Matokia an’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara
Manatona kokoa ny Mpamonjy isika rehefa manompo ny hafa amin’ny anarany, noho ny fitiavana madio.
Feno fankasitrahana aho miaraka aminareo mandritra izao takariva hitsaohana sy handinihana ary hanoloran-tena izao. Niara-nivavaka isika. Nihaino antsika ny Raintsika any An-danitra be fitia. Nahatsiaro ny Mpamonjy isika, dia i Jesoa Kristy Tompo, raha nampientana antsika ireo fihirana fiderana Azy. Nentanim-panahy isika hanao bebe kokoa hanampiana ny Tompontsika amin’ny Asany hampitrakana sy hamonjena ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra.
Ny fankasitrahantsika noho ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika no mampivelatra ny faniriantsika hanompo ny hafa. Izany no maha-vontom-pifaliana antsika rehefa maheno ny tononkira hoe: “Satria aho nomena be, dia tokony mba hanome ihany koa.”1 Nampanantena fahatongavan’io fahatsapana fankasitrahana io i Benjamina Mpanjaka tao amin’ny toriteny lehibe nataony izay voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Môsià 2:17–19).
Rehefa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy no mitarika antsika hanao zavatra izay maha-mendrika antsika hahatsapa ilay fifalian’ny famelan-keloka atolony dia mahatsapa faniriana isika hanompo ny hafa noho ny Aminy. Nampianatra i Benjamina Mpanjaka fa ny famelan-keloka dia tsy tanteraka ao anatin’ny indray mipi-maso.
Toy izao no nilazany izany: “Ary ankehitriny, noho ny amin’ireo zavatra izay efa nolazaiko anareo ireo—izany hoe, noho ny amin’ny fitanana ny famelana ny fahotanareo isan’andro isan’andro, ka hahazoanareo mandeha tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra—dia mba tiako ny hizaranareo amin’ny fanananareo amin’ny mahantra, ny olona tsirairay dia araka izay ananany avy, toy ny famahanana ny noana, ny fanafiana ny mitanjaka, ny famangiana ny marary sy ny fiahiana ny fanampiana azy, na ara-panahy na ara-batana, araka ny filàny” (Môsià 4:26).
I Amioleka, namana mahatokin’i Almà, dia nampianatra ihany koa ilay fahamarinana hoe tsy maintsy manohy ny fanompoantsika Azy isika mba hitazonana ny famelana ny helotsika: “Ary ankehitriny indro, ry rahalahiko malala, lazaiko aminareo, aza mihevitra ianareo fa izay ihany; fa rehefa avy nanao ireo zavatra rehetra ireo ianareo, raha manosi-bohon-tanana ny mahantra sy ny mitanjaka ianareo, ary tsy mamangy ny marary sy ny ory, ary tsy mizara amin’ny fanananareo nefa manana ianareo, ho an’ireo izay mila izany—lazaiko aminareo, raha tsy manao na inona na inona amin’ireo zavatra ireo ianareo, dia indro, zava-poana ny vavakareo sady tsy mahasoa anareo na amin’inona na amin’inona izany, ary ianareo dia tahaka ny mpihatsaravelatsihy izay mandà ny finoana” (Almà 34:28).
Androany hariva aho dia nieritreritra an’ireo vehivavy eo amin’ny fiainako. Misy vehivavy sy ankizivavy 31 ao amin’ny fianakavianay, manomboka amin’ny vadiko ka tafiditra hatramin’ireo zafiafinay vavy telo vaovao indrindra. Ny sasany amin’ireo dia miaraka amintsika eto androany hariva. Dimy no latsaky ny 12 taona. Izao no mety sambany hanatrehan’izy ireo fivoriana ato amin’ny Ivontoeran’ny fihaonambe miaraka amin’ireo rahavaviny ato amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Samy hahazo karazana fahatsiarovana samihafa ny tsirairay ary samy hanao ny fanolorantenany manokana avy amin’izao traikefa izao anio hariva izao.
Fahatsiarovana telo sy fanolorantena telo no antenaiko fa hotsaroan’izy ireo mandritra ny androm-piainany ary na aorian’izany aza. Ireo fahatsiarovana dia mikasika ny fahatsapana. Ary ireo fanolorantena dia mikasika ny zavatra atao.
Ny fahatsapana manan-danja indrindra dia ny fitiavana. Tsapanao teo ny fitiavana nananan’ireo rahavavy mpitarika izay niteny teo. Ary tsapanao tamin’ny alalan’ny Fanahy fa tia anao izy ireo na dia tsy mahafantatra anao akory aza satria izy ireo nahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao. Izany no mahatonga azy ireo haniry mafy hanompo anao sy haniry ny handraisanao ireo fitahiana izay tian’ Andriamanitra ho azonao.
