Mikatsaka ny fahafenoan’i Kristy
Avy amina lahateny fampaherezam-panahy natokana ho an’ny olon-dehibe tanora avy amina faritra maro, “Ny refin’ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy,” nomena tao Stanford, Kalifornia, Etazonia, ny 9 feb 2020.
Amin’ity vanim-potoanan’ny Paska ity, mankanesa any amin’i Jesoa Kristy ary katsaho ny feon’ny fiadanany manome toky.
Afaka manolotra eritreritra vitsivitsy momba ny fikarohana manokana hataon’ny tsirairay aminareo amin’ny fikatsahana ny “fahafenoan’ny” tsanganan’i Kristy ve aho (jereo Efesiana 4:13). Manantena aho fa hisy lanjany aminao izy ireo amin’ity fotoana mamolavola eo amin’ny fiainanao ity sy amin’ny toe-javatra iainanao.
Ny sasany aminareo dia any amin’ny toerana tianareo hisy anareo, na farafaharatsiny fantatrareo ny toerana tianareo haleha amin’ny fiainanareo. Ny fahitana ny sasany aminareo dia toa manana fitahiana maro sy safidy mahafinaritra eo alohanareo. Ao anatina fotoana iray sy amin’ny izay mety ho antony rehetra, ny sasany aminareo dia hahatsapa ho tsy dia manam-bintana firy ary làlana manintona vitsy kokoa no miandry eo aloha.
Saingy na aiza na aiza alehanao ary na ahoana na ahoana fomba amahanao ireo fanamby atrehanao hahatongavana amin’izany, dia mangataka aminao aho hanatona ny Mpamonjy, i Jesoa Kristy, ho toy ny dingana voalohany tsy maintsy atao amin’ny fahatongavana any amin’ny toerana halehanao manokana, amin’ny fitadiavana ny fahasambarana sy tanjakao manokana ary amin’ny fanatrarana ny anjara voatendrinao farany sy ny fahombiazanao (jereo 1 Nefia 10:18; 2 Nefia 26:33; Ômnia 1:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11).
Mety ho anao daholo izany rehetra izany raha ny valin’ny fanontaniana hoe “Ho aiza ianao?” (Mosesy 4:15) dia ny “Na aiza na aiza no misy Anao, Tompo.”
Mety ho sarotra ny fiainana. Misy fanaintainana sy alahelo ary tena olana hosahanina eo amintsika. Misy fahadisoam-panantenana sy alahelo eo amintsika, ireo karazana fotoana ahombiazana sy fotoana tsy ahombiazana rehetra. Saingy ny Tompo sy ny mpaminany dia efa nilaza teny mampahery momba ny fomba iatrehana ireo olana ireo mba hamenoana diary kôsmika iray.
“Fiadanana no avelako ho anareo”
Ny tso-dranon’ny Mpamonjy tamin’ny mpianany rehefa nanatona ny fanaintainana sy ny fangirifiriana tao Getsemane sy Kalvary Izy no mampihetsi-po indrindra amin’ireo teny ireo. Tamin’izany alina izany, ny alin’ilay fijaliana lehibe indrindra niseho na hiseho teto amin’izao tontolo izao, dia hoy ny Mpamonjy: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo. … Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).
Endre izany fomba fijery manaitra momba ny fiainana ao anatin’ny ora mahory indrindra! Ahoana no mety hahafahany milaza izany, eo am-piatrehana ny zavatra fantany fa atrehany? Afaka milaza izany Izy satria Azy ny Fiangonana sy ny filazantsaran’ny fiafarana sambatra! Ho antsika dia efa azo ny fandresena. Mijery lavitra Izy; Mizara ny fomba fijery hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany Izy.
Heveriko fa ny sasany amintsika, na izany aza, dia tsy maintsy mbola manana ambin-kambiny tamin’ny lova ara-pahadiovana tanteraka ao amintsika, izay milaza fa tsy dia mety loatra ny ampiononina na ampiana, fa tokony ho ory amina zavatra iray amin’ny fotoana rehetra isika. Ekeko fa ny “matokia” (Jaona 16:33) amin’ny fikatsahana ny “refin’ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” (Efesiana 4:13) no mety ho ilay didy izay, na dia ao am-pon’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky hafa aza, dia saika tsy ankatoavina maneran-tany; nefa azo antoka fa tsy misy zavatra mampahory ny fon’ny Tompo be famindram-po noho izany.
