Hampandroso an’i Ziona
Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany nomena ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny antsika dia voantso isika hanamafy orina ny Fiangonana sy hanangana an’i Ziona.
Manerana ny tantara, ny vahoakan’ny Tompo dia nikatsaka ny hampandroso fiarahamonina anjakan’ny filazantsara mba ho toerana hahafahan’izy ireo mitoetra. Mba hahatongavana amin’izany vondrom-piarahamonina Olomasina izany, isika dia tsy maintsy mianatra ny hanamasina sy hampiray hina ny fontsika sy ny saintsika, mifandraharaha tsy amim-pifandirana na fifanolanana, fa mitoetra amim-pahamarinana ka tsy misy mahantra eo anivontsika (jereo ny Mosesy 7:18).
Ohatra, taorian’ny nidira’i John sy i Maria Linford ho mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany tany Gravely, Angletera tamin’ny 1842, dia lasa filohan’ny sampana teo an-toerana i John. Tsy nahatsapa ny fifaliana hitan’ny fianakaviana Linford tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny anefa ireo havana sy ireo namana. Raha tsy vitan’izy ireo ny nandresy lahatra an’i John handao ny antokom-pinoana vaovao nikambanany, dia “nataon’izy ireo nangidy ny fiainan’izy ireo” tamin’ny alalan’ny fanaovana fahirano ny asa fanamboaran-kiraron’izy ireo.
Tamin’ny 1856 dia ny Fond Perpétuel d’Emigration no nanome fahafahana an’i John sy i Maria fahafahana hifindra monina nankany amin’ny Salt Lake Valley. Niondrana an-tsambo nankany New York izy ireo niaraka tamin’ireo zanakalahin’izy ireo telo. Avy teo izy ireo dia nandeha nankany Iowa City, Iowa ka tao izy ireo no nanainga ny jolay 1956 niaraka tamin’ireo andiana sarety nitsipozipozy notarihan’i James G. Willie.
Ny marainan’ny 21 ôktôbra, teo akaikin’ny moron’ny Sweetwater River tao Wyoming dia nanambara ny fara-hafany i John.
“Faly aho fa nankaty isika,” hoy izy tamin’i Maria raha nanontanian’i Maria izy raha toa izy ka nanenina ny amin’ny nandaozan’izy ireo an’i Angletera. “Tsy ho tonga velona any Salt Lake aho, fa ianao sy ireo zanatsika kosa dia ho tonga any, ary tsy anenenako ireo zavatra rehetra nolalovantsika raha afaka mihalehibe sy manorina ny fianakaviany ao Ziona ireo zanatsika lahy.”1
Inona no atao hoe Ziona?
Lohahevitra vitsy ankoatra ny nahaterahan’ny Tompo Jesoa Kristy no nitaona ireo mpaminany sy Olomasina fahiny sy maoderina mihoatra noho ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany sy ny fananganana an’i Ziona ho fanomanana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.2
Nahoana i Ziona no manan-danja tokoa ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, tamin’izany sy ankehitriny, na aiza na aiza misy ny vahoakan’ny Tompo?
Toy izao no nambaran’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Hatramin’ny andron’i Adama ka mandraka ankehitriny—na aiza na aiza no nisy vahoakan’ny Tompo; na oviana na ovaina no nisian’ireo izay mihain o ny feony sy mitandrina ny didiny; na oviana na oviana ny olomasiny no nanompo Azy tamin’ny nahim-pony manontolo—dia nisy Ziona.”3
Ny soratra masina dia mamariparitra fiarahamonina Ziona iray. I Enoka, mpaminany iray nanana finoana lehibe tamin’ny andron’i Noa dia “[nanorina] ny tanàna izay nantsoina hoe ny Tanànan’ny Fahamasinana, dia i Ziona.” (Mosesy 7:19). Niara-nitoetra tamin’ny vahoakany tao ny Tompo, nitahy azy ireo sy tanin’izy ireo (jereo ny Moses 7:16–18). Hoy ny Tompo tamin’i Enoka: “Indro, Izaho no Andriamanitra; Lehilahin’ny Fahamasinana no anarako” (Mosesy 7:35).
