Ilay Drafitra sy ilay fanambarana
Ny fanambarana momba ny fianakaviana dia fanamafisana indray avy amin’ny Tompo ireo fahamarinan’ny filazantsara izay ilaintsika mba hanohana antsika amin’ireo olana mihatra amin’ny fianakaviana ankehitriny.
Hita miharihary ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana ananantsika fa ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana fotopampianarana miavaka sy fomba fijery hafa an’izao tontolo izao. Mandray anjara ary tena mahomby mihitsy aza isika amin’ny hetsika maron’izao tontolo izao, saingy misy hetsika sasany izay tsy andraisantsika anjara satria miezaka manaraka ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny, na ny taloha na ny ankehitriny, isika.
I.
Tao amin’ny fanoharana iray i Jesoa dia nanoritsoritra an’ireo izay “mandre ny teny” kanefa lasa “tsy mamoa” rehefa voagejan’ny “fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena” izany teny izany (Matio 13:22). Taty aoriana i Jesoa dia nanitsy an’i Petera satria tsy nirona tany amin’ “izay an’ Andriamanitra …, fa izay an’ny olona” ka nilaza hoe: “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy?” (Matio 16:23, 26). Tao amin’ireo fampianarany farany teto an-tany Izy dia nilaza tamin’ireo Apôstôliny hoe: “Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, … dia halan’izao tontolo izao hianareo” (Jaona 15:19; jereo koa ny Jaona 17:14, 16).
Mitovitovy amin’izany, ny rakitsoratr’ireo Apôstôlin’i Jesoa voalohany dia matetika no mampiasa ny sarin’ “izao tontolo izao” hanehoana ny fanoherana ireo fampianaran’ny filazantsara. “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao” (Romana 12:2), hoy ny nampianarin’i Paoly Apôstôly. “Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’ Andriamanitra” (1 Korintiana 3:19). Ary, “Tandremo,” hoy izy, “fandrao misy mahalasa anareo … araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy” (Kolosiana 2:8). Nampianatra i Jakoba Apôstôly “fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao … Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy” (Jakoba 4:4).
Ny Bokin’i Môrmôna dia matetika mampiasa io sarina fifanoherana amin’ “izao tontolo izao” io. I Nefia dia naminany ny amin’ny fandravana farany an’“ireo izay miorina mba ho tonga mamy hoditra eo imason’izao tontolo izao ary ireo izay mikatsaka … ny zavatr’ izao tontolo izao (1 Nefia 22:23; jereo koa ny 2 Nefia 9:30). I Almà dia nanameloka ireo izay “mizihitra … amin’ny zava-poanan’izao tontolo” (Almà 31:27). Ny nofin’i Lehia dia maneho fa ireo izay mikatsaka ny hanaraka ilay anja-by, ny tenin’ Andriamanitra, dia hiatrika ny fanoheran’izao tontolo izao. Ireo olona ao amin’ilay “trano mijoalajoala sy malala” hitan’i Lehia dia “naneso no sady nanondro” tamin’ny “rantsan-tanana mamingavinga” (1 Nefia 8:26–27, 33). Tao anatin’ny fahitana iray izay manazava ilay nofiny dia nianatra i Nefia fa io fanesoana sy fanoherana io dia avy tamin’ny “vahoakan’ny tany, … izao tontolo izao sy ny fahendreny; … [ny] fieboeboan’izao tontolo izao” (1 Nefia 11:34–36).
