HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA AO AMIN’NY FISORONANA EO AN-TOERANA
Nampitombo ny finoako ny fahalasanan-dreniko noho ny COVID
“Amin’ny maha mpitsabo ahy dia niezaka ny nanavotra ny ainy aho. Rehefa nodimandry izy dia nilaina ny hampitomboako ny finoako mba hahatsapana fiadanam-po noho ireo fotoana feno fisalasalana izay nanaraka izany.”
Nanasa antsika mba hampitombo ny finoantsika ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny paska farany teo.1 Somary sarotra tamin’ny fianakaviako ireny volana vitsy lasa ireny—ara-batana sy ara-pihetseham-po sy ara-bola ary ara-panahy. Teo anelanelan’ny martsa sy mey tamin’ity taona ity dia namely an’i Madagasikara, tanindrazako, tamin’ny fomba izay tsy mbola nisy toa azy ny fiakarana fanindroan’ilay valanaretina, ka nanototra tanteraka ny rafi-pahasalamana. Maro ireo olona, ary hatramin’ny mpitsabo mihitsy aza no nametra-panontaniana hoe: “Inona izao zavatra mitranga amintsika izao?”, “Fa aiza Andriamanitra?”, ary “Moa ve dia tena olon-dratsy isika no dia mendrika loza tahaka izao?”
Tsy afa-bela tamin’izany ny fianakavianay, satria dia tratran’ilay virosy avokoa izaho sy ny vadiko, ny ankamaroan’ireo mpiray tampo amiko sy ny vadin’izy ireo ary ireo ray aman-dreniko. Tsy maintsy nampidirina hôpitaly izaho sy ny reniko ary ny vadiko satria voan’ny endrika sarotra kokoa amin’ilay aretina. Rehefa avy notsaboina nandritra ny folo andro sy nihatsara izaho sy ny vadiko dia navoaka ary nasaina haka aina eo am-pandriana mandritra ny herinandro maromaro indray.
Tavela irery ny reniko. Nivadika ho famoizam-po ny fahatsapany ho irery satria tsy nisy afaka nitsidika azy izahay. Koa dia nangataka ny hitondrana azy hody izy ka hotsaboiko, amin’ny maha mpitsabo ny tenako. Niezaka nampiova hevitra azy izahay rehetra satria tsy afaka hanome fahafaham-po ny filany oksizenina ny any an-trano. Rehefa niharatsy ny toe-pahasalamany dia lasa tezitra taminay rehetra izy, ary ny faniriany handeha hody dia lasa baiko. Resy lahatra avokoa izahay rehetra nony farany ny hitondra azy mody rehefa nahita vahaolana momba ny filany ara-oksizenina tamin’ny fomba feno fahagagana. Rehefa tany an-trano dia nihatsara tsimoramora izy isan’andro. Saingy ny alahady nanaraka izany dia nijanona tampoka teo imasoko ny fony sy ny ainy. Avy hatrany aho, niaraka tamin’ny fanampian-drahalahiko, dia nanomboka nanao ny famelomana aina tsara indrindra—sy lava indrindra—nataoko hatrizay. Tsy maintsy nanaiky ihany izahay nony farany fa nodimandry izy. Kotsan-dranomaso aho no nanao sonia ilay taratasim-pahasalamana ôfisialy fanambarana fahafatesana an’ilay vehivavy izay niteraka ahy.
Rehefa avy nampionona ireo olona lalaiko aho dia lasa feno fanontaniana sy ahiahy ny saiko. Moa ve, amin’ny maha mpitsabo ahy, nisy zavatra tsy nety nataoko tamin’ny fikarakarana izay natolotro ny reniko? Moa ve tsy nety ny fanapahan-kevitray hitondra azy hody? Ireo fotoana nisian’ny fisalasalana sy fanontaniana ireo dia nitaky ny hiezahako hanatsara ny finoako mba hahatsapako fiadanam-po.
Niantso ahy ny Loholona S. Mark Palmer, filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, izay nanompo ahy tamim-pitiavana izaitsizy tokoa. Rehefa notateriko ny fomba nahafatesan’ny reniko tamin’ny antony izay tsy takatro dia hoy izy hoe: “Amin’ny maha mpitsabo anao dia tsy takatrao. Saingy amin’ny maha mpanompon’ny Tompo anao dia takatrao izany.”2
Nanam-pinoana lehibe an’i Jesoa Kristy Tompo foana aho hatrizay, saingy ny zavatra izay nolazain’ny Loholona Palmer dia nanampy ahy niverina teo amin’ny lalana tokony ho izy.
Tao amin’ilay lahateniny, ny Filoha Nelson dia nanome sosokevitra maromaro3 mba hanampiana antsika hampitombo ny finoantsika. Mamelà ahy hizara ny fomba nianarako ny sasany amin’izany.
