Ireo filàna fanampiana eo anoloantsika
Ny toerana ahafahantsika manolotra ny sasany amin’ireo fanampiana tena manan-danja dia ao amin’ny fianakaviantsika, eo anivon’ny namantsika, sy ao amin’ny paroasintsika ary ao amin’ny fiarahamonintsika.
Vao haingana isika no nahita loza ara-boajanahary maro tany Mexique, Etazonia, Asie, sy les Caraïbes ary Afrika. Namoaka ny tsara indrindra avy amin’ny olona izany rehefa an’arivony no nirotsaka nanampy an’ireo izay tandindomin-doza na sahirana na ireo izay tra-boina. Tena faly aho nahita ireo zatovovavy tany Texas sy Floride, izay nanao akanjo mavomavo misy soratra hoe Môrmôna manome tanana, niaraka tamin’ny olona maro hafa, ary nanampy nanala ireo potipoti-javatra nivangongo tao amin’ireo trano taorian’ireo rivo-doza niseho vao haingana. An’arivorivony maro hafa no ho nandeha tamim-pifaliana tany amin’ireo toerana tena nila fanampiana ireo raha toa ka tsy lavitra izany. Fa nanolotra fanomezana lehibe kosa ianareo mba hanamaivanana ny fijaliana. Manentana ny fanahy ary toetra tahaka ny an’i Kristy ny fahalalahan-tananareo sy ny fangorahanareo.
Androany aho dia te hiresaka mikasika ny endrika anankirain’ny asa fanampoana izay tsapako fa manan-danja ho an’ny rehetra, na aiza na aiza misy antsika. Ho antsika izay nijery vaovao momba ireo zava-nitranga vao haingana ary nahatsapa ho tsy afaka nanoatra ka tsy nahafantatra izay tokony hatao, dia mety eo ambany masontsika mihitsy raha ny tena marina ny valiny.
Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.”1 Hoy ny Filoha Thomas S. Monson mikasika io soratra masina io: “Mino aho fa ny tian’ny Mpamonjy holazaina amintsika dia ny hoe, raha tsy mirotsaka manompo ny hafa isika dia tsy misy tanjona firy loatra ny fiainantsika. Ireo izay tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany irery ihany dia tsy mahita fahombiazana amin’ny farany ary toy ny hoe mamoy ny ainy. Fa ireo izay mirotsaka amin’ny fanompoana ny hafa kosa dia hivoatra sy hiroborobo, ka dia hanavotra ny ainy.”2
Miaina ao anatina kolontsaina izay ifantohantsika bebe kokoa amin’ny efijery kely eny an-tanantsika, toy izay amin’ny olona manodidina antsika isika. Nosolointsika amin’ny fandefasana hafatra fohy sy amin’ny fandefasana hafatra amin’ny tweeter ny fijerena olona iray mivantana amin’ny maso dia mitsiky, na ny fifampiresahana ifanatrehan-tava izay mahalana kokoa aza. Matetika isika no miahiahy bebe kokoa mikasika ny isan’ny olona mpanaraka antsika sy mpanisy hoe tiako ho antsika ao amin’ny tambazotra ifaneraserana, toy izay hamihina namana iray sy haneho fitiavana sy fiahiana ary fahalianana azo tsapain-tanana. Na dia mahavariana tokoa aza ny ataon’ny teknôlôjia maoderina eo amin’ny fampielezana ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy eo amin’ny fanampiana antsika mba hifandray lalandava amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika, raha tsy mitandrina ny fomba fampiasantsika ireo fitaovantsika manokana isika dia mety hanomboka hifantoka amin’ny tenantsika fotsiny koa ka hanadino fa ilay tena fototry ny fiainana ny filazantsara dia ny asa fanompoana.
