2010–2019
Aoka ianao hanetry tena
Aprily 2016


10:58

Aoka ianao hanetry tena

Ny fanetrentena no hahafahantsika ho lasa ray aman-dreny, zanaka, vady, mpifanolobodirindrina ary namana tsaratsara kokoa.

Sambatra isika ato amin’ny Fiangonana fa manana antontan-kira izay manampy antsika hitsaoka amin’ny alalan’ny hira. Mandritra ireo fivoriana ato amin’ny Fiangonana dia, “manasa ny Fanahin’ny Tompo, mahatonga ny fanahin’ny fanajana, mampiray hina ny mpikambana, ary manome antsika fahafahana hidera ny Tompo [ny hira]. Ny sasany tamin’ireo lahateny lehibe sy tsara indrindra dia natao tamin’ny alalan’ny fihirana.”1

Volana vitsivitsy monja taorian’ny nanorenana ny Fiangonana dia nandray fanambarana iray ho an’i Emma vadiny ny Mpaminany Joseph Smith. Nilaza tamin’i Emma ny Tompo fa “zavatra ankasitraha[ny] ny [hifantenany] araka izay hanentanan’ny Fanahy [azy] ireo hira masina mba hatao ao amin’ny fiangona[ny].”2

Nanambatra antontan-kira i Emma Smith izay nivoaka voalohany tao amin’ity fihirana tany Kirtland ity tamin’ny taona 1836.3 Sivifolo monja no hira nampidirina tao anatin’ity bokikely manify ity. Betsaka tamin’izany no hira avy tamin’ireo finoana Protestanta. Raha kely indrindra dia 26 tamin’izany no noforonin’i William W. Phelps, izay nanomana sy nanampy tamin’ny fanaovana printy ny boky fihirana taty aoriana. Ny tonon-kira ihany no nosoratana. Tsy nisy naotina mozika niaraka tamin’ireo tonony. Io boky fihirana kely sy tsotra io dia nanjary fitahiana lehibe ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana.

Takelaka avy tamin’ny fihiranan’i Emma Smith
Pejin-dohateny tao amin’ny fihiranan’i Emma Smith

Ny edisiôna farany amin’ny boky fihiranantsika amin’ny teny anglisy dia navoaka tamin’ny taona 1985. Maro tamin’ireo fantina izay nosafidian’i Emma taona marobe tany aloha tany no mbola tafiditra ao anatin’ny boky fihiranantsika, tahaka ny “Velona ny Mpanavotra Ahy” na ny “Fototra Mafy Orina.”4

Ny hira vaovao iray tao anatin’ny boky fihirana navoaka ny taona 1985 dia ny “Oh! Sois humble.”5 Io hira milamindamina io dia nosoratan’i Grietje Terburg Rowley, izay nodimandry tamin’ny taon-dasa. Lasa mpikamban’ny Fiangonana izy ny taona 1950, tany Hawaii, mpampianatra an-tsekoly izy tany. Ny Rahavavy Rowley dia mpikambana tao amin’ny Kaomitin’ny Mozika Maneran-tany ary nanampy tamin’ny fampifanarahana ireo hira ho amin’ny fiteny samihafa. Ny tononkiran’ny “Oh! Sois humble” dia nalainy avy tamin’ny andinin-tsoratra masina anankiroa: ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10 sy ny Etera 12:27. Ilay andininy ao amin’ny bokin’i Etera dia mivaky toy izao: “Ary raha manatona Ahy ny olona dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; … fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Tahaka ny hira rehetra an’ny Fiangonana dia mampianatra fahamarinana madio sy tsotra ny “Oh! Sois humble.” Mampianatra antsika izany fa raha manetry tena isika dia hovaliana ny vavaka ataontsika; hahazo fiadanan-tsaina isika; hahomby kokoa isika rehefa manompo ao amin’ny antsontsika; ary raha mijanona ho mahatoky hatrany isika dia hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra amin’ny farany.