Nahatsapa fitiavana ho an’ny hafa ianao androany hariva—fitiavana namana, mpiara-mianatra, mpiara-monina, ary na olona izay sendra tafiditra teo amin’ny fiainanao aza, vahiny iray. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra izany fahatsapana fitiavana izany. Ny soratra masina dia miantso izany hoe “fiantrana” sy “fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47). Nahatsapa an’io fitiavana io ianao androany hariva, ary afaka mandray izany matetika raha mikatsaka izany.
Ny fahatsapana faharoa nanananao androany hariva dia ny fiantraikan’ny Fanahy Masina. Rahavavy maro no nampanantena anao androany fa hitarika anao ny Fanahy Masina mba hahitanao izay asa fanompoana tian’ny Tompo ho atolotrao ny hafa amin’ny Anarany. Tsapanao tamin’ny alalan’ny Fanahy fa avy amin’ny Tompo ny fampanantenana nataon’izy ireo ary marina.
Hoy ny Tompo: “Ary ankehitriny, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao—eny, hanao araka ny hitsiny handeha amim-panetren-tena, hitsara araka ny rariny; ary izany no Fanahiko” (F&F 11:12).
Mety efa nahazo izany fitahiana izany ianao androany hariva. Ohatra, mety tonga tao an-tsainao ny anarana iray na ny endriky ny olona iray izay sahirana mandritra ity fivoriana ity. Mety ho eritreritra manidina fotsiny izany, saingy noho ny zavatra renao androany hariva dia hivavaka momba izany ianao, mahatoky fa hitarika anao Andriamanitra hanao ilay zavatra tsara izay Tiany ho azy ireo. Rehefa lasa fomba fanao eo amin’ny fiainanao ny vavaka toy izany, dia ho lasa tsaratsara kokoa ianao sy ny hafa.
Ny fahatsapana fahatelo izay nanananao androany hariva dia ny fanirianao hanatona kokoa ny Mpamonjy. Na dia ny zazavavy zandriny indrindra eto aza dia ho nahatsapa ny maha-tena izy an’ilay fanasana ao amin’ilay hira hoe: “‘Avia re hanaraka Ahy,’ hoy ny Mpamonjy. Ary andeha hanaraka ny diany.”2
Koa, noho ireo fahatsapana ireo, ny zavatra voalohany tsy maintsy hanoloranao tena fa hataonao dia ny handeha sy hanompo, sady mahafantatra fa tsy mandeha irery ianao. Rehefa mandeha ianao hankahery sy hanompo olona noho ny amin’ny Mpamonjy, dia manomana ny lalana eo anoloanao Izy. Ankehitriny, araka izay ho lazain’ireo misiônera efa tafaverina izay manatrika eto androany hariva, dia tsy midika akory izany fa ny olona tsirairay izay ao ambadiky ny varavarana tsirairay dia vonona handray anao tsara na hoe hisaotra anao daholo ny olona tsirairay izay ezahanao ho tompoina. Fa handeha eo anoloanao ny Tompo hanomana ny lalana.
Imbetsaka ny Filoha Thomas S. Monson no nilaza fa fantany fa tena marina ny fampanantenan’ny Tompo manao hoe: “Ary na zovy na zovy no mandray anareo, dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (F&F 84:88).
Anisan’ny fomba handehanany eo anoloanao ny fanomanany ny fon’ny olona iray izay nasainy ho tompoinao. Hanomana ny fonao ihany koa izy.
Ho hitanao ihany koa fa mametraka mpanampy eo anilanao ny Tompo, eo ankavananao sy eo ankavianao ary manodidiana anao. Tsy mandeha irery ianao rehefa manompo ny hafa amin’ny Anarany.
Nanao izany tamiko Izy androany hariva. Nanomana “vavolombelona maro” (Hebreo 12:1) ny Tompo, sady amin’ny teny no amin’ny hira, mba hitambatra sy hampitombo ny herin’ny zavatra tiany ho lazaiko. Nila nahazo antoka fotsiny aho fa afaka hampifanaraka tsara ny anjarako ao amin’ilay hafatra tiany hampitaina. Manantena aho sady mivavaka fa hahatsapa fankasitrahana sy fahasambarana ianao rehefa ampiarahan’ny Tompo amin’ny hafa ianao mba hiara-hanompo amin’ny Anarany.