Manana fitiavana goavana sy finoana anareo izay zatovo sy ao anatin’ny taona maha-tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony aho. Efa hitako sy tsapako ny fanirianareo hanompo sy hitondra fiovana eo amin’izao tontolo izao. Mino aho fa ny ankamaroan’ny mpikambana dia mandray ny asa fanompoana ho ivon’ny fanekempihavanan’izy ireo sy ny maha-mpianatra azy ireo. Kanefa mieritreritra koa aho fa indraindray dia mora ny tsy mahita ireo fahafahana tena tsara sasany mba hanompoana ny hafa satria varimbariana isika na mitady fomba tena tsara mba hanovàna an’izao tontolo izao, ka tsy hitantsika fa ny toerana ahafahantsika manolotra ny sasany amin’ireo fanampiana tena manan-danja dia ao amin’ny fianakaviantsika, eo anivon’ny namantsika, sy ao amin’ny paroasintsika ary ao amin’ny fiarahamonintsika. Tohina ny fontsika rehefa mahita ny fijaliana sy ny fahasahiranana lehibe mianjady amin’ireo olona any lavitra any, nefa mety tsy hitantsika akory fa misy olona mila ny finamanantsika izay mipetraka tena eo akaikintsika mihitsy ao an-dakilasy.
Ny Rahavavy Linda K. Burton dia nitantara ny tantaran’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny tsatòka iray izay niara-niasa tamin’ny olona hafa mba hanangona lamba firakotra bemiray ho an’ireo olona sahirana tany amin’ny taona 90. “Nitondra ny fiara tsy mataho-dalana iray feno ireo lamba firakotra bemiray ireo avy tany Londres nankany Kosovo izy sy ny zanany vavy. Teny an-dalam-podiana dia nahazo fahatsapana ara-panahy tsy azo nodisoana velively izay tafalatsaka lalina tao am-pony izy. Izao ilay fahatsapana: -Tena tsara ny zavatra nataonao. Izao dia mandehana mody, miampità ny arabe, ary manompoa ny mpifanolobodirindrina aminao!-”3
Inona no soa azo avy amin’ny famonjena izao tontolo tontolo izao raha toa ka tsy miraharaha ireo zavatra ilain’ireo olona tena akaiky antsika sy ireo olona tena tiantsika isika? Hisy lanjany ve ny fanamboarana an’izao tontolo izao raha toa ka ny olona manodidina antsika izay sahirana aza toa tsy hitantsika akory? Mety napetraky ny Ray any An-danitra ho tena eo akaikintsika ireo olona izay mila antsika noho ny fahafantarany fa isika no tena afaka manampy azy ireo.
Afaka mahita fomba hanompoana tahaka ny nataon’i Kristy ny olona rehetra. Vao haingana ny Rahavavy Carol F. McConkie, mpanolotsaina ahy, no nitantara mikasika an’i Sarah zafikeliny vavy 10 taona, izay rehefa nahita fa narary ny reniny dia nanapa-kevitra manokana fa hanampy. Izy no namoha ny zandriny vavy, dia nampiany izy hiakanjo sy hiborosy ny nifiny sy hibango ny volony ary hisakafo maraina mba hahafahan’ny reniny miala sasatra. Notanterahiny mangingina izany asa fanompoana tsotra izany na dia tsy nangatahina hanao izany aza izy, satria hitany ilay fahasahiranana ary naniry ny hanampy izy. Tsy hoe nitondra fitahiana ho an’ny reniny fotsiny i Sarah fa azoko antoka fa nahatsapa fifaliana koa izy noho ny fahafantarana fa nanamaivana ny enta-mavesatry ny olona iray tiany izy ary nanamafy orina ny fifandraisany tamin’ny rahavaviny koa niaraka tamin’izay. Hoy ny Filoha James E. Faust hoe: “Azo atomboka amin’ny salan-taona rehetra ny fanompoana ny hafa. … Tsy ilaina hoe rehefa eo amin’ny sehatra goavana iray no hanaovana izany, ary tena mendrika izany rehefa atao ao anatin’ny fianakaviana.”4
Moa ve rankizy tsapanareo fa zava-dehibe ho an’ny ray aman-dreninareo sy ny olona ao amin’ny fianakavianareo ny fitadiavanareo fomba hanompoana ao an-trano? Ho anareo zatovo dia tokony ho anisan’ny laharam-pahamehanareo ny fanamafisana orina sy ny fanompoana ireo olona ao amin’ny fianakavianareo rehefa mitady fomba hanovana izao tontolo izao ianareo. Ny fampisehoana hatsaram-panahy sy fiahiana amin’ireo mpiray tampo aminareo sy ny fianakavianareo dia manampy amin’ny famoronana tontolo misy firaisan-kina sy manasa ny Fanahy ao an-tokantrano. Manomboka amin’ny fanamafisana orina ny fianakavianao manokana ny fanovana an’izao tontolo izao.
