2017
Voantso ho amin’ny asa
June 2017


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jona 2017

Voantso ho amin’ny asa

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Rehefa niantso ny Loholona Heber C. Kimball (1801-68) ho misionera tany Angletera mba “hanokatra ny varavaran’ny famonjena” ny Mpaminany Joseph Smith, dia nahatsapana tsy fahavononana ny Loholona Kimball.

Nanoratra izy hoe: “Tompo o! Izaho dia lehilahy tsy havanana amin’ny fitenenana, ary noho izany aho dia tsy mendrika izany asa izany.”

Neken’ny Loholona ihany anefa ilay antso no sady nanampy izy hoe: “Ireo eritreritra ireo dia tsy nahasakana ahy tamin’ny lalan’ny asa; ny fotoana izay nahatakarako ny sitrapon’ny Raiko any An-danitra, no nahatsapako finiavana ny hiroso na inon-kidona na inon-kiantra omban’ny finoana fa hanohana ahy amin’ny alalan’ny heriny masina Izy, ary ho tafiany ahy ireo fahaiza-manao izay ilaiko.”1

Ry zandriko lahy sy vavy isany izay nantsoina ho amin’ny asa fanompoana amin’ny fotoana feno, ianareo dia voantso ho amin’ny asa satria ianareo, toa ny Loholona Kimball dia, “manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra” (F&F 4:3) ary satria vonona sy mendrika ianareo.

Ianareo mpivady zokiolona ihany koa dia voantso ho amin’ny asa noho ny antony mitovy. Kanefa, ianareo dia tsy vitan’ny hoe manana ny faniriana ny hanompo fotsiny ihany fa ihany koa ny fahalalana izay azonareo nandritra ny fotoana maro nanaovana fahafoizan-tena, sy ny fitiavana ary ny traikefa izay afaka ampiasain’ny Rainareo any An-danitra mba hikasihana ny fon’ireo zanany lahy sy vavy izay mikatsaka ny fahamarinana. Tsy isalasalana fa hainareo fa tsy afaka ny ho tia tanteraka ny Tompo isika raha tsy manompo Azy amin’ny fanompoana ny hafa.

Ny fanirianareo ny hitory ny filazantsara dia ho ampianareo finoana sy tanjaka, herim-po sy fahatokiana, fikasana sy faharisihana, fahaizana manapa-kevitra sy fanoloran-tena. Ireo misionera manana fanoloran-tena dia afaka mitondra fahagagana any amin’ny sahan’ny misiôna.

Ny Filoha John Taylor (1808-87) dia namehy ireo fahamendrehana manan-danja ilain’ireo misionera tamin’izao fomba izao: “Ny karazana lehilahy [sy vehivavy ary mpivady] izay ilaintsika mba hitondra ity hafatry ny filazantsara ity dia lehilahy izay manana finoana an’Andriamanitra; lehilahy manana ny finoana amin’ny fivavahany; lehilahy izay manaja ny fisoronany; lehilahy izay … hananan’ Andriamanitra fahatokisana. … Lehilahy feno ny Fanahy Masina sy ny herin’ Andriamanitra no ilaintsika[,] … lehilahy mihazona ny teny omeny, lehilahin’ ny fahamarinana, tsara toetra ary madio.”2

Nanambara ny Tompo hoe:

“Fa indro, efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina; ary indro, izay mandroso ny antsimbilony amin’ ny heriny dia izy no mihary ho amin’ ny ho avy mba tsy hahafaty ny tenany, fa mitondra famonjena kosa ho an’ ny fanahiny;

“Ary ny finoana, ny fanantenana, ny fiantrana ary ny fitiavana mbamin’ ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra no mahalany azy ho amin’ ny asa” (F&F 4:4–5).

Ny antsonareo dia azo avy amin’ny fitaomam-panahy. Mijoro ho vavolombelona aho fa izay antsoin’ Andriamanitra, dia volavolain’ Andriamanitra. Hahazo ny fanampian’ny lanitra ianareo raha toa ka miasa am-bavaka ao amin’ ny tanimboaloboky ny Tompo.

Ilay fampanantenana mahafinaritra nomen’ny Tompo ireo misionera tamin’ny fiandohan’ity fotoampitantanana ity dia ho azonareo araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (F&F 84:88).

Rehefa manompo ianareo dia hanorina finamanana sy fahatsiarovana mandrakizay. Tsy misy saha izay fantatro ka afaka mamokatra vokatra maro momba ny fahasambarana ankoatra ny sahan’ny misiôna.

Izao no hafatro ho an’ireo misionera lahy, vavy ary mpivady, izay noho ny antony maro samihafa dia mety tsy afaka namita hatramin’ny farany ny asa izay nanirahana azy tany amin’ny sahan’ny misiôna: Tia anareo ny Tompo. Ankasitrahany ny fahafoizan-tenanareo. Fantany ny fahadisoam-panantenanareo. Fantaro fa mbola manana asa ho ampanaovana anareo Izy. Aza avela hilaza aminareo ny mifanohitra amin’izany i Satana. Aza kivy; aza trotraka; aza mamoy fo.

Tahaka ny zavatra tsikaritro fotoana fohy taorian’ny fihaonambe izay niantsoana ahy mba hitarika ny Fiangonana: “Aza matahotra. Matokia. Mamiratra tahaka ny finoanareo ny ho avy.”3 Izany fampanantenana izany dia mbola mitoetra ho marina ho anareo. Noho izany dia aza manary finoana, satria ny Tompo dia tsy mbola nanary toky taminareo. Hajao ny fanekempihavanana nataonareo, dia mirosoa hatrany.

Mila ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izao tontolo izao. Enga anie ka hitahy ny Olomasiny ny Tompo—na aiza na aiza toerana hanompoantsika—miaraka amin’ny fo misionera.

Fanamarihana

  1. Heber C. Kimball, in Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball,ed. fahatelo (1967), 104.

  2. Enseignement des Présidents de l’Église: John Taylor (2001), 73.

  3. Thomas S. Monson, “Be of Good Cheer,” Liahona, mey 2009, 92.

Hamoaka printy