Inona no dikan’ireo fampitandremana sy didy mba tsy ho “anisan’izao tontolo izao” ao amin’ny soratra masina ireo na ilay didy amin’ny andro maoderina mba “[hahafoy] izao tontolo izao”? (F&F 53:2). Nofintin’ny Filoha Thomas S. Monson ireo fampianarana ireo manao hoe: “Mila mitandrina isika ao anatin’ity izao tontolo izao ity izay efa nihataka lavitra ny zavatra ara-panahy. Zava-dehibe ny fandavana ireo zavatra izay tsy mifanaraka amin’ny fitsipika arahintsika, sy ny fandavana ny fanaovana dingana handao ilay zavatra tena irintsika: dia ny fiainana mandrakizay any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.1”
Namorona ity tany Andriamanitra araka ny drafiny mba hanomezana toerana an’ireo zanany hahafahany miaina ny fiainana an-tany ho dingana manan-danja iray mankany amin’ireo voninahitra tiany ho an’ireo zanany rehetra. Na dia misy asa fanjakana sy voninahitra isan-karazany, ny fanirian’ny Raintsika any An-danitra ho an’ireo zanany dia ilay nantsoin’ny Filoha Monson hoe “fiainana mandrakizay any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra,” dia ny fisandratana ao amin’ny fianakaviana. Izany dia mihoatra ny fanavotana. Nampahatsiahy antsika ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ao amin’ny drafitra mandrakizan’ Andriamanitra, raha zavatra mahakasika ny tsirairay ny fanavotana, ny fisandratana kosa dia zavatra mahakasika ny fianakaviana.”2
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny sy ilay fanambarana nentanim-panahy ho an’ny fianakaviana, izay ho resahiko rehefa avy eo, dia fampianarana manan-danja mba hitarihana ny fiomanana eto an-tany ho amin’ny fisandratana. Na dia tsy maintsy miaina ireo lalàn’ny fanambadiana sy ireo fombafomba hafa an’izao tontolo miharatsy izao aza isika, ireo izay te hahazo ny fisandratana dia tsy maintsy manao safidy manokana ao amin’ny fiainam-pianakaviana araka ny fomban’ny Tompo raha vao tsy mitovy amin’ny fomban’izao tontolo izao izany.
Amin’ity fiainana an-tany ity isika dia tsy mahatadidy ny zavatra nialoha ny fahaterahantsika, ary izao isika dia miaina fanoherana. Mitombo ary mihamatotra ara-panahy isika rehefa mifidy ny hankatò ny didin’ Andriamanitra amin’ny fanaovana safidy tsara mifanesy. Tafiditra ao anatin’izany ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ary ny fibebahana rehefa manao safidy ratsy isika. Etsy ankilan’izany, raha toa isika ka tsy manam-pinoana ny drafitr’ Andriamanitra sy tsy mankatò na minia manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny tokony hatao, dia miala amin’izany fitomboana sy fahamatorana izany isika. Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna manao hoe: “izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra” (Almà 34:32).
II.
Ny Olomasin’ny Andro Farany izay mahatakatra ny drafitry ny famonjena dia manana fomba fijery an’izao tontolo izao izay manampy azy ireo hahafantatra ny anton’ireo didin’ Andriamanitra sy ny toetra tsy mety miova an’ireo ôrdonansy ilaina, ary ny anjara andraikitra lehibe sahanin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia manome fahafahana antsika handresy ny fahafatesana sy manavotra antsika amin’ny fahotana raha mibebaka isika. Miaraka amin’izany fomba fijery an’izao tontolo izao izany ireo Olomasin’ny Andro Farany dia manana laharampahamehana sy fombafomba miavaka tsara ary manana ny hery hiaretana ireo tebiteby sy fanaintainana amin’ny fiainana an-tany.
Tsy azo ialana fa ny zavatra ataon’ireo izay miezaka manaraka ny drafitr’ Andriamanitra dia mety hiteraka tsy fankahazoana na fifandirana mihitsy amin’ireo havana na namana izay tsy mino ireo fitsipika ao anatin’izany. Misy foana izany fifandirana izany. Ny taranaka tsirairay izay niezaka nanaraka ny drafitr’ Andriamanitra dia efa nanana olana. Fahiny i Isaia mpaminany dia nanome hery an’ireo Isiraelita izay nantsoiny hoe: “hianareo izay mahalala ny fahamarinana, … izay manana ny lalàko ao am-ponao.” Hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Aza matahotra ny latsa ataon’ny zanak’olombelona, na manahy noho ny faharatsiany” (Isaia 51:7; jereo koa ny 2 Nefia 8:7). Saingy na inona na inona antony mahatonga ny fifandirana amin’ireo izay tsy mahatakatra na tsy mino ny drafitr’ Andriamanitra, ireo izay mahatakatra sy mino dia didina foana mba hisafidy ny fomban’ny Tompo fa tsy ny fomban’izao tontolo izao.