Ny toerana iray hafa hampifantohana ny asa fanompoana ataontsika dia afaka ny ho eo anivon’ireo fianakaviantsika ao amin’ny paroasy. Indraindray mety hanontany antsika ny zanatsika hoe: “Nahoana aho no tsy maintsy manatrika ny Fiaraha-mientana Ifampizarana? Tsy hitako loatra izay tombontsoa azoko avy amin’izany.”
Raha toa ka manana fotoana tsara ahafahan’ny ray aman-dreny mampianatra ny zanaka aho amin’izay, dia hamaly hoe: “Inona no mahatonga anao hieritreritra fa manatrika ny Fiaraha-mientana Ifampizarana ianao noho ny tombontsoa azonao avy amin’izany?”
Ry zandry namako isany, afaka manome toky anareo aho fa hisy olona iray foana isaky ny fivoriana any am-piangonana atrehanareo izay irery, na manana olana dia mila namana, na mahatsapa ho tsy manana tsara ny toerany. Manana anjara biriky manan-danja entina ianareo isaky ny fivoriana na fiaraha-mientana, ary ny Tompo dia maniry ny hijerijerenareo ireo mpiara-miangona aminareo, dia avy eo manompo toy ny ho nanompoany.
Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny antony lehibe nananganan’ny Tompo ny Fiangonana dia ny hamoronana fikambanan’ Olomasina izay hifanohana ao amin’ilay -lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay-.” Notohizany hoe: “Tsy amin’ny tena manokana ihany no ifantohan’io fivavahana io fa isika rehetra dia nantsoina mba hanompo. Isika no maso, tanana, loha, tongotra ary ireo rantsambatana hafa amin’ny vatan’i Kristy.”5
Marina fa manatrika ireo fivoriam-piangonantsika isan-kerinandro isika mba handray anjara amin’ireo ôrdônansy sy hianatra fotopampianarana ary hahazo fanentanam-panahy, saingy ny antony iray hafa tena manan-danja mba hanatrehana dia, mifampiambina sy mifankahery ary mitady fomba hifanompoana sy hifanamafisana orina isika amin’ny maha-fianakaviana iray ao anatin’ny paroasy antsika sy amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Tsy mpandray sy mpaka fotsiny izay atolotra any am-piangonana isika, fa ilaina isika ho mpanome sy mpamatsy. Ry zatovovavy sy zatovolahy, amin’ny manaraka rehefa any amin’ny Fiaraha-mientana Ifampizarana ianareo, raha tokony handray ny telefaoninareo mba hijery izay ataon’ny namanareo ianareo, dia ajanony izany, jereo ny manodidina, dia manontania tena hoe: “Iza no mila ahy androany?” Mety ianao no fanalahidy ahafahana manampy mpiara-miangona iray sy mitondra fiovàna eo amin’ny fiainany na ahafahana mankahery namana iray izay mitolona mangina.
Angataho ny Rainao any An-danitra mba hampiseho ireo olona manodidina anao izay mila ny fanampianao sy hanome hevitra momba ny fomba tena tsara hanompoana azy ireo. Tsarovy fa tena matetika ny Mpamonjy no nanompo olona iray isaky ny mandeha.
17 taona i Ethan zafikelinay lahy. Tohina ny foko tamin’ity fotoam-pahavaratra ity rehefa niteny tamiko izy fa rehefa nanentana ny fanahiny ny ohatra nasehon’ny reniny, dia nivavaka isan’andro izy mba hanana fahafahana hanompo olona iray. Rehefa nanana fotoana niarahana tamin’ny fianakaviany izahay, dia hitako fa nentiny tamim-paharetana sy tamim-pitiavana ary tamin-katsaram-panahy ny rahalahiny sy ny anabaviny; dia nanampy ny ray aman-dreniny izy; ary nitady fomba hanampiana ny hafa. Variana tamin’ny fahafantarany an’ireo olona manodidina azy aho sy ny faniriany hanompo azy ireo. Ohatra ho ahy izy. Ny fanaovana zavatra toy ny nataon’i Ethan, izany hoe manasa ny Tompo mba hanampy antsika hahita fomba hanompoana, dia hanome fahafahana ny Fanahy hanokatra ny masontsika hahita ireo fanampiana tokony hatao manodidina antsika sy hahita ilay “olona iray” izay mila antsika amin’izany andro izany, ary hahafantatra ny fomba hahafahana manompo azy.
