2010–2019
Fanomezana iray manome fitarihana ho an’ny zanaka
Aprily 2016


9:46

Fanomezana iray manome fitarihana ho an’ny zanaka

Ahoana no fomba hampianarantsika ny zanatsika mba hitsipaka ireo fitarihan’izao tontolo izao ka hatoky ny Fanahy?

Tena teo am-pilentehana anaty rano ny raim-pianakaviana vao herotrerony anankiray. Nandehandeha an-tongotra nanodidina ny farihy izy sy ny zanany anankiroa ary ny rafozandahiny. Nohodidinin’ny tendrombohitra rakotra alan-kazo kesika tsara tarehy izy ireo ary manga ny lanitra, feno rahona fotsy malefaka izay namoaka hatsarana sy fahatoniana. Rehefa nihanafana sy vizana ny ankizy dia nanapa-kevitra ny hibaby ny ankizy izy ireo ka hilomano hiampita ilay farihy izay tsy lavitra ny elanelany.

Toa mora ery izany—mandra-pahatongan’ny fotoana nanombohan’ilay raim-pianakaviana ho nahatsapa toa nisy nisintona hilentika, ary lasa tena navesatra ny zavatra rehetra. Natosiky ny rano ho any amin’ny fanambanin’ilay farihy izy ary nisy fahatsapana te hitroatra nanenika azy. Inona no hataony mba tsy hilentehany—ary hanao izany miaraka amin’ilay zanany vavy malalany ao an-damosiny?

Tsy tonga lavitra intsony ny feony rehefa niantsoantso izy. Efa lasa lavitra loatra ny rafozandahiny ka tsy afaka namaly ilay fiantsoana vonjy mafy. Nahatsapa ho irery sy tsy nanan-kery izy.

Azonareo alaina sary an-tsaina ve ny tenanareo hoe irery toy ny fahatsapany ny tenany, tsy afaka nanakatra zavatra mba hifikirana ary nitolona mafy ho an’ny ainareo sy ny an’ny zanakareo tao anatin’ny toe-javatra mahakivy iray? Indrisy anefa fa miaina karazana fahatsapana toy izany isika rehetra rehefa ao anatin’ny toe-javatra izay tena ilantsika fanampiana mafy mba ho tafavoaka velona sy mba hamonjena ireo izay tiantsika.

Raha iny nanomboka ho raiki-tahotra iny izy dia nahatsapa fa nisintona azy hilentika ny kirarony feno rano. Teo am-piezahana mba tsy hilentika dia nanomboka nanandrana nanala tamin’ny tongony ny kirarony mavesatra izy. Saingy toa niraikitra tahaka ny nisy nitroka ireny izany. Vonton-drano ireo tadin-kiraro ka dia nanery bebe kokoa ny hidiny izany.

Tao anatin’ilay mety hoe fotoana farany feno hakiviana dia afaka nanala ny kirarony teny amin’ny tongony izy ary namotsotra ilay fihazonany mafy ny kiraro tamin’ny farany, ka tonga dia latsaka haingana tany amin’ny fanambanin’ilay farihy. Rehefa afaka tamin’ilay zavatra navesatra izay nisintona azy hilentika izy, dia tonga dia nanosika ny tenany sy ny zanany hiakatra. Afaka nanohy nilomano amin’izay izy, nandroso nankeny amin’ny faritra azo antoka teny amin’ny ilan’ilay farihy.

Mety mahatsapa ho toy ny mihamilentika izany isika rehetra indraindray. Mety havesatra ny fiainana. “Miaina ao anatin’ny tontolo feno tabataba sy tontolo mirotoroto isika. … Raha tsy mitandrina isika dia alain’ireo zavatr’izao tontolo izao ny toeran’ireo zavatry ny Fanahy.”1

Ahoana no fomba anarahantsika io ohatra nasehon’ny raim-pianakaviana anankiray io mba hanalana ny sasany amin’ny enta-mavesatr’izao tontolo izao izay lanjaintsika, ka ahafahantsika manao izay tsy hilentehan’ny lohan’ny zanatsika sy ny saintsika manokana feno ahiahy ao anaty rano? Ahoana no ahafahantsika “manaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika” araka ny torohevitr’i Paoly?2 Ahoana no ahafahantsika manomana ny zanatsika hiatrika ny andro rehefa tsy afaka miantehitra amintsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika intsony izy ireo—rehefa izy ireo indray no hilomano?