Mitovy amin’ny mety ho fanahiako raha toa ka amin’ny fiainan’izy ireo, ny iray amin’ireo zanako dia sahirana mafy na tsy faly na tsy mankatò, na izany aza dia ho kivy tanteraka kokoa aho raha mahatsapa fa amin’ny fotoana toy izany dia tsy afaka matoky ahy hanampy azy izany zaza izany na mieritreritra fa ny tombotsoany dia tsy misy dikany amiko na tsy azo antoka ny fikarakarako azy.
Amin’izany toe-tsaina izany ihany, resy lahatra aho fa tsy misy amintsika afaka mahazo tanteraka ny halalin’ny ratran’ny fo be fitiavan’ Andriamanitra Ray na ny Zanany, ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao, rehefa hitan’izy ireo fa tsy mahatsapa ho tsy misy atahorana amin’ny fikarakarany na mahazo antoka ny eny an-tànany na matoky ireo didiny ny olona. Ry namako, noho izany antony izany ihany, dia manana adidy ho falifaly isika!
“Ampy ho anao ny fahasoavany”
Nitranga taorian’ny nanatanterahan’i Jesoa fahagagana tamin’ny famahanana olona 5 000 tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa ny torohevitra iray hafa momba ny fikatsahana an’i Kristy sy ny refin’ny fahafenoany (jereo ny Matio 14:13–21). (Izao koa, aza manahy an’i Kristy ho lany fahagagana hanampiana anao. “Ampy ho anao ny fahasoavany” [2 Korintiana 12:9]. Lesona ara-panahy sy maharitra mandrakizay an’io fahagagana io izany. Manana fitahiana be dia be handehanana miaraka amina sobika maro feno ambiny Izy! Aoka ianao hino dia ankafizo ny fanolorany ny “mofon’aina”! [Jaona 6:35].)
Rehefa avy nanome sakafo ny vahoaka i Jesoa, dia nalefany nandeha izy ireo ary nataony tao anatina sambo mpanjono hiampita eny amin’ny ranomasin’i Galilia ny mpianany. Avy eo dia “niakatra tany an-tendrombohitra hitokana hivavaka” Izy (Matio 14:23).
Ary nony niondrana an-tsambokely ny mpianatra, dia efa hariva ny andro, ary nisy oram-baratra ny alina. Nahery be hatramin’ny voalohany angamba ny rivotra. Noho ny rivotra dia mety ho tsy nampiakatra ny lay akory ireo lehilahy ireo fa niasa tamin’ny fivoy fotsiny—ary tena asa izany.
Fantatsika izany satria tamin’ny fotoan’ny “fiambenana fahefatra amin’ny alina” (Matio 14:25)—eo anelanelan’ny 3:00 sy ny 6:00 maraina—mbola tsy dia lasa lavitra loatra izy ireo (jereo ny Jaona 6:19). Tamin’izany fotoana izany no tratry ny tafio-drivotra mahery ny sambo.
Nefa, toy ny mahazatra, dia niambina azy ireo i Kristy. Rehefa nahita ny fahasahiranan’izy ireo ny Mpamonjy dia naka ny fomba mivantana indrindra nanatonana ny sambon’izy ireo, ny fandehanana teo ambonin’ny onja mba hanampiana azy ireo.
“Aza matahotra”
Tao anatin’ny fotoan-tsarotra indrindra ireo mpianatra dia nijery ka nahita ity fahagagana tao anatina akanjo nikopakopaka, nanatona azy ireo teo amin’ny tandavan’ny ranomasina. Nihiaka noho ny tahotra izy ireo raha nahita izany, satria noheveriny ho matoatoa no nandeha teny ambonin’ny onja. Avy eo, tao anatin’ny tafio-drivotra sy ny haizina—rehefa toa lehibe loatra ny fahitana ny ranomasina ary toa kely dia kely ny sambon’izy ireo—dia tonga ilay feo farany manome toky avy amin’ny Tompon’izy ireo: “Izaho ity; aza matahotra” (Matio 14:27).
