Olon-dehibe tanora
Tonga mpitandrin-draharaha tsaratsara kokoa amin’ny tany namboarin’ Andriamanitra ho antsika
Avy tamina lahateny iray natao tao amin’ny simposium Stegner Center fanao isan-taona faha-18 tao amin’ny Oniversiten’i Utah any Salt Lake City ny 12 aprily 2013.
Arakaraky ny hikarakarantsika tsara an’ity tontolo ity sy ny ao aminy rehetra no hanohanany, hanomezany aingam-panahy, hankaherezany, hamelomany ary hampifaliany ny fontsika sy ny fanahintsika.
Ny asa fialamboliko dia any amin’ny natiora, na fitsangatsanganana an-tongotra izany na fanaovana ski, na fitsangatsanganana an-dranomasina mampiasa kayak, na mandeha any amin’ny safari mihitsy aza. Fony aho mbola kely dia tiako ny mipetraka any anaty ala dia mahatsapa ny fijoroana ho vavolombelona mangina sy mandresy lahatra ataon’ireo hazo mandondona maitso lalandava ho an’ny Mpamorona. Rehefa nihalehibe aho dia fantatro tamin’ny fandalinana sy ny finoana fa raha takatsika hoe iza isika sy ny tanjon’ny fiainana ary ny antony namoronana ny tany—dia manao ireo zavatra ireo ao an-tsaina—dia hikarakara ity tany ity sy ny ao anatiny rehetra, amin’ny fomba ambonimbony sy mendrika kokoa isika.
Ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny famoronana ny tany
Niezaka nanampy antsika hahatakatra sy hankasitraka ny fanomezana ny fiainana eto amin’ity tany mahafinaritra ity ny Tompo, tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny fahiny sy maoderina. Ao amin’ny Testamenta Taloha dia nandinika ireo zavaboarin’ Andriamanitra mahatalanjona i Davida ka niloa-bava nanontany tena hoe — ao anatin’ireo zava-mahagaga rehetra ireo — dia inona no antony mahatonga an’ Andriamanitra hieritreritra ny olombelona (jereo Salamo 8:4). Nilaza i Davida tamin’ny farany fa miavaka ny olombelona, “ambany kely noho Andriamanitra izy” (Salamo 8:5).
Nahita tontolo tsy hita isa tao anatina fahitana ihany koa i Mosesy1 ary nanambara hoe, “Ankehitriny, noho izany antony izany dia fantatro fa tsinontsinona ny olona, izay zavatra tsy noheveriko na oviana na oviana” (Mosesy 1:10).
Tamin’ny fanetren-tenan’i Mosesy nanoloana ny famirapiratan’ny zavaboarin’ Andriamanitra dia nisy fahamarinana lehibe tsy takany. Ka dia nasehon’ny Tompo azy indray ny zavaboariny tsy manam-petra ary nambarany mazava tsara fa Izy—Andriamanitra—dia nanao ireo zavaboary ireo mba “hanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ity tany ity - eny fa ny zavaboary rehetra tokoa - dia natao hanampiana antsika hahazo ny tsi-fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.