Ankoatra ny fanompoana ny fianakavianao sy ireo olona ao amin’ny paroasinao dia mitadiava fahafahana manompo ny mpifanolobodirindrina aminao sy ny any amin’ny fiarahamonina misy anao. Na dia angatahina aza isika indraindray mba hanampy aorian’ny loza lehibe iray, dia amporosihina isika isan’andro mba hitady fahafahana hampitraka sy hanampy ireo sahirana any amin’ny faritra misy antsika. Vao haingana aho no nahazo fampianarana tamin’ny Filohan’ny Vondrom-paritra iray izay manompo any amin’ny firenena iray manana olana ara-nofo maro, fa ny fomba tena tsara hanampiana ireo sahirana any amin’ireo faritra hafa eto amin’izao tontolo izao dia ny fandoavana ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana, sy ny fandrotsahana anjara biriky ao amin’ny Kitapom-bolan’ny Fiangonana ho an’ny fanampiana olona ary ny fitadiavana fomba hanompoana ireo olona ao amin’ny fiaharamonina misy anao na aiza na aiza ianao no mipetraka. Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fitahiana ho azon’izao tontolo izao raha toa ka manaraka io torohevitra io ny olona rehetra!
Ry anadahy sy rahavavy isany, indrindra ianareo zatovo, rehefa miezaka ny hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ianareo sy manaja ireo fanekempihavanananareo, dia hahazo fitahiana foana ianareo miaraka amin’ny faniriana hanamaivana ny fijaliana sy hanampy ireo izay sahirana. Tsarovy fa mety eo anoloanareo mihitsy ny sasany amin’ireo filana fanampiana goavana. Atombohy any an-tokantranonareo sy eo anivon’ny fianakavianareo ny asa fanampoana ataonareo. Ireo no fifandraisana izay afaka ny ho mandrakizay. Na dia, tsy tonga lafatra aza ny toe-javatra iainan’ny fianakavianao, na angamba raha toa ka tena izany tokoa, dia afaka mahita fomba hanompoana sy hampitrakana sy hampatanjahana olona ianao. Atombohy any amin’izay misy anao izany dia tiavo araka ny maha-izy azy izy ireo ary miomana ho an’ilay fianakaviana izay tianao hananana amin’ny ho avy.
Mivavaha mba hahazo fanampiana eo amin’ny famantarana ireo olona ao anatin’ny fianakavian’ny paroasinareo izay mila fitiavana sy fankaherezana. Raha tokony handeha hiangona miaraka amin’ny fanontaniana hoe: “Inona no tombontsoa ho azoko avy amin’ity fivoriana ity?” ianao, dia aleo manontany hoe: “Iza no mila ahy androany? Inona no anjara biriky tokony hoentiko?”
Rehefa mitahy ny fianakavianareo sy ireo mpikambana ao amin’ny paroasinareo ianareo, dia mitadiava fomba hitahiana ireo olona any amin’ny fiarahamonina misy anareo. Na manana fotoana betsaka hanompoana ianareo na tsy manana afa-tsy ora vitsy isam-bolana, dia hitahy fiainan’olona ny ezaka ataonareo ary tsy ho hainareo atomboka akory aza ny maka sary an-tsaina ny fomba hitahian’izany.
Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tena mahita antsika Andriamanitra ary miambina antsika. Saingy matetika dia amin’ny alalan’ny olona anankiray hafa no hanomezany izay ilaintsika.”6 Ny vavaka ataoko dia enga anie isika hahatsapa ny tombontsoa sy ny fitahiana azo avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asan’ny Raintsika any An-danitra rehefa manome izay zavatra ilain’ny zanany isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.