HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA
Inona no dikan’ny hoe mpitandrina fanekempihavanana
Ny hoe mpitandrina fanekempihavanana dia tsy midika hoe tonga lafatra. Midika izany hoe rehefa tsy mahomby isika dia mibebaka sy mihatsara.
Nampianatra antsika momba ny drafitry ny famonjen’Andriamanitra ireo mpaminany hatrizay. Ny fahafantarantsika ny drafitr’Andriamanitra dia manampy antsika hahatakatra hoe iza isika ary inona no andrasana amintsika mba hahafahantsika manao asa mifanaraka amin’ny toetra sy ny anjara mandrakizaintsika. Arak’izany dia misy ireo fanapahan-kevitra iankinan’ny aina izay tsy maintsy raisintsika mandritra ny fahavelomantsika—fanapahan-kevitra izay mamaritra ny hoavintsika mandrakizay ao anatin’io drafitry ny fahasambarana mahatalanjona io. Soa ihany fa manana drafitra ny hamerenana antsika any Aminy ny Raintsika any An-danitra, ary efa nampihetsika zavatra maro Izy hanampiana ny olona tsirairay. Raha vantany ka vonona ny hanokatra ny fotsika ho Azy isika dia afaka manao fampantenana Aminy, izay hanova ny fiainantsika sy ny fiainan’ireo fianakaviantsika mandritra ny taranaka maro.
Ao amin’ny bokin’i Almà ireo Lamanita dia nibebaka tamin’ny fahotan’izy ireo ary nanao fanekempihavanana ny hametraka ny fitaovam-piadian’izy ireo rehefa avy nandre ireo fampianaran’ireo misiônera. Nandray anaram-baovao teo aminy izy ireo rehefa nanao izany.Niantso ny tenany hoe Antia-Nefia-Lehia izy ireo, ary vahoakan’i Amôna taty aoriana (jereo ny Almà 24). Tsy zava-bitika teo amin’ny tantaran’izy ireo ny nanovany ny anarany rehefa nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra. Rehefa manao fanekempihavanana isika dia vonona ihany koa ny ho antsoina amina anarana vaovao: ny anaran’ i Kristy. Lasa zanakalahy sy zanakavavin’i Kristy isika (jereo ny Môzià 5:7–9).
Ny fanekempihavanana izay nataon’ny vahoakan’i Amôna tamin’Andriamanitra dia hoe izy ireo, izay vahoaka nahery fihetsika sy lian-drà, dia handevina ny fitaovam-piadian’izy ireo na inona na inona vidin’ izany ho an’ny tenan’izy ireo. Nanantena hiaina tao anaty fiadanana eo am-panompoana an’Andriamanitra tanatin’ny fotoana fohy ny vahoakan’i Amôna. Indrisy fa kely ny fahafahana niainan’izy ireo fandriam-pahalemana satria tezitra tamin’izy ireo ny hafa noho ny fiovam-pony sy ny fihavanana nataon’izy ireo tamin’ny Nefita. Vetivety dia tonga niady tamin’izy ireo ny fahavalony, nisedra ny fahamafisan’ny fampanantenana nataon’izy ireo.
Hoy izy ireo raha niatrika ilay safidy ny hiaro ny tenan’izy ireo na ho faty: “Ary ankehitriny ry rahalahiko, raha mitady ny hamongotra antsika ny rahalahintsika, dia indro hanafina ny sabatsika isika, eny, handevina azy lalina ao anaty tany mihitsy isika mba hahazoana mitahiry azy mamirapiratra ho toy ny vavolombelona amin’ ny andro farany fa tsy nampiasa azy na oviana na oviana isika; ary raha mamongotra antsika ny rahalahintsika, indro handeha any amin’Andriamanitra isika ary ho voavonjy” (Almà 24:16).
Tamin’ny fotoana nanafihana azy ireo dia nandohalika sy namela ny tenan’izy ireo hovonoina izy ireo ary nisaotra an’Andriamanitra fa nanana fahafahana ho faty ao anatin’ny fanahy madio. Rehefa lavo tamin-tsabatra tsy nisy fanoherana ny an’arivony taminy dia nanomboka tsikaritr’ireo Lamanita mpanafika tamin-tahotra ny habibian’ny heloka vitan’izy ireo. Maro no nanary ny fitaovam-piadiany ka nibebaka. Lasa namolavola ho avin’olona an’arivony ny finoana nitondran’ireo vahoakan’i Amôna ireo ny fanekempihavanany.