Nampianatra ireo mpanara-dia Azy ny Mpamonjy fa tsy maintsy manetry tena tahaka ny zaza madinika izy ireo mba hahafahany miditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. 6 Rehefa manabe ireo zanatsika isika dia mila manampy azy ireo hijanona ho manetry tena rehefa miha-matotra ka lasa olon-dehibe. Tsy amin’ny fanimbana ny fanahin’izy ireo amin’ny alalan’ny haratsiam-panahy na amin’ny fanitsiana azy ireo amin’ny fomba henjana loatra no hanaovantsika izany. Rehefa mikolokolo ny fahatokian-tenany isika sy ny fanomezany lanja ny tenany dia mila mampianatra azy ireo ireto toetra tsara ireto, dia ny tsy fitiavan-tena, ny hatsaram-panahy, ny fankatoavana, ny tsy fiavonavonana, ny fahalalam-pomba, ary ny tsy fizahozahoana. Ilaintsika izy ireo mba hianatra mifaly amin’ny fahombiazan’ny mpiray tampo aminy sy ny namany. Ny Filoha Howard W. Hunter dia nampianatra fa “tokony hiraharaha marina ny fahombiazan’ny hafa isika.”7 Raha tsy izany ireo zanatsika dia mety ho lasa mifantoka be loatra amin’ny tombontsoan’ny tenany manokana, amin’ny fihoarana ny hafa, amin’ny fialonana, ary ny tsy fifaliana amin’ny fahombiazan’ny namany. Mankasitraka ny reniko aho, izay rehefa nahita fa lasa nieboebo loatra aho fony aho zazalahy, dia nilaza hoe: “Anaka, ny fanetrentena kely ataonao amin’izao dia tsy hanenenanao any aoriana any.”

Fa ny fanetrentena dia tsy zavatra natokana ho hampianarina amin’ny zanaka fotsiny. Isika rehetra dia tsy maintsy miezaka ny hanetry tena kokoa. Tena ilaina ny fanetrentena mba hahazoana ireo fitahian’ny filazantsara. Ny fanetrentena no mahatonga antsika hanana fo torotoro rehefa nanota na rehefa nanao fahadisoana ka mahatonga antsika ho afaka mibebaka. Ny fanetrentena no hahafahantsika ho lasa ray aman-dreny, zanaka, vady, mpifanolobodirindrina ary namana tsaratsara kokoa.

Etsy ankilany kosa dia afaka manimba ireo fifandraisana ao amin’ny fianakaviana, sy mandrava fanambadiana ary manimba finamanana ny hambo-po diso toerana. Tena ilaina manokana ny mahatsiaro ny fanetrentena rehefa mahatsapa ianao fa mipoitra ao an-tokantrano ny fifandirana. Diniho ny ratram-po izay azonao sorohina amin’ny fanetrenao tena rehefa miteny hoe: “Miala tsiny aho” na hoe “Tena tsy mety ny nataoko” na “Inona no mba tianao hatao?” na “Tena tsy nieritreritra tsotra izao aho” na “Tena faly aminao aho.” Raha ampiasana amim-panetrentena ireo andian-teny ireo dia hihena ny fifandirana ary hitombo ny fiadanana ao an-tokantranontsika.

Ny miaina tsotra izao dia efa mety ho mampanetry tena ary matetika dia izany tokoa. Ny loza manjo sy ny aretina, ny fahafatesan’ny olon-tiana, ny olana ara-pifandraisana, ary na dia ny fitotonganan’ny toe-bola aza dia mety mampietry antsika. Na dia tonga noho ny fahadisoana avy tamintsika aza ireo fotoan-tsarotra ireo, na koa vokatry ny fanapahan-kevitra ratsy sy ny safidy tsy dia tsara loatra nataontsika dia mampietry avokoa ireo fitsapana ireo. Raha misafidy ny hihaino ny Fanahy sy ny hanetry tena ary ny ho azo ampianarina hatrany isika dia ho lasa amin-kitsimpo kokoa ny vavaka ataontsika, ary hitombo ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona rehefa mandresy ireo fitsapan’ny fiainana an-tany isika. Miandrandra ny fisandratana avokoa isika rehetra, fa mialoha ny hitrangan’izany dia tsy maintsy maharitra ilay nolazaina hoe “ny lohasahan’ny fanetrentena” isika.8