Zavatra iray katsahin’i Ziona ny hanorina toerana anjakan’ny firaisan-kinam-pinoana izay miorina eo amin’ireo fitsipika selestialin’ny lanitra, toerana izay ahafahan’ny vahoakan’Andriamanitra miara-mamindra Aminy sy toerana ahafahan’ Andriamanitra Izy Tenany mitoetra.
Ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona fa taorian’ny nitsidihan’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ny Tany Vaovao, dia “niova fo ho an’ny Tompo avokoa ny vahoaka eran’ny lafiny rehetra teo amin’ny tany. …
“Ary niarahany nanana avokoa ny zavatra teo anivony; koa tsy nisy na mpanefoefo na mahantra, na mpifatotra na olona afaka, fa efa natao afaka avokoa izy ary mpandray anjara amin’ny fanomezam-pahasoavana avy any an-danitra. …
“Ary ny zava-nitranga dia tsy nisy fifandirana teo amin’ny tany, noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ny vahoaka” (4 Nefia 1:2, 3, 15).
Nampirongoana ho fiadiany ny fahamarinana sy ny hery
Tamin’ny andron’i Enoka dia nisy fotoan’ady, fandatsahan-drà, tahotra, haizina, ary fankahalana—fotoana izay nisian’ny “herin’i Satana […] tambonin’ny tany manontolo” (Mosesy 7:24; jereo ihany koa ny andininy 16, 17, 33). Saingy nahatoky i Enoka, ary ny Tompo dia niantso azy mba hiantsoantso fibebahana.
Nambaran’ny Tompo tamin’i Enoka fa hisy “fahoriana be” (Mosesy 7:61) hialoha ny Fiaviany Fanindroany. “Toy ny mahavelona Ahy, dia toy izany koa no hiaviako amin’ny andro farany, amin’ny andron’ny faharatsiana sy ny famaliana mba hanatanteraka ny fianianana izay efa nataoko taminao momba ny zanak’i Noa” (Mosesy 7:60).
Vao haingana ny Filoha Russell M. Nelson no nanao fanamarihana mahakasika izao androntsika izao: “Iray amin’ireo olana mampahory ny tontolontsika toy ny fankahalana, fikorotanam-bahoaka, fanavakavaham-bolon-koditra, herisetra, tsy fahamarinan-toetra, ary ny tsy fahalalam-pomba ihany no fahitako ny valanaretina [COVID-19] izay mamely amin’izao.”4 Saingy isika dia manana fanomezan-toky avy amin’ny mpaminany. Toy izao no nolazain’ny Filoha Nelson:
“Miaina ao anatin’ny fotoana izay -efa nandrasan’ny razantsika tamin’ny famaizana fatratra- isika. [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:27.] Isika no lohalaharana manatri-maso mivantana ny zavatra hitan’ny mpaminany Nefia tao anaty fahitana fotsiny ihany, fa ny -herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra- dia hidina -tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.- [1 Nefia 14:14.]
“Ianareo, ry rahalahy sy anabaviko, dia isan’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy izay hitan’i Nefia ireo.”5
Tafiditra ao amin’ilay fanasana mba hanangona an’i Isiraely sy ireo eo amin’ny lafy roa an’ny voaly, sy hanangana an’i Ziona ary hanomana izao tontolo izao ho an’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika rehetra. “Amin’ireo olona rehetra izay efa niaina teto amin’ny planeta tany,” hoy ny Filoha Nelson, dia “isika no manana tombontsoa handray anjara amin’ity fanangonana farany sy goavana ity.”6
Ahoana no ahafahantsika manao izany?
Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany nomena ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny antsika dia “voantso [isika] hiasa ao amin’ny [tanimboaloboky ny Tompo] sy hanorina ny fiangona[ny] ary hampandroso an’i Ziona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:13). Izany asa izany dia mitaky fitiavana, firaisan-kina, finoana, asa fanompoana, sy fahafoizan-tena, ary fankatoavana.
“Rehefa tia an’ Andriamanitra amin’ny fony manontolo ny olona ary miezaka ny ho tonga tahaka Azy amim-pahamarinana dia mihena ny olana sy fifandirana ao amin’ny fiarahamonina. Misy firaisan-kina bebe kokoa,” hoy ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Nampiany hoe: “Ny firaisan-kina dia voambolana mety hidika zavatra maro ihany koa, kanefa azo antoka fa tsy maintsy maneho indrindra ireo didy lehibe voalohany sy faharoa izany, dia ny ho tia an’ Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika. Izany dia maneho ny vahoakan’i Ziona izay -mifamihina ao amin’ny firaisan-kina ny fony sy ny sainy- [Môzià 18:21].”7
Miaraka amin’izany fitiavana sy firaisan-kina izany dia mampiasa finoana isika mba handraisana hery avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, izay afaka manova antsika rehefa manadio ny fontsika sy ny fiainantsika isika (jereo ny Môzià 3:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21). Manangona ireo izay vonona ny hanatona ny Tompo amim-pahamarinana isika. Manasa ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika amin’ny alalan’ireo ôrdônansy masina sy ireo fitsipika selestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:5). Raha nohamasinina tamin’ny alalan’ny fanekempihavana izay mampifamatotra antsika amin’ Andriamanitra sy amintsika samy isika isika dia manorina an’i Ziona sy manomana ny Fiaviana Fanindroany.
“Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy,” hoy ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Ary ny finoana Azy sy ny fiantraikan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra no hahamendrika anao sy ireo tianao sy tompoinao, ho amin’ilay fanomezam-pahasoavana mahagaga tsy mampino dia ny hiaina ao amin’io fiaraha-monin’i Ziona efa ela nandrandraina sy nampanantenaina efa ela io.”8
Miomàna ho amin’ny andro ho avy
Mampianatra antsika ireo mpaminany maoderina fa ny fanatonana an’i Kristy dia fanolorantena ataon’ny tena manokana fa tsy resaka toerana aleha.
Nanazava ny Filoha Nelson fa “tany am-piandohan’ny Fiangonana dia matetika nidika hoe fifindra-monina koa ny fiovam-po.” “Saingy ankehitriny dia any amin’ny firenena tsirairay no isehoan’ny fanangonana. Nandidy ny mba hanorenana an’i Ziona ny Tompo any amin’ny fanjakana tsirairay izay natokany mba hahaterahan’ireo Olomasiny sy nanomezany azy ireo ny zom-pireneny.”9
Rehefa manaiky ireo fanamby sy fitahiana avy amin’ny fanorenana an’i Ziona isika ao amin’ny fianakaviantsika, sampana, sy tsatòka, ary vondrom-piarahamonina misy antsika, dia manantena ny hanana ireo fahafahana tahaka ny an’i John sy i Maria Linford isika, miandrandra fotoana izay ahafahan’ireo zanatsika sy ny zafikelintsika “hihalehibe sy hanorina ny fianakaviany ao Ziona” eo anivon’ny foko sy ny samy hafa fiteny rehetra.
Eo am-panaovantsika ho lohalaharana ny fikatsahana ny Tompo sy ny fahamarinany dia mivavaka isika “mba handrosoan’ny fanjakany eto an-tany, mba hahazoan’ny mponina eo aminy mandray izany ary ho vonona ho amin’ny andro ho avy izay hidinan’ny Zanak’Olona mbamin’ny lanitra, mitafy ny famirapiratan’ny voninahiny ka hitsena ny fanjakan’ Andriamanitra, izay voaorina eto an-tany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:5).