2020
Hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetren-tena
Nôvambra 2020


13:27

Hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetren-tena

Ny hoe manao ny marina dia midika hoe manao asa am-pahamendrehana. Manao asa amim-pahamendrehana amin’ Andriamanitra isika rehefa miara-mamindra Aminy amim-panetren-tena. Manao asa amim-pahamendrehana amin’ny hafa isika rehefa mankamamy ny famimdrampo.

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika, ary amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia miezaka isika—ary ankeherezina hiezaka—ny hanao tsaratsara kokoa hatrany. 1 Efa nanontany tena toa ahy angamba ianareo nanao hoe: “Moa ve ampy ny zavatra ataoko?” Inona koa no tokony hataoko? na “Ahoana no ahafahako, izaho izay olona tsy tonga lafatra, ho mendrika ny hiaina –miaraka amin’ Andriamanitra ao anatin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana–?” 2

Tamin’izao fomba izao no nametrahan’i Mika, mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha an’izany fanontaniana izany: “Inona no ho entiko manatona an’i Jehovah sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ny avo?” 3 Nanontany tena tamin’ny fomba somary naneso i Mika raha toa ka mety ho ampy hanonerana ny fahotana ireo fanatitra mihoa-pampana raha nilaza izy hoe: “Ho sitrak’i Jehovah va ny ondrilahy [arivoarivo], na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako … noho ny fahotan’ny fanahiko?” 4

Tsia no valiny. Tsy ampy ny asa tsara. Tsy tambin-javatra iray ny famonjena. 5 Na ireo fanatitra sesehena izay fantatr’i Mika aza dia tsy afaka manonitra ny fahotana bitika indrindra. Raha ireo fitaovana ananantsika ihany dia tsy misy fanantenana ny mety hiverenana hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra. 6

Raha tsy eo ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tsy afaka hanao izay ampy sy ho tonga olona ampy araka ny tenantsika na oviana na oviana isika. Ny vaovao mahafaly anefa dia afaka ny ho tonga olona ampy isika noho i Jesoa Kristy sy amin’ny alalany. 7 Hovonjena amin’ny fahafatesana ara-batana ny olona rehetra amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. 8 Ary raha mampitodika ny fontsika amin’ Andriamanitra isika dia ho azon’ny olona rehetra ny famonjena amin’ny fahafatesana ara-panahy “noho ny Sorompanavotana nataon’i [Jesoa] Kristy … amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.” 9 Afaka ny ho avotana amin’ny fahotana isika mba hijoro ho madio sy tsy misy pentina eo anoloan’ Andriamanitra. Araka ny nohazavain’i Mika hoe: “Ry olombelona, efa naseho[n’Andriamanitra] anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetren-tena?” 10

Ahitana singa telo mifaningotra ny torolalan’i Mika amin’ny fampitodihana ny fontsika amin’ Andriamanitra sy ny ho mendrika ny famonjena. Ny hoe manao ny marina dia midika hoe manao asa amim-pahamendrehana amin’ Andriamanitra sy amin’ny olona hafa. Manao asa amim-pahamendrehana amin’ Andriamanitra isika rehefa miara-mamindra Aminy amim-panentren-tena. Manao asa amim-pahamendrehana amin’ny hafa isika rehefa mankamamy ny famimdrampo. Ny hoe manao ny marina araka izany dia tena fampiharana ireo didy lehibe voalohany sy faharoa: ny “[hitia] an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra … [ary ny hitia] ny namanao tahaka ny tenanao.” 11

Ny manao ny marina sy manaraka an’ Andriamanitra amim-panetren-tena dia ny manaisotra an-tsitrapo ny tanantsika amin’ireo faharatsiana ka manaraka ireo fitsipiny, ary mitoetra ho mahatoky tanteraka. 12 Ny atao hoe olo-marina dia olona iray miala amin’ny fahotana ka mitodika amin’ Andriamanitra, sy manao fanekempihavanana Aminy, ary mitandrina an’ireo fanekempihavanana ireo. Misafidy ny hitandrina ireo didin’ Andriamanitra, sy mibebaka rehefa solafaka, ary manohy miezaka izany olo-marina izany.

