Zanaky ny Ray aho
Tena ilaina amin’ny fisandratantsika ny fahatakarana marina ny lovantsika any an-danitra.
Anisan’ny tena fototry ny fotopampianarantsika ny fahalalana fa isika dia zanak’ Andriamanitra velona. Izany no antony mahatonga ny iray amin’ny anarany tena masina indrindra antsoina hoe Ray—Ray any An-danitra. Io fotopampianarana io dia efa nampianarin’ireo mpaminany mazava tsara hatry ny ela:
-
Rehefa nalain’i Satana fanahy i Mosesy dia nandà azy nanao hoe: “Iza moa ianao? Fa indro izaho dia zanak’ Andriamanitra.”1
-
Raha niresaka tamin’i Isiraely ilay mpanao Salamo dia nanambara hoe: “Zanaky ny Avo Indrindra hianareo rehetra.”2
-
Nampianatra an’ireo Atenianina tao Areopago i Paoly fa izy ireo dia “terak’ Andriamanitra.”3
-
Nahita ny Ray sy ny Zanaka tao anatin’ny fahitana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon, ary nisy feo avy any an-danitra nanambara fa ny mponin’izao tontolo izao “dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra.”4
-
Tamin’ny taona 1995 dia nanamarina ireo apôstôly sy mpaminany velona 15 fa: “Ny olombelona rehetra … dia nohariana araka ny endrik’Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra.”5
-
Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra velona isika. … Tsy afaka ny hino tanteraka izany isika raha tsy miaina fahatsapana lalina vaovao hoe nahazo tanjaka sy hery.”6
Io fotopampianarana io dia diso fantatra loatra sy lazaina matetika ary raisin’ny olona ho tena tsotra ka toa zavatra mahazatra, kanefa raha ny tena marina dia izany no anisan’ny fahalalana miavaka indrindra mety ho azontsika. Tena ilaina amin’ny fisandratantsika ny fahatakarana marina ny lovantsika any an-danitra. Izany no fototra iorenan’ny fahatakarana ilay drafitry ny famonjena lehibe sy ny fikolokoloana ny finoana an’ilay voalohan-teraky ny Ray, dia i Jesoa Kristy, sy ny Sorompanavotany feno famindrampo.7 Ankoatra izay dia manome famporisihana tsy tapaka ho antsika izany mba hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanantsika mandrakizay izay tena manan-danja.
Ankoatra ny olona vitsivitsy, ny olona tsirairay izay ato amin’ity fivoriana ity dia afaka mihira izao dia izao ny “Zanaky ny Ray aho,”8 tsy mila tonony sy feony akory. Io hira be mpitia ao anaty fihirana io dia iray amin’ireo hira matetika hiraina indrindra ato amin’ity Fiangonana ity. Saingy ny fanontaniana tena manan-danja indrindra dia ny hoe, tena fantatsika marina ve izany? Fantatsika ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ary ao anaty fanahintsika ve izany? Ny maha-avy any an-danitra antsika ve no famantarana antsika voalohany sy lalina indrindra?
Eto an-tany dia maro ny fomba famantarana hoe iza isika, anisan’izany ny toerana nahaterahantsika sy ny fiaviantsika ary ny fitenintsika. Ny sasany aza dia mampahafantatra ny tenany amin’ny alalan’ny asany sy ny fialamboliny. Ireo famantarana ny tena eto an-tany ireo dia tsy diso raha tsy hoe manolo na manimba ny famantarana antsika mandrakizay izany—dia ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika.
Tamin’ny zanakay farany indrindra feno enin-taona ary tao amin’ny kilasy voalohany dia nanome asa nampanaovina an-tsoratra an’ireo ankizy ny mpampianany. Volana oktôbra tamin’izay, volan’ny Halloween, fety ankalazaina any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao. Na dia tsy izany aza no fety tiako indrindra dia mihevitra aho fa mety misy lafiny sasantsasany izay tsy manan-tsiny sy manavotra ihany ao amin’ny Halloween.
Nizara taratasy ho an’ireo mpianatra madinika ilay mpampianatra. Teo an-tampon’izany dia nisy sarina mpamosavy nalaina avy amin’ny angano (lazaiko aminareo hoy aho fa tsy ity no fety tiako indrindra) izay mitsangana eo ambony vilany misy rano mangotraka. Ny fanontaniana napetraka teo amin’ilay pejy, mba hamporisihana ny ankizy hieritreritra sy hitsapana ny fototry ny fahaizany manoratra, dia hoe: “Vao avy nisotro kaopy iray tamin’ny ranon-javatra nataon’io mpamosavy io ianao. Inona no nitranga taminao?” Fantaro azafady fa ity tantara ity dia tsy zaraina mba ho asaina ataon’ny mpampianatra.
