“Mpivahiny aho”
Farito ombam-bavaka ny zavatra azonareo atao—araka ny fotoanareo manokana sy ny zavatra iainanareo—mba hanompoana ireo mpitsoa-ponenana mipetraka ao amin’ny tanàna sy fiaraha-monina misy anareo.
Nanambara i Emma Smith tamin’ny andro nananganana ny Fikambanana Ifanampiana hoe: “Hanao zavatra mahatalanjona isika. …Miandrandra fotoana mahatalanjona sy vonona amin’ny fitakiana maika isika.”1 Ireo fitakiana maika sy fotoana mahatalanjona ireo dia niseho matetika tamin’izany—toy ny amin’izao fotoana izao koa.
Nitranga ny iray tamin’izany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tany amin’ny voalohandohan’ny volana ôktôbra 1856 rehefa nambaran’ny Filoha Brigham Young tamin’ny mpiangona fa nihitsoka tany amin’ny kilaometatra an-jatony maro ireo mpamaky lay nitondra sarety tarihin-tanana. Nanambara izy hoe: “Ny finoanareo sy ny fivavahanareo ary ny fanelezanareo ny fivavahanareo dia tsy hanavotra fanahy iray any amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra velively raha tsy manatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ireo fitsipika tahaka izay ampianariko anareo amin’izao fotoana izao ianareo. Mandehana ary ento aty amin’ny lohasaha ireo vahoaka ireo izao, ary karakarao akaiky ireo zavatra izay antsointsika hoe ara-nofo, … raha tsy izany dia ho tsy misy dikany ny finoanareo.”2
Tsaroantsika amin’ny fiderana arahim-pankasitrahana ireo lehilahy, vonona hamoy ny ainy, izay nizotra namakivaky ny ranomandry mba hanavotra ireo Olomasina nijaly. Inona kosa no nataon’ireo rahavavy?
“Ny Rahavavy [Lucy Meserve] Smith dia nanoratra … fa taorian’ny fiangaviana nataon’ny Filoha Young dia nandray andraikitra ireo izay nanatrika teo. … ‘[Nesorin]’ireo vehivavy ny atin’akanjony [atin’akanjo lehibe ambanin’ny zipo izay anisan’ny lamaody tamin’izany andro izany ary nanome hafanana ihany koa] sy ny bà lava ary izay rehetra azon’izy ireo nomena, tao anatin’ny Tabernakely [taloha] tao mihitsy, ka nafatratr’izy ireo tao anatin’ny sarety mba ho alefa any amin’ireo Olomasina tany an-tendrombohitra [izany].’”3
Herinandro maromaro taty aoriana dia nivory niaraka tamin’ny Olomasina tao amin’ny Tabernakely taloha indray ny Filoha Brigham Young rehefa nanakaiky an’i Salt Lake City ireo mpanavotra sy ireo andian-tsarety. Tamin’ny fahamehana lehibe no niangaviany ny Olomasina—indrindra ireo rahavavy—mba hitsabo ireo mijaly sy hamahana azy ireo ary handray azy ireo, ka nilaza hoe: “Ny sasany dia ho hitanareo miaraka amin’ny tongotra mivaingana hatreo amin’ny kitrokeliny; ny sasany mivaingana hatreo amin’ny lohaliny ary ny sasany manana tanana mivaingana. … Tianay ianareo mba handray azy ireo toy ny zanakareo mivantana, ka hanehoanareo ny fitiavanareo izy ireo.”4
Nanoratra ihany koa i Lucy Meserve Smith hoe:
“Nataonay izay rehetra azonay natao hankaherezana ireo sahirana, niaraka tamin’ny fanampian’ireo rahalahy sy rahavavy tsara fanahy. … Nivaingana izaitsizy ny tanana sy tongotr’izy ireo. … Tsy natsahatray ny ezaka nataonay raha tsy efa nahazo aina daholo ny rehetra. …
“Tsy mbola nahatsapa fahafahampo toy izany aho, na lazaiko hoe fahafinaretana teo amin’ny asa izay nataoko teo amin’ny fiainako, satria nisy fahatsapana firaisankina mahery vaika tao. …
“Inona indray no azon’ny olona vonona hanampy toy izany atao?”5
Ry rahavavy malala, azo ampitahaina amin’ny androntsika sy amin’ireo izay mijaly manerana izao tontolo izao ity tantara ity. Misy “fotoana mahatalanjona” iray hafa izay mampihetsi-po antsika.
