2021
Mamantatra ny tsara ao amintsika
Septambra/Ôktôbra 2021


Ho an’ny tanora

Mamantatra ny tsara ao amintsika

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

Ahoana no hamaritanao ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny fahaiza-manavaka? Vao haingana vao takatro ireo tanjona manan-danja an’io fanomezam-pahasoavana ara-panahy io.

woman looking away against background of sea and sky

Sary avy amin’ny Getty Images

Hatramin’izay niainako dia fahaizana mamantatra ny tsara amin’ny ratsy, sy manavaka ny marina amin’ny diso no namaritako ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny fahaiza-manavaka. Na dia ampahany manan-danja amin’io fanomezam-pahasoavana io aza izany dia vao haingana aho no nianatra fa lehibe lavitra izany.

Nahita hevi-baovao miavaka aho teo amin’ny fanamarihana ambany pejy an’ny lahateny iray natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, aprily 2020. Nisy mpandaha-teny iray nitatitra ny tenin’ny Filoha Stephen L Richards (1879–1959), Mpanolotsaina Voalohany teo aloha tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, izay nilaza fa: “Ny karazana fahaizana manavaka tsara indrindra dia ilay iray izay mahita ao amin’ny hafa sy mampahafantatra azy ireo ny toetra tsara kokoa ananan’izy ireo.”1

Tsy poezia vita ve izany?

Afaka manampy antsika hahita ireo toetra tsara kokoa ananan’ny hafa ny Fanahy Masina. Mamy tamiko loatra ny fahamarinana tao amin’izany fanambarana izany ka nahatonga ahy te hianatra misimisy kokoa. Hitako fa ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ihany koa dia nampianatra fa ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny fahaizana manavaka dia manampy antsika “hahita sy hamoaka ny toetra tsara izay mety ho miafina ao amintsika.2

Hatramin’ny nahafantarako izany dia lasa takatro ny maha-manan-danja io ampahany amin’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny fahaizana manavaka io. Mila mitady ireo toetra tsara ao amintsika isika mba hahazoantsika mampivelatra azy ireny. Rehefa manao izany isika dia hahatsapa tena ho zanak’ Andriamanitra kokoa ary manao asa mifanaraka kokoa amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika (jereo ny Salamo 82:6; Môzià 5:7; Môrônia 7:19).

Dia ahoana ary izany no hanombohantsika mikaroka ny toetra tsara ao amintsika? Ireto ary misy fomba vitsivitsy hanombohanao izany:

Mifantoha amin’ny fampiasana ireo hery anananao entina hitahiana ny hafa

Fahamarinana ara-potopampianarana ny hoe ny rehetra dia manana fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11)—ary tsy zava-poana ny mieritreritra ny amin’izy ireny. Raha ny marina dia nasain’ny Tompo hanao izany isika! Mampianatra antsika ny soratra masina mba hikatsaka “fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra ka tsarovy mandrakariva ny antony anomezana azy ireny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8; nampiana fanamafisana).

Rehefa miha-takatsika ireo fanomezam-pahasoavana na talenta ananantsika dia tokony hitady fomba isika hampiasana azy ireny mba hanompoana ny hafa.

Fomba iray hamantarana ireo fanomezam-pahasoavana anananao ny manontany olona iray atokisanao! Anontanio azy ireo hery anananao. Raha ohatra ahy ianao dia mety hieritreritra ianao hoe hafahafa koa izany. Saingy tsarovy fa tsy hoe zavatra tsy misy fotony izany; miompana amin’ny fikarohana ireo toetra anananao izay azonao hanasoavana ireo rahalahy sy anabavinao eto amin’izao tontolo izao izany (jereo ny Môzià 8:18).

Ohatra, nisy mpiray vodirindrina iray izay nilaza tamiko indray andro fa manana ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fanampiana ny olona ho tony sy mahazo aina aho. Tsy nohamaivaniko ho toy ny fandokafana ho mariky ny fahalalam-pomba fotsiny izany fa nanomboka nandinika io fanomezam-pahasoavana io teo amin’ny fiainako aho. Rehefa nataoko izany dia hitako fa afaka ampian’ny Ray any An-danitra aho hampiasa io fahaiza-manao ara-pifandraisana io mba hakako ny hafa ho namana ka hitahy fiainana maro kokoa ankoatra ny ahy.

