2020
Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo
Nôvambra 2020


15:19

Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo

(Abrahama 3:25)

Fotoana izao hiomanana sy hanamarinantsika fa vonona sy afaka manao ny zava-drehetra izay handidian’ny Tompo Andriamanitsika antsika isika.

Mivavaka aho mba hahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina isika rehetra eto am-pizarako ny eritreritra sy ny fahatsapana izay tonga tato an-tsaiko sy tato am-poko rehefa niomana tamin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity aho.

Ny maha-zava-dehibe ny fitsapana

Nandritra ny roapolo taona mahery talohan’ny antsoko hanao asa fanompoana amin’ny fotoana feno ato amin’ny Fiangonana dia mpampianatra sy mpitantana tao amin’ny oniversite no asako. Ny andraikitro voalohany tamin’ny naha-mpampianatra ahy dia ny hanampy ny mpianatra hianatra ny fomba hianaran’izy ireo ho an’ny tenany. Ary singa tena manan-danja tamin’ny asako ny famoronana laza adina sy ny fanomezana isa ary ny fanomezana tatitra momba ny fahaizan’ny mpianatra tamin’ireo fitsapam-pahaizana. Mety ho efa fantatrareo avy amin’ny zavatra niainana manokana fa amin’ny ankapobeny dia tsy ny fanadinana no tian’ny mpianatra indrindra ao amin’ny dingan’ny fianarana!

Kanefa tena manan-danja tanteraka amin’ny fianarana ny fanaovana fitsapam-pahaizana matetika. Ny fitsapam-pahaizana mahomby dia manampy antsika hampitaha izay zavatra ilaintsika fantarina amin’izay efa fantatsika marina momba ny lohahevitra iray manokana. Manolotra fenitra izay ahafahantsika mandrefy ny fianarantsika sy ny fivoarantsika ihany koa izany.

Tahaka izany koa, ireo fitsapana eo amin’ny sekolin’ny fiainana an-tany dia singa manan-danja eo amin’ny fivoarantsika mandrakizay. Mahaliana anefa fa tsy hita na dia indray mandeha aza ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana amin’ny teny Anglisy ny teny hoe fitsapana. Fa ny teny hoe zahana toetra, dinihina ary sedraina kosa no ampiasaina mba hamaritana ireo ohatra isan-karazany amin’ny fanehoana araka ny tokony ho izy ny fahalalantsika ara-panahy momba ny drafitra mandrakizain’ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana sy ny fahatakarantsika izany ary ny fanolorantsika tena amin’izany, sy ny fahaizantsika mikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Izy izay namolavola ny drafitry ny famonjena dia namariparitra ny tena tanjon’ny fizahana toetra antsika eto an-tany tamin’ny fampiasana ireo teny hoe zahana toetra, dinihina, ary sedraina ao amin’ny soratra masina fahiny sy maoderina. “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.” 1

Diniho ity fiangaviana nataon’i Davida mpanao Salamo ity:

Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.

“Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ny masoko; ary mandeha amin’ny fahamarinanao aho.” 2

Ary nanambara ny Tompo tamin’ny 1833 hoe: “Koa aza matahotra ny fahavalonareo, satria efa notapahiko tao am-poko, hoy ny Tompo, fa hozahako toetra amin’ny zava-drehetra ianareo raha toa ka hitoetra ao amin’ny fanekempihavanako, na dia hatrany amin’ny fahafatesana aza, mba hahitana fa mendrika ianareo.” 3

Ny fotoana ankehitriny izay feno fizahan-toetra sy fisedrana

Nanamarika ny taona 2020 tamin’ny ampahany ny valanaretina maneran-tany izay nizaha toetra sy nitsapa ary nisedra antsika tamin’ny fomba maro. Mivavaka aho ny mba ianarantsika sy ny fianakaviana tsirairay ireo lesona manan-danja, izay ireo zava-tsarotra iainana ihany no afaka mampianatra izany amintsika. Manantena ihany koa aho fa isika rehetra dia hiaiky tanteraka ny “fahalehibeazan’ Andriamanitra” sy ilay fahamarinana hoe “Izy hanokana ny fahorian[tsika] ho tombontsoan[tsika].” 4

Fitsipika fototra roa no afaka mitarika sy mampatanjaka antsika rehefa miatrika toe-javatra mitondra fizahan-toetra sy fisedrana eo amin’ny fiainantsika isika, na inona izany na inona: (1) ny fitsipiky ny fiomanana, sy (2) ny fitsipiky ny fibosesehana handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy.

