2023
Afaka manampy antsika ny Fanahy Masina
Jona 2023


“Afaka manampy antsika ny Fanahy Masina” Liahona, Jona 2023

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, Jona 2023

Afaka manampy antsika ny Fanahy Masina

Sary
lehilahy mipetraka no sady mijery ny fiposahan’ny masoandro

Mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny soratra masina dia miantso Azy koa hoe ny Fanahy, ilay Fanahy Masina na ilay Mpampionona. Rehefa mianatra mihaino ilay feony isika dia hijoro ho vavolombelona amintsika momba an’i Jesoa Kristy sy hanampy antsika hianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara Izy.

Mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra

Antsoina hoe Ny Andriamanitra ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Tia antsika ary miasa amim-piraisan-kina Izy ireo mba hahatanteraka ny drafitry ny famonjena. Na dia manana vatana nofo sy taolana aza ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ny Fanahy Masina dia tsy manana. Fanahy Izy.

Sary
Takela-pitaratra maneho ny sarin’ny Ray sy ny Zanaka

Vavolombelon’ny Ray sy ny Zanaka

Ny Fanahy Masina dia “mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka” (2 Nefia 31:18). Midika izany fa afaka mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika.

Mijoro ho vavolombelona amin’ny fahamarinana

Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehetra. Hanampy antsika Izy hahafantatra fa marina ny filazantsara, tafiditra ao anatin’izany ny dradfitry ny famonjena, ireo didin’ Andriamanitra, ny Famerenana amin’ny laoniny ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Hampahatanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona Izy rehefa manohy mivavaka sy mitandrina ireo didy ary mandalina ny filazantsara isika.

Sary
tanana mihazona kômpà

Mitarika sy miaro antsika

Afaka mitantana antsika eo amin’ireo fanapahan-kevintsika ny Fanahy Masina ary miaro antsika amin’ireo loza ara-batana sy ara-panahy. Hanampy antsika hahita valiny amin’ireo fanontaniantsika Izy raha toa isika ka mivavaka sy miezaka manao izay marina. Hitarika antsika “hanao ny tsara” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12) Izy.

Mampionona antsika

Indraindray ny Fanahy Masina dia antsoina hoe “ilay Mpampionona” (Jaona 14:26). Afaka mameno antsika “amin’ny fanantenana sy fitiavana tanteraka” (Môrônia 8:26) Izy rehefa miahiahy, malahelo na matahotra isika. Rehefa manampy antsika ahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra Izy dia afaka resentsika ny fahakiviana ary hahazo hery isika ao anatin’ny fitsapana.

Ny fanomezana ny Fanahy Masina

Rehefa vita batisa isika dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ao anatin’ny ôrdônansy iray antsoina hoe fandraisana ho mpikambana. Vantany vao mandray ity fanomezana ity isika dia afaka hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava rehefa miaina am-pahamarinana.

Sary
vehivavy iray mamaky soratra masina

Sary nataon’i J. Kirk Richards

Ny fomba andrenesantsika ny Fanahy Masina

Mifandray amin’ny olona amin’ny fomba maro samihafa ny Fanahy Masina. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fananana fahatsapana na hevitra feno fiadanana na mitondra fampiononana mikasika ny tokony holazaintsika na ny tokony ataontsika. Rehefa mivavaka mba hahazo fitarihana isika ary mihaino ny bitsiny dia afaka mianatra ny fomba firesany amintsika.

Hamoaka printy