Rehefa mamantatra ireo fanomezam-pahasoavana anananao ianao ia afaka misafidy amim-pahatongavan-tsaina ny hampiasa azy ireny hitahiana ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:18).

Halalino ny tsodranon’ny patriarika anao

a young woman reading her patriarchal blessing

Sary nalain’i Judith Ann Beck

Loharano tsara azo ahitana ireo fanomezam-pahasoavana miavaka ananantsika avy amin’ Andriamanitra ihany koa ny tsodranon’ny patriarika. Nampianatra ny Loholona Larry R. Lawrence, mpikambana tranainy tao amin’ny Fitopololahy hoe: “Afaka mampiseho ireo fahalementsika ny Fanahy, kanefa afaka mampiseho antsika ny tanjatsika ihany koa Izy. … Rehefa mamaky ny tsodranon’ny patriarika isika dia ampahatsiahivina fa fantatry ny Ray any An-danitra ny hery masina ananantsika ao anatintsika.”3

Manampy antsika hifantoka amin’ny fampivoarana ireo toetra izay afaka manampy anao hanatratra ny olona tokony hahatongavanao ny fandalinana ny tsodranon’ny patriarika anao.

Ny ahy izao dia matetika aho no maka sary an-tsaina ny karazana reny antenaiko hahatongavana indray andro any. Tsy tsikaritro akory fa lasa mieriteritra be foana aho fa ny hoe reny tsara dia tomady, sy mahay mandamina, ary tsara tarehy, ary ny mofo mamy amboariny dia tian’ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny paroasiny ho hay koa. Na dia tsy ratsy aza ireo zavatra ireo dia nampiseho ahy ny fandalinana ny tsodranon’ny patriarikako fa manan-danja amin’ny Tompo kokoa ny maha-reny tsara fanahy sy tia miantra ahy. Ho ahy ireo toetra araka an’i Kristy ireo no ireo izay tokony iriko amin-kitsim-po mba hananana.

Mahatsiaro sy misaintsaina lalina mandritra ny fanasan’ny Tompo

bread being broken for sacrament

Sar-nalain’i Jerry Garns

Ny fanasan’ny Tompo no fotoana hieritreretana momba ny Mpamonjy. Fotoana ihany koa izany hisaintsainana lalina momba ny fivoaranao amin’ny fahatongavana ho tahaka Azy. Rehefa ataonao izay hahitana ireo toetra tsara anananao, ny fanaovana jery todika isan-kerinandro ny amin’ireo zava-bitanao, sy ireo zavatra niainana ary ireo fifaneraserana taman’olona dia afaka manampy anao hahita ireo fotoana manokana izay nisehoan’ireo fanomezam-pahasoavana anananao.

Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Rehefa mandinika ny fiainanao ianao mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, dia manantena aho fa tsy mifantoka fotsiny amin’ny zavatra tsy tomombana ny eritreritrao fa mifantoka ihany koa amin’ny zavatra vitanao tsara, izay fotoana nahatsapanao fa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia faly taminao. Mety haka fotoana mihitsy aza ianao mandritra ny fanasan’ny Tompo hangatahana amin’ Andriamanitra ny hanampiany anao hahita izany zavatra izany.”4

Indreto misy fanontaniana sasantsasany azonao apetraka amin’ny tenanao na amin’ Andriamanitra mandritra ny fanasan’ny Tompo:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanarahako ny ohatra nomen’i Kristy tamin’ity herinandro ity?

  • Iza no notompoiko?

  • Oviana no nahatsapako ny Fanahy tamin’ity herinandro ity? Nahoana?

  • Inona no toetra iray araka an’i Kristy izay ezahiko volena amin’izao? Manao ahoana ny fivoarako?

  • Misy zavatra ve eo amin’ny fiainako izay tokony hivavahako mba hahazoako fanampiana?

  • Moa ve misy olona tokony havelako?

  • Inona no olana iray, na lehibe na kely, izay nanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ahy tamin’ity herinandro ity?

Manampy ahy hametraka ny tokiko Aminy ny misaintsaina ny hatsaran’ Andriamanitra sy ny manao tombantombana ny fiainako mandritra ny fanasan’ny Tompo toy izay ny mifantoka fotsiny amin’ireo tsy fahombiazako sy ireo tsy fahatanterahako.

