2022
Ampio ireo razambe handray ireo ôrdônansy masina
Febroary 2022


NY DIAKO EO AMIN’NY LALAN’NY FANEKEMPIHAVANANA

Ampio ireo razambe handray ireo ôrdônansy masina

Mitondra fitahiana ho an’ireo olona rehetra ao amin’ny fianakaviana ny tantaram-pianakaviana.

Tia ny zanany rehetra ny Raintsika any An-danitra ary nanomana fomba iray ho an’ireo olona efa maty ao amin’ny fianakaviantsika Izy handraisana ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara. Paroasy sy sampana maro no manana kilasy momba ny tantaram-pianakaviana izay mampianatra ny mpikambana ny fomba hanangonana anarana sy ny mombamomba ny fianakaviana.

Ny Rahavavy Dolly Nyandeni, avy ao amin’ny paroasin’i Dobsonville ao amin’ny Tsatòkan’i Soweto, dia tia tantaram-pianakaviana ary hazavainy ny fomba nanombohany izany: “Nanatrika ny kilasy momba ny tantaram-pianakaviana tany am-piangonana aho ary nianatra bebe kokoa ny fomba famenoana ny rafi-tetiarana sy ireo lafin-javatra manan-danja hafa mikasika ny fianakaviako.”

“Notarihin’ny Fanahy Masina aho tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka mba hahafantatra ireo zavatra hafa toy ireo anarana sy ireo daty izay nilaina ho an’ireo razambeko. Nanampy ahy hahazo fampahalalana misimisy koa ireo fivoriam-pianakaviana.”

“Nahazo hevi-baovao bebe kokoa aho tao amin’ny Malakia 3, andininy faha-23 sy faha-24. Nampianatra mikasika ny fampodiana ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy ary ny fon’ny ray ho amin’ny zanany ny mpaminany Elia, mialoha ny fahatongavan’ilay andron’ny Tompo, izay lehibe sady mahatahotra. Nanome hevi-baovao ahy mikasika ilay fifamatorana sy fitiavana misy eo amintsika sy ny razambentsika izany. Miaraka amintsika ao anatin’ny fanahy izy ireo.”

Misy loharanom-pitaovana maro ato amin’ny fiangonana mba hanampiana anao hanomboka ny fanangonana ireo anaran’ny fianakavianao. Ilay boky kely—Ny fianakaviako—sy ny FamilySearch.org dia fomba roa hanombohana izany. Angataho ny namana iray na ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hanampy anao amin’ny famenoana ireo anaran’ny fianakavianao. Avy eo dia afaka mametraka daty handehanana any amin’ny tempoly miaraka amin’ny fianakavianao sy ny namanao ianao ary manao batisa ho an’ireo olona efa maty ao amin’ny fianakavianao. 

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Na dia manana hery hitahiana ireo any ankoatra ny voaly aza ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana, dia manana hery mitovy mba hitahiana ny velona koa izany. Mitondra hery mitarika tena tsara izany ho an’ireo izay mirotsaka ao anatin’izany.  Manampy ara-bakiteny amin’ny fanandratana ny fianakaviany izy ireo.”1

Rehefa mandinika ombam-bavaka izay anaran’ireo razambe ao amin’ny fianakaviana hoentina any amin’ny tempoly ianao, dia hanana ny Fanahy mba hitarika anao ianao eo am-panompoana azy ireo.

“Teo am-panatanterahana ireo ôrdônansy ilaina tany amin’ny tempoly,” hoy Rahavavy Dolly nitantara, “dia nahatsapa ny fanatrehan’ny Ray any An-danitra sy ny fifaliany ary ny fitiavany aho, noho izahay tafaray tamin’ireo razambeko tao anatin’ny fanahy. Hahazo fitahiana miavosa isika ary hahazo fifaliana koa izy ireo rehefa navoaka avy ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy, satria tsinontsinona isika raha tsy misy azy ireo ary tsinontsinona izy ireo raha tsy misy antsika.”

Niteny tamintsika ny Mpaminanintsika hoe: “Ny Tompo dia manafaingana ny asany amin’ny fanangonana an’i Isiraely.  Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao . . . raha misafidy [ny hanao izany] ianao, raha tianao izany, dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao. Afaka ny ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray ianao, zavatra tena goavana, zavatra tena tsara!”2

Ndeha isika hanaraka ny torohevitry ny Filoha Nelson ka ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray, zavatra tena goavana, zavatra tena tsara.

FANAMARIHANA

  1. Russell M. Nelson, “Taranaka mifamatotra ao anatin’ny fitiavana,” Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, aprily 2010.

  2. Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely”, Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny Zatovo, jona 2018.

Hamoaka printy