HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA
Ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainantsika
Mampahatsiahy antsika ny mpaminanintsika fa tsy ho lavitra na oviana na oviana antsika ny Mpamonjy rehefa miatrika na mianika ireo “tendrombohitsika” manokana amim-pinoana isika.
I Jesoa Kristy Mpamonjy, eo am-panomanana antsika amin’izay miandry antsika eo anoloantsika, dia mampianatra antsika ny hoe inona ilay filazantsarany ary inona no hoentin’izany ho antsika: “Indro efa nomeko anareo ny filazantsarako, ary izao no filazantsara izay efa nomeko anareo—fa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.
“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy teo amin’ny hazofijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko, ka toy ny efa nanandratan’ny olona Ahy, dia toy izany koa no hanandratan’ny Ray ny olona hijoro eo anoloako mba hotsaraina amin’ny asany, na tsara izany na ratsy”1.
Ny fahatakarana fa ny filazantsara izay nomen’ny Tompo antsika dia tonga tamin’ny alalan’ny sorona nataony dia manampy antsika hahafantatra fa ny lalan’ny fanekempihavanana diavintsika dia tsy zavatra mora foana. Hiatrika olana isika eo amin’ilay lalana. Ny Tompo dia milaza amintsika ny vahaolana amin’ireo olana ireo rehefa nanasa antsika Izy hoe: “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo”2.
Ny fanasana nomen’ny Tompo hoe manatona Azy dia fanasana mba hampihatra finoana Aminy. “Amin’ny alalan’ny finoanareo, i Jesoa Kristy dia hampitombo ny fahafahanareo mamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainanareo, na dia lehibe toa ny Mont Everest aza ireo olana atrehanareo manokana”3.
Ny Filoha Tafadzwa Mahachi, filohan’ny sampana voalohan’i Kadoma Zimbabwe, izay sady mpanoratra, mpamoaka boky, mpamorona endrika aman-tsoratra ary mpampianatra matematika ihany koa, dia nizara ny fomba namindrany ny tendrombohiny manokana tamin’ny alalan’ny finoana: “Tamin’ny alalan’ny fifaneraserana sady tamin’ireo olona miomana ho misiônera no tamin’ireo misiônera tafaverina ao Zimbabwe, dia nahita aho fa misy amin’ny ankapobeny ny tahotra ny zavatra tsy fantatra izay manakana ny maro tsy handeha hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Rehefa mandinika ny lahatenin’ny Filoha Nelson izay niresahany tamin-kafanampo momba ny hoe manolo ny tahotra sy ny fisalasalana amin’ny finoana, dia tsy afaka ny tsy hahita ny fanamby atrehan’ny misiônera tafaverina iray ho toy ny tendrombohitra izay tsy azo hafindra raha tsy amin’ny alalan’ny finoana aho.
“Rehefa namaramparana ny fianarako tao amin’ny lisea aho sady niara-nipetraka tamin’ny dadabeko taorian’ny nahalasana an’i bebeko roa taona teo aloha, dia nodimandry ilay raibeko. Ny nahafatesan’ny raiko dia 21 andro katroka taorian’izay. Teo anatrehan’ireo toe-javatra ireo dia lasa maloka ny hoaviko teo am-pirodanan’ireo fototra nanohana ahy [teo anoloako]. Tokony hoe niahiahy aho. Tokony hoe kivy aho. Saingy isaorako ny filohan’ny misiôna iray izay nanohana ahy ka nahita fa iray tamin’ireo mpikambana marobe izay nila ny fiahiany aho. Nantsoiny hitafa sy hidinika aminy aho, ka notompoiny aho mba hahafahako mahita ny fitahian’ny fampiharana finoana amin’ny alalan’ny asa. Tsikariny fa efa vonona avokoa ny taratasy ilaina ho an’ny asa fitoriana ka dia nampiany aho hiditra ny sahan’ny misiôna”.
Nahavita asa fitoriana tamim-boninahitra ny Filoha Mahachi nefa tsy nahafantatra izay hiandry azy aorian’izay. Nametraka ny finoany tao amin’ny Tompo izy. Nampianatra antsika ny Filoha Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021 fa “mety ho fanirery, na ahiahy, na aretina, na olan’ny tena manokana ireo tendrombohitrareo. Hiovaova ireo tendrombohitrareo, saingy ny valiny tsirairay tandrify ireo olanareo dia ny fampitomboana ny finoanareo”4.
