2023
Fiampitana renirano amin’ny andro ankehitriny: HZM 2022 tao Gauteng
Jona 2023


HZM

Fiampitana renirano amin’ny andro ankehitriny: HZM 2022 tao Gauteng

Ny fomba nianaran’ireo zatovo mahatoky 530 sy ireo mpitarika zatovo 70 ny fomba “fahatokiana an’i Jehovah” nandritra ny fiampitana renirano iray tamin’ny fomba mahagaga.

Ny tolakandron’ny alahady 11 desambra 2022, fiara fitateram-bahoaka telo no niditra tao Konka, ilay trano nohofana ho an’ ny HZM—fihaonamben’ny zatovo naharitra dimy andro notontosaina ho an’ny zatovo tany amin’ny faritr’i Gauteng, Afrika Atsimo. Ny ampitso maraina dia zatovolahy sy zatovovavy 530 no nidina tao amin’ilay toerana, saingy ireo fiara fitateram-bahoaka telo voalohany ireo dia nitondra ireo lehilahy sy vehivavy tanora tokan-tena mahatoky miisa 70 izay nanaiky ny antso ho mpandrindra sy mpandrindra mpanampy ary mpanolotsaina ho an’ny HZM; tonga rehefa nentanin’ny fahatsapana adidy ny alina mialoha mba hanomana ny herinandro mampientanentana ho avy.

Tsy fantatr’ireo mpitarika tanora ireo izay ho entin’ilay alina.

Avy ny orana tamin’io takariva io. Efa novinavinaina fa ho avy isan’andro ny orana, saingy nanaitra ny rehetra ny hamafin’ny tafiotra. Saika nazava hatrany ny lanitra amin’ny alina noho ny fisian’ny tselatra. Nisy kotro-baratra sy ny oram-be mivatravatra ny alina manontolo ary nitohy mafy sy nahery vaika nony mangiran-dratsy.

Konka dia eo amin’ny adiny roa eo ho eo avaratr’i Johannesbourg. Mba hahatongavana any amin’ilay toerana, dia tsy maintsy nandeha lavitra tamin’ny lalan-tany ireo fiara fitateram-bahoaka ary niampita renirano tamin’ny alalan’ny tetezana nisy rano marivo vao niditra tao amin’ilay toerana.

Ny maraina tokony hahatongavan’ireo zatovo, dia nijery ny renirano izahay ary nahita fa niakatra izany ka tsy nisy na inona na inona afaka niampita ny tetezana. Toy ny Riandranon’i Victoria ny firohondrohon’ny rano mikoriana eo ambonin’ilay tetezana iva. Nanomboka nivavaka izahay mba hihena tsy ho ela ny orana, fa raha tsy izany dia tsy hisy hidirana ao amin’ilay toerana rehefa hanomboka ho tonga amin’ny 11 ora maraina ny zatovo. Mbola nitohy ihany anefa ny orana. Tamin’izay no nanombohan’ny antso feno fanahiana avy tamin’ireo mpitarika sy ray aman-dreny. “Hofoananareo ve ny HZM?” “Tokony hofoananareo ny HZM.” “Tokony handefa ireo fiara fitateram-bahoaka amin’izao andro izao ve izahay sa ajanonareo ilay izy?” “Angamba tokony hanemotra ny fanombohan’ny HZM ianareo mandra-pidin’ny haavon’ny rano.”

Rehefa nivavaka izahay mba hahafantarana izay tokony hatao dia tonga tao an-tsaiko hatrany ny tenin’ny Filoha Nelson. “Mikatsaha ary manantenà fahagagana.”1 Rehefa nivavaka anefa izahay dia toa nihamafy ny orana. Mbola nanana adiny efatra izahay mandra-pahatongan’izy ireo. Angamba mety hihena be izany rehefa ho tonga eto izy ireo ka hidina tsara ny haavon’ny rano, na dia toa tsy azo inoana aza izany. “Tsy foananay. Tongava fotsiny ihany. Hirindra ny zava-drehetra,” hoy ny navalinay. Rehefa nilaza ireo teny ireo tamim-pinoana izahay dia fantatray fa nila fahagagana izany.

Nanana antony fanampiny izahay tsy hanafoana ny HZM. Ny taona talohan’io saika tamin’ny fotoana nitovy tamin’io ihany koa no efa nomanina ho an’io vondrona io ihany koa ny HZM, efa nilamina sy nivonona ny rehetra. Tsy maintsy nofoanana ny HZM ny maraina tokony hanombohan’izany satria niparitaka haingana ny variant Omicron an’ny COVID izay niainga tany Afrika Atsimo. Efa tsy afaka nandray anjara tamin’ny fiaraha-mientana rehetra ny zatovo taona maro lasa izay noho ny Covid, ary tamin’ny minitra farany tamin’ny 2021 dia nesorina tamin’izy ireo ny hazavana teo amin’ny faran’ny tonelina. Hamerina izany indray ve isika amin’ny 2022? Manantena izahay fa tsy izany no izy.

Nijery ny tetezana izahay mba hahitana raha toa ka azon’ireo zatovo hitana an-tongotra izany. Tsikaritray fa ny ankabeazan’ilay tetezana dia nikoriananan’ilay renirano, saingy raha hampiasa izany izahay, dia mbola tsy maintsy niampita ampahany tamin’ilay renirano ireo zatovo tamin’ny rano farafahakeliny hatreo amin’ny lohalika izay nandeha mafy nandritra ny 30 metatra farany. Nangataka ny mpiasan’ny Konka izahay mba hanomboka hametraka tady manerana ny tetezana, ary nanantitrantitra fa tsy hampidi-doza ireo zatovo izahay, izay tsy mahay milomano mihitsy ny ankamaroany. Raha mazava tsara fa afaka niampita soa aman-tsara ny renirano izahay dia handroso tamin’izany drafitra izany.