“Vao avy nisotro kaopy iray tamin’ny ranon-javatra nataon’io mpamosavy io ianao. Inona no nitranga taminao?” Tamin’ny alalan’ny soratanany tsara indrindra amin’ny maha-vao mianatra manoratra azy no nanoratan’ilay zanakay vavy kely hoe: “Ho faty aho ka ho any an-danitra. Ho tiako ny any. Ho tiako izany satria any no toerana tsara indrindra tokony hitoerana satria miaraka amin’ny Rainao any An-danitra ianao.” Azo inoana fa nahagaga an’ilay mpampianany io valinteny io, kanefa rehefa nentin’ny zanakay vavy nody ilay asa vitany dia hitanay fa nomena kintana izy, izay naoty farany ambony indrindra.
Amin’ny tena fiainana dia miaina zava-tsarotra tena misy isika, fa tsy kisarisary. Misy ny fanaintainana—ara-batana sy ara-pihetsehampo ary ara-panahy. Misy ny ratram-po rehefa tena tsy mitovy amin’izay efa noeritreretintsika ny zavatra mitranga. Misy ny tsy rariny rehefa toa tsy mendrika ho antsika ny toe-javatra iainantsika. Misy ny fahadisoam-panantenana rehefa namitaka antsika ny olona iray izay natokisantsika. Misy ny olana ara-pahasalamana sy ara-bola izay mety hampanahiran-tsaina antsika. Mety hisy ny fotoana izay hampiahiahy antsika rehefa misy resaka ara-potopampianarana sy ara-tantara izay mihoatra ny fahatakarantsika.
Rehefa mitranga eo amin’ny fiainantsika ny zava-tsarotra, inona ny zavatra tonga dia ataontsika? Moa ve miteraka fisafotofotoan-tsaina na ahiahy na fisitahana ara-panahy izany? Moa ve fandonana tampoka ny finoantsika izany? Moa ve manome tsiny an’Andriamanitra sy ny hafa isika noho ny toe-javatra izay iainantsika? Sa ve ny fihetsitsika voalohany dia ny mahatsiaro hoe iza isika—hoe isika dia zanak’ Andriamanitra velona? Moa ve izany miaraka amin’ny fahatokiana tanteraka fa mamela ny hisian’ny fijaliana sasany eto an-tany Izy satria fantany fa hitahy antsika tahaka ny afon’ny mpandrendrika izany mba ho tonga tahaka Azy ka handray ny lovantsika mandrakizay?9
Vao tsy ela aho no nanatrika fivoriana iray niaraka tamin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Tao anatin’ny fampianarany momba ilay fitsipika hoe ny fiainana an-tany dia mety haharary saingy ny zava-tsarotra iainantsika dia manana tanjona mandrakizay—na dia mbola tsy takatsika aza izany amin’io fotoana io—dia nilaza ny Loholona Holland hoe: “Afaka mahazo izay tianao ianao, na afaka mahazo zavatra tsaratsara kokoa ianao.”
Dimy volana lasa izay izaho sy ny vadiko Diane dia nandeha tany Afrika niaraka tamin’ny Loholona sy Rahavavy David A. Bednar. I Liberia no firenena fahenina sy farany notsidihinay. I Liberia dia firenena tena tsara sy ahitana mponina manana ny maha-izy azy ary manan-karena tantara, saingy tsy mora ny zavatra niainan’ny olona tao. Ireo korontana ara-pôlitika sy ady an-trano an-taonany maro dia vao mainka nampitombo ny fahantrana. Ankoatra izany, ilay valan’aretina mampatahotra Ebola dia nahafaty olona teo amin’ny 5.000 teo nandritra ny fiparitahan’izany farany indrindra teo. Izahay no vondron’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana voalohany avy any ivelan’ny faritra nitsidika an’i Monrovia, renivohitry ny firenena, taorian’ny nanambaran’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) fa tsy atahorana ny manao izany taorian’ny krizin’ny Ebola.
