Ireo fototry ny filazantsara
Nanavotra antsika tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy
Noho ny sorona nataony dia manana ny fahafahana hahita fiadanam-po sy fifaliana mandrakizay isika rehetra.
Antsointsika hoe Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Ny anton’izany dia noho Izy nandoa ny vidin’ny fahotantsika ary nandresy ny herin’ny fahafatesana. Namonjy antsika Izy! Ny sorona nataony ho antsika, antsoina hoe Sorompanavotana, no zava-dehibe indrindra nitranga hatrizay. Noho Izy dia tsy fahafatesana no fiafarana. Noho Izy dia afaka mahazo famelana ny fahotantsika isika, lasa madio indray ary hitombo kokoa isan’andro.
Jesoa Kristy no Lahimatoa
Niaina niaraka tamin’ireo Ray aman-drenintsika any an-danitra isika talohan’ny nahatongavantsika tety an-tany. Amin’ny maha-Lahimatoa Azy dia nanampy tamin’ny famoronana an’ity tontolo mahafinaritra ity i Jesoa Kristy. Nofidìna ho Mpamonjy antsika Izy ary nanaiky ny ho teraka tety an-tany mba hahafahany manome ohatra tonga lafatra, hampianatra ny filazantsarany ary hamita ny Sorompanavotana ho antsika.
Nandoa ny vidin’ny fahotantsika i Jesoa Kristy
Rehefa fantatr’i Jesoa fa ho faty tsy ho ela izy dia nankany amin’ny zaridaina antsoina hoe Getsemane Izy hivavaka. Nandritra io vavaka io dia nanomboka nandoa ny vidin’ny otantsika Izy. Nijaly an-tsitrapo Izy mba hahatonga antsika ho tsy voatery hijaly, raha mibebaka isika. Rehefa mihodina miala amin’ny fahotantsika isika ary manaraka ny Mpamonjy kosa dia afaka mahita famelan-keloka sy fanasitranana. Amin’ny fomba izay tsy azontsika tsara, dia takatr’i Jesoa tsara izany hoe tsirairay amintsika izany Nahatsapa ny alahelontsika sy ny aretintsika ary ny fanaintainantsika rehetra Izy. Ity no ampahany voalohany amin’ny Sorompanavotana.
Nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy
Taorian’ny vavaka nataony tao Getsemane dia nisy namadika i Jesoa, nosamborina ary nohelohina ho faty tamin’ny hazofijaliana. Na dia mahery indrindra aza Izy, dia namela ny tenany ho faty teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa. Napetrak’ireo mpanaraka Azy tamim-pitiavana tao am-pasana Izy. Tsy fantatr’izy ireo fa na dia maty aza ny vatany dia mbola velona tao amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahiny. Telo andro taty aoriana dia velona indray i Jesoa ary namangy azy ireo, nanaporofo fa afaka nandresy ny fahafatesana Izy. Satria natsangana tamin’ny maty i Jesoa, dia ho velona indray ny tsirairay amintsika aorian’ny fahafatesana. Izany no nahafeno ny Sorompanavotana.
Ny maha-zava-dehibe ny Krismasy sy ny Paska
Ny ankabeazan’izao tontolo izao dia mankalaza fety roa izay manampy antsika hahatsiaro ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mandritra ny Krismasy dia mahatsiaro amim-pankasitrahana isika fa vonona hanaiky ny iraka ho tonga ety an-tany i Jesoa, na dia ao anatin’izany aza ny fijaliana sy ny fahafatesana ho antsika. Mankalaza ny fandresen’ny Mpamonjy ny ota sy ny fahafatesana ny Paska, izay manome antsika fanantenana hoavim-pifaliana mandrakizay.
Inona no lazain’ny soratra masina momba ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy?
Satria fantatr’i Jesoa tanteraka isika dia afaka “mamonjy” na manampy antsika Izy (jereo ny Almà 7:11–12).
Nanamarina ny mpaminany fahiny fa hahatakatra ny alahelontsika sy ny fahoriantsika ny Mpamonjy (jereo ny Isaia 53:2–5).
Nandefa an’i Jesoa hamonjy antsika Andriamanitra satria tia ny tsirairay amintsika Izy (jereo ny Jaona 3:16–17).
Nivavaka ho an’ny mpanaraka Azy i Jesoa, ao anatin’izany isika, mba ho voaaro amin’ny ratsy sy mba ho iray miaraka aminy sy ny Ray any an-danitra (jereo Jaona 17).
Manasa antsika hanaraka Azy sy hiverina ho eo anatrehany ny Mpamonjy antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19, 23–24; 132:23).