Rehefa miaina izany matetika ianao, ary hitranga tokoa izany, dia hitsiky amim-pankasitrahana, tsy misy hafa amiko, isaky ny mihira ilay hoe “Tsara ny asa.”3
Hitsiky ihany koa ianao rehefa mahatsiaro ity andinin-tsoratra masina ity: “Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko” (Matio 25:40).
Ny zavatra faharoa izay tokony hataonao dia ny mahatsiaro ny Tompo rehefa manao asa fanompoana amin’ny Anarany ianao. Tsy hoe mandeha eo anoloantsika sy mandefa anjely hiara-hanompo amintsika fotsiny ny Tompo, fa tsapany ihany koa ny zavatsoa atolotsika ny hafa toy ireny hoe Taminy no nanolorantsika izany.
Ny zanakavavin’ Andriamanitra tsirairay izay mandre sy mino ireo hafatra tamin’ity fivoriana ity dia hanontany hoe “Inona no tian’ny Tompo hataoko mba hanampiana Azy hanolotra famonjena ho an’ireo sahirana?” Samy hafa avokoa ny toe-javatra iainan’ny rahavavy tsirairay. Marina izany ho an’ireto zanako vavy, ireto vinantovaviko, ireto zafikeliko vavy, ary ireto zafiafiko vavy ireto. Amin’izy ireo ary amin’ireo zanakavavin’ny Ray any An-danitra rehetra no hamerenako ilay torohevitra hendry nomen-dRahavavy Linda K. Burton.
Nangataka anao izy hivavaka amim-pinoana mba hahafantarana izay tian’ny Tompo hataonao amin’ny toe-javatra misy anao. Ary avy eo dia nomeny anao ny fampanantenana fa hahazo ilay fiadanana mamy izay ny Tompo mihitsy no nanome izany an’ilay vehivavy izay notsikeraina fa nanosotra ny lohan’ny Tompo tamin’ny menaka lafo vidy, raha toa ka tokony ho azo namidy izany hanampiana ny mahantra.
“Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
“Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
“Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
“Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy” (Marka 14:6–9).
Io soratra masina fohy io dia tena mamy sy mifono fahendrena ho an’ireo rahavavy mahatoky ao amin’ny fanjakan’ny Tompo ao anatin’ny fotoan’ny korontana. Hivavaka ianao mba hahafantarana hoe iza no tian’ny Ray ho tompoinao noho ny fitiavanao Azy sy ny Mpamonjy. Ary dia tsy hanantena fankasitrahana ampahibemaso ianao noho izany, araka ny ohatra nasehon’ilay vehivavy voarakitra ao amin’ny bokin’i Marka, izay tsaroana ny asa soa vitany nanomezany voninahitra ny Mpamonjin’izao tontolo izao, fa tsy ny anarany.
Ny fanantenako dia ny hoe hanao izay rehetra tratrany ireo rahavavy ao amin’ny fianakaviantsika, noho ny fitiavana an’ Andriamanitra, mba hanompoana ireo sahirana. Ary ny zavatra fahatelo izay antenaiko fa ho ataon’izy ireo dia ny hanetry tena mikasika ny asa soa ataon’izy ireo. Mivavaka aho ny mba haneken’izy ireo ny torohevitry ny Tompo—izay inoako fa ilaintsika rehetra ny mandre azy, manao hoe:
“Tandremo mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona hahitany izany; fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo.”
Ary notohizany hoe:
“Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon’ny tànanao ankavanana,
“mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao” (Matio 6:1–4).
Ny vavaka ataoko ho an’ireo rahavavy ato amin’ny fanjakana, na aiza na aiza ary na inona na inona toe-javatra mety hisy azy, dia ny hahafahan’ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny fanehoany fankasitrahana ny Sorompanavotany hitarika azy ireo hanao izay rehetra tratran’izy ireo ho an’ireo izay asain’ Andriamanitra ho tompoin’izy ireo. Raha manao izany izy ireo, dia mampanantena aho fa handroso kokoa izy ireo eo amin’ny lalana hahatongavan’izy ireo ho vehivavy masina, izay ho raisin’ny Mpamonjy sy ny Ray any An-danitra tsara ary homeny valisoa.
Mijoro ho vavolombelona aho fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty. Nitsangana Izy ary nanonitra ny sarany ho an’ny fahotantsika rehetra. Fantatro fa noho Izy dia hitsangana amin’ny maty isika ary afaka handray ny fiainana mandrakizay. Ny Filoha Thomas S. Monson no Mpaminaniny velona. Mihaino sy mamaly ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa manatona kokoa ny Mpamonjy isika rehefa manompo ny hafa amin’ny anarany, noho ny fitiavana madio. Avelako aminareo izany fijoroana ho vavolombelona mafy orina izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.