Ireo fototry ny filazantsara
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: Fivorian’ny Fiangonana maneran-tany
Mihaino ny mpaminany velona sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana isika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mampianatra antsika ny zavatra tian’ Andriamanitra ho horenesintsika izy ireo.
Manao fivoriana mifanesy, antsoina hoe fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ny Fiangonana isaky ny volana aprily sy ôktôbra. Mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany ireo mpitarika. Any Salt Lake City, Utah, Etazonian’i Amerika no hanaovana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary ampitaina maneran-tany amin’ny fiteny miisa 90. Ireo mpikambana rehetra sy izay mety ho olon-kafa liana dia asaina hihaino ireo lahateny.
Ireo fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany voalohany.
Nandritra ny fivoriana iray natao tamin’ny 6 aprily 1830 no nananganana tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20). Tamin’ny 9 jona 1830 no nanaovana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany voalohany. Hatramin’io dia natao teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Fiangonana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na aiza na aiza toerana mety hivorian’ireo mpikambana. Tany amin’ny taona 1840 tany no nanombohan’ireo mpitarika nanao fihanaonambe in-droa isan-taona.
Ny fomba fandrindrana ireo fihaonambe ankehitriny
Ny Fiadidiana Voalohany, sy Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana no mandaha-teny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny Amboaram-peon’ny Tabernakely ao Temple Square sy ireo amboaram-peo hafa an’ny Fiangonana no manao ny hira. Ny fihaonambe tsirairay avy dia ahitana fivoriana efatra: roa ny Sabotsy ary roa ny Alahady.
Ny fampianaran’ireo mpitarika
Mandritra ireo volana mialoha ny fihaonambe ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia mivavaka momba izay hampianarina. Manome fitaomam-panahy azy ireo ny Tompo hahafantaran’izy ireo izay tokony holazainy. Mampianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara izy ireo ary manasa antsika hitandrina ireo didin’ Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ihany koa izy ireo ary mamporisika antsika hanaraka Azy.
Mianatra avy amin’ny Fihaonambe
Mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia azontsika atao ny mivavaka mba handre izay tian’ny Tompo hianarantsika. Rehefa mihaino ireo lahateny isika dia hampianatra antsika izay ilaintsika hofantarina ny Fanahy. Aorian’ny fihaonambe dia mipoitra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, sy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile, ary ao amin’ny Liahona ireo lahateny. Afaka mandalina ombam-bavaka ireo lahateny isika hianarana bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Avy ao amin’ ny Soratra Masina
Nampianatra i Jesoa Kristy fa tokony hihaona miaraka matetika isika (jereo ny 3 Nefia 18:22).
Rehefa miara-mitsaoka ireo mpikamban’ny Fiangonana dia ho eo afovoan’izy ireo ny Tompo (jereo ny Matio 18:20).
Nandidy ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo mba “hifananatra sy hifampahery” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8).
Rehefa mahatoky ireo mpikamban’ny Fiangonana sy mampihatra finoana an’i Kristy dia ho amin’izy ireo ny Fanahiny rehefa mivory izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44:2).