Rehefa nahavita ny asa fitoriany ny Filoha Mahachi dia fantany fa niankina tamin’ny fampiharana finoana amim-pahamarinana feno ny fahombiazany, na dia teo aza ireo fanoherana rehetra nanodidina azy. Nozarainy ny zavatra niainany: “Ilay tendrombohitra efa noeritreretina hitranga dia tonga avy hatrany taorian’ny fisaorana tamim-boninahitra tamin’ny fahavitana ny asa fitoriana. Tsy an’asa aho. Fianarana tany amin’ny lisea ihany no norantoviko ka dia sarotra ny nahita asa. Ny fipetrahana ao amina firenena an-dalam-pandrosoana, raha te hisandratra amin’ ny avo indrindra, dia mitaky ny fanaovana zavatra tsy amim-pahamarinan-toetra amin’ny alalan’ny kolikoly atao amin’ireo izay afaka manome asa na mampiditra hianatra amin’ny sekoly ambony. Misiônera vao niverina aho. Ny hany nananako dia fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy sy ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.”
Na dia teo aza ireo sakana goavana ireo dia nilaza ny Filoha Mahachi fa tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina dia nahazo toerana azo antoka tao amin’ny oniversite iray izy, izay nanokatra ny varavaran’ny fahombiazana.
Ny misiônera efa niverina iray hafa, ny Eveka Fortunate Chitiyo avy ao amin’ny paroasy faharoan’i Nketa, tsatòkan’i Nkulumane Zimbabwe dia nizara ny tendrombohitra manokana natrehany niaraka tamin’ny vadiny: “Rehefa teraka i Amalia Chitiyo zanakay vavy dia nararin’ny atao hoe pied bot bilatéral izy” (aretina azo hatrany am-bohoka izay miseho amin’ny fiolanan’ny tongotra tsy ho amin’ny toerany na endriny araka ny tokony ho izy). Ry Chitiyo dia tsy nanam-bola hitsaboana azy na hividianana ireo kiraro manokana natao ho an’ny olona toy ny zanakavavin’izy ireo. Nilaza i Eveka Chitiyo hoe: “Nandritra izany fotoana izany dia nivavaka sy nifady hanina tsy an-kiato izahay ka nitalaho tamin’ Andriamanitra mba hanasitrana ilay zanakay vavy ary hanaisotra izany tendrombohitra izany araka ny sitrapony”.
Volana vitsivitsy taty aoriana dia sitrana tamin’ny fahagagana ilay zanakavavin-dry Chitiyo. Mijoro ho vavolombelona momba izany fanasitranana izany toy izao ny Eveka sy Rahavavy Chitiyo: “Izany zavatra niainana izany dia nampitombo ny finoanay ary tamin’ny alalan’izany rehetra izany dia afaka mijoro ho vavolombelona miaraka amin’ny Filoha Russell M. Nelson izahay fa ny Tompo dia tia ezaka tokoa! Marina tokoa fa ny finoana no hery hahatanteraka ny zavatra izay heverina fa tsy ho tanteraka. Ny fahasitranan’ny zanakay vavy dia tsy nitranga araka ny fotoanay sy ny fomba nantenainay azy fa araka ny fotoana sy ny fomban’ Andriamanitra manokana kosa.”
Mampahatsiahy antsika ny Filoha Nelson fa “tsy ho lavitra na oviana na oviana antsika ny Mpamonjy rehefa miatrika na mianika ireo -tendrombohitsika- manokana amim-pinoana isika”5. Ny vavaka ataoko amim-panetrentena dia ny hoe hamaky sy hamerina hamaky ny lahatenin’ny Filoha Nelson isika ary hampihatra ny vahaolana izay nozarainy tamintsika ny amin’ny fomba hahafahantsika mamindra tendrombohitra eo amin’ny fiainantsika.
Voantso ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2013 i Edward Dube. I Naume Keresia Salizani no vadiny. Manan-janaka efatra izy ireo.