Rehefa niresaka indray ny amin’ny tanjon’ny tany ny Tompo, dia hoy Izy, “Hanao tany iray izay hahazoan’ireto [midika hoe isika] mitoetra Isika; dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo” (Abrahama 3:24–25; jereo ihany koa ny andininy 26). Ny fiainana eto an-tany, miaraka amin’ny fanomezana ny safidim-pitondrantena, dia manome antsika fahafahana hisafidy ny hikatsaka ary, indray andro any, handray izay zavatra rehetra atolotr’ Andriamanitra.2
Rehefa vita ny famoronana ny tany dia faly Andriamanitra satria hitany fa hanatanteraka ny tanjony ho antsika zanany izany.3 Ny zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ary ireo fianakaviana foronin’izy ireo dia tsy olona tonga tsy fidiny eto amin’ity tany ity akory fa ivon’ny tanjon’izany.4
Tokony ho mpitandrin-draharaha tsara isika
Ny fiainana ety an-tany dia sady fitahiana no andraikitra. Hoy ny Tompo: “Fa indro, ny biby eny an-tsaha sy ny voron’ny habakabaka ary izay avy amin’ny tany dia efa voatendry mba hataon’ny olona fihinana sy fitafy, ary mba hananany be dia be” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:19). Na izany aza, satria “asan’ny tànana [ny tànany]” ny tany sy ny zavatra rehetra eo aminy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:25), dia Azy manontolo izany.5 Amin’ny maha-mpivahiny eto an-tany antsika dia mpitantana isika — fa tsy tompony. Amin’ny maha-izany antsika dia tompon’andraikitra amin’ Andriamanitra — ilay tompony— isika amin’ny zavatra ataontsika amin’ny zavaboariny: “Fa ilaina ny hitanako Izaho Tompo ny olona tsirairay ho tompon’andraikitra, ho mpitantana ny fitahiana avy amin’ny tany, izay efa nataoko sy nomaniko ho an’ny voariko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13).
Ny fomba ikarakarantsika ny tany, ny fomba ampiasantsika sy izarantsika ireo zavatra miavosa omeny, ary ny fomba itondrantsika izay rehetra nomena antsika dia ampahany amin’ny fitsapana antsika amin’ny fiainana eto an-tany. Tokony hampiasa amim-pankasitrahana izay nomen’ny Tompo isika, hisoroka ny fandanindaniam-poana ny fiainana sy ny loharanon-karena, ary hampiasa ny zavatra be dia be omen’ny tany hikarakarana ny mahantra.6 Miahy fatratra ny fiainana rehetra ary indrindra ny zanany ny Tompo ary hampamoaka antsika amin’ny zavatra safidìntsika hatao (na tsy hatao) amin’ireo zavatra be dia be omen’ny zavaboariny.
Mampanantena antsika ny Tompo fa raha manaraka Azy isika ary mampiasa am-pahendrena ireo loharanon’ny tany amin’ny fisaorana sy fanajana, “ny fahafenoan’ny tany dia [antsika], ny bibidia sy ny voro-manidina. … Ary ankasitrahan’ Andriamanitra ny efa nanomezany ireo zava-drehetra ireo ho an’ny olona; fa ho an’izany tanjona izany no nanaovana azy ireo, mba hampiasaina amin’ny fandanjalanjana, fa tsy mihoa-pampana sady tsy an-keriny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16, 20).
Tokony hampiasa ireo loharano ireo amim-pahendrena sy fankasitrahana, miaraka amin’ny fikasana hanampy ny hafa — ny taranaka ankehitriny sy ny lasa ary ny ho avy — handray ireo fitahiana izay irìan’ny Raintsika any an-danitra ho an’ny zanany.
Mahita mihoatra ny tenantsika
Mampalahelo fa miaina amina tontolo iray izay mety hisafidianan’ny tsirairay handà an’ Andriamanitra sy hanao tsinontsinona ny zavatra noforoniny isika amin’izao fotoana izao. Rehefa mitranga izany dia malahelo Andriamanitra sy ny zavaboary.
Nosoratan’i Enôka fa nitomany Andriamanitra noho ny safidy ratsy sy ny fitiavan-tena manempotry ny zanany.7 Naminany i Môrônia fa amin’ny andro farany dia hisy “afo sy tafio-drivotra ary eton’ny setroka … [ary] fahalotoana lehibe eto ambonin’ny tany,” ary izany toe-javatra izany dia hiaraka amin’ny “karazana fahavetavetana rehetra; izay hisian’ny maro hiteny hoe: Ataovy itsy, na ataovy iroa, ary tsy maninona izany” (Môrmôna 8:29, 31). Rehefa mandoto ity tontolo ity ara-panahy na ara-nofo ny olombelona, dia tsy Andriamanitra irery no mijaly fa ny natiora ihany koa!8
Tena zava-dehibe fa ny fitahiana sy hery azo amin’ny alalan’ny Fiangonana sy ny filazantsaran’ny Tompo naverina amin’ny laoniny ary dia manana ny fahafahana manitatra sy manova ny fanahin’olombelona mihoatra ny tena, ary manampy antsika hieritreritra ny fiadanan’ny hafa sy hijery izay ilain’ny taranaka ho avy.