Taona maro lasa izay dia nijaly be noho ny ratra tao amin’ny lohany i Eric zanakay lahy, izay 15 taona. Ny fahitana azy tsy nahatsiaro tena efa nandritra ny herinandro mahery dia nampahalahelo anay tokoa. Nilaza ireo mpitsabo fa tsy azon’izy ireo antoka izay mety hitranga manaraka. Nazava ho azy fa nientanentana izahay rehefa nanomboka nahatsiaro tena izy. Nihevitra izahay tamin’izany fa hilamina avokoa ny zava-drehetra, kanefa diso izahay.

Rehefa taitra izy dia tsy afaka nandeha na niteny na namahan-tena. Ary ny nampalahelo indrindra dia tsy nahatadidy ny zavatra izay vao nitranga vao haingana izy. Tadidiny ny ankamaroan’ny zava-nitranga talohan’ilay loza, fa tsy afaka nitadidy ny zavatra nitranga taorian’io izy, na dia zavatra nitranga vao minitra vitsy lasa aza.

Nisy fotoana izahay niahiahy fa hanan-janaka izay tsy hitombo ara-tsaina intsony mihoatra ny faha-15 taonany. Ny zava-drehetra tamin’ny fiainan’ny zanakay lahy dia nizotra tsara avokoa talohan’ilay loza. Mpanao fanatanjahantena izy sady nalaza ary nahay tsara tany am-pianarana. Taloha dia toa namirapiratra ny hoaviny; ankehitriny dia niahiahy izahay fa mety tsy hanana hoavy izy, na fara faharatsiny hoavy azony tadidiana. Izao izy dia sahirana mamerina mianatra ireo zavatra tena fototra. Izany dia tena fotoana nampanetry tena azy tokoa. Ary fotoana tena nampanetry tena ny ray aman-dreniny ihany koa.

Raha ny marina dia nanontany tena izahay hoe ahoana no nahafahan’izany nitranga. Niezaka nanao ny tsara foana izahay. Laharam-pahamehana ho an’ny fianakavianay ny miaina ny filazantsara. Tsy azonay notakarina ny nitrangan’izany zavatra nangirifiry izany taminay. Naetry tanteraka izahay vantany vao nahita fa toa haharitra volana maro, ary taona maro mihitsy aza ny fanarenana azy. Ary mbola sarotra taminay kokoa ny fahatsapana tsikelikely fa tsy ho tahaka ny tamin’ny taloha intsony izy.

Nandritra io fotoana io dia betsaka ny ranomaso nalatsaka ary ny vavaka nataonay dia lasa vokatry ny fo kokoa ary tamin-kitsimpo kokoa. Tamin’ny alalan’ny fomba fijery manetry tena izahay no nanomboka nahita tsikelikely ireo fahagagana bitika nisy nandritra ny fotoana nijalian’ny zanakay lahy. Nihatsara tsikelikely izy. Ny toe-tsainy sy ny fomba fijeriny dia tena tsara.

Ankehitriny i Eric zanakay lahy dia nanambady olona tena mahafinaritra, ary manan-janaka dimy tsara tarehy izy ireo. Mpanabe mahafatrapo izy sy mpandray anjara amin’ny fanatsarana ny fiaraha-monina misy azy sy ny Fiangonana. Ary indrindra indrindra, mbola miaina araka ilay fanahin’ny fanetrentena nianarany fotoana maro lasa izay.

