2022
Zarao ny filazantsara
Febroary 2022


HAFATRA AVY AMIN’IREO MPITARIKA ETO AN-TOERANA

Zarao ny filazantsara

Tahaka ny mampientanentana antsika ny hizara fomba fahandro vaovao iray amin’ny fianakaviantsika no mampientanentana antsika ihany koa hizara ny tsiro “mafilotry” ny filazantsara amin’ny hafa.

Indray mandeha aho nanatrika lanonana iray izay nahitana sakafo matsiro tokoa. Tsaroako aho naniry hoe raha mba teo mantsy ny fianakaviako mba hanandrana izany sakafo izany. Kinanjo tsy teo izy ireo, saingy nentiko nody ny fomba fahandro ilay izy ary nandramako tany an-trano ny nahandro ny sasany tamin’ireo sakafo. Mitranga ho azy ny toy izany rehefa mihinana zavatra matsiro ianao. Tsaroako aho tamin’ny fahazazako nanasilatsilaka vatomamy iray mba hahazoako mizara izany tamin’ireo namako. Tsy ampy ny milaza amin’ny olona hoe mamy ny vatomamy ao am-bavako. Tsy ho takatry ny olona na oviana na oviana ny tsiro na ny hamamin’izany raha tsy efa nihinana tamin’izany vatomamy izany koa izy ireo.

Toy izany ny fizarana ny filazantsara. Raha tena ankafizintsika tokoa izany, raha mamy tokoa izany, dia hoy ilay tsiro hoe: “Zarao e!” Tsy ho tsara ve izany hoe ny fianakaviantsika rehetra no hahafantatra ny tsiron’izany? Tsy tiantsika ve ny hanana ilay fomba fahandro mba hahazoantsika mahandro ilay sakafo any an-trano ho an’ny fianakaviantsika? Ary ny fanontaniana dia ny hoe: iza no fianakaviantsika? Ny fianakaviantsika akaiky ve, ny fianakaviantsika lavitra ve, ny mpiray monina amintsika ve, ny mpiara-mianatra amintsika ve sa ny mpiara-miasa amintsika? Noho ireo fotoana niarahantsika tamin’izy ireo dia ny fiarahamonina iray manontolo! Isika rahateo zanaky ny Ray iraisana avokoa. Raha zanak’ Andriamanitra avokoa isika dia fianakaviam-be iray izany isika rehetra.

Mba hizarana ny filazantsara amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy dia mila Mitia, sy Mizara, ary Manasa isika. Raha maneho fitiavana tena izy sy marina amin’ireo manodidina antsika isika dia ho mora amintsika ny hizara, ary vantany vao mizara isika dia io herin’io fitiavana io ihany no hanampy azy ireo hanaiky ny fanasantsika. Endrey ny hafaliantsika ny amin’ny fisiantsika eo anivon’ireo olona izay fantatsika rehefa tonga any amin’ny Fanjakana Selestialy isika.

Amin’ny fomba tsotra indrindra no izarako ny filazantsara:

Zaraiko izany amin’ny alalan’ny fiainako izany. Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga. Indraindray dia tsy voatery isika hanatona ny olona sy hitory teny toy ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno, kanefa azontsika atao ny maneho izany fotsiny amin’ny fiainantsika andavanandro. Amin’ny ankabeazan’ny fotoana dia isika fotsiny no hany “soratra masina” hovakin’ny olona.

Mizara ny filazantsara aho amin’ny alalan’ny fampianarako ny fianakaviako. Amin’ny fakana antoka ny fanaovana ny takari-van’ny mpianakavy isaky ny alatsinaina isan-kerinandro sy amin’ny alalan’ny vavaka sy famakiana soratra masina ataon’ny mpianakavy isan’andro no anampiako ireo zanako hitombo ao amin’ny filazantsara. Ny fahazavana ao amin’izy ireo dia hanintona namana, sy mpiara-mianatra ary mpampianatra maro ka hanampy azy ireo haniry ny hahafantatra ny fiavian’izany hazavana izany.

Mitsidika ny tempoly matetika aho, indray mandeha isa-taona na dia eo aza ny halavirana sy ny saran’izany (48 ora raha mandeha fiara). Afaka mizara ny filazantsara amin’ireo izay ao amin’ny lafy roa an’ny voaly aho, ary manampy ahy hanao izany ny tempoly.

Zaraiko amin’ny WhatsApp ny soratra masina tiako indrindra, sy ireo memes, ary ireo vaovao momba ny zanako vavy izay misiônera. Indray mandeha dia nisy nangataka ahy hampiseho ny loharano nakako izany ary nahafahako nanararaotra nanome ny Bokin’i Môrmôna an’ilay olona izany.

Mizara ny fijoroako ho vavolombelona aho isaky ny manana fahafahana hanao izany. Zaraiko amin’ny olon-drehetra, na aiza na aiza izany, raha toa koa ka mbola omen’izy ireo izany fahafahana izany aho.

Fantatro fa velona Izy!

Hamoaka printy