Manin-te hody
Atodiho mankany amin’ny fahazavana ny fanahinao. Atombohy ilay dianao mahafinaritra mody any an-trano. Rehefa manao izany ianao dia ho tsara kokoa sy ho faly kokoa, ary hisy dikany kokoa ny fiainanao.
Raha nihaona tamin’ny Filoha Thomas S. Monson izahay vao haingana dia naneho tamin’ny fomba lehibe sy tamin’ny endrika feno fifaliana izy fa tena tiany ny Tompo ary fantany fa tia azy ny Tompo. Ry rahalahy sy anabavy malala, fantatro fa ny Filoha Monson dia tena mankasitraka tokoa ny fitiavanareo sy ny vavaka ataonareo ary ny fanolorantenanareo ho an’ny Tompo.
Bobbie ilay alika mahagaga
Efa ho zato taona lasa izay, nisy fianakaviana iray avy any Oregon nanao fialan-tsasatra tany Indiana, izay 3.200 km mahery lavitry ny tranony, ary very tany i Bobbie ilay alika tena tian’izy ireo. Nitaintaina ery ilay fianakaviana nikaroka tetsy sy teroa ilay alika kanefa tsy nahitam-bokany. Tsy hita i Bobbie.
Tamin’alahelo no niverenan’izy ireo hody. Ny kilaometatra tsirairay dia nanalavitra azy ireo tamin’ilay biby fitaiza an-trano tsy foin’izy ireo.
Enim-bolana taty aoriana dia talanjona ity fianakaviana raha nahita an’i Bobbie teo an-tokonam-baravaran’izy ireo tany Oregon. “Maloto sy mahia, ary votsi-tongotra mila ho hita mihitsy ny taolany, toa nandeha an-tongotra namita ilay halavirana iray manontolo… irery no fahitana [azy].”1 Nahasarika ny eritreritry ny olona manerana an’i Etazonia ny tantaran’i Bobbie ka lasa fantatra tamin’ny hoe i Bobbie ilay alika mahagaga izy.
Tsy i Bobbie irery ihany akory no biby nampitolagaga ireo mpahay siansa amin’ny fahaizana mitadidy lalana sy ny fahalalana ny toeram-podiana izay tena mahagaga tokoa. Misy andiana lolo sasany mifindra monina any amin’ny 4.800 km any isan-taona mba ho any amin’ny toerana izay mety amin’ny fahaveloman’izy ireo. Ny soka-dranomasina dia miampita ny Ranomasimbe Pasifika miainga avy any Indonésie mihazo ny moron-dranomasin’i Californie. Ny trozona dia milomano avy any amin’ny rano mangatsiakan’ny tendron-tany Avaratra sy Atsimo mihazo ny fehibentany dia miverina avy eo. Angamba vao mainka aza tsy mampino fa ny sterne arctique (vorona kely manana elatra lava izay miaina eny amoron-drano) dia manidina avy any amin’ny Faribolana Arktika mankany Antarktika, izay halavirana eo amin’ny 97.000 km eo.
Rehefa nandinika io fihetsika mahasondriana io ny mpahay siansa dia nametraka fanontaniana toy ny hoe: “Ahoana no ahafantaran’izy ireo ny lalan-kalehany?” ary “Amin’ny fomba ahoana no nahafantaran’ny taranaka tsirairay nifandimby io fihetsika io?”
Rehefa namaky momba io saimbatana mahery vaika ao amin’ny biby io aho dia tsy haiko ny tsy hanontany tena hoe: “Mety hitombina ihany koa ve ny hananan’ny olombelona faniriana lehibe toy izany, na fitarihana avy ao anaty raha izay no tianao hiantsoako azy, izay misarika azy ho any amin’ny fonenany any an-danitra?”
Mino aho fa efa nisy fotoana tamin’ny fiainany ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ny ankizy rehetra dia efa nahatsapa ilay faniriana mafy te ho any an-danitra. Ao anatintsika lalina ao dia misy faniriana mafy izay toa te handeha hihoatra ny voaly ka hamihina ireo Ray aman-dRenintsika any An-danitra izay fantatsika sy nolalaintsika fahiny.
