2022
Ireo Patriarika: Iza izy ireo ary nahoana no manan-danja izany
Febroary 2022


“Ireo Patriarika: Iza izy ireo ary nahoana no manan-danja izany,” Ho Zatovo mahery! feb. 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! febroary 2022

Genesisy 11–50

Ireo Patriarika

Iza izy ireo ary nahoana no manan-danja izany

Mety efa henonao angamba ny momba an’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba. Mamaky matetika momba azy ireo isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary azo antoka fa hahare misimisy kokoa momba azy ireo ianao raha mandalina ny Testamenta Taloha mandritra ity taona ity. Raha ny fahalianana manodidina azy ireo dia mety ho tena manan-danja tokoa izy ireo, sa tsy izany? Kanefa mety manontany tena ianao hoe: “Nahoana no hanan-danja ankehitriny ny lehilahy telo izay niaina an’ Arivony taona lasa izay?” Ny fanalahidin’ny valiny izany dia mitoetra ao amin’ireo fanekempihavanana mandrakizay sy fitahiana nampanantenaina izay nomen’ Andriamanitra azy ireo.

Abrahama

Sary
Abrahama

Sary nataon’i Jarom Vogel

Mpaminany lehibe i Abrahama. Olo-marina sy nankatò ireo didin’ Andriamanitra izy.

Vita batisa sy nandray ny fisoronana ary nofehezina ho mandrakizay tamin’i Saraha vadiny izy.

Andriamanitra dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama fa ny taranany dia ho lehibe ary handray fitahiana mitovy amin’ireo efa noraisiny.

Hitondra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo firenen’ny tany izy ireo.

Isaka

Sary
Isaka

Isaka dia zanak’i Abrahama sy Saraha.

Nolazain’ Andriamanitra i Abrahama mba hanao sorona an’i Isaka. Abrahama dia tia an’i Isaka saingy nisafidy ny hankatò an’ Andriamanitra. Taloha kelin’ny hanaovan’i Abrahama sorona an’Isaka dia nisy anjely niteny taminy mba hanatsahatra izany. Ny fahavononan’i Abrahama sy Isaka hankatò an’ Andriamanitra dia tandindon’ny Sorompanavotan’ilay Zanakalahitokan’ Andriamanitra.

Isaka dia nampanantenaina fitahiana mitovy amin’ireo noraisin’i Abrahama.

Jakoba

Sary
Jakoba

Tahaka ny rainy sy ny raibeny dia nahatoky teo anatrehan’ Andriamanitra i Jakoba.

Noho ny fahatokiana nananany dia novain’ Andriamanitra ho lasa hoe Isiraely ny anaran’i Jakoba, izay midika hoe “olona iray izay manjaka miaraka amin’ Andriamanitra” na koa “avelao Andriamanitra hanjaka”.

Nanana zanaka niisa 12 i Jakoba. Fantatra tamin’ny anarana hoe ny fokon’ny Isiraely ireo zanany sy ny fianakavian’izy ireo.

Ilay fanekempihavanana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ i Abrahama dia nohavaozina tamin’ i Jakoba sy ny zanany.

Ianao sy ireo Patriarika

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana anao dia isan’ny taranak’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba ianao. Ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra dia miantefa aminao!

Manana ny fitahiana sy ny andraikitra mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy ianao ary ny hizara ny filazantsara.

Antsoina ihany koa ianao hanasa ny olon-drehetra hanatanteraka sy hitandrina fanekempihavanana ary handray ôrdônansin’ny fisoronana. Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson fa ampahany amin’ny fanangonana an’i Isiraely avokoa izany izay “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao” (“Hope of Israel,” [worldwide youth devotional, 3 jona, 2018), 8, ChurchofJesusChrist.org).

Hamoaka printy