2018
Zavatra telo tokony hotsaroana
February 2018


Ho an’ny zatovo

Zavatra telo tokony hotsaroana

Ny teny hoe mahatsiaro dia miverimberina matetika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Namporisika ireo rahalahiny i Nefia mba hahatsiaro ny fomba namonjen’ Andriamanitra ny razamben’izy ireo. Nangataka ny vahoakany ny Mpanjaka Benjamina mba hahatsiaro ny halehibeazan’ Andriamanitra. Ary i Môrônia dia nanome torolalana ny mpamaky ny asasorany mba hahatsiaro ny naha-feno famindram-po ny Tompo.

Tena ilaina ny mahatsiaro ny Mpamonjy. Isika aza dia nanao fanekempihavanana mihitsy ny hahatsiaro Azy isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo. Manasa antsika ny Filoha Eyring mba hahatsiaro ireto zavatra telo ireto mandritra ny fanasan’ny Tompo:

  1. Tsarovy i Jesoa Kristy: Mamakia soratra masina mikasika ny fomba nanompoan’ny Mpamonjy sy ny fomba nanehoany fitiavana tamin’ny hafa. Ahoana no ahatsapanao ny fitiavany? Ahoana no ahafahanao manompo sy maneho fitiavana amin’ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy?

  2. Tsarovy ny zavatra ilainao atao tsaratsara kokoa: Eritrereto amin’ny fo mibebaka ny herinandro lasanao. Misafidiana zavatra iray azonao ovaina, ary soraty ny fomba hanaovanao izany fanatsarana izany. Apetraho amin’ny toerana izay ahafahanao mahita azy matetika ny tanjonao.

  3. Tsarovy ny fivoaranao: Angataho Andriamanitra mba hanampy anao hahita ny fivoarana tsara vitanao. Raketo ny zavatra tsapanao.

Tsy tanteraka isika, kanefa fantatry ny Mpamonjy izany. Izany no antony nangatahany antsika mba hahatsiaro Azy. Manome fanantenana antsika sy manampy antsika hanam-paniriana hiova ny fahatsiarovana Azy. Eny fa na dia amin’ny fotoana izay tsy hahatsiarovantsika Azy aza, dia hoy ny Filoha Eyring hoe: “Mahatsiaro anao mandrakariva Izy.”

Hamoaka printy