III.
Ny drafitry ny filazantsara izay tokony harahin’ny fianakaviana mba hiomanana amin’ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana dia voazava ao amin’ny fanambarana nataon’ny Fiangonana tamin’ny 1995, dia “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.”3 Ny fanambarana ao anatin’izany, mazava ho azy, dia hita fa tsy mitovy amin’ireo lalàna sy fomba fanao ary hevitra tohanana sasany amin’izao tontolo misy antsika izao ankehitriny. Amin’izao androntsika izao, ny tsy fitoviana tena hita dia ny fiarahan’olona mipetraka tsy vita fanambadiana, ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy, ary ny fitaizana ankizy ao anatin’izany karazana fifandraisana izany. Ireo izay tsy mino na tsy miandrandra ny fisandratana sy tena resy lahatra amin’ny fomban’izao tontolo izao dia mandray ity fanambarana momba ny fianakaviana ity ho filazana lalàna fotsiny izay tokony hovaina. Mifanohitra amin’izany anefa, ny Olomasin’ny Andro Farany dia manamarina fa ny fanambarana momba ny fianakaviana dia manoritsoritra ilay karazana fifandraisana ao amin’ny fianakaviana izay itrangan’ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny fivoarantsika mandrakizay.
Nahita ny faneken’ny besinimaro ny fiarahan’olona mipetraka tsy vita fanambadiana sy ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy izay haingana sy tsy mitsaha-mitombo isika. Ny serasera miaro izany sy ny fanabeazana mifandraika amin’izany ary na ny fitakiana arak’asa aza dia mampisy olana sarotra ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsy maintsy miezaka mandanjalanja ireo fitakiana misesisesy ny hanaraka ny lalàn’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika manokana sy ireo fampianarana isika eny na dia mikatsaka ny haneho fitiavana ny olon-drehetra aza isika.4 Rehefa manao izany isika dia hiatrika, indraindray, nefa tsy tokony hatahotra an’ilay nantsoin’i Isaia hoe “latsa ataon’ny zanak’olombelona.”
Ny Olomasin’ny Andro Farany niova fo dia mino fa ny fanambarana momba ny fianakaviana, izay nivoaka efa ho 25 taona lasa izay, ary voadika amin’ny fiteny maro ankehitriny dia fanamafisana indray avy amin’ny Tompo ireo fahamarinan’ny filazantsara izay ilaintsika mba hanohana antsika amin’ireo olana mihatra amin’ny fianakaviana ankehitriny. Ny ohatra roa amin’izany dia ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy sy ny fiarahan’olona mipetraka tsy vita soratra. 20 taona fotsiny taorian’ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia nanome lalana ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy ny fitsarana avon’i Etazonia, izay namadika ireo arivo taona maro nisian’ny fanambadiana voafetra ho an’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Nihanitombo kokoa ny isan-jaton’ireo ankizy ateraky ny reny tsy vita mariazy amin’ny rainy: 5 isan-jato tamin’ny 1960,5 32 isan-jato tamin’ny 1995,6 ary amin’izao dia 40 isan-jato.7
IV.
Ny fanambarana momba ny fianakaviana dia manomboka amin’ny filazana “fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.” Milaza ihany koa izany fa “ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.” Dia manambara izany avy eo fa “Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana.”
Ilay fanambarana dia manamafy ny andraikitra tsy tapaka sahanin’ny mpivady mba hihamaro fara sy hameno ny tany sy “ny andraikitr’izy ireo feno voninahitra ny hifankatia sy hifampikarakara ary hanao toy izany amin’ny zanany”: “Natao ho teraka ao anatin’ny fanambadiana ny ankizy, ary hotezain’ny ray sy ny reny izay manaja ny voady nataony tamin’ny fanambadiana amim-pahatokiana tanteraka.” Mampitandrina mafy ny famonoam-bady sy ny taranaka izany, ary milaza hoe: “Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo.” Farany izany dia mitaky ny fampiroboroboana amin’ny fomba ofisialy “ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina.”