Ny sasany dia mety hanafoana io faniriana mafy io sy hanao izay tsy hahatsapany io faniriana mafy io. Kanefa ireo izay tsy maningotra io fahazavana io amin’ny tenany dia afaka manomboka dia iray mahatalanjona, fifindra-monina mahagaga mankany amin’ireo toeram-ponenana any an-danitra.
Miantso anao Andriamanitra
Ny hafatra manentam-panahy entin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hoe Andriamanitra dia Raintsika, miraharaha antsika Izy, ary misy fomba hiverenana any Aminy.
Miantso anao Andriamanitra.
Fantatr’ Andriamanitra avokoa ny eritreritrao sy ny fahorianao, ary ireo fanantenanao lehibe indrindra. Fantatr’ Andriamanitra ireo fotoana maro nitadiavanao Azy. Ireo fotoana maro nahatsapanao fifaliana tsy manam-petra. Ireo fotoana maro naha-kotsan-dranomaso anao tao anatin’ny fanirery. Ireo fotoana maro nahatsapanao ho tena ketraka, sahiran-tsaina, na tezitra.
Kanefa, na manao ahoana na manao ahoana ny tantaram-piainanao, raha toa ianao ka efa nitakemotra, na tsy nahomby, na nahatsapa ho rotidrotika, na maratra, na nivadihan’ny olona, na trotraka, dia fantaro fa tsy irery ianao. Mbola miantso anao Andriamanitra.
Manatsotra ny tanany aminao ny Mpamonjy. Ary tahaka ny nataony tamin’ireo mpanjono izay nijoro taloha ela be teo amin’ny moron-dranomasin’i Galilia dia miresaka aminao amim-pitiavana tsy misy fetra Izy hoe: “Avia, manaraha ahy.”2
Raha mihaino Azy ianao, dia hiresaka aminao mihitsy Izy anio.
Rehefa mandeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra ianao, rehefa mandroso mankamin’ny Ray any An-danitra ianao, dia misy zavatra ao anatinao ao izay hanamafy fa nahare ny antson’ny Mpamonjy ianao ary nampitodika ny fonao mankamin’ny fahazavana. Hiteny aminao izany fa eo amin’ny lalana marina ianao ary eo am-piverenana ho any Aminy.
Hatrany am-piandohana ireo mpaminanin’ Andriamanitra dia namporisika ny olona tamin’ny androny mba “[hihaino] ny feon’i Jehovah Andriamanitrao, … hitandr[ina] ny didiny sy ny lalàny… , [ary] hiverina [Aminy] amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.”3
Mampianatra antsika antony an’arivony tokony hanaovantsika izany ny soratra masina.
Anio, dia mamelà ahy ianareo hanome antony roa tokony hiverenantsika amin’ny Tompo.
Voalohany: Ho tsara kokoa ny fiainanao.
Faharoa: Hampiasain’ Andriamanitra ianao hanatsarana ny fiainan’ny hafa.
Ho tsara kokoa ny fiainanao
Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manomboka na manohy ilay dia mahatalanjona izay mitondra any amin’ Andriamanitra isika dia ho tsara kokoa ny fiainantsika.
Tsy midika akory izany hoe tsy hisy fahoriana ny fiainantsika. Isika rehetra dia samy mahafantatra mpanaradia mahatoky an’i Jesoa Kristy izay iharan-doza sy zavatra tsy ara-drariny, i Jesoa Kristy tenany dia nijaly mihoatra ny olon-drehetra. Tahaka ny hampiposahan’ Andriamanitra “ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy,” no hamelany ihany koa ny hisian’ny fahoriana hitsapana ny marina sy ny tsy marina.4 Raha ny marina, indraindray dia toa sarotra kokoa ny fiainantsika satria miezaka miaina mifanaraka amin’ny zavatra inoantsika isika.