“Misy mpitsoa-ponenana maherin’ny 60 tapitrisa maneran-tany ka anisan’izany ireo olona nesorina tamin-kery tamin’ny fonenany. Ankizy ny antsasak’izy ireo.6 “Niaina fahasahiranana goavana ireo olona ireo ary nanomboka fiainam-baovao any amin’[ireo] firenena sy kolontsaina vaovao. Na dia misy aza indraindray ireo fikambanana izay manampy azy ireo amin’ny toerana honenana sy ireo zavatra fototra ilaina, ny zavatra ilain’izy ireo dia namana sy mpanohana izay afaka manampy azy ireo [hifankahazatra] amin’ny fonenany vaovao, olona iray izay afaka manampy azy ireo hianatra ny fiteny sy hahatakatra ny kolontsaina ary hahatsapa fa ao anatin’ny fiaraha-monina izy ireo.”7
Tamin’ny fahavaratra lasa teo dia nihaona tamiko ny Rahavavy Yvette Bugingo, izay fony izy 11 taona dia nitsoa-ponenana lava rehefa maty nisy namono ny rainy ary tsy hita popoka tany amin’ny faritra irain’izao tontolo izao rotiky ny ady ny anadahiny telo. Nonina ho mpitsoa-ponenana tao amin’ny firenena mpifanolobodirindrina nandritra ny enin-taona i Yvette sy ny sisa tavela tamin’ilay fianakaviana mandra-pahafahan’izy ireo nifindra tany amin’ny toeram-ponenana maharitra, izay nahitan’izy ireo mpivady tsara fanahy izay nanampy azy ireo tamin’ny fitaterana sy ny fianarana ary ireo zavatra hafa. Nilaza izy hoe: “valin’ny vavaka nataonay mihitsy izy ireo.”8 Miaraka amintsika eto anio ilay reny tsara tarehy sy ny zandriny vavy mahafatifaty, ka mihira ao amin’ny amboarampeo. Nanontany tena imbetsaka aho hatramin’ny nihaonako tamin’ireo vehivavy mahafinaritra ireo hoe: “Ahoana moa raha tantarako ny tantaran’izy ireo?”
Isika mpirahavavy dia mihoatra noho ny antsasaky ny zavatra ao amin’ny trano fanobian’ny Tompo mba hanampiana ny zanaky ny Ray any An-danitra. Tsy ahitana zavatra na fitaovana fotsiny ihany ny trano fanobiany fa ahitana fotoana sy talenta ary toetra araka an’ Andriamanitra ananantsika ihany koa. Ny Rahavavy Rosemary M. Wixom dia nampianatra hoe: “Ny toetra araka an’ Andriamanitra ao anatintsika dia mampitombo ny faniriantsika hanampy ny hafa ary manosika antsika hanao zavatra.”9
Rehefa nahatsapa ny fananantsika izany toetra araka an’ Andriamanitra izany ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava izy hoe:
“Mila ireo vehivavy izay mahafantatra ny fomba hanatanterahana ireo zavatra manan-danja amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo, sy mpiaro amin’ny risim-po ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fianakaviana ao anatin’ny tontolo izay feno fahotana [isika]… ; vehivavy izay mahafantatra ny fomba hahazoana fanampiana avy amin’ireo herin’ny lanitra mba hiarovana sy hampatanjahana ny zanaka sy ny fianakaviana. …
“… Ianareo rahavavy, na manambady na tokan-tena, dia manana fahafahana manao zavatra miavaka sy fahatsapana manokana izay noraisinareo toy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra. Tsy afaka manana fitaomana miavaka tahaka ny anareo izahay rahalahy.”10
Ny taratasy iray nosoratan’ny Fiadidiana Voalohany izay nalefa tany amin’ny Fiangonana tamin’ny 27 ôktôbra 2015 dia naneho ny ahiahy lehibe sy ny indrafo ho an’ireo olona an-tapitrisany izay nitsoaka ny fonenany ka nitady fanampiana noho ny adim-poko sy ireo fahasahiranana hafa. Nasain’ny Fiadidiana Voalohany ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny rantsana ao amin’ny Fiangonana mba handray anjara amin’ny asa fanompoana araka an’i Kristy any amin’ireo fotodrafitrasa fanampiana ireo mpitsoa-ponenana, ary hitondra anjara biriky amin’ny kitapom-bolan’ny Fiangonana ho an’ny asa fanasoavana, any amin’ny toerana azo anaovana izany.
Nieritreritra ny fomba handraisana anjara amin’ny fanasan’ny Fiadidiana Voalohany ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy Zatovovavy ary Kilonga maneran-tany. Fantatray ry rahavavy malalanay isany amin’ny salan-taona rehetra fa samy nanana ny tantaram-piainany sy miaina ao anatin’ny toe-javatra samihafa ianareo. Ny olona tsirairay ao amin’ity fikambanan’ny mpirahavavy maneran-tany ity dia nanao fanekempihavanana tamin’ny batisa mba “hampionona izay mila fampiononana.”11 Kanefa tsy tokony hisy hihazakazaka haingana kokoa noho izay tratran’ny heriny.12
Raha nieritreritra ireo fahamarinana ireo izahay dia nanangana asa fanampiana iray antsoina hoe: “Mpivahiny aho.” Manantena izahay fa hosaintsaininareo ombam-bavaka ny zavatra azonareo atao ianareo—araka ny fotoanareo manokana sy ny zavatra iainanareo—mba hanompoana ireo mpitsoa-ponenana mipetraka ao amin’ny tanàna sy fiaraha-monina misy anareo. Fahafahana iray hanompoan’ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fikambanana izany mba hanolorana finamanana sy fanampiana akaiky ary asa fanompoana araka an’i Kristy; ary koa anisan’ireo fomba maro ahafahan’ny mpirahavavy manompo.