Ity tantara ao amin’ny soratra masina ity dia mampahatsiahy antsika fa amin’ny fanatonantsika an’i Kristy, mitady ny fahafenoany, na amin’ny fahatongavany eo amintsika hitondra ny fahafenoany ho antsika, ny dingana voalohany dia mety hameno antsika zavatra tena mitovy amin’ny horohoro lehibe. Tsy tokony ho izany, kanefa toy izany ihany indraindray. Iray amin’ireo zavatra mahatsikaiky indrindra ao amin’ny filazantsara ny hoe ny loharanom-panampiana sy fiarovana indrindra izay atolotra antsika no zavatra izay mety hitsoahantsika amin’ny maha-tsy mahataka-davitra antsika olombelona.
Noho ny antony samihafa dia nahita mpanao fanadihadiana nitsoaka ny batisa aho. Nahita loholona nitsoaka tamin’ny antso hanao iraka aho. Nahita mpifankatia nitsoaka tamin’ny fanambadiana aho. Nahita mpikambana nitsoaka tamin’ny antso sarotra aho. Ary nahita olona nitsoaka tsy ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana aho.
Matetika loatra isika no mitsoaka ilay tena zavatra hamonjy antsika sy hampitony antsika. Matetika loatra isika no mahita ny fanoloran-tena ho amin’ny filazantsara ho zavatra atahorana ary avy eo afoy.
Ny loholona James E. Talmage (1862–1933) dia nilaza hoe: “Amin’ny fiainan’ny olon-dehibe rehetra no ahatongavan’ny zavatra iainana toy ny ady ataon’ny mpanao dia lavitra atopatopan’ny tafio-drivotra miaraka amin’ny rivotra manohitra sy ranomasina mandrahona; matetika efa lasa lavitra ny alin’ny tolona sy ny loza vao mipoitra ny famonjena; ary avy eo, matetika loatra, ny fanampiana mamonjy dia raisina diso ho toy ny zavatra mampihorohoro kokoa. [Saingy,] tahaka ny nahatongavany tamin’ [ireo mpianatra] teny afovoan’ny rano misamboaravoara no ahatongavan’ny feon’ny Mpanafaka hoe—’Izaho ity; aza matahotra’” amin’ireo rehetra miasa amim-pinoana.1
Manatòna Azy
Ny zavatra mahafinaritra amin’ity fanasana handray ny Mpamonjy, hanatona Azy ary hikatsaka ny fahafenoan’ny halehibeny ity dia ny hoe afaka manao izany na iza na iza. Tsy midika izany fa ny olona rehetra fantatrao dia te hitandrina ny didy avokoa, na izay olona sendra mihaona aminao dia hitandrina ny didy daholo. Fa ny tena dikan’izany dia hoe azo atao ny mitandrina ny didy na tsy misy fanomezam-pahasoavana na lova manokana hanaovana izany aza.
Miangavy fatratra ny finoana izay “mamiratra sy mamirapiratra ary madio sy matanjaka,” ho an’i Kristy mba “hoentina any amin’ny lafiny rehetra amin’ny kolontsain[tsika],”2 ary ny halehiben’i Kristy ho refy feno amin’ny fiainantsika (jereo Efesiana 4:13).
Hitondra fanamby aminao ny fiainana. Ho avy ireo fahasarotana. Handona ireo ratram-po. Ho faty ireo olon-tiana. Noho izany, amin’izay alehanao rehetra dia mankanesa any amin’i Jesoa Kristy aloha. Tsarovy fa ny fijaliany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia mahatonga fandresentsika ny zava-tsarotra sy ny fahafatesana ho azo atao. Manaova fanekempihavanana Aminy ary tazomy izany rehefa manao ny dianao ianao.
Amin’ny fahalemeko rehetra, izay ekeko mora foana, dia maniry mafy ny hahatratrarantsika “ny refin’ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy aho.” Te hanatona Azy aho. Tiako Izy hanatona ahy, raha azo atao. Ary tena iriko ho anareo rehetra izany fitahiana izany.