Tsia, ny fanarahana ny Mpamonjy dia tsy hanaisotra ny fitsapana lalovanao rehetra. Kanefa ny fanarahana ny Mpamonjy dia hanaisotra ireo sakana manasaraka anao amin’ny fanampiana tian’ny Ray any An-danitra omena anao. Hiaraka aminao Andriamanitra. Hitantana anao amin’izay ataonao Izy. Handeha eo anilanao Izy ary hivimbina anao mihitsy aza amin’ny fotoana manahirana anao indrindra.
Hiaina ireo vokatra faratampon’ny Fanahy ianao dia ny: “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, [ary] finoana.”5
Ireny vokatra ara-panahy ireny dia tsy vokatry ny firoboroboana, na fahombiazana ara-nofo, na hatsaram-bintana. Avy amin’ny fanarahana ny Mpamonjy ireny, ary afaka ny hanampy antsika eny mandritra ny fitsapana sarotra indrindra lalovantsika mihitsy.
Mety hanambana na hampitahotra ny hotakotaka sy ny savorovoron’izao tontolo izao kanefa ireo izay manankina ny fony amin’ Andriamanitra dia hodidinin’ny fiadanany. Tsy hihen-danja ny hafalian’izy ireo. Tsy hilaozana na hohadinoina izy ireo.
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra,” araka ny fampianaran’ny soratra masina, “fa aza miankina amin’ny fahalalanao. Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra.”6
Ireo izay mihaino ilay antso anaty sy mikatsaka an’ Andriamanitra, ireo izay mivavaka, sy mino ary mizotra amin’ny lalan’ny maha-mpanara-dia, na dia solafaka eny an-dalana aza indraindray, dia handray ilay fanomezan-toky mampahery manao hoe “hiara-hiasa ny zava-drehetra ho tombontsoa [ho azy ireo].”7
Satria “mampahatanjaka ny reraka [Andriamanitra] ary izay kely hery dia omeny hery be.”8
“Fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany.”9
Dia nanontany ny Tompo tao anatin’ny hatsaram-panahiny hoe:
Te hiaina fifaliana maharitra ve ianao?
Manam-paniriana mafy ny hahatsapa izany fiadanana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra ao am-ponao izany ve ianao?10
Atodiho mankany amin’ny fahazavana ary ny fanahinao.
Atombohy ilay dianao mahafinaritra mody any an-trano.
Rehefa manao izany ianao dia ho tsara kokoa sy ho faly kokoa, ary hisy dikany kokoa ny fiainanao.
Hampiasa anao Andriamanitra
Vetivety dia ho tsapanao mandritra ny dianao miverina any amin’ Andriamanitra fa tsy vitan’ny fifantohana amin’ny fiainanao fotsiny izany dia izany. Tsia, tsy azo ihodivirana fa io lalana io dia mitarika anao ho lasa fitahiana eo amin’ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra sasany dia ny rahalahinareo sy ny anabavinareo izany. Ary ny zavatra mahaliana momba ilay dia ny hoe rehefa manompo an’ Andriamanitra sy rehefa mikarakara sy manampy ireo mpiara-belona aminao ianao dia hahita fivoarana lehibe eo amin’ny fiainanao manokana amin’ny fomba tsy neritreretinao velively.
Angamba tsy mihevitra ny tenanao hoe misy dikany toy izany ianao; angamba tsy mihevitra ny tenanao ho fitahiana ho an’ny hafa ianao. Matetika rehefa mijery ny tenantsika isika dia ny fahalementsika sy ny tsy fahombiazantsika ihany no hitantsika. Mety hieritreritra isika fa tsy maintsy manam-pahaizana “bebe kokoa” amin’ny zavatra iray vao hampiasan’ Andriamanitra; marani-tsaina bebe kokoa, manan-karena kokoa, maharesy lahatra kokoa, manan-talenta kokoa na ara-panahy bebe kokoa. Tsy dia hoe noho ny fahaizanao loatra no hiavian’ny fitahiana fa noho ny safidinao. Ary ny Andriamanitr’izao tontolo izao dia hiasa ao anatinao sy amin’ny alalanao amin’ny fampitomboana ireo ezaka ataonao amim-panetrentena ho amin’ny tanjony.