Fiatrehana ny fitsapana sy fiomanana

Amin’ny maha-mpianatry ny Mpamonjy antsika dia didina isika ny “[hanomana] ny zavatra rehetra ilaina, ary [hanorina] trano, dia tranon’ny vavaka, tranon’ny fifadiankanina, tranon’ny finoana, tranon’ny fianarana, tranon’ny voninahitra, tranon’ny filaminana, tranon’ Andriamanitra.” 5

Ampanantenaina koa isika hoe “raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra.

“Ary izany dia ny mba hahazoanareo miala ny herin’ny fahavalo ka hangonina ho vahoaka marina, tsy manan-tsiny amam-pondro ho Ahy.” 6

Ireo soratra masina ireo dia manolotra fototra lavorary handaminana sy hanomanana ny fiainantsika sy ny tokantranontsika eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy. Ny ezaka ataontsika hiomanana amin’ireo zavatra iainana eto an-tany izay misedra antsika dia tokony hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy izay “nitombo saina sy tena [tsikelikely] sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona,” 7 izay fitambarana fahavononana ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy, ary ara-piarahamonina mifandanja tsara.

Indray tolakandro volana vitsy lasa izay, dia nanara-maso ny tahirin-tsakafonay sy ny vatsy fiatrehanay ny loza tampoka izaho sy i Susan. Niparitaka haingana ny COVID-19 tamin’izany, ary nampihovitrovitra ny tranonay tao Utah ny horohoron-tany nifanesy. Efa niezaka izahay hatramin’ny fiandohan’ny fanambadianay hanaraka ny torohevitry ny mpaminany momba ny fiomanana amin’ireo olana tsy tsinjo mialoha, ka noho izany ny “fandinihana” ny fahavononanay ao anatin’ny fisian’ny viriosy sy ny horohoron-tany dia toy ny zavatra tsara atao sy amin’ny fotoany tsara. Tianay ho fantatra ny isa ho azonay mahakasika ny fahavononanay hiatrika ireo fitsapana tsy nampilazana ireo.

Nianatra zavatra maro izahay. Tsara ny asa fanomanana nataonay teo amin’ny sehatra maro. Fa tamin’ny sehatra hafa sasany anefa dia nilana fanatsarana satria tsy nahafantatra sy tsy nanolotra ireo zavatra nilaina manokana tamin’ny fotoana tokony hanaovana izany izahay.

Nihomehy be ihany koa izahay. Hitanay tao anatin’ny lalimoara iray sarotra takarina ohatra ireo zavatra izay nijanona am-polo taona maro tao amin’ny fitehirizan-tsakafonay. Raha ny marina dia natahotra izahay ny hanokatra sy hizaha ny tao anatin’ireo fitoeran-tsakafo sasany sao dia hiteraka valanaretina maneran-tany iray hafa izany! Kanefa mifalia amin’ny fahafantarana fa narinay araka ny tokony ho izy ireo sakafo mitera-doza ireo, ary foana ilay loza ara-pahasalamana nanambana an’izao tontolo izao.

Mihevitra ny mpikambana sasany ao amin’ny Fiangonana fa tsy dia zava-dehibe intsony ny fanaovana drafitra sy ny fitehirizana vatsy hiatrehana ny loza tampoka, ny fitehirizana sakafo, ary ireo amboaram-pitaovana fihazonana ny aina mandritra ny 72 ora satria tsy niresaka momba izany sy izay lohahevitra mifandray amin’izany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ireo Rahalahy tato ho ato ary tsy nanamafy izany. Saingy efa nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana efa am-polo taona maro ireo fananarana naverimberina mba hiomana. Ny fitovian’ireo torohevitra omen’ireo mpaminany tao anatin’ny fotoana maro dia miteraka hafatra mahery vaika sy mazava ary fampitandremana mafy kokoa noho izay mety ho ateraky ny fampitandremana tokana.

Tsy misy hafa amin’ireo fotoan-tsarotra izay mampipoitra ireo tsy fahatomombanana ara-nofo, ireo aretin’ny tsy firaharahiana sy ny fanamoramorana ara-panahy dia mitondra ny vokatra ratsy indrindra aterany rehefa amin’ny fotoana sarotra. Ianarantsika ao amin’ny fanoharana momba ireo virijiny folo ohatra fa ny fanemorana ny fiomanana dia mitarika ho amin’ny tsy fahombiazana manoloana ny fitsapana. Tadidio ny tsy nahavitan’ireo virijiny folo adala niomana araka ny tokony ho izy tamin’ilay fitsapana nomena azy ireo tamin’ny andro nahatongavan’ny mpampakatra.

“Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza:

“Ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany.

“Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.

“Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.

“Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.

“Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.

“Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.

“Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay.” 8

“Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.” 9

Na teo amin’ity fitsapana ity aza dia noporofoin’ireo virijiny dimy adala ireo fa mpihaino fotsiny ny teny izy ireo fa tsy mpanatanteraka. 10

Manana namana izay mpianatra nazoto sy be fikirizana tao amin’ny sekoly fianarana lalàna aho. Nandritra ny taom-pianarana iray dia nanokana fotoana isan’andro i Sam hamerenana, hamintinana, ary hianarana zavatra avy amin’ireo fanamarihana noraisiny ho an’ny taranja tsirairay avy izay nisoratany anarana. Nanaraka izany lamina izany tamin’ny kilasy rehetra natrehany izy tamin’ny fiafaran’ny herinandro sy ny volana tsirairay. Ny fomba nampiasainy dia nahafahany nianatra ny lalàna fa tsy nanao tsianjery fotsiny ireo antsipirian-javatra. Ary rehefa nihananakaiky ny fanadinana famaranana dia vonona i Sam. Raha ny marina dia hitany fa isan’ireo zavatra izay tsy dia nampanahiran-tsaina azy indrindra teo amin’ny fiofanany momba ny lalàna ilay fanadinana famaranana. Mila fiomanana mahomby sy ara-potoana aloha vao mahomby amin’ny fitsapam-pahaizana.

Ny fomba nampiasain’i Sam tamin’ny fianarany momba ny lalàna dia mampisongadina ny iray amin’ireo lamina fototry ny Tompo ho an’ny fitomboana sy ny fivoarana. “Nefa indro, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Aho, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely; ary sambatra ireo izay mihaino ny fitsipiko, sy mampandry sofina amin’ny torohevitro, fa hianatra fahendrena izy; fa izay mandray no homeko bebe kokoa.” 11

Manasa ny tsirairay avy amintsika aho “[Hihevitra] ny lalan[tsika]” 12 sy “[handinika] ny tenan[tsika], na mitoetra amin’ny finoana [isika], na tsia; [hizaha] toetra ny tenan[tsika].” 13 Inona no nianarantsika nandritra ireo volana nisian’ny fanovana ny fomba fiainana sy fepetra mifehy tato ho ato? Inona no tokony hohatsaraintsika eo amin’ny fiainantsika ara-panahy, ara-batana, ara-piarahamonina, ara-pihetseham-po, ary ara-tsaina? Fotoana izao hiomanana sy hanamarinantsika fa vonona sy afaka manao ny zava-drehetra izay handidian’ny Tompo Andriamanitsika antsika isika.

Fiatrehana ny fitsapana sy fibosesehana handroso

Indray mandeha aho dia nanatrika fotoam-pandevenana ny misiônera tanora iray izay maty tao anatin’ny loza iray. Nandaha-teny tao amin’ilay fotoam-pivavahana ny rain’ilay misiônera ary nilazalaza ny amin’ny ratram-po noho ny fisarahana tsy nampoizina tamin’ny zanaka tiana iray noho ny fahafatesana. Nambarany tamin-kitsim-po fa izy manokana dia tsy nahatakatra ny antony na ny fotoana natao hisehoan’ny tranga toy izany. Saingy hotsaroako foana fa io lehilahy mahafinaritra io dia nanambara ihany koa ny fahafantarany fa fantatr’ Andriamanitra ny antony sy ny fotoana natao hitrangan’ny fahafatesan’ny zanany, ary nahafa-po azy izany fahalalana izany. Nolazainy tamin’ireo izay nanatrika ny fotoam-bavaka fa na dia nalahelo aza izy sy ny fianakaviany dia tsy haninona izy ireo. Nitoetra ho mafy sy maharitra ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo. Ity fanambarana ity no namaranany ny teniny: “Tiako ho fantatrareo fa raha ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no resahina, dia manolo-tena amin’izany tanteraka ny fianakavianay. Manolo-tena amin’izany tanteraka izahay.”