Amin’ireo ezaka rehetra ataonareo mba hanompo dia tokony hampiharinareo ny torohevitra feno fahendrena nomen’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany rehefa avy niangavy azy ireo hikarakara ireo sahirana izy: “Ezaho izay hanaovanareo ireo zavatra ireo amin’ny fahendrena sy ny filaminana.”13
Ry rahavavy isany, fantatray fa manan-danja amin’ny Tompo ny fanolorana tanana amim-pitiavana ho an’ny hafa. Saintsaino ireto fampitandremana ao amin’ny soratra masina ireto:
“Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianareo tahaka ny tenanareo.”14
“Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny, fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.”15
Ary ny Mpamonjy dia niteny hoe:
“Fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo:
“Tsy nanan-kitafy Aho dia notafianareo; narary Aho dia notsaboinareo.”16
Neken’ny Mpamonjy tamim-pitiavana ilay mpitondratena izay farantsa roa monja ny anjara biriky noentiny satria nanao izay azony natao izy.17 Notantarainy ihany koa ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy izay nofaranany tamin’ny filazana hoe: “Mandehana ianao ka manaova toy izany koa.”18 Matetika dia tsy mampahazo aina loatra ny manolo-tena hanampy. Rehefa miara-miasa amim-pitiavana sy amim-piraisankina anefa isika dia afaka manantena ny fanampiana avy any an-danitra.
Nandritra ny fotoam-bavaka fanaovam-beloma ny zanakavavin’ Andriamanitra mahafinaritra iray dia nisy olona iray nizara fa ity rahavavy ity, fony izy filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo amin’ny tsatòka, dia niara-niasa tamin’ny olona hafa teo amin’ny tsatòkany mba hanolotra bemiray hanome hafanana ireo olona nijaly tany Kosovo nandritra ny taona 1990. Ary tahaka ilay Samaritana tsara fanahy dia nanao ezaka hanao bebe kokoa izy ka nitondra ny fiara tsy mataho-dalana iray feno ireo bemiray ireo avy tany Londres nankany Kosovo izy sy ny zanany vavy. Teny an-dalam-podiana dia nahazo fahatsapana ara-panahy tsy azo nodisoana velively izay tafalatsaka lalina tao am-pony izy. Izao ilay fahatsapana: “Tena tsara ny zavatra nataonao. Izao dia mandehana mody, miampità ny arabe, ary manompoa ny mpifanolobodirindrina aminao!”19
Heniky ny tantara fanampiny izay nanentana ny fanahy momba ny fomba namantaran’ity vehivavy mahatoky ity sy namaliany ireo fitakiana mahatalanjona sy maika—ary koa ireo fotoana niavaka—nataon’ireo olona manodidina azy ny fandevenana. Ohatra, nosokafany ny tokantranony sy ny fony hanampiany ireo tanora nanana olana tamin’ny ora rehetra—na andro na alina.
Ry rahavavy malalako isany, afaka mahatoky ny fanampian’ny Ray any An-danitra isika rehefa mandohalika sy mangataka fitarihana avy amin’ Andriamanitra mba hitahiana ny zanany. Vonona hanampy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjintsika ary ny Fanahy Masina.
Nizara ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ananany tamin’ireo vehivavy ato amin’ny Fiangonana ny Filoha Henry B. Eyring:
“Mandre sy mamaly ny vavaka natao tamim-pinoana izay nangatahana fitarihana sy fanampiana mba haharetanareo ao amin’ny asa fanompoanareo Azy ny Ray any An-danitra.
“Nalefa ho any aminareo sy ireo izay karakarainareo ny Fanahy Masina. Ho hatanjahana ianareo ary koa hahazo fanentanam-panahy hamantarana ny fetra sy ny fahafahanareo manompo. Hankahery anareo ny Fanahy rehefa mety manontany tena ianareo hoe: ‘Moa ve ampy ny nataoko?’”20
Rehefa mieritreritra ireo “fitakiana maika” ataon’ireo izay mila ny fanampiantsika isika dia handeha hanontany tena hoe: “Ahoana moa raha tantarako ny tantaran’izy ireo?” Enga anie isika ka hikatsaka fitaomam-panahy, sy hanao asa araka ireo fahatsapana azontsika, ary hanolo-tanana amim-piraisankina mba hanampy ireo izay sahirana rehefa afaka manao izany sy rehefa entanin’ny fanahy mba hanao izany. Angamba amin’izay dia azo lazaina momba antsika, tahaka ny nolazain’ny Mpamonjy momba ny rahavavy be fitiavana iray izay nanompo Azy hoe: “Asa soa no nataony tamiko … Efa nanao izay azony natao izy.”21 Antsoiko hoe mahatalanjona izany! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.