Izy. Tonga tamin’ilay zanakavavin’i Jairo izay nodimandry ny didy hoe: ‘Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.’ Tamin’i Lazarosy izay nalevina tao am-pasana dia hoe: ‘Ry Lazarosy, mivoaha.’

“Nampiseho mandrakariva fahafahana tsisy fetra amin’ny fangorahana ny Mpamonjy. … Andeha hosokafantsika ny varavaran’ny fontsika, mba hahafahan’ilay ohatra velona momba ny fangorahana marina hiditra.”2

Soratra masina fanampiny

Salamo 145:8; Zakaria 7:9; 1 Petera 3:8; Môsià 15:1, 9; 3 Nefia 17:5–7

Avy ao amin’ ny Soratra Masina

“Nandohalika teo akaikin’ny zanakay vavy 17 taona izaho sy ny vadiko ka nitalaho mba hitsimbinana ny ainy,” hoy i Linda S. Reeves, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. “Tsia ny valiny, kanefa . … lasa fantatray … fa … [ny Mpamonjy] dia mahatsapa fangorahana ho antsika ao anatin’ny alahelontsika.”3

“Anisan’ny tantara tiako indrindra teo amin’ny tantaran’ny Mpamonjy ny tantaran’i Lazarosy. Milaza amintsika ny soratra masina hoe: ‘Ary Jesosy tia an’i Marta sy ny rahavaviny [Maria] ary Lazarosy [anadahiny].’”4 Rehefa lasa narary i Lazarosy dia nalefa tany amin’i Jesoa ny hafatra saingy rehefa tonga Izy dia efa nodimandry i Lazarosy. Nihazakazaka nankeny amin’i Jesoa i Maria ka niankohoka teo an-tongony ary nitomany. Rehefa nahita an’i Maria nitomany i Jesoa “dia vonto ny fanahiny, ka … nitomany” (Jaona 11:33, 35).

“Izany no andraikitra sahanintsika. Tsy maintsy mahafantatra sy mahita ho an’ny tenantsika aloha isika vao manampy ny zanaky ny Raintsika any An-danitra rehetra mba hahatsapa sy hahita ary hahalala fa tsy vitan’ny hoe nitondra ny fahotantsika rehetra fotsiny ny Mpamonjy antsika fa nitondra ihany koa ny fanaintainantsika sy ny fijaliantsika ary ny fahoriantsika mba hahafantarany ny zavatra tsapantsika sy ny fomba hankaherezana antsika.”5

Fanamarihana

  1. Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Fangorahana.”

  2. Thomas S. Monson, “The Gift of Compassion,” Liahona, martsa 2007, 4–5, 8.

  3. Linda S. Reeves, “Tsy manadino anao ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 120.

  4. Linda S. Reeves, “Tsy manadino anao ny Tompo,” 118.

  5. Linda S. Reeves, “Tsy manadino anao ny Tompo,” 120.

Eritrereto Ity

Iza no mety ho voatahy amin’ny fangorahanao?

Hamoaka printy