Na dia tena nandratra fo sy sarotra aza ny famoizana olon-tiana iray dia vonona ara-panahy ity fianakaviana mahery fo ity hanaporofo fa afaka nianatra lesona manan-daja mandrakizay izy ireo tamin’ny alalan’ireo zavatra izay niaretan’izy ireo. 14

Tsy hadalana na firehetam-po amin-javatra iray ny fahatokiana. Fa ny fahatokiana kosa dia ny fametrahana fitokisana amin’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy antsika Azy, sy amin’ny anarany, ary amin’ny fampanantenany. Rehefa “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy [isika], amin’ny [fananana] fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra,” 15 dia omena fomba fijery mibanjina ny mandrakizay sy fahatakarana mihoatra lavitra ny fahaizana voafetra ananantsika amin’ny maha-olombelona antsika. Homena fahafahana isika ny “hiaraka hivondrona sy hijoro eo amin’ireo toerana masina” 16 sy “tsy hoesorina mandra-pahatongan’ny andron’ny Tompo.” 17

Fony aho filohan’ny Oniversite Brigham Young–Idaho dia tonga tao amin’ny oniversite ny Loholona Jeffrey R.Holland tamin’ny 1998 mba hanao lahateny tamin’ny iray tamin’ireo fampaherezam-panahy fanaonay isan-kerinandro. Nanasa andiana mpianatra izaho sy i Susan mba hihaona sy hiresaka tamin’ny loholona Holland talohan’ny nizarany ny hafany. Rehefa nifarana ny fotoana niarahanay dia nanontany ny Loholona Holland aho hoe: “Raha afaka mampianatra zavatra iray monja an’ireto mpianatra ireto ianao dia mety ho inona izany?”

Namaly izy hoe:

“Hitantsika izao ny fizorana misimisy kokoa hatrany mankany amin’ny tsy maintsy hisafidianana ny iray amin’ny zavatra roa ihany. Tsy ho afaka ny tsy hiandany amin’ny lafiny iray ny Olomasin’ny Andro Farany fa tsy maintsy manao safidy iray. Tsy maintsy manao safidy fa tsy mijanona eo anelanelany.

“Raha mitsingevana ambony rano fotsiny ianao ao anatin’ny fikorianan’ny renirano iray, dia ho lasa any amin’ny toerana iray. Ho lasa any amin’ny toerana izay hitondran’ny rian-drano anao fotsiny ianao. Tsy mety amintsika ny manara-drenirano sy misafidy izay mora atao amin’ny zavatra inoantsika.

Tsy maintsy manao safidy isika. Ny tsy fanaovana safidy dia safidy. Mianara misafidy dieny izao.”

Ny zavatra nolazain’ny Loholona Holland momba ny tsy maintsy hisafidianana ny iray amin’ny zavatra roa ihany, izay miha-mahazo vahana, dia voamarina fa tenina mpaminany tamin’ny alalan’ny fironana sy ny trangan-javatra teo amin’ny fiarahamonina tao anatin’ireo 22 taona hatramin’ny namaliany ny fanontaniako. Raha nilaza mialoha momba ny fitomboan’ny fahasamihafana eo amin’ny fomban’ny Tompo sy ny an’izao tontolo izao ny Loholona Holland dia nampitandrina fa tsy ho afaka intsony ny hisabaka isika ka sady hijanona ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny no handray anjara amin’ny fanaon’izao tontolo izao. Namporisika ny tanora io mpanompon’ny Tompo io mba hisafidy, hiomana ary ho lasa mpianatra feno fanoloran-tena ho an’ny Mpamonjy. Nanampy azy ireo izy hiomana sy hibosesika handroso mandra-pisehon’ireo zavatra iainana izay mizaha toetra sy mitsapa ary misedra azy ireo eo amin’ny fiainany sy handresy izany ka hisafidy ny tsara.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Ampahany manan-danja amin’ny drafitra lehiben’ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana ny dingan’ny fanaporofoantsika ny fahatokiantsika ao anatin’ny fitsapana. Mampanantena aho fa raha sady miomana isika no mibosesika mandroso omban’ny finoana ny Mpamonjy, dia afaka hahazo isa mitovy amin’ny fanadinana farany amin’ny fiainana an-tany, dia ny hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.” 18

Mijoro ho vavolombelona aho fa Andriamanitra Ilay Ray Mandrakizay no Raintsika. I Jesoa Kristy no Zanany Lahitokana sy velona, Ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.