2023
Getsemane
Jona 2023


“Getsemane,” Ho zatovo mahery!, apr. 2023.

Ireo toerana ao amin’ny soratra masina

Getsemane

Mianara misimisy kokoa momba ilay toerana niatombohan’ny fijalian’ny Mpamonjy ho antsika.

Sary
ala kelin’oliva

Aiza no misy azy?

Eny amin’ilay solampin’ny Tendrombohitra Oliva, eo atsinanan’i Jerosalema (amin’ny ankavanana raha ao amin’ilay sary, voamariky ny hazo mankadiry iray).

Sary
sarin’ny tanànan’i Jerosalema fahiny

Sarintanin’i Jerosalema nataon’i Jim Madsen

Inona no tao?

Sahan’oliva ary mety ho famotsehana hahazoana menaka avy amin’ny oliva.

Sary
famotsehana oliva

Inona no nitranga teto?

Taorian’ny Fanasana Farany dia nandeha niaraka tamin’ny Apôstôliny iraika ambin’ny folo tany Getsemane i Jesoa Kristy. Dia nandeha nivavaka Izy ka nitondra an’i Petera sy Jakoba ary Jaona niaraka Taminy.

Nanomboka “talanjona sady ory indrindra” Izy. Hoy Izy hoe: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty” (Marka 14:33–34).

Nivavaka Izy hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.

“Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.

“Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany” (Lioka 22:42–44).

Taorian’izany fijaliana mafy nozakain’ny Mpamonjy izany dia namadika Azy i Jodasy ary nosamborin’ny manamboninahitra Jiosy sy ny andiana miaramila Romana Izy.

Sary
I Jesoa Kristy tao Getsemane

Getsemane, nataon’i Michael Malm

Hamoaka printy