2023
Feno fankasitrahana noho ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny
Jona 2023


Ny feon’ireo mpikambana

Feno fankasitrahana noho ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny

Nahita hatrany ny fitiavan’Andriamanitra aho isaky ny namaky ny Baiboly, kanefa tsy nahita mihitsy fiangonana izay nampianatra izany araka ny fomba nahatakarako azy. Rehefa nampianatra ahy momba ny Famerenana amin’ ny laoniny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo misiônera, dia nahatsapa ny rariny sy nahatsapa fiadanana izay tsy mbola tsapako hatrizay aho. Valim-bavaka nandrasako efa ela ny nahitako ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny mba hahatakarako bebe kokoa ny fitiavan’Andriamanitra ahy. Ary nandefa anjely roa Andriamanitra tamin’ny endriky ny rahavavy misiônera roa.

Feno fankasitrahana aho noho ireo misiônera izay nitondra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny teo amin’ny fiainako dia ny Rahavavy Hanah Otera Kershw (Etazonia) sy ny Rahavavy Shelda Wandera (Kenya). Nanampy ahy izy ireo hahatakatra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ahy sy hahita fa izaho dia zanaka vavy ankamamiany ary ny maha izaho ahy dia avy amin’Andriamanitra.

Rehefa tafalatsaka lalina tao am-poko io fahamarinana io, dia vonona aho ny hanao fanekempihavanana mandrakizay Aminy. Natao batisa aho tamin’ ny 17 martsa 2019. Nitombo ny fitiavako an’Andriamanitra. Tamin’ny fotoana izay nahatsapako ny fitiavan’ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ireo misiônera.

Takatro fa ny fifandraisan’ny tsirairay amin’ny Ray any An-danitra sy amin’i Jesoa Kristy dia an’ny tena manokana ary tsy manam-paharoa. Ny Filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia nitarika ahy hanam-paniriana hianatra bebe kokoa momba Azy Ireo sy ny toetran’ Izy Ireo. Nianarako fa tsara fanahy sy be fitiavana ny Raiko any An-danitra, tia ahy tanteraka Izy ary fantany ny anarako sy ilay olona afaka ahatongavako amin’ny alalan’ny finoako Azy. Nianatra momba ny Mpamony sy ny nahim-pony hanao ny sitrapon’ny Ray aho. Naha-lalim-paka ny finoako sy ny fankasitrahako ary ny fahavononako manokana hanaraka Azy ny fisaintsainana momba ny fitiavany sy ny nahim-pony hamoy ny ainy.

Fantatro fa rehefa mampiseho fankasitrahana aho noho izay rehetra nataon’ny Ray any An-danitra ho ahy, dia fomba iray tena tsara izany mbola hanaovany misimisy kokoa. Mitondra hafaliana ho ahy sy manampy ahy hahafantatra ny halehiben’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ahy ny fanisako ireo fitahiana noraisiko. Feno fankasitrahana aho ny amin’ny Eveka Rodgers Makosa noho ny fanolorantenany hanompo an’Andriamanitra. Tsy vitan’ ny hoe nampianatra ahy tamin’ny teny sy ny ohatra izy ny amin’ ny fomba hahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy marina, fa nanampy ahy ihany koa izy hahita hoe afaka ho iza aho ary nanampy ahy hiomana ho amin’ny asa fitoriana sy ho amin’ny tempoly. Nahatsiaro tena ho bitika aho rehefa naharay ny antsoko hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno any amin’ny Misionan’i Ghana Accra Andrefana tamin’ny 2021.

Fitahiana ho ahy io antso io ary manome fifaliana bebe kokoa ho ahy ny mandray anjara amin’ny asa Famonjena ho an’ireo zanak’Andriamanitra rehetra sy mizara amin’ny hafa ny fomba nitahian’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fiainako. Fantatro fa rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna sy mivavaka aho dia manampy ahy izany hianatra hoe iza aho ary iza no tian’ny Ray any An-danitra hahatongavako.

Ny mizara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’ny hafa aty amin’ny asa fitoriana ataoko dia nanampy ahy amin’ny maha misiônera ahy handre Azy sy nanomana ahy handray anjara amin’ity asa lehibe ity ary hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely araka ny nampanantenain’ny Tompo. Ary ny fahitana voalohan’i Joseph Smith dia porofo fa mahafantatra ny anarantsika tsirairay Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka, rehefa niteny tamin’i Joseph Smith sy niantso azy tamin’ny anarany Andriamanitra Ray nanao hoe: “Joseph, ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:17).

Tena feno fankasitrahana aho noho ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Hamoaka printy