Liahona
Nahita an’i Jesoa Zazakely i Nefia
Desambra 2024


“Nahita an’i Jesoa Zazakely i Nefia,” Namana, desambra 2024, 26–27.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, desambra 2024

Nahita an’i Jesoa Zazakely i Nefia

I Lehia mampianatra an’i Nefia, ary i Nefia mivavaka

Sary nataon’i Andrew Bosley

Nahita fahitana momba an’i Jesoa Kristy i Lehia rain’i Nefia. Te hahita io fahitana io koa i Nefia. Nivavaka izy ary nangataka mba hahita ny zavatra hitan-drainy.

I Nefia mahita an’i  Maria tao anaty fahitana

Nasehon’ny Fanahy Masina tamin’i Nefia ny fahitana mitovy tamin’io ihany. Nahita zatovovavy iray nantsoina hoe Maria i Nefia. Nilaza ny Fanahy Masina fa izy no ho renin’ny Zanak’ Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy.

I Nefia mahita an’i Maria sy i Jesoa Zazakely tao anaty fahitana

Hitan’i Nefia i Jesoa zazakely niaraka tamin’i Maria. Nilaza ny Fanahy Masina fa ho tonga eto an-tany i Jesoa mba hanampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

I Nefia eo am-panoratana ny fahitany; ankizivavy mamaky soratra masina

Hitan’i Nefia ny fiainan’i Jesoa Kristy. Nahita Azy nanompo sy nampianatra olona izy. Nianatra zavatra maro momba ny Mpamonjy i Nefia. Afaka mianatra momba Azy koa ianao amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina.

Pejy holokoina

Momba an’i Jesoa ny Krismasy

Pejy holokoina

Sary nataon’ i Adam Koford

“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika” (Isaia 9:6).