Ora vitsivitsy talohan’ny nanombohan’ny fahatongavan’ireo zatovo dia nanao fivoriana sy fizarana vatsim-panahy haingana niaraka tamin’ireo tanora tokan-tena izahay. Ireo mpisava lalana tao amin’ny Fiangonantsika dia efa niampita renirano nandritra ny fotoan-tsarotra faran’izay sarotra tany aloha. “Mamelà ahy hilaza aminareo ny momba ny Reniranon’i Sweetwater any Wyoming sy ny tantaran’ireo andian-tsarety tarihin-tanan’i Martin sy Willie,” hoy aho.

Nitantara ny zava-nitranga tamin’ny 4 Nôvambra 1856 aho, izay tsy nahafahan’ireo mpikambana tao amin’ny andian-tsarety tarihin-tanan’i Martin nandeha lavitra ary nitomany rehefa nieritreritra ny hiampita an’io renirano io tao anatin’ny hatsiaka mamirifiry mba hitady fialofana amin’ny tafio-drivotra tao amin’ny toeram-pialofan’i Martin.

Nolazaiko tamin’izy ireo ny momba ireo mpikambana telo tao amin’ny vondrona mpamonjy voina avy any Salt Lake City, olon-dehibe tanora avokoa, izay nandroso sy nanolo-tena hitondra ireo tao amin’ny andian-tsarety manontolo hiampita ilay renirano mangatsiaka ary tsy mora tamin’izy ireo tokoa izany. Nanontany aho avy eo hoe: “Iza no vonona ny hanohy ity fomban-drazana ity sy hitondra ireo zatovontsika 530 miampita ny renirano anio maraina mba hahafahan’ny karazana famonjena hafa hitohy anio, eto?”

Nitsambikina nanolo-tena an-tsitrapo ireo tanora tokan-tena tao anatin’ny fientanentanana ho mpamonjy voina ho an’ny HZM 2022 ary hitondra ny zatovonay hiampita ny renirano. Nihazakazaka nankany amin’ny efitrano fatorian’izy ireo izy ireo ary nisolo akanjo sahaza, satria fantany fa ho lena sy maloto ao anaty renirano sy fotaka izy ireo.

Nandeha namakivaky ilay rano izahay tamin’ny 10:45 maraina. Efa nanomboka tonga ireo zatovo. Efa namboarin’ireo mpiasan’ny Konka ny tady hohazonina rehefa hiampita ny rano ary vonona ny hanampy ny tanora tokan-tena. Mpitarika maromaro no nihazona ny tady ary nandeha niampita ny renirano sy ny tetezana an-tongotra mba hiarahaba ireo zatovo sy ny ray aman-dreniny ary ny mpitarika azy ireo rehefa tonga izy ireo, mba hanome azy ireo toky sy antoka fa milamina sy nandroso ny zava-drehetra.

Feno hatairana ny endrik’ireo zatovo sy mpitarika rehefa nanazava ny zava-misy izahay ary nanome toromarika ireo zatovo mba hanala ny kirarony sy ny ban-kirarony ary hampiakatra ny patalohany araka izay tratrany. Efa voaomana mihitsy aza ny elo hialofana azy ireo amin’ny orana. Ankehitriny anefa dia hiampita renirano an-tongotra izy ireo. Rehefa teo am-pandehanana teo amin’ny tetezana ho an’ny mpandeha an-tongotra izy ireo, dia nisolifatra ny sasany ary latsaka tao anaty fotaka lalina sy malama ny sasany. “Tazomy ny tady!” no horakoraka heno nandritra ny adiny telo manaraka rehefa tonga tsikelikely ny vondrona.

Nalain’ireo tanora tokan-tena ny valizy rehetra sy ny fandriana rehetra ary nentiny niampita ny tetezana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Zatovo maherin’ny 500 no niampita ny renirano, na nobaben’ny tanora tokan-tena na nifidy ny lalan-kalehany manokana niampita ny renirano sady nihazona ny tady fiarovana. Nanomboka nihena ny orana ora vitsivitsy taty aoriana. Tontosanay izany, ary afaka nizotra ny HZM.

Naneho fankasitrahana tamin’ny fomba nitovy ny zatovo fa tsy nofoanana ny HZM ary nahita fomba handrosoana izahay. Nanao fanoharana maromaro ny amin’ny fiampitanay renirano izahay nandritra ny herinandro, izay samy nifandray avokoa tamin’ilay foto-kevitra hoe “matokia an’i Jehovah.” Ireo tanora tokan-tena izay nitana anjara toerana tamin’ny naha-mpanolotsaina dia tsy hoe nitondra sy nitarika ny zatovo niampita ara-bakiteny ny renirano fotsiny, fa avy eo dia nandany ny herinandro nampianatra sy nankahery ireo zatovo tamin’ny fomba izay nisy fiantraikany lalina sy manan-danja—nampianatra azy ireo sy nizara fitaovana ho an’ny fitetezana izao tontolo izao izay mihasarotra kokoa. Fiainana maro no niova mandrakizay.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy”, Liahona, Mey 2022, 97–100.

Hamoaka printy