Tonga ny valiny rehefa mahafantatra ilay loharano masina manome hery isika. Matetika tsy dia raharahiana izany loharano izany, kanefa azo ampiasaina isan’andro izany mba hanamaivanana ny enta-mavesatsika sy hitarihana ireo zanaka malalantsika. Ny Fanahy Masina io loharano io izay fanomezana manome fitarihana.

Afaka miatrika ny batisa ny ankizy rehefa valo taona. Mianatra mikasika an’ Andriamanitra sy manao fanekempihavanana Aminy izy ireo. Manodidina azy ireo ireo olona tiany rehefa asitrika anaty rano izy ireo ary mivoaka avy ao amin’ny fitoeran-drano fanaovana batisa miaraka amin’ny fahatsapana fifaliana lehibe. Dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo izay fanomezana tsy hay lazaina sy afaka mitantana azy ireo tsy tapaka rehefa manana fiainana mendrika izany fitahiana izany.

Hoy ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fahatsoran’ny [fandraisana ho mpikambana] dia mety hitarika antsika tsy hahita ny dikany. Ireo teny efatra—‘Raiso ny Fanahy Masina’—dia tsy teny tonontononina fotsiny; fa mifono baiko avy amin’ny fisoronana izany—fampitandremana feno fahefana mba hihetsika ho azy fa tsy hetsehina.”3

Manana faniriana voajanahary hanao ny tsara sy te ho tsara ny ankizy. Afaka mahatsapa ny tsy fananany tsiny sy ny fahadiovany isika. Tena mora mahatsapa ilay feo tony sy malefaka izy ireo.

Asa fanompoana tamin’ireo ankizy Nefita

Nasehon’ny Mpamonjy amintsika tao amin’ny 3 Nefia 26 ny hery ara-panahy ananan’ny ankizy:

“Novahany ny lelany, ary izy ireo dia niteny tamin-drainy zavatra lehibe sy mahatalanjona, lehibe kokoa noho izay nambarany tamin’ny vahoaka aza. …

“… Sady nahita izy no nandre ireo ankizy ireo; eny, na dia ny zaza aza dia nanokatra ny vavany sy nanambara zavatra mahatalanjona.”4

Ahoana no ahafahantsika amin’ny maha-ray aman-dreny antsika mampitombo ny hery ara-panahin’ireo zanatsika? Ahoana no fomba ampianarantsika azy ireo hitsipaka ireo fitarihan’izao tontolo izao ka hiantehitra amin’ny Fanahy rehefa tsy miaraka amin’izy ireo isika ary rehefa irery ao anatin’ny rano lalin’ny fiainana izy ireo?

Mamelà ahy hizara hevitra vitsivitsy aminareo.

Voalohany, azontsika ampahafantarina ny zanatsika ny fotoana hahenoany sy hahatsapany ny Fanahy. Ndeha isika hiverina any amin’ny tantaran’ny Testamenta Taloha mba hijery ny fomba nanaovan’i Ely izany tamin’i Samoela.

Naheno feo indroa i Samoela zazalahy ka nihazakazaka nankany amin’i Ely dia niteny hoe: “Inty aho.”

“Tsy niantso aho,” hoy i Ely.

Saingy “[tsy mbola nahalala an’i Jehovah i Samoela], sady tsy mbola nanehoana ny tenin’i Jehovah izy.”

Tamin’ny fanintelony no nahafantaran’i Ely fa ny Tompo no niantso an’i Samoela ary nasainy niteny i Samoela hoe: “Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao.”5

Nanomboka nahatsapa sy nahafantatra ary nihaino ny feon’ny Tompo i Samoela. Kanefa tsy nanomboka nahatakatra izany io zazalahy io raha tsy namorain’i Ely ny famantarana izany. Ary rehefa nampianarina i Samoela dia lasa nahafantatra ilay feo tony sy malefaka.