Mandalina. Nandalina ny lahatenin’ny Filoha Nelson aho nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo ary dia nampahatsiahivina ny fanasan’i Almà mba “hanandrana fotsiny amin’ny teny sy hampihatra sombiny amin’ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza [isika].”4
Eny, mora tamiko ny nisafidy ny hino an’i Jesoa Kristy. Saingy mba hahafahako mamela ny sorompanavotana hihatra amiko dia nila niasa mafimafy kokoa aho. Izany dia nanome fahafahana ahy mba hahatsiaro sy hisaintsaina ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy, sy ny Sorompanavotany tsisy fetra. Tsy ela dia tsapako fa nitombo ny finoako sy ny fanantenako. Ary nanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay aho manoloana ireo tranga niseho nandritra ny herinandro vitsivitsy lasa.
Vontom-pankasitrahana ny foko rehefa nampian’ny fanahy aho hahatsapa ny tanan’ny Tompo tamin’ny antsipiriany maro tamin’ ireo tranga ireo sy ny fandaharam-potoany tonga lafatra. Na dia ny tao ambadik’ilay fangatahan-dreniko mba hoentina miverina any an-trano aza. Izany dia nanome fahafahana an-dreniko hiaraka amin’ireo olona lalainy sy hahatsapa fiadanam-po bebe kokoa ary hahita ny zanany lahy malalany mpitsabo hikarakara azy mandritra ireo andro vitsivitsy sisa niainany teto an-tany. Tena nitahy ahy mba hanana fahafahana ny ho eo akaikiny tokoa ny Tompo raha niezaka nanolotra fitsaboana farany izay tsara azoko natao aho. Feno fankasitrahana aho noho ireo fotoana sarobidy niarahako taminy tamin’io sabotsy tolakandro io izay niresahanay zavatra tsy momba ny fahasalamana, ora vitsy talohan’ny nahafatesany. Tsy mbola nifanakaiky toy izany izaho sy ireo mpiray tampo amiko rehefa niray hina avokoa izahay mba hikarakara ny reniko sy hikarakara ny raiko izay maty vady avy eo.
Tsaroako rehefa niala aina i neny, ary raha mbola nahatsapa ny fony nitempo malefaka nandritra ny fiezahana hamerina ny ainy aho dia nametraka ny tanako teo ambonin’ny lohany mba hanome tsodranon’ny fisoronana ho azy ka handidy azy hijanona hiaraka aminay, saingy tsy nahaloaka ny zavatra tiako holazaina ny vavako. Fa ny zavatra voalazako dia vavaka mangina ho an’ny Tompo mba ho ny sitrapony no ho tanteraka ary mba ho izay tena tsara ho azy sy ho anay rehetra no ho vokany.
Izany tokoa no safidy tsara indrindra, teo am-pelatanan’ny Tompo. Araka ny nampianarin’ny Loholona Andersen, ny finoako dia nitombo toy ny “fanomezana avy any an-danitra izay tonga rehefa misafidy ny hino isika sy rehefa katsahintsika sy hifikirantsika izany.”5
Ny “fanaovana asa am-pinoana” kosa, ankoatry ny fanarahana ny fanasan’ny Filoha Nelson, dia mitaky ihany koa ny fanoratana sy ny fizarana ny fijoroako ho vavolombelona amin’ireo havako sy ao amin’ny tambajotra ifaneraserana, ary amin’ny alalan’ity lahatsoratra ity izay nasaina hosoratako. Eny, ny finoako tsy mitsaha-mitombo an’i Jesoa Kristy dia nanampy ahy hahatsapa ny fitiavany sy hanaisotra ireo tendrombohitry ny ahiahy teo anoloako.
Fantatro fa tia ahy sy ny tsirairay amintsika i Jesoa Kristy. Fantatro fa afaka miantehitra amin’ izany fitiavana izany isika ary “ny fizahan-toetra ny finoan[tsika dia] tsara lavitra noho ny volamena,”6 satria ny fitsapana izay lalovantsika dia natao hanampy antsika hitombo finoana sy ho voatahy.
Enga anie isika rehetra hanana an’ izany faniriana mba hiezaka hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy izany mba ho afaka ny hanaisotra ireo tendrombohitra eo anoloantsika, ary handray ireo fitahian’ny Raintsika any An-danitra izay iriany harotsaka amintsika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.
Ifanomezana Rasolondraibe dia nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2019. Manambady an’i Felambolafotsy Cardiss Keithy Suman Ratsitobaina izy; ary manan-janaka telo izy ireo. Monina ao Antananarivo, Madagasikara ny Loholona sy Rahavavy Rasolondraibe.