Ny alahady maraina izay tena nafana sy mando dia nandeha tany amin’ny toeram-pivoriana izay nofaina tao afovoan’ilay tanàna izahay. Efa tafapetraka teo ny seza rehetra izay nisy, izay nitotaly 3.500. Ny isan’ny olona izay nanatrika tamin’ny farany dia 4.100. Saika ny rehetra izay tonga teo dia nandeha an-tongotra na nandeha tamin’ny alalan’ny karazana fitateram-bahoaka izay somary manahirana avokoa. Tsy mora tamin’ireo Olomasina ny namonjy ilay fivoriana. Saingy tonga izy ireo. Ny ankamaroany dia tonga ora maromaro mialoha ny fotoana voatondro hanombohan’ny fivoriana. Rehefa niditra ilay efitra izahay dia nampientanentana ilay tontolo ara-panahy niseho tao! Vonona ny ho ampianarina ireo Olomasina.
Rehefa milaza andinin-tsoratra masina ny mpandahateny iray dia tononin’ny mpikambana mafy izany. Tsy ankanavaka io—na andinin-tsoratra masina fohy na lava dia valian’ny mpiangona iray manontolo miaraka izany. Tsy hoe voatery atao anefa izany saingy nahatalanjona tokoa fa vitan’izy ireo izany. Ary ny amboarampeo—dia tena niavaka tokoa. Nihira tamin-kery sy tanjaka ireo mpikambana niaraka tamin’ilay mpitarika ny amboarampeo izay nafana fo sy zatovolahy 14 taona nitendry pianô.
Avy eo dia nandray fitenenana ny Loholona Bednar. Izany, mazava ho azy, no tena antony nahatonga ilay fivoriana lehibe—dia ny hihaino ny Apôstôly hampianatra sy hijoro ho vavolombelona. Mazava fa noho ny fitarihan’ny Fanahy teny anelanelan’ny lahateniny dia nijanona ny Loholona Bednar ka niteny hoe: “Hainareo ve ny ‘Fototra mafy orina’?”
Toa ny 4.100 no niara-namaly tamin’ny feo mafy hoe “ENY!”
Avy eo izy dia nanontany hoe “Hainareo ve ny andininy faha-7?”
Dia niara-namaly indray izy manontolo hoe “ENY!”
Tao anatin’izay 10 taona lasa nihiran’ny Amboarampeon’ny Tabernakely Môrmôna izay ny fandrindrana an’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Fototra mafy orina” dia nampiana ny andininy faha-7 izany izay tsy dia fihira loatra. Nanome torolalana ny Loholona Bednar hoe: “Ndao hihira ny andininy 1, 2, 3, ary 7.”
Tsy nisalasala akory dia nitsangana avy hatrany ilay mpitarika ny amboarampeo ary ilay mpihazona fisoronana Aharôna izay mpitendry tonga dia nanomboka nitendry tamim-pahavitrihana ny feon-kira fampidirana. Tamim-pahatokiana lehibe izay mbola tsy tsapako tamin’ny fihiran’ny daholobe hatrizay dia nihira ny andininy 1 sy 2 ary 3 izahay. Avy eo dia nihamafy ny feo sy ny hery ara-panahy rehefa nihira ny andininy fahafito ny feo miisa 4.100 ka nilaza hoe:
Tolory an’i Jesoa ny fiainanao,
Fa tsy handao anao mandrakizay Izy.
Na manangoly aza i Satana,
Na oviana na oviana, na oviana na oviana,
Na oviana na oviana, tsy ho foiny ianao!10
Tao anatin’ny iray tamin’ireo trangan-javatra ara-panahy niavaka indrindra tamin’ny fiainako dia nianatra lesona tena lalina aho tamin’io andro io. Miaina ao anatin’ny tontolo iray isika izay mety hahatonga antsika hanadino hoe iza marina moa isika. Arakaraka ny habetsahan’ireo zavatra mahavariana manodidina antsika no hahamora kokoa amintsika ny hanamaivana sy tsy hiraharaha ary avy eo dia hanadino ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Tsy dia nanana zavatra firy ara-nofo ireo Olomasina tao Liberia, nefa toa nanana ny zavatra rehetra ara-panahy izy ireo. Ny zavatra hitanay tamin’izay andro izay tao Monrovia dia vondrona zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izay nahafantatra izany!
Ao amin’izao tontolo izao ankehitriny, na aiza na aiza ipetrahantsika ary na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainantsika, dia zava-dehibe ny hoe, ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika no tokony ho famantarana faratampony antsika. Ny fahafantarana izany dia hampiroborobo ny finoantsika sy hamporisika antsika hanohy ny fibebahana ary hanome hery mba “hiorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina” mandritra ny diantsika eto amin’ny fiainana an-tany.11 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.