Ny asany dia nandroso mandrakariva teo amin’ity fitsipika manan-danja ity: “Amin’ny alalan’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe.”11
Rehefa nanoratra ho an’ny Olomasina tao Korinto i Paoly dia nanao fanamarihana fa an-kavitsiana tamin’izy ireo no azo lazaina ho hendry araka ny fenitr’izao tontolo izao. Kanefa tsy nampaninona izany satria “ny malemy amin’izao tontolo izao no nofinidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery.”12
Ny tantaran’ny asan’ Andriamanitra dia feno olona izay nahatsapa ny tenany ho tsy nahavita azy. Kanefa izy ireo dia nanompo tamim-panentrentena, niantehitra tamin’ny famindram-pon’ Andriamanitra, sy ny fampanantenany hoe: “Ny sandriny no ho sandriko, ary Izaho no ho ampingany sy ho fiarovany … , ka hiady amim-pahasahiana ho ahy ireo; ary … [Izaho hiaro] azy ireo.”13
Tamin’ny fahavaratra farany teo ny fianakavianay dia nanana fahafahana lehibe hitsidika ny sasany tamin’ireo toerana manan-tantaran’ny Fiangonana voalohany tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia. Toa niavaka kely fa niaina indray ny tantaran’ny tamin’izany fotoana izany izahay. Ny olona izay efa novakiako imbetsaka ny momba azy, olona toa an-dry Martin Harris, sy i Oliver Cowdery ary i Thomas B. Marsh, dia lasa tena nisy kokoa tamiko rehefa nandeha tamin’ny lalana nalehan’izy ireo izahay sy nisaintsaina tao am-ponay ny zavatra nafoin’izy ireo mba hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra.
Nanana toetra tsara maro izy ireo izay nahafahan’izy ireo nandray anjara lehibe tamin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Kanefa dia olombelona ihany koa izy ireo, malemy, ary mety diso tahaka ny tsy maha-tanteraka ahy sy ianao. Ny sasany tamin’izy ireo dia tsy nifanaraka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ka niala tamin’ny Fiangonana. Taty aoriana dia maro tamin’ireo olona ireo no niova fo, nanetry ny tenany ary nikatsaka sy nahita indray fiombonana niaraka tamin’ny Olomasina.
Mety manana fironana hitsara ireny rahalahy ireny sy ny mpikambana hafa toa azy ireny isika. Mety hilaza isika hoe: “Tsy ho nandao velively ny Mpaminany Joseph aho.”
Mety ho marina izany kanefa tsy fantatsika mazava tsara ny mety ho fiainana tamin’izany fotoana izany tao anatin’ny toe-javatra nisy azy ireo. Tsia, tsy tanteraka izy ireo kanefa mahavelom-bolo ny mahafantatra fa Andriamanitra dia afaka nampiasa azy ireo na dia izany aza. Fantany ny tanjaka sy ny fahalemen’izy ireo ary nomeny fahafahana mahagaga izy ireo handray anjara kely avy ho an’ny faneva be lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny.
Tena mahavelom-bolo ny mahafantatra fa na dia tsy tanteraka aza isika, rehefa mitodika amin’ Andriamanitra ny fontsika dia ho malala-tanana sy tsara fanahy amintsika Izy ary hampiasa antsika amin’ny fanatanterahana ny tanjony.
Ireo izay tia sy manompo an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy ka mandray anjara amim-panetrentena sy mavitrika amin’ny asany dia hahita zava-mahagaga hitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo sy eo amin’ny fiainan’ireo olon-tiany.
Ny varavarana izay toa nikatona dia hivoha.