Faharoa, afaka manomana ny tokantranontsika sy ny zanatsika isika mba hahatsapa ilay feo tony sy malefaka. “Mpampianatra teny vahiny maro no mino fa tena mahafehy ny fiteny iray ny ankizy rehefa manaraka ny ‘fampianarana fiteny amin’ny alalan’ny filonana,’ satria ao anatin’izany dia voahodidin’ireo hafa izay miteny ilay fiteny izy ireo ka tsy maintsy miteny izany izy ireo. Tsy mianatra fotsiny ny fomba fiteny ireo teny izy ireo fa mianatra miteny misosa ilay fiteny sy mieritreritra mihitsy amin’izany fiteny vaovao izany. Ny toerana ‘filonana’ [tsara indrindra] ho an’ny fianarana ara-panahy dia any an-trano izay toerana ahafahana manao ireo fitsipika ara-panahy ho fototra enti-miaina isan’andro.”6

“Dia ampianaro tsara ny zanakao ny [tenin’ny Tompo] ary resaho [izany] na mipetraka ao an-tranonao hianao na mandeha any an-dalàna, na mandry na mifoha.”7 Ny filonan’ny fianakaviantsika ao anatin’ny Fanahy dia hihazona ny fisokafan’ny fon’ny zanatsika amin’ny fitarihany.

Fahatelo, afaka manampy ny zanatsika isika hahatakatra ny fomba firesaky ny Fanahy amin’izy ireo. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Raha mankeo amin’ny ankizy kely Izy dia hampifanaraka ny tenany amin’ny fomba firesaka sy fahatakaran’ny ankizy kely.”8 Nisy reny iray nahatsikaritra hoe, satria mianatra amin’ny fomba samihafa ny ankizy—ny sasany mianatra amin’ny alalan’ny fijerena, na amin’ny alalan’ny fihainoana na amin’ny alalan’ny fikasihana na amin’ny alalan’ny fahatsapana—dia tsapany bebe kokoa rehefa nandinika bebe kokoa ny zanany izy fa mampianatra ny zanany amin’ny fomba izay samy tena hahaizan’ny tsirairay amin’izy ireo tsara ny Fanahy Masina.9

Nisy renim-pianakaviana iray hafa nizara ny zavatra niainany mikasika ny fanampiana ny zanany hianatra hamantatra ny Fanahy. “Indraindray,” hoy izy nanoratra, “tsy fantatry [ny ankizy] fa ny fiverimberenan’ny zavatra iray ao an-tsaina, ny fahatsapana fampaherezana aorian’ny fitomanian’izy ireo, na ny fahatsiarovana zavatra iray amin’ny fotoana tena ilàna azy no fomba ifandraisan’ny Fanahy Masina [amin’izy ireo].” Notohizany hoe: “Mampianatra ny [zanako] hifantoka amin’ny zavatra tsapany aho [sy handray andraikitra eo anatrehan’izany].”10

Hitondra hery ara-panahy eo amin’ny fiainan’ny zanatsika ny fahatsapana sy famantarana ny Fanahy ary hihamazava hatrany amin’izy ireo ilay feo fantany. Ho toy izao nilazan’ny Loholona Richard G. Scott azy izao izany: “Rehefa mahazo traikefa sy fahombiazana ianao eo amin’ny fitarihan’ny Fanahy anao, dia afaka ny ho lasa azo antoka kokoa ny fahatokianao ireo zavatra tsapanao noho ny fianteheranao amin’ny zavatra hitanao na renao.”11

Tsy mila matahotra isika rehefa mahita ny zanatsika mirotsaka ao anatin’ny ranon’ny fiainana satria nampiantsika izy ireo hanaisotra ireo enta-mavesatr’izao tontolo izao. Nampianarintsika izy ireo mba hanana fiainana mendrika an’ilay Fanahy izay fanomezana manome fitarihana. Io fanomezana io dia hanohy hanamaivana ny enta-mavesatra lanjain’izy ireo ary hitondra azy ireo hiverina any amin’ny fonenany any an-danitra raha toa izy ireo ka manana fiainana mendrika an’izany sy manaraka ny bitsiny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Joseph B. Wirthlin, “The Unspeakable Gift,” Liahona, mey 2003, 27.

  2. Hebreo 12:1.

  3. David A. Bednar, “Raiso ny Fanahy Masina,” Liahona, nôv. 2010, 95.

  4. 3 Nefia 26:14, 16.

  5. Jereo ny 1 Samoela 3:4–10.

  6. C. Terry and Susan L. Warner, “Helping Children Hear the Still, Small Voice,” Tambuli, aog. 1994

  7. Deoteronomia 6:7.

  8. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 3:392.

  9. Jereo ny Merrilee Browne Boyack, “Helping Children Recognize the Holy Ghost,” Liahona, des. 2013.

  10. Irinna Danielson, “How to Answer the Toughest ‘Whys’ of Life,” 30 ôkt. 2015, lds.org/blog.

  11. Richard G. Scott, “Mahazo fitarihana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2009, 7.