2017
Misionera tsy misy mari-pamantarana
June 2017


Zatovo

Misionera tsy misy mari-pamantarana

Misy mpampianatra anay iray izay any am-pianarana izay manana toetra izay mety hampiahotra ny hafa ny hizara fomba fijery mifanohitra aminy mikasika lohahevitra iray. Indray andro dia momba ireo misioneran’ny Olomasin’ny Andro Farany no lohahevitra noresahanay. Nahafantatra aho fa afaka ny hamaly ny fanontaniany, saingy nahatsapa aho fa tsy tokony. Noho izany dia nilaza zavatra vitsy fotsiny ihany aho mba hanome fahafahampo azy tamin’izay fotoana izay.

Nandritra ny herinandro vitsivitsy taty aoriana aho dia tsy nitsahatra nieritreritra momba ny resaka nifanaovanay. Farany, nisy eritreritra tonga tato amiko fa tokony hanome azy ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny fehezanteny vitsivitsy asiana marika momba ny asa misionera aho. Nampatahotra ahy ilay eritreritra saingy tsy nety niala tato amiko ilay izy. Fantatro fa bitsiky ny Fanahy izay tokony ho arahiko izany.

Roa volana taty aoriana, dia efa voaomako ilay Bokin’i Môrmôna. Nandritra ny andro iray manontolo dia toy ny nandoro sy namorona lavaka tao anatin’ny kitapoko ilay boky. Ilay telo segondra nandrasako mba hanomezana azy ilay boky no fotoana nampatahotra ahy indrindra teo amin’ny fiainako raha hanomboka ny fialan-tsasatra ho an’ny ririnina aho.

Ny andro voalohany niverenako avy any amin’ny fialan-tsasatra, dia nandalo ny efitrano fampianarany aho saingy natahotra aho ny hiditra tao. Tampoka teo anefa dia reko izy niantso ahy ary nanome ahy karatra kely iray. Novakiako tao amin’ny lalan-tsara ilay izy. Nambarany fa nohalalininy “an-tsakany sy an-davany” ireo andian-tsoratra masina izay nomarihako, ary nanomboka nahita ny antony sasantsasany ao ambadiky ny finoako izy.

Lasa tsy haritro hatramin’izao ny mizara ny filazantsara, ary vao mainka tsy haritro ihany koa ny hanompo ny Raiko any An-danitra tsy ho ela any amin’ny misiôna.

Hamoaka printy