Rehefa nitsidika ireo Nefita i Kristy nitsangana tamin’ny maty dia nohazavainy fa ny lalàn’i Mosesy dia nosoloina lalàna ambonimbony kokoa. Nampianatra azy ireo Izy mba tsy “hanatitra … sorona sy … fanatitra hodorona” intsony, fa “fo torotoro sy ny fanahy manenina.” Nampanantena ihany koa Izy hoe: “Ary na zovy na zovy no mankaty Amiko amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, dia izy no hataoko batisa amin’ny afo sy ny Fanahy Masina.” 13 Rehefa mandray sy mampiasa ny fanomezana ny Fanahy Masina isika aorian’ny batisa dia afaka mankamamy ny finamanana tsy tapaky ny Fanahy Masina sy hampianarina ny zavatra rehetra tokony hataontsika, 14 anisan’izany ny fomba hanarahana an’ Andriamanitra amin’ny fanetren-tena.

Ho an’ny olona rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina toy izany ny sorona nataon’i Jesoa ho an’ny fahotana sy ny famonjeny amin’ny fahafatesana ara-panahy. 15 Mamporisika antsika mba hibebaka amim-pifaliana sy hiezaka ny ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa ny fo torotoro sy fanahy manenina. Rehefa manao izany isika dia mandray ny herin’ny Mpamonjy izay manadio sy manasitrana ary mampatanjaka. Tsy manao ny marina sy miaraka amin’ Andriamanitra amin’ny fanetren-tena fotsiny isika fa mianatra ihany koa ny ho tia famindrampo araka ny fomba itiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Andriamanitra dia mifaly amin’ny famindrampo ary dia tsy mitana lolom-po amin’ny fampiasana izany Izy. Araka ny tenin’i Mika tamin’i Jehovah hoe: “Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay mamela heloka, … hamindra fo amintsika,” ary “[hanary] … any amin’ny ranomasina lalina ny fahotana rehetra.” 16 Ny hoe tia famindrampo dia mifandray tsy misaraka amin’ny fanaovana ny marina amin’ny hafa sy ny tsy fanaovan-dratsy amin’izy ireo.

Nasongadina ao amin’ny fanoharana momba an’i Hillel ilay Loholona, mpampianatra mpikaroka jiosy iray izay niaina tamin’ny taonjato voalohany talohan’i Kristy ny lanjan’ny tsy fanaovan-dratsy amin’ny hafa. Kivy tamin’ny fahasarotan’ny Torah—ireo boky dimin’i Mosesy miaraka amin’ireo didy 613 ao aminy sy ireo rakitsoratr’ireo raby mifanaraka amin’izany—ny iray tamin’ireo mpianatr’i Hillel. Nanome fanamby an’i Hillel ilay mpianatra mba hanazava ny Torah ka hampiasa fotsiny ihany ny fotoana ahafahan’i Hillel mijoro amin’ny tongotra iray monja. Mety hoe tsy nahay nihilangilana tsara i Hillel kanefa nanaiky ilay fanamby izy. Nitanisa ny Levitikosy izy nanao hoe: “Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” 17 Dia nofaranan’i Hillel hoe: “Izay halanao dia aza atao amin’ny namanao. Izay no Torah iray manontolo. Fanampinampin-javatra ny ambiny. Mandehana ary halalino.” 18

Ampahany amin’ny famindrampo feno fitiavana ny fanaovan-javatra amim-pahamendrehana hatrany miaraka amin’ny hafa. Saintsaino ny resadresaka sendra henoko am-polo taonany maro lasa izay tao amin’ny departemantan’ny vonjy taitra tao amin’ny Hopitaly Johns Hopkins tao Baltimore Maryland, any Etazonia. Lehilahy be fanajana sy nahafinaritra fantatry ny mpiasan’ny hopitaly tsara Atoa Jackson, izay marary iray. Efa naiditra hopitaly imbetsaka izy teo aloha ho fitsaboana ireo aretina nifandray tamin’ny fisotroana toaka. Tamin’io fotoana io dia niverina tao amin’ny hopitaly Atoa Jackson noho ireo fambara izay nolazaina fa fivontosan’ny sarakaty vokatry ny fisotroana toaka.

