2023
Liphapang Monesa avy ao Lesotho: Nampiova fiainana ny asa fitoriana ny filazantsara nataoko
Jona 2023


Ny feon’ireo mpikambana

Liphapang Monesa avy ao Lesotho: Nampiova fiainana ny asa fitoriana ny filazantsara nataoko

Nokarakarain’ny Tompo aho tao anatin’izay telopolo taona lasa izay ary tsy isalasalako fa hanohy hanao izany Izy rehefa manao ny anjarako amin’ilay fampanantenana aho.

Tamin’i Liphapang Monesa avy ao Maseru, Lesotho niditra ho mpikamban’ny Fiangonana fony izy mbola kely, ny safidy nataony mba hiditra ao amin’ny ranon’ny batisa dia vokatry ny faniriana hanaraka ny ohatr’ireo ray aman-dreniny. “Sivy taona monja aho tamin’izany fotoana izany koa dia ny ray aman-dreniko no narahiko kokoa fa tsy dia niantehitra loatra tamina fijoroana ho vavolombelona vao namony aho,” hoy izy.

Nony zatovo Rahalahy Monesa dia nanomboka nametra-panontaniana momba ny maro tamin’ireo fitsipika iorenan’ny finoany. “Tsy ny antony nahatonga ahy ho mpikambana no tena fanontaniana fa ny hoe inona no nahatonga ahy tafajanona ato amin’ny Fiangonana,” hoy izy. Amin’ny ankapobeny dia ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana avy amin’ny fandalinana ny soratra masina no valiny.

“Tamin’ny alalan’ny seminera no nahatonga ny soratra masina ho zavatra mahaliana ho ahy ka nony farany dia nandalina tamim-pahamatorana ny Bokin’i Môrmôna aho,” hoy izy. Rehefa hitan-dRahalahy Monesa fa “ny teny dia tsara” ka nanomboka “[n]ampivelatra ny fanahi[ny] . . . eny [n]anomboka ho fy [taminy]” (jereo ny Almà 32:28) dia latsa-paka tao anatin’ny fanahiny ny faniriany hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

“Nanamafy ny fanapaha-kevitro hitory filazantsara ny fijoroana ho vavolombelona nananako momba ny Bokin’i Môrmôna,” hoy izy.

Voantso nanompo tany amin’ny misiônan’i Zimbaboe Harare izy teo anelanelan’ny 2005 sy 2007.

Toy ireny hoe leson’ny fiainana novitaina tanaty fotoana fohy ireny ilay zavatra niainana.

“Hoy ny olona hoe rehefa mody ianao vao ho hita taratra ny fivoarana niainanao,” hoy izy. “Inoako fa tena marina izany. Mino aho fa nandritra ireo roa taona nitoriako ny filazantsara no nahazoako traikefam-piainana izay ho an-taonany maro vao azoko tamin’ny alalana lalam-piainana hafa.”

Namolavola ny hoaviny teo amin’ny lafin’ny fitarihana sy ny filofosana amin’ny asa ary ny finiavana hahomby ara-panahy sy ara-batana ny asa fitoriana ny filazantsara nataony.

“Nianatra aho fa ny fitarihana dia tsy resaka toerana fa fahafahana mitaona ny hafa amin’ny alalan’ny fahitsiana sy ny tsy fiovaovana ary ny fanehoana firaharahiana marina ho an’ny hafa,” hoy ny Rahalahy Monesa. Nitombo ny fahaizany mitarika sy manohana ny hafa hatramin’ireo roa taona nanompoany tany amin’ny sahan’ny misiôna. Nampivadika ny rasa ny fivoarana niainany hoy izy.

Ary angamba ny manan-danja indrindra dia hoe ireo roa taona nanompoana tamin’ ny fotoana feno no nanorina fototra ho ana fanoloran-tena ho an’ny Tompo mandritra ny andro sisa iainany.

“Mafy orina ny fanoloran-tenako hanompo ny Tompo hatramin’ ny fotoana nitoriako ny filazantsara,” hoy izy. “-Rehefa manao ny asan’ny Tompo ianao dia Izy no mandray an-tanana ny anao,- izay no tarigetrako. Efa nahita ny Tompo nandray an-tanana ny -asako- aho nandritra izay efa ho telopolo taona lasa izay ary tsy isalasalako fa hanohy hanao izany Izy rehefa manao ny anjarako amin’ilay fampanantenana aho,” hoy izy.

Hamoaka printy