Ahoana kosa anefa raha azontsika atao ny manetry tena mialoha ny handehanantsika ao amin’ny “lohasahan’ny fanetrentena”? Nampianatra i Almà hoe:

“Hotahiana izay manetry ny tenany, rehefa tsy terena hanetry tena.”

“Eny, hotahiana kokoa [izy ireo] noho ireo izay voatery hietry.”9

Feno fankasitrahana aho noho ireo mpaminany toa an’i Almà, izay nampianatra antsika ny lanjan’io toetra lehibe io. I Spencer W. Kimball, Filohan’ny Fiangonana faha-12, dia nilaza hoe: “Ahoana no hampanetry tena ny olona iray? Amiko dia tsy maintsy hampahatsiahivina tsy tapaka azy fa miankina amin’olona izy. Miankina amin’iza? Amin’ny Tompo. Inona no fomba fampahatsiahivana? Amin’ny alalan’ny vavaka tena izy, atao tsy tapaka sy araka ny fanahin’ny fitsaohana ary feno fankasitrahana.”10

Tsy tokony hahagaga raha ny “Mila Anao Aho”11 no hira tian’ny Filoha Kimball indrindra. Ny Loholona Dallin H. Oaks dia nilaza fa io no hira fanokafana fanaon’ireo Rahalahy matetika indrindra tao amin’ny tempoly nandritra ny taona voalohandohany naha tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy. Hoy izy: “Alaivo sary an-tsaina ny fiantraikany ara-panahy nisy vokatry ny fihiran’ny mpanompon’ny Tompo vitsivitsy an’io hira io mialoha ny hivavahan’izy ireo mba ho tarihiny eo amin’ny fanatanterahana ireo andraikitra goavana izay nosahanin’izy ireo.”12

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny lanjan’ny fanetrentena eo amin’ny fiainantsika. Feno fankasitrahana aho noho ireo olona tahaka ny Rahavavy Grietje Rowley izay nanoratra tononkira sy feonkira nentanim-panahy izay manampy antsika hianatra ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, anisan’izany ny fanetrentena. Feno fankasitrahana aho fa manana lova isika amin’ny alalan’ireo fihirana izany manampy antsika hitsaoka amin’ny alalan’ny hira, ary feno fankasitrahana aho noho ny fanetrentena. Ny vavaka ataoko dia ny mba hiezahantsika rehetra hanana fanetrentena eo amin’ny fiainantsika, mba hahafahantsika ho lasa ray aman-dreny, zanaka lahy sy zanaka vavy, ary mpanara-dia tsaratsara kokoa ny Mpamonjy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Préface de la Première Présidence,” Cantiques de L’Église de Jésus Christ des Saints des Derniers Jours (1985), ix.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11.

  3. Ny pejin-dohatenin’ny boky fihirana an’ny Olomasin’ny Andro Farany edisiôna voalohany dia ahitana ny daty 1835, kanefa tsy vita sy azon’ny rehetra nananana izany raha tsy tamin’ny voalohandohan’ny taona 1836.

  4. Hira enina amby roapolo tamin’ireo hira tao anatin’ny boky fihirana tamin’ny taona 1835 no tafiditra ao anatin’ny boky fihiranantsika ankehitriny (jereo ny Kathleen Lubeck, “The New Hymnbook: The Saints Are Singing!” Ensign, sept. 1985, 7).

  5. “Oh! Sois humble,” antiques, lah. 69.

  6. Jereo ny Matio 18:1–4.

  7. Howard W. Hunter, “The Pharisee and the Publican,” Ensign, mey 1984, 66.

  8. Anthon H. Lund, ao amin’ny Conference Report, apr. 1901, 22.

  9. Almà 32:16, 15.

  10. The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball (1982), 233.

  11. “Mila Anao Aho,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 23; jereo koa ny Brent H. Nielson, “I Need Thee Every Hour,” Ensign, apr. 2011, 16.

  12. Dallin H. Oaks, “Worship through Music,” Ensign, nôv. 1994, 10.