Rehefa hifarana ny fotoam-piasan’i Dr Cohen, mpitsabo miasa mafy sy tena mamin’ny olona, dia nandinika ny fahasalan’Atoa Jackson izy ka nilaza fa ilaina ny fampidirana hopitaly. I Dr Jones, mpitsabo mandray ny fihodinana manaraka no nasain’i Dr Cohen nampiditra azy sy nanara-maso ny fitsaboana.

Nianatra tany amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo malaza i Dr Jones ary vao nanomboka ny fianarany taorian’ny fahazoana diplaoma mihitsy. Matetika izany fiofanana mafy izany dia niaraka tamin’ny tsy fahampian’ny torimaso, izay mety nandray anjara tamin’ny tsy fahalavorarian’ny fiasan’i Dr Jones. Raha niatrika ny fampidirana hopitaly fahadimy tamin’io alina io i Dr Jones dia nitaraina mafy tamin’i Dr Cohen izy. Nahatsapa izy fa tsy rariny ny handaniany ora maro hikarakarana an’Atoa Jackson satria izy ihany no nahatonga ny zavatra nanjo azy.

Saika ho tamin’ny bitsika no nilazan’i Dr Cohen ny valinteniny feno fitserana. Nilaza izy hoe: “Dr Jones, lasa mpitsabo ianao mba hikarakara ny olona sy hiasa hanasitrana azy ireo. Tsy lasa mpitsabo ianao mba hitsara azy ireo. Raha toa ka tsy takatrao ny fahasamihafan’izany dia tsy manana zo hiofana ato amin’ity hopitaly ity ianao.” Taorian’io fanitsiana io dia nikarakara tamim-pahazotoana an’Atoa Jackson i Dr Jones nandritra ny fijanonany tany amin’ny hopitaly.

Nodimandry Atoa Jackson tamin’izany. Samy nanana fiainana arak’asa namiratra i Dr Jones sy Dr Cohen. Nila nampahatsiahivina mba hanao ny marina, sy ho tia famindrampo, ary hikarakara an’Atoa Jackson fa tsy hitsaratsara azy i Dr. Jones tamin’ny fotoan-tsarotra iray teo amin’ny fiofanany. 19

Nahazo tombontsoa avy tamin’izany fampahatsiahivana izany aho nandritra ny taona maro. Ny famindrampo feno fitiavana dia midika fa tsy ho tia fotsiny ihany ny famindrampo atolotr’Andriamanitra ho antsika isika, fa ho finaritra fa manolotra izany famindrampo izany koa amin’ny hafa Andriamanitra. Ary manaraka ny ohatra nasehony isika. “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,” 20 ary mila fitsaboana ara-panahy avokoa isika rehetra mba ho ampiana sy ho sitrana. Nilaza ny Tompo hoe: “Ianareo tsy hihevitra ny nofo iray ho ambony noho ny iray hafa, na ny olona iray dia tsy hihevitra ny tenany ho ambony noho ny iray hafa.” 21

Nanome ohatra ny amin’ny hevitry ny hoe manao ny marina sy mitia famindrampo i Jesoa Kristy. Niaraka tamin-kalalahana tamin’ireo mpanota Izy, nitondra azy ireo tamim-panajana. Nampianatra ny fifaliana avy amin’ny fitandremana ireo didy Izy ary nikatsaka ny hankahery fa tsy hanameloka ireo izay sahirana kosa. Nomelohiny ireo izay nandiso Azy tamin’ny fanompoana ny olona noheverin’izy ireo ho tsy mendrika. 22 Nanafintohina Azy ny fanamarinan-toetra toy izany ary mbola manafintohina Azy foana. 23