Handeha eo anoloany sy hanomana ny lalany ny anjely.
Na inona na inona andraikitra sahaninao ao amin’ny fiarahamonina na ao am-piangonana dia hampiasa anao Andriamanitra raha vonona ianao. Hampitombo ny faniriana tsara anananao sy hanao izay hahatonga ireo asa feno fangorahana nafafinao ho lasa vokatra tsara tsy lany laniana Izy.
Tsy afaka ny ho tonga any amin’ny herintsika samirery isika
Isika tsirairay avy dia “vahiny sy mpivahiny”14 avokoa eto amin’izao tontolo izao. Lavitry ny fonenantsika isika amin’ny lafiny maro. Fa tsy midika izany fa tokony hahatsapa ho very na irery isika.
Ny Ray malalantsika any An-danitra dia nanome antsika ny Fahazavan’i Kristy. Ary lalina ao anatintsika tsirairay ao dia misy hery avy any an-danitra manosika antsika hampitodika ny masontsika sy ny fontsika any Aminy rehefa manao ny dia miverina ho any amin’ny fonenana selestialintsika isika.
Mitaky ezaka izany. Tsy afaka ny ho tonga any ianao raha tsy miezaka mafy ny hianatra avy Aminy, hahatakatra ny torolalana omeny, hampihatra fatratra ireny, ary handroso.
Tsia, ny fiainana dia tsy zavatra mandeha ho azy. Tsy fiaramanidina mandeha samirery izany.
Tsy afaka ny hitsingevana eny ambonin’ny ranon’ny fiainana fotsiny ianao ka hahatoky fa hoentin’ny onja any amin’izay irinao hahatongavana. Ny fanarahan-dia dia mitaky ny fahavononantsika sy ny filomanosana manohitra ny riaka mihitsy raha ilaina.
Tsy misy olon-kafa tompon’andraikitra amin’ny dianao manokana. Ny Mpamonjy dia hanampy anao sy hanomana ny lalana eo anoloanao kanefa ny fanolorantena ny hanaraka Azy sy hitandrina ny didiny dia tsy maintsy avy aminao. Izany dia andraikitrao irery ary tombontsoa ho anao ihany.
Traikefa lehibe feno fientanam-po ho anao ity.
Miangavy aho, henoy ny antson’ny Mpamonjy anao.
Manaraha Azy.
Ny Tompo dia nanangana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanampiana anao amin’izany fanolorantena hanompo an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona izany. Ny tanjony dia ny hankahery, hampianatra, sy hampitraka ary handrisika. Ity Fiangonana mahafinaritra ity dia manome anao fahafahana haneho fangorahana, hanampy ny hafa, sy hanavao ary hitandrina fanekempihavanana masina. Natao hitahiana ny fiainanao sy hampivoatra ny tokantranonao, ny fiarahamonina, ary ny firenena izany.
Andao Hiaraka Aminay ary matokia amin’ny Tompo. Ampindramo amin’ny fanatanterahana ny asany mahagaga ny talentanao. Manampia, mandraisa anjara amin’ny fankaherezana, fanasitranana, ary ny fanohanana ireo rehetra izay maniry ny hahatsapa sy hihaino tsara ilay faniriana mafy hody any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Ndeha hiara-dia hizotra ho any amin’ireo toeram-ponenana an-danitra.
Ny filazantsara dia hafatra lehibe mifono fanantenana sy fahasambarana ary fifaliana. Izany no lalana mitondra antsika hody.
Rehefa mandray ny filazantsara amim-pinoana sy arahin’asa isika isan’andro sy isan’ora dia hanakaiky bebe kokoa hatrany an’ Andriamanitra. Ho tsara kokoa ny fiainantsika, ary ny Tompo dia hampiasa antsika amin’ny fomba mahagaga maro hitahiana ireo manodidina antsika sy hanatanterahana ny tanjony mandrakizay. Izany no ijoroako ho vavolombelona ary apetrako aminareo ny tsodranoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.