2022
Mampifandray antsika amin’ Andriamanitra ny fanekempihavanana
Febroary 2022


“Mampifandray antsika amin’ Andriamanitra ny fanekempihavanana,” Liahona, febroary 2022

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona , febroary 2022

Mampifandray antsika amin’ Andriamanitra ny fanekempihavanana

Mitondra fitahiana ny fanatanterahana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana.

Ny fanekempihavanana dia fampanantenana eo amin’ny Ray any An-danitra sy ireo zanany. Izy no mametraka ireo fepetra mifehy ireo fanekempihavanana ataontsika Aminy. Rehefa manao ireo zavatra angatahiny amintsika isika dia mandray fitahiana maro. Ary tsy mandray fitahiana eto an-tany fotsiny ihany isika—rehefa manatanteraka sy mitandrina ireo fanekempihavanana isika dia hiverina hiara-hiaina amin’ Andriamanitra any an-danitra miaraka amin’ireo fianakaviantsika indray andro any.

Sary
batisa

Fanekempihavanana sy ôrdônansy

Manao fanekempihavanana isika mandritra ireo ôrdônansy sasantsasany. Mila mandray ireo ôrdônansy ireo isika ary mankatò ireo fanekempihavanana ireo mba hiverenantsika miaina amin’ Andriamanitra indray. Tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ny ôrdônansy. Ireo ôrdônansy ireo dia ahitana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, ny fandraisana ny Fisoronan’i Melkizedeka (ho an’ny lehilahy) ary ireo ôrdônansy izay raisintsika any amin’ny tempoly. Mandritra ny fanasan’ny Tompo dia manavao ireo fampanantenana izay nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra ireo mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79).

Sary
fanasan’ny Tompo

Manampy antsika hiaina amim-pahamarinana ireo fanekempihavanana

Mandritra ny batisa dia mampanantena ny hanaraka an’i Jesoa Kristy isika, ny hahatsiaro azy mandrakariva ary ny hitandrina ireo didy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37). Mampanantena Andriamanitra fa afaka ny hiaraka amintsika mandrakariva ny Fanahy Masina.

Rehefa mandray ny fisoronana ny lehilahy dia mampanantena izy ireo fa hiaina mba ho mendrika ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra. Mampanantena ny hitahy azy ireo Andriamanitra. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–40.)

Sary
Tempolin’i Recife, Brésil

Sarin’ny tempolin’i Recife Brésil nataon’i James Porter

Fanekempihavanana ataontsika ao amin’ny tempoly

Rehefa mandray ny fanafiany masina ao amin’ny tempoly ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mampanantena ny hiaina amim-pahamarinana sy hanao sorona ho an’ny filazantsarana. Ampanantenaina hery avy amin’ Andriamanitra izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32; 109:22).

Mandritra ny famehezana ao amin’ny tempoly dia manambady ho mandrakizay ny mpivady ary mampanantena fa hahatoky amin’ny izy samy izy sy amin’ Andriamanitra. Mampanantena Andriamanitra fa afaka ny hiverina any Aminy izy ireo ary hiaina ho toy ny fianakaviana mandrakizay. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20.)

Sary
misiônera

Isika dia vahoakan’ny fanekempihavanana.

Ireo izay miditra ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia lasa vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra. Mandova ireo fitahiana sy ireo andraikitry ny fanekempihavanana nataon’i Abrahama ihany koa izy ireo (jereo ny Galatiana 3:27–29). Ny hoe ampahany amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra dia midika fa mifanampy isika rehefa manakaiky kokoa an’i Kristy. Midika ihany koa izany fa miasa mba hampatanjaka ny Fiangonan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany isika. Rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia afaka ny hahita hery sy tankaja avy amin’ Andriamanitra.

Hamoaka printy