Mampanakaiky antsika kokoa amin’ Andriamanitra ny natiora
Ny tany sy ny fiainana rehetra dia mihoatra ny zavatra holanìana sy/na hotehirizina; ny ampahany sy tapany sasany avy aminy dia tokony hotehirizina ihany koa! Ny natiora tsy simba sy ny “ny zavatra rehetra izay avy amin’ny tany … dia natao ho tombontsoan’ny … olona … hahafinaritra ny maso sy hamalifaly ny fo … ary hamelombelona ny fanahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:18–19).
Ny natiora amin’ny toetrany mbola tsy nokasihina dia mampanakaiky antsika kokoa amin’ Andriamanitra, manadio ny saina sy ny fo amin’ny tabataba sy ny fanelingelenan’ny fitiavan-karena, mampiakatra antsika amin’ny sehatra avo kokoa ary manampy antsika hahalala an’ Andriamanitra bebe kokoa: “Mihodina amin’ny elany ny tany, ary ny masoandro dia manome ny hazavany amin’ny antoandro, ary ny volana manome ny hazavany amin’ny alina, ary ny kintana koa dia manome ny hazavany. … Na iza [na iza] nahita ny iray na ny kely indrindra tamin’ireny dia nahita an’ Andriamanitra nihetsika tamin’ny fahalehibiazany sy ny heriny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:45, 47).
Mbola tiako ny mitsangantsangana any an-tendrombohitra eny amin’ireo vatolampy sy tampon-kavoana granita mahafinaritra. Na dia mangina aza izy ireo dia miresaka ny hery sy ny fiandrianan’ Andriamanitra — ary ny halalinan-tsainy tsy manam-paharoa amin’ny resaka hatsarana. Araka ny nijoroan’i Almà ho vavolombelona, “Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; eny, na dia ny tany aza sy ny zavatra rehetra izay eo amboniny, … dia vavolombelona fa misy ny Mpahary Faratampony” (Almà 30:44).
Tiako ny mandinika kintana amin’ny alina, miezaka manakatra ny mandrakizain’ny fotoana sy zavatra hitan’ny masoko. Gaga foana aho amin’ny fahalalana izay tonga amin’ireny fotoana mangina ireny, na dia eo aza ny halehiben’ny tontolo voarindra, ny Tompon’izao rehetra izao dia mahalala ahy izay kely ity. Ary mahafantatra ny tsirairay amintsika Izy. Ny zavaboary dia mijoro ho vavolombeloa momba ny Mpahary, ary raha miaro ireny toerana miavaka sy tsy misy simba ireny isika, dia hijoro ho vavolombelona amin’ny teny mandresy lahatra sy lalina ny amin ary hanome aingam-panahy antsika hatrany izy ireny.
Arakaraka ny hikarakarantsika tsara ity tontolo ity sy ireo zavatra ao aminy rehetra no hanohanany, hanentanany, hampatanjahany, hamelomany ary hampifalifaliany ny fontsika sy ny fanahintsika — ary hanomana antsika hiara-hiaina amin’ny Raintsika any an-danitra miaraka amin’ireo fianakaviantsika amin’ny tontolo eny amin’ny lanitra, izay ho tena ilay tany ijoroantsika ankehitriny, fa amina toetra feno voninahitra.9
Enga anie isika hikarakara amim-pankasitrahana an’ity tany ity — ilay fonenantsika ankehitriny ary mety ho izy amin’ny ho avy.