Tempoly vaovao miisa enina nambara
Tempoly vaovao miisa enina no nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fivoriana alahady tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nambara fa hahazo tempoly i:
-
Tarawa, Kiribati. Ny Kiribati dia firenena iray ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika akaiky ny tsipika iraisam-pirenena fanasarahana daty ka izany dia nosy 32 voahodidina haran-dranomasina.
-
Port Vila, Vanuatu. Ny Vanuatu dia firenena ahitana nosy miisa 80 ao amin’ny Pasifika Atsimo.
-
Lindon, Utah, Etazonia. Lindon dia 64 km atsimon’i Salt Lake City.
-
Guatemala Renivohitra sy ny manodidina, Guatemala. Ny Guatemala, ao Amerika Afovoany dia hanana tempoly efatra ato ato.
-
São Paulo Atsinanana, Brésil. Io no ho tempoly faha-12 nambara ho an’i Brésil.
-
Santa Cruz, Bolivie. Io no ho tempoly faharoa ho an’ity firenena any Amerika Atsimo ity.
Hatramin’ny naha-lasa azy Filohan’ny Fiangonana tamin’ny 2018 dia nanambara ny hananganana tempoly vaovao miisa 49 ny Filoha Nelson. Ankehitriny ny Fiangonana dia manana tempoly efa nambara, eo an-dalam-panamboarana, na am-perinasa miisa 230.