Milofosa amin’ny antso anananao

Misy antony ny anomezana antso antsika, eny na dia tsy fantatsika any am-boalohany aza ny antony.

Indray mandeha aho nantsoina ho isan’ny ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampian’ny paroasin’ny tanora tokan-tena nisy ahy. Nientanentana ery aho nanomboka izany. Saingy volana vitsy taty aoriana dia nahatsapa tena ho kivy aho. Tsy nahita fivoarana ara-panahy akory aho tao amin’ireo izay nilofosako notompoina. Toa nandamoka ireo ezaka nataoko tamin’ny famangiana sy fakana ho namana.

Indray alahady aho dia nahatsapa tena ho toy ny tsy nanana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay manampy olona iray ho mahomby amin’ny fanompoana. Tamin’io andro io ny vavaka nataoko nandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo dia ny hahazo antoka fa mahavita ny antsoko aho. Nahazo fitaomam-panahy aho ny hangataka tsodranon’ny fisoronana.

Nihaona tamin’ny evekako aho ary raha nametraka ny tanany teo ambony lohako izy dia isan’ireo zavatra voalohany nolazainy tamiko dia ny hoe: “Mahafaly ny Ray any An-danitra ny hatsaram-panahy asehonao ny hafa.”

Nahatsapa ny Fanahy nahery vaika tampoka teo aho, ary nahazo antoka fa faly amin’ireo ezaka ataoko ny Tompo. Tsapako fa tena nanana ampahany tamin’ireo fanomezam-pahasoavana nilaina mba hanompoana amim-pitiavana aho. Ny tsy fahombiazako no notombanako fa tsy ireo tsy ireo fahombizako.

Fahafahana lehibe ahafahanao mahita sy mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao ireo antsonao.

Azonao atao ny manomboka izao

Tsy mila miandriandry isika amin’ny fanombohana mamantatra ny toetra tsara ananantsika.

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, hoe:

“Mahatsiaro ho kivy isika indraindray satria tsy mba mahatratra ilay hoe -bebe kokoa- eo amin’ny sehatra iray—masina bebe kokoa, na hajaina bebe kokoa, na maranin-tsaina bebe kokoa, na mora alain-ko namana bebe kokoa na mahavita zavatra bebe kokoa. …

“Teo amin’ny fiainako dia nianatra aho fa tsy mila mahatratra ilay hoe -bebe kokoa- amin’ny zavatra rehetra isika mba hanombohana ilay fahatongavana ho olona izay irian’ Andriamanitra hahatongavantsika.”5

Afaka atombotsika amin’ny vavaka. Teneno ny Ray any An-danitra izay zavatra tsapanao amin’izao, sy ny fomba tianao hahatsapana ny tenanao. Angataho manokana Aminy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana manavaka mba hanampy anao hahita ny toetra anananao. Tamin’ny alalan’ny fanononana ireny vavaka ireny no niainako ny sasany amin’ireo fotoana mamy indrindra teo amin’ny fiainako. Izaho dia mino fa ny Raintsika any An-danitra dia te hanampy antsika mafy hahatakatra ny zava-drehetra amin’ny fomba hahatakarany azy ireny.

Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika dia natao ho tonga amin’ny zavatra lehibe isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17). Amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana manavaka dia afaka ny hahafantatra izany ho an’ny tenantsika isika.

Fanamarihana

  1. Stephen L Richards, ao amin’ny lahatenin’i Douglas D. Holmes, “Latsa-paka lalina ao am-pontsika,” Liahona, mey 2020, 25–26.

  2. David A. Bednar, “Quick to Observe” (fampaherezam-panahin’ny Oniversite an’i Brigham Young , 10 mey, 2005), 5, speeches.byu.edu; nampiana fanamafisana.

  3. Larry R. Lawrence, “Inona no mbola tsy mahatanteraka ahy?” Liahona, nôv. 2015, 35).

  4. Henry B. Eyring, “Always Remember Him,” Ensign, Feb. 2018, 5.

  5. Dieter F. Uchtdorf, “Mitondra soa izany!” Liahona, nôv. 2015, 22–23.