Mba ho toa an’i Kristy, ny olona iray dia manao ny marina sady mitondra an’ Andriamanitra sy ny olona hafa amim-panajana. Ny olo-marina iray dia feno fanajana amin’ny teny sy fihetsika ary manaiky fa ny fahasamihafana eo amin’ny endrika ivelany na finoana dia tsy manakana ny hatsaram-panahy sy ny finamanana tena izy. Ny olona tsirairay izay manao ny marina dia “tsy ho ao an-tsai[ny] ny hifandratra fa ny hiaina kosa amim-pilaminana” 24 miaraka.

Mba ho toa an’i Kristy, ny olona iray dia tia famindrampo. Tsy mitsaratsara ny olona tia famindrampo. Maneho indrafo amin’ny hafa izy ireo, indrindra amin’ireo izay niangaran’ny vintana. Feno fanajana, tsara fanahy, ary mendri-kaja izy ireo. Ireny olona tsirairay ireny dia mitondra ny rehetra amim-pitiavana sy fahatakarana, tsy mijery toe-tena toy ny fahasamihafana amin’ny volon-koditra, vehivavy na lehilahy, fivavahana, fironana mikasika ny firaisana ara-nofo, saranga sôsialy sy ekônômika, foko, vondrona, na firenena. Asehon’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy izany.

Mba ho toa an’i Kristy, ny olona iray dia misafidy an’ Andriamanitra, 25 manaraka Azy amin’ny fanetren-tena, ary mitandrina ireo fanekempihavanana natao Taminy. Ireo olona tsirairay izay miaraka amin’ Andriamanitra amin’ny fanetren-tena dia mahatsiaro ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho azy ireo.

Ampy ve ny zavatra ataoko? Inona koa no tokony hataoko? Ivon’ny fahasambarantsika eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay ny asa ataontsika ho setrin’ireo fanontaniana ireo. Tsy tian’ny Mpamonjy handray ny famonjena ho zo isika. Na dia aorian’ny nanaovana fanekempihavanana masina aza dia mety “ho lavo hiala amin’ny fahasoavana [isika] ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona.” Koa tokony “hiambina sy hivavaka mandrakariva” isika fandrao “ho lavo ao amin’ny fakam-panahy.” 26

Fa amin’izany fotoana izany koa, ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tsy maniry ny tsy hahafahantsika mihetsika noho ny fisalasalana mandavan-taona mandritra ny diantsika eto an-tany, manontany tena raha toa ka nanao ny ampy isika mba ho voavonjy sy hasandratra. Azo antoka fa tsy tian’Izy ireo hotambesaran’ny fahadisoana nibebahantsika isika, mihevitra azy ireo ho ratra izay tsy ho sitrana na oviana na oviana, 27 na hatahotra fatratra sao mety ho lavo indray.

Afaka manao tombana ny fivoarantsika manokana isika. Afaka ho fantatsika fa ny “diam-piainana izay lalovan[tsika] dia araka ny sitrapon’Andriamanitra” 28 rehefa manao ny marina sy tia famindrampo ary manaraka an’ Andriamanitra amim-panetren-tena isika. Ampidirintsika ao amin’ny toetrantsika ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mifankatia isika.

Rehefa manao ireo zavatra ireo ianareo dia hanaraka ilay lalan’ny fanekempihavanana ka ho mendrika ny “hiaina miaraka amin’ Andriamanitra ao anatin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.” 29 Ho vonton’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fahazavan’ny fiainana mandrakizay ny fanahinareo. 30 Ho heniky ny fifaliana tsy takatry ny saina ianareo. 31 Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra ary i Jesoa no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ary manolotra ny famindrampony amim-pitiavana sy amim-pifaliana amin’ny olona rehetra Izy. Tsy tianareo ve izany? Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.