2022
Ny Kilonga
Febroary 2022


ZAVATRA TIANA HASONGADINA AVY AO AMIN’NY BOKY TOROLALANA

Ny Kilonga

Ny Kilonga dia fandaharana mahafinaritra iray ato amin’ny Fiangonana natao ho an’ireo ankizy 18 volana ka hatramin’ny 11 taona. Ireto misy fitsipika vitsivitsy avy ao amin’ny boky torolalana momba ny Kilonga:

Kilonga—Ny anjara asan’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika:

Ny ray aman-dreny dia tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny zanany ny filazantsara sy ny fanampiana azy ireo hiaina izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Manohana ireo ray aman-dreny amin’io andraikitra io ireo mpitarika sy mpampianatra [amin’ny alalan’ny fakana antoka] fa ireo lesona ao amin’ny Kilonga, sy ny fotoam-pihirana, ary ny asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana dia manampy ireo ankizy hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy.

Ireo mpitarika dia tokony hijery manokana ireo ankizy izay tsy mahazo fanohanana avy amin’ny fianakaviany eo amin’ny fiainana ny filazantsara.1

Kilonga—Fotoam-pihirana

Ny fotoam-pihirana dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy hianatra momba ilay drafiny ho an’ny fahasambarana. Rehefa mihira hira momba ireo fitsipiky ny filazantsara ny ankizy dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany ny Fanahy Masina. Hitoetra ao an-tsain’ny ankizy sy ao am-pony mandritra ny fiainany manontolo ireo tonon-kira sy ny feon-kira.

Miavaka amin’ny fotoam-pianarana ny fotoam-pihirana. Mandritra ny fotoam-pihirana, ny ankizy dia sady mianatra no mandray anjara mavitrika amin’ny fihirana. Mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara ireo mpitarika hira ao amin’ny Kilonga saingy amin’ny alalan’ny hira no tena hanaovany izany.2

Kilonga—Ireo mpampianatra

Rehefa misy olon-dehibe mampianatra ankizy ao anatin’ireo fotoam-pianarana any am-piangonana, dia olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny no tokony hanatrika eo. Ireo olon-dehibe roa ireo dia azo atao vehivavy roa, na lehilahy roa, na mpivady. Raha tsy azo tanterahina izany dia tokony hatambatr’ireo mpitarika ny kilasy. Tsy maintsy manaraka ilay fiofanana ao amin’ny www.ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org ireo mpitarika sy mpampianatra.

Tsy tokony hampianatra ao amin’ny Kilonga ireo zatovo, na dia ho mpisolo toerana aza.

Ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga sy ireo mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika dia mijanona miaraka amin’ireo ankizy mandritra ny faharetan’ny fotoana ao amin’ny Kilonga manontolo, tafiditra ao anatin’izany ny fotoam-pihirana sy ny fotoana fanelanelanana hifindrana kilasy. Mandritra ny fotoam-pihirana, ireo mpampianatra dia mandray anjara ao amin’ny kilasy sahanin’izy ireo. Tokony hijanona miaraka amin’ireo ankizy madinika ireo mpampianatra rehefa tapitra ny fotoam-pianarana ao amin’ny Kilonga mandra-pisian’ny olona ao amin’ny fianakaviany maka azy ireo.3

FANAMARIHANA

  1. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.2.1.1, ChurchofJesusChrist.org.

  2. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 12.1.4.

  3. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 12.3.5.

Hamoaka printy