Tamin’ny 1995 ny Filohan’ny Fiangonana niaraka tamin’ny Apôstôlin’ny Tompo hafa miisa 14 dia namoaka ireo filazana manan-danja ireo. Satria 7 monja amin’ireo Apôstôly ireo no mbola velona ankehitriny dia tsapako fa tena ilaina ny hizarako ny zavatra nahatonga ilay fanambarana momba ny fianakaviana mba ho fampahafantarana ho an’ny rehetra izay miraharaha ny amin’izany.
Ny aingam-panahy izay nahitana ny filàna ny fanambarana momba ny fianakaviana dia tonga tamin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana mihoatra ny 23 taona lasa izay. Nahagaga izany ho an’ny sasany izay nihevitra fa ireo fahamarinana ara-potopampianarana momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia mazava tsara tsy mila averina lazaina.8 Na izany aza dia nahatsapa ny fanamafisana izahay ary dia nirotsaka tamin’ny asa. Nofantarina ireo foto-kevitra ary niarahan’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nodinihana efa ho herintaona. Natolotra ireo lahatsoratra, nodinihina ary nahitsy. Tamim-bavaka izahay dia nitalaho tamin’ny Tompo mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy ny amin’izay tokony holazainay sy ny fomba hilazanay azy. Nianatra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” avokoa izahay, araka ny nampanantenain’ny Tompo (F&F 98:12).
Nandritra io dingan’ny fanambarana io dia nisy lahatsoratra natolotra ary naseho ny Fiadidiana Voalohany izay manara-maso sy manambara ireo fampianarana sy fotopampianarana. Taorian’ny nanaovan’ny Fiadidiana fanovana fanampiny dia nambaran’ny Filohan’ny Fiangonana, dia i Gordon B. Hinckley, ilay fanambarana. Tamin’ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany tamin’ny 23 septambra 1995 izy dia nanolotra ilay fanambarana tamin’ireto teny ireto: “Nahatsapa izahay fa tokony hampitandrina sy hilaza mialoha manoloana ireo habobo maro izay ambara ho fahamarinana, manoloana ireo famitahana maro mikasika ny fenitra sy ny hasina ijoroana, manoloana ireo fakampanahy sy fitaomana mba hanaiky ny fahalotoana tsikelikely entin’izao tontolo izao.”9
Mijoro ho vavolombelona aho fa ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia filazana fahamarinana mandrakizay, ny sitrapon’ny Tompo ho an’ireo zanany izay mikatsaka ny fiainana mandrakizay. Fototry ny fampianarana sy ny fomba fanaon’ny Fiangonana izany nandritra ny 22 taona lasa ary mbola ho izany hatrany amin’ny hoavy. Raiso ho toy izany izany, ampianaro izany, manàna fiainana mifanaraka amin’izany dia ho voatahy ianareo rehefa mibosesika mandroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
Efapolo taona lasa izay ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampianatra fa “ny taranaka tsirairay dia samy manana ny fitsapany ary fahafahana mijoro sy manamarina ny tenany.”10 Mino aho fa ny fihetsitsika manoloana ny fanambarana momba ny fianakaviana sy ny fomba fampiasantsika izany dia iray amin’izany fitsapana izany ho an’ity taranaka ity. Mivavaka ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra aho mba hijoro tsy azo hozongozonina amin’izany fitsapana izany.
Faranako amin’ny fampianaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley izay nolazainy roa taona taorian’ny nanambarany ilay fanambarana momba ny fianakaviana ny lahateniko. Hoy izy: “Hitako ny hoavy mahafinaritra ao amin’ny tontolo mbola tsy fantatra. Raha mifikitra amin’ny zavatra manan-danja isika, raha manorina avy amin’ny lovantsika isika, raha mandeha amin’ny fankatoavana eo anoloan’ny Tompo isika, raha miaina tsotra ny filazantsara isika, dia ho voatahy amin’ny fomba mahafinaritra sy mahatalanjona isika. Hojerena tahaka ny olona miavaka izay nahita ny fanalahidin’ny hasambarana miavaka isika.”11
Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fahamarinany sy ny maha-manan-danja mandrakizay ny fanambarana momba ny fianakaviana, izay nambaran’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ireo Apôstôliny ho an’ny fisandratan’ireo zanak’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4), amin’ny anaran’ny Jesoa Kristy, amena.