“Fitantanana ny zavatra atao ao amin’ny efitrano fianarana,” Fitantanana ny zavatra atao ao amin’ny efitrano fianarana (2023)
“Fitantanana ny zavatra atao ao amin’ny efitrano fianarana,” Fitantanana ny zavatra atao ao amin’ny efitrano fianarana
Fitantanana ny zavatra atao ao amin’ny efitrano fianarana
Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara dia manolotra tanjona fototra miisa telo izay tokony hezahin’ireo mpitantana sy mpampianatra tratrarina mba hahafahana manatontosa ny tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara:
-
Ampianarintsika ny mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany.
-
Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia ampianarina amin’ny fomba izay mitarika any amin’ny fahatakarana sy ny fiorenana mafy.
-
Manampy ny mpianatra isika mba hanatontosan’izy ireo ny andraikiny ao anatin’ny dingan’ny fianarana sy hanomanana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa.
Mba hanampiana amin’ny fanatratrarana ireo tanjona ireo dia amporisihina manokana ireo mpampianatra sy mpianatra ao amin’ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara mba hanao ireo Zavatra Manan-danja ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara.
Ireo fitsipika sy fomba fanao ary ny vokany ireo dia