Tokony hitovy amin’ireo vahoakan’i Amôna isika ka mandray ireo fanekempihavanantsika am-pahamatorana. Tsy misy na inona na inona mendrika ny hamoizana azy ireny. Tsy any amin’ny mandrakizay fotsiny no handraisana ireo valisoa fa eto sy ankehitriny ihany koa ary hiantraika amin’ireo fianakaviantsika mandritra ny taranaka maro.
Ho an’ny ankamaroantsika dia tsy hiatrika fanapahan-kevitra ny hamoy ny aintsika na hitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika. Kanefa na dia mahatsapa ho matanjaka ao amin’ny fanekempihavanana tahaka ireo vahoakan’i Amôna aza isika, dia mety ho lasa sarotra ny mijanona ho mahatoky lalandava amin’izy ireny. Ohatra, nampanantena isika tamin’ny batisa fa hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy. Saingy fantatry ny tsirairay izay nanao izany fanekempihavanana izany fa tsy mahomby isika indraindray. Adinontsika ny mahatsiaro Azy mandrakariva, adinontsika ny manao izay ho nataony, tsy mahavita mitsara amim-pahamarinana isika na mandray ireo olona amim-pitiavana, sy ny sisa. Mety mahakivy ireo tsy fahombiazana ireo, kanefa tsarovy fa manana drafitra ho antsika Andriamanitra.
Manao fanekempihavanana fanampiny amin’ ny Raintsika any An-danitra isika any amin’ny tempoly, ary ho takalon’izany dia mampanantena Andriamanitra fa hampivoatra antsika bebe kokoa noho izay vitantsika samirery. Ny hoe mpitandrina fanekempihavanana dia tsy midika hoe tonga lafatra. Midika izany hoe tia an’Andriamanitra ary manolo-tena amin’ny fanekempihavanana izay nataontsika. Midika izany hoe rehefa tsy mahomby isika dia mibebaka sy mihatsara.
Azontsika afoy ireo fomba fijerintsika diso ary afaka mino fa tsara kokoa ny fihevitr’Andriamanitra amintsika. Tokony hitoky amin’izy ireny isika. Azontsika afoy ireo fanirian’ny tenantsika manokana satria ireo fanomezan’Andriamanitra dia lehibe lavitra mihoatra izay azontsika eritreretina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). Azontsika afoy ny fahatezerantsika ary afaka mangataka an’i Kristy hanampy antsika hitovy kokoa Aminy isika. Koa satria nanao fanekempihavanana isika dia mpianatr’i Kristy ary mangataka antsika Izy ny hamoy ny fomba fijerintsika an’izao tontolo izao hosoloina ny fomba fijeriny an’izany.
Ny fananana toe-panahy manetry tena sy fanoloran-tena lalina hiaiky rehefa diso, dia tena manan-danja rehefa miezaka manana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Andriamanitra dia mitady olona izay manolo-tena ny hihatsara lalandava. Raha manohy manandrana isika dia ho voahitsy ireo fahalementsika amin’ny alalan’ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Rehefa manao ireo fanekempihavanana manan-danja ireo isika sy mahatsiaro azy ireny, ary mahazo fahatakarana fanampiny avy amin’izy ireny, dia ho ampatanjahina ny fahavononantsika sy ny fahafahantsika mitandrina izany. Samy ilaina amin’ny fanatanterahana izany ny fanatrehana ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo sy ny fandehanana any amin’ny tempoly matetika arak’izay hahafahana. Ho tonga ny fanambarana rehefa mandalina ireo tenin’ny fanekempihavanana isika. Ny fitafiana ny garmentan’ny tempoly izay ampahany ao amin’ilay fanekempihavanana dia manampy antsika ihany koa hahatsiaro lalandava izany. Ny fankatoavana io ampahany amin’ny fanekempihavanana io dia manamafy orina antsika amin’ny fomba masina ary mampita hafatra amin’Andriamanitra mikasika ny finiavantsika ho mahatoky.
Tsy mahagaga ny Filoha Russell M. Nelson raha nanambara izao manaraka izao tamin’ny lahateny famaranana nataony tamin’ny Fihaonambe ôktôbra 2022: “Mampanantena aho fa ny fotoana lany betsaka kokoa any amin’ny tempoly dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy misy na inona na inona hafa hahavita izany. . . .
“Enga anie ianareo hifantoka amin’ny tempoly amin’ny fomba tsy mbola nataonareo hatrizay.”1