2017
Ny herin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fanajana ny fanekempihavanana
June 2017


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jona 2017

Ny herin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fanajana ny fanekempihavanana

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana hanomana ireo zanakavavin’ Andriamanitra amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay?

Sary
Relief Society seal

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Ny hafatro … ho an’ny rehetra dia hoe afaka “voatahin’ny herin’ny fahefan’ny fisoronana” isan’ora isan’ora isika, na inona na inona toe-javatra iainantsika,” hoy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifolo.

“… Rehefa mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ianao, dia hanome anao hery, sy fiadanana, ary fomba fijery mibanjina ny mandrakizay bebe kokoa ny Tompo. Na inona na inona toe-javatra misy anareo dia ‘hotahian’ny herin’ny fahefan’ny fisoronana ny tokantranonareo.’”1

Ahoana no hanasantsika ny herin’ny fisoronana ho ao amin’ny fiainantsika? Mampahatsiahy antsika ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “izay rehetra niditra ny ranon’ny batisa ary avy eo nandray ny fanafiana masina tany amin’ny tranon’ny Tompo dia anisan’ireo hahazo ireo harena sy fitahiana mahafinaritra. Ilay fanafiana masina dia tena fanomezana hery ara-bakiteny … [ary] malala-tanana amin’ny heriny ny Raintsika any An-danitra.” Mampahatsiahy antsika izy fa ny lehilahy sy ny vehivavy, “dia samy tafiana hery mitovy izy ireo” any amin’ny tempoly, “izay famaritana ny herin’ny fisoronana.”2

I Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana ifanampiana dia nilaza fa: “Satria ny herin’ny fisoronana dia zavatra izay iriantsika ho azo ao amin’ny fianakaviantsika sy any an-tokantranontsika, inona no zavatra tokony ho ataontsika mba hahafahantsika manasa izany hery izany ao amin’ny fiainantsika? Ny fahamasinan’ny tena manokana dia tena ilaina mba hahazoana ny herin’ny fisoronana.”3

“Raha manatona ny Tompo amim-panetrentena isika, ka mangataka ny mba hampianarany antsika, dia hasehony antsika ny fomba hampitomboantsika ny fahafahantsika mahazo ny heriny ,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.4

Soratra masina sy fampahalalana fanampiny

1 Nefia 14:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36; 132:20; reliefsociety.lds.org

Fanamarihana

  1. Neil L. Andersen, “Hery ao amin’ny Fisoronana,” Liahona, nôv. 2013, 92, 95.

  2. M. Russell Ballard, “Men and Women and Priesthood Power,” Liahona, sept. 2014, 36.

  3. Linda K. Burton, “Priesthood Power—Available to All,” Ensign, jona 2014, 21.

  4. Russell M. Nelson, “Ny Sandan’ny Herin’ny Fisoronana,” Liahona, mey 2016, 69.

Hamoaka printy