Liahona
I Jesoa Kristy no loharanon’ny “fanantenana velona” sy “tsara,” ary “tena tsara indrindra”
Desambra 2024


I “Jesoa Kristy no loharanon’ny ‘fanantenana velona’ sy ‘tsara’ ary ‘tena tsara indrindra,’” Liahona, Des. 2024.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona desambra 2024

I Jesoa Kristy no loharanon’ny “fanantenana velona,” sy “fanantenana tsara”, ary “fanantenana tena tsara indrindra”

Amin’izao vanim-potoana manokana hankalazana ny fahaterahan’ilay zazakely tao Betlehema izao, dia enga anie isika hahatsiaro mandrakariva fa tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

I Maria sy Josefa ary i Jesoa zazakely

Ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, nataon’i Sharlotte Andrus

Ny Apôstôly Petera, ary i Jakôba sy Môrônia mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanantitrantitra ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahin’ny fanantenana ao amin’i Kristy tamin’ny fampianarana mitovy.

Ohatra, nanambara i Petera hoe, “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindram-pony ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty” (1 Petera 1:3; nampiana fanamafisana). Mariho kely ny fampiasana ny teny hoe “velona” mba hamaritana ny “fanantenana.”

Nanambara i Jakôba hoe, “Noho izany, ry rahalahy malala, mihavàna Aminy amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy, Zanany Lahitokana, dia ho azonareo raisina ny fitsanganana amin’ny maty araka ny herin’ny fananganana amin’ny maty izay ao amin’i Kristy, ka hanolorana anareo ho an’Andriamanitra ho toy ny voalohambokatr’i Kristy, rehefa nanam-pinoana sy nahazo ny fanantenana tsara ny voninahitra ao Aminy ianareo, talohan’ny hanehoany ny tenany ao amin’ny nofo” (Jakôba 4:11; nampiana fanamafisana). Mariho kely ny fampiasana ny teny hoe “tsara” mba hamaritana ny “fanantenana.”

Ary nilaza i Môronia hoe, “Ary tsaroako koa, satria efa nolazainao fa efa manomana trano ho an’ny olona Ianao, eny, dia any anivon’ny fonenan’ny Rainao, izay ahazoan’ny olona manana ny fanantenana tena tsara indrindra; koa tsy maintsy manantena ny olona, raha tsy izany dia tsy afaka mandray ny lova ao amin’ny fitoerana izay efa nomaninao” (Etera 12:32; nampiana fanamafisana). Mariho kely ny fampiasana ny teny hoe “tena tsara” mba hamaritana ny “fanantenana.”

Inona no atao hoe fanantenana ao amin’i Kristy?

Ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahin’ny fanantenana ao amin’i Kristy dia ny fiandrandrana amim-pifaliana ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny “fahamendrehana sy famindram-po ary fahasoavan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:8) sy ny faniriana mahery vaika hahazo ireo fitahiana ampanantenaina noho ny fahamarinana. Ireo mpamari-toejavatra hoe “velona” sy “tsara” ary “tena tsara indrindra” ao amin’ireo andininy ireo no manolotra fahatokiana tsy mitsaha-miitatra sy velona momba ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Nanazava ny mpaminany Môrmôna hoe:

“Ary koa, ry rahalahiko malala, mba te hiresaka aminareo ny momba ny fanantenana aho. Ahoana no ahatongavanareo amin’ny finoana, raha tsy manana fanantenana ianareo?

“Ary inona no hantenainareo? Indro, lazaiko aminareo fa hanana fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoanareo Azy araka ny fampanantenana.

“Koa, raha manam-pinoana ny olona iray dia tsy maintsy ilaina ny hananany fanantenana; fa raha tsy misy finoana dia tsy mety hisy fanantenana” (Môrônia 7:40–42).

Ny Drafitry ny Fahasambaran’ny Ray

Ny fanantenana ao amin’i Kristy izay velona sy tsara ary tena tsara indrindra dia manomboka amin’ny fahalalana fa velona Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay. Izy no Raintsika, ary zanany ara-panahy isika. Fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ara-bakiteny isika ary mandova ireo toetra araka an’ Andriamanitra avy Aminy.

Ny Ray no mpamorona ny drafitry ny fahasambarana (jereo ny Abrahama 3:22–28). Amin’ny maha fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, isika dia “nanaiky ny drafiny izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha mpandova ny fiainana mandrakizay azy.” Mianatra isika ao amin’ny soratra masina hoe: “Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ny olona; ny Zanaka koa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22). Noho izany, ny fahazoana vatana dia tena ilaina amin’ny dingan’ny fivoarana mankany amin’ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra.

Fitambarana zavatra roa isika. Ny fanahintsika, ilay ampahany mandrakizay ao amintsika, dia notafiana vatana nofo izay iharan’ny faniriana sy ny filan’ny fiainana an-tany. Natao hanomezana torolalana ho an’ireo zanany ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray, mba hanampiana azy ireo hiverina soa aman-tsara any Aminy miaraka amin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty sy nasandratra ary handray ireo fitahian’ny fifaliana sy fahasambarana mandrakizay.

