2022
Febroary 2000: Navoaka tamin’ny teny Malagasy ny Bokin’i Môrmôna
Febroary 2022


ITY VOLANA ITY AO ANATIN’NY TANTARAN’NY FIANGONANA

Febroary 2000: Navoaka tamin’ny teny Malagasy ny Bokin’i Môrmôna

Tamin’ny febroary 2000 no namoahana ny dikanteny Malagasy an’ny Bokin’i Môrmôna, ka nahatonga izany ho azon’ireo Olomasin’ny Andro Farany sy ireo naman’ny Fiangonana manerana an’i Madagasikara nampiasaina. Isan’ireo dikanteny 12 navoakan’ny Fiangonana tamin’io taona io izany ary nivoaka fito volana monja talohan’ny nananganana ny tsatòka voalohany tao amin’ilay firenena.

Taona maro taorian’ny niorenan’ny Fiangonana tao Madagasikara no nivoahan’io dikanteny io. Naorina tany tamin’ny 1990 ny sampana voalohany. Tonga tany tamin’ny 1991 ny misiônera voalohany, teo ambany fitari-han’ny Misiônan’i Durban Afrika Atsimo. Nahazo fahazoan-dalana hiorina ara-dalàna tao amin’ilay firenena ny Fiangonana tamin’ny 1993, ary natsangana tamin’ny 1998 ny Misiônan’Antananarivo Madagasikara. Tamin’ny farampa-ran’ny volana ôktôbra 1999 dia nanolotra vavaka mba hanokanana ny asa fitoriana tao amin’ny Nosin’i Madagasikara ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ankehitriny dia misy tsatòka roa sy distrika dimy ao amin’ilay firenena, izay manompo Olomasin’ny Andro Farany miisa 13.000 mahery. Mitohy hatrany ny fandrosoan’ny asa.

Hamoaka printy