2022
Mpanarato olona
Febroary 2022


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Mpanarato olona

Tsy hetsika na fiaraha-mientana ny asa fitoriana: mandrafitra ny maha-isika antsika izany rehefa miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

Mba hahafahana miresaka mikasika ny fahatongavana ho mpanarato olona, dia te hizara zavatra niainana anankiroa aho.

Rehefa vita ny fianarako dia niala avy tao Etazonia izay nianaranay izaho sy i Alessandra vadiko ka niverina tany Brésil izay firenena niavianay. Nanomboka niaina fiainan’olon-dehibe izahay, ary nitady asa aho. Vanim-potoana sarotra teo amin’ny fiainanay izany satria tsy nanana fidiram-bola firy izahay, saingy nanao izay tsara indrindra vitanay mba hanana fizakan-tena ara-panahy sy ara-pitaovana. Nandritra io fotoana io dia nahita tolotr’asa ahafahana miasa ao amin’ny orinasa iray izay tena tiako tokoa aho. Fantatro fa tsy nananako ireo traikefa arak’asa notakina, kanefa, nandritra ny tafatafa natao, dia notaomim-panahy aho hiresaka mikasika ireo roa taona naha-misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno ahy ho an’ny Fiangonana. Rehefa niresaka momba ny asa nanirahana ahy aho dia lasa nizara ny drafitry ny famonjena sy ny tenin’ny fahendrena, ankoatra ireo zavatra hafa. Tena mora sy nandeha ho azy izany resadresaka izany.

Tia mihazakazaka aho ary tia mandray anjara amin’ny ekipa mpihazakazaka izay hahafahanay miara-manao fanazaran-tena sy mihazakazaka. Imbetsaka no misy manontany ahy hoe nahoana aho no tsy manao fanazaran-tena miaraka amin’izy ireo rehefa alahady na mandray anjara amina fifaninanana hazakazaka izay atao amin’ny andro alahady. Valiako hatrany izany amin’ny fitenenana fa ny andro alahady no andro fandehanako any am-piangonana miaraka amin’ny fianakaviako. Matetika io valinteny io no miteraka fanontaniana iray hahazoana fahalalana kokoa hoe: Fa aiza ianao no mivavaka? Rehefa mamaly ilay fanontaniana faharoa aho dia misy fanontaniana iray fahatelo foana aorian’ilay izy izay mamela ahy hizara ireo zavatra fototra inoantsika.

Tamin’ny fotoana niainako ireo zavatra ireo dia tsy nieritreritra firy mikasika izany aho raha tsy rehefa namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5: “Indro, lazaiko aminao ry Peter fa ianao dia handeha hiaraka amin’i Oliver rahalahinao; fa efa tonga ny fotoana ka ilaina Amiko ny hanokafanao ny vavanao hanambara ny filazantsarako, koa aza matahotra fa mampandria sofina amin’ny teniko sy ny torohevitry ny rahalahinao, izay homeny anao.”

Nisy fiantraikany teo amiko manokana io fanasana hanokatra ny vavako mba hanambara ny filazantsara io. Ohatra an’ireny mamaky ireny aho hoe: “Indro, lazaiko aminao ry Ciro, fa ilaina ny hanokafanao ny vavanao hanambara ny filazantsarako”. Tonga saina aho tamin’izay fa hay aho nanambara ny filazantsara araka ny nandidin’ny soratra masina tao anatin’ireo zavatra niainana voalaza etsy ambony ireo.

Matetika isika rehefa mieritreritra ny asa fitoriana no mieritreritra ny hanasa ireo namantsika ho any an-tranontsika ary manana tanjona ny hanasa misiônera manompo amin’ny fotoana feno ho avy ao hampianatra azy ireo ny filazantsara. Tena tsara izany ary tokony hanohy hanao izany isika. Kanefa asa fitoriana ihany koa ny zavatra nataoko nandritra ireo zavatra niainana anankiroa ireo. Nizara ny filazantsara tamin’ny fomba tsotra sy toy ny zavatra efa iainana mihitsy aho. Nantsoina isika mba: hitia, hizara, ary hanasa olona hanatona an’i Kristy amin’ny fomba tsotra sy toy ny zavatra efa iainana mihitsy.

Mazàna isika no manantena fa tokony hisy vokany eo no eo ny asa fitoriana ny filazantsara. Tsy azontsika refesina amin’ny isan’ny olona izay miditra ho mpikamban’ny Fiangonana aty aoriana amin’ny alalan’ny ezaka nataontsika ny fahombiazantsika amin’ny fitoriana ny filazantsara. Tsy fantatsika velively ny fiantraikany sy ny herin’ny teny sy ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika. Ohatra hoe hatramin’izao dia tsy mbola niafara tamin’ny batisa ireo zavatra niainana anankiroa nolazaiko teo. Kanefa faly aho fa nanokatra ny vavako sy nanambara ny filazantsara, ary manohy miresaka ny filazantsara amin’ny hafa aho. Indraindray dia ho ela vao haniry sy hamoa ireo voa ambolentsika. Hitranga haingana kokoa izany amin’ny fotoana hafa. Ny andraikitsika dia ny hanao izay tsara indrindra azontsika atao mba hanokatra ny vavantsika sy hanampy ny olona hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra.

Mba hanehoana izany dia afaka mijery ny fiovam-pon’i Parley P. Pratt isika. Rehefa tojo ny Bokin’i Môrmôna izy dia efa saika ho niova fo sy natao batisa teo no ho eo. Mifanohitra amin’izany dia roa taona no nilain’i Brigham Young nandalinana ny filazantsara vao nanaiky hatao batisa izy. Noho izany dia zava-dehibe ho antsika tokoa ny mitia sy mizara ary manasa. Na dia rehefa tsy manaiky avy hatrany ny fanasana ataontsika aza ny olona dia manohy mitia sy mizara ary manasa isika araka izay nampianarin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Vakintsika ao amin’ny Matio 4:19 izao manaraka izao: “Dia hoy [Izy] taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.” Io ihany no fanasana ataon’i Jesoa Kristy Mpamonjy amintsika tsirairay avy: hanaraka Azy sy hizara ny hafany.

Ka inona ary no zaraintsika? Vakintsika ao amin’ny 2 Nefia 25–26 ny hoe: “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.” Miresaka an’i Kristy isika. Azontsika soloina hoe -ny namantsika- ny hoe -ny zanatsika- ao amin’ilay andinin-tsoratra masina etsy ambony. “mba hahafantara[n’ny namantsika] ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”

Tokony hanao izany amin’ny fomba tsotra sy toy ny zavatra efa iainana mihitsy isika. Ho liana ny hahafantatra kokoa momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny olona satria mahafantatra antsika izy ireo. Tsy hetsika na fiaraha-mientana ny asa fitoriana; mandrafitra ny maha-isika antsika izany rehefa miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

Ny Loholona Ciro Schmeil dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny aprily 2020. Teraka tany Ponta Grossa, Brésil izy. Manambady an’i Alessandra Machado Louza izy. Manan-janaka roa izy ireo.

Hamoaka printy