2018
Fantaro izy sy ny fianakaviany
February 2018


Ireo fitsipiky ny famangiana isan-tokantrano, febroary 2018

Fantaro izy sy ny fianakaviany

Ny famangiana isan-tokantrano dia ny fiezahana hahafantatra sy hitia amin-kitsim-po ireo rahavavy tsirairay mba hahafahantsika manampy azy hampatanjaka ny finoany sy hanao asa fanompoana.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

I Rita Jeppeson sy ny mpamangy azy isan-tokantrano dia lasa mpinamana akaiky rehefa namangy sy nizara ny fitsipiky ny filazantsara izy ireo. Kanefa ny famangiana ataon’izy ireo koa dia ahitana fiarahana manao kilalaon-teny. Izany no zavatra tian’i Rita indrindra momba ny mpamangy isan-tokantranony satria fantany fa mpinamana ry zareo ary ny famangiana dia tsy hoe manao adidy tsy maintsy vitaina fotsiny. Maro tokoa ny zavatra azon’ireo rahavavy atao mandritra ny famangiana, toy ny miaraka mandehandeha na manongotra ahi-dratsy vitsivitsy ao amin’ny zaridaina mandra-pilalaon’ny ankizy.

Nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Raiso ho toy ny iraky ny Tompo ho any amin’ireo zanany ny tenanareo. … Manantena … izahay, fa hamehanokana fotoana ianareo izay hanehoana fiahiana marina sy mifantoka amin’ny filazantsara ho an’ireo mpikambana, mifampitandrina sy mifampikarakara, mamaha ireo filàna ara-panahy sy ara-batana amin’izay fomba mety hanampy.”1

Nandidy ny zanak’Isiraely ny Tompo tamin’ny alalan’i Mosesy fa “ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tiana[reo] tahaka ny tena[nareo]” (Levitikosy 19:34). Ireo rahavavy vangintsika dia mety hoe “vahiny” rehefa manomboka ny asa fanompoana ataontsika isika, kanefa rehefa mahafantatra azy sy ny fianakaviany isika, dia hitombo ny faniriantsika “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany”, ary hanana “ny fo[ntsika] mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan[tsika] samy [isika]” (Môsià 18:8, 21).

I Reyna I. Aburto, izay mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia mahatsiaro ny fotoana naha-mpikamban’ ny Fiangonana vaovao izay vao nisaram-panambadiana azy. “Tonga tao an-tranoko ireo mpamangy isan-tokantrano,” hoy izy, “ary izy ireo dia nitondra fahatsapana mamy hoe teo amin’ny toerana tokony hisy ahy aho sy fahatsapana fitiavana tao am-poko.”2

Eritrereto Ity

Ao amin’ireo fianakavian’ny rahavavy izay vanginao, inona no tranga izay ho avy tsy ho ela izay tokony ho fantatrao sy tsaroanao?

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “Emissaries to the Church,” Liahona, nôv. 2016, 62.

  2. Reyna I. Aburto, “What Has Relief Society Been for Me?” Fihaonamben’ny vehivavy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, Mey 5, 2017, LDS.org.

Hamoaka printy