I Maria miaraka amin’i Jesoa zazakely

Ilay Kristy Zazakely, nataon’i Sharlotte Andrus

Ny anjara asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra

I Jesoa Kristy no hany Zanaka Lahitokan’Ilay Ray Mandrakizay. Tonga teto amin’izao tontolo izao Izy mba hanao ny sitrapon’ny Rainy (jereo ny 3 Nefia 27:13). I Jesoa Kristy no ilay voahosotry ny Ray mba ho Solontenany manokana amin’ny zavatra rehetra mikasika ny famonjena ny olombelona. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika satria nandresy ny fahafatesana sy ny fahotana Izy.

Naminany tamin’ny vahoakan’i Gideôna momba ny asa famonjen’Ilay Mesia i Almà nanao hoe:

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.

“Ankehitriny mahalala ny zava-drehetra ny Fanahy, na dia eo aza izany, ny Zanak’ Andriamanitra dia miaritra araka ny nofo mba hahazoany maka ho eo Aminy ny fahotan’ny olony, mba hahazoany mamafa ny fandikan-dalàny araka ny herin’ny fanafahany” (Almà 7:11–13).

Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Ny finoana marina dia mifantoka amin’izay ao amin’ny Mpamonjy sy izay eo amin’ny Mpamonjy ary manome fahafahana antsika hatoky Azy sy hanana fahatokiana tanteraka ny heriny hamonjy antsika amin’ny fahafatesana sy hanadio antsika amin’ny fahotana, ary hitahy antsika amin’ny hery mihoatra ny ananantsika.

Nijoro ho vavolombelona i Môrônia hoe: “Ary noho ny fanavotana ny olona, izay tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia entina izy hiverina eo anatrehan’ny Tompo; eny, amin’izany no anavotana ny olon-drehetra, satria ny fahafatesan’i Kristy dia manatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty, izay manatanteraka ny fanavotana avy ao amin’ny torimaso tsisy fiafarany, avy ao amin’ny torimaso izay hamohazan’ny herin’ Andriamanitra ny olon-drehetra rehefa haneno ny trompetra; ary hivoaka izy ireo, na kely na lehibe, ary ny rehetra dia hijoro eo anoloan’ny fitsarany rehefa navotana sy novahana tamin’ny famatorana mandrakizain’ny fahafatesana, dia ny fahafatesan’ny nofo” (Môrmôna 9:13).

Mijoro ho vavolombelona aho fa nanapaka ny famatoran’ny fahafatesana ny Mpamonjy. Nitsangana tamin’ny maty Izy, velona Izy, ary Izy no hany loharanon’ny fanantenana velona sy tsara ary tena tsara indrindra.

Vatofantsika ho an’ny Fanahy

Nijoro ho vavolombelona ny Mpaminany Etera hoe: “Koa, na zovy na zovy no mino an’Andriamanitra dia mahazo manantena amim-pahatokiana tokoa tontolo iray tsara kokoa, eny, dia toerana eo an-tanan’ankavanan’Andriamanitra, dia fanantenana izay avy amin’ny finoana, mipetraka ho vatofantsika ho an’ny fanahin’ny olona, izay hahatonga azy ho azo antoka sy hifototra, hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara ary ho voatarika hankalaza an’Andriamanitra” (Etera 12:4; nampiana fanamafisana).

Amin’izao vanim-potoana manokana hankalazana ny fahaterahan’ilay zazakely tao Betlehema izao, dia enga anie isika hahatsiaro mandrakariva fa tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Omeny antsika ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sarobidin’ny fiainana, fahazavana, fanavaozana, fitiavana, fiadanana, fomba fijery, fifaliana ary fanantenana.

Manasa anareo aho hikatsaka araka ny tokony ho izy ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahin’ny fanantenana ao amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo mpaminany fahiny sy maoderina mikasika ny sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny. Rehefa manao izany ianareo dia mampanantena aho fa hihamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny maha-Andriamanitra an’ilay Mpanavotra, ho lalim-paka ny fiovam-ponareo Aminy, hitombo ny fanirianareo sy ny fahavononanareo hijoro ho vavolombelona mahery fo momba Azy, ary ho voatahy amin’ny vatofantsika ho an’ny fanahinareo ianareo—eny dia ny fanantenana velona sy tsara ary tena tsara indrindra.

Miaraka amin’ireo Apôstôly izay nijoro ho vavolombelona momba Azy nandritra ny taona maro dia manambara amim-pifaliana ny fijoroako ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Zanaka velon’ilay Andriamanitra velona. Izy no Mpanavotra antsika nitsangana tamin’ny maty miaraka amin’ny vatana nofo sy taolana feno voninahitra sy azo tsapain-tanana. Ary noho ny fanavotana sy ny fampihavanana amin’Andriamanitra izay ataon’ny Tompo ho azo tanterahina ho an’ny olombelona rehetra, dia afaka mahazo ny fanomezan-toky ara-panahy sy amim-panantenana velona sy tsara ary tena tsara indrindra isika ny “hahaveloman’ny olona rehetra ao amin’i Kristy” (1 Korintiana 15:22).

Fanamarihana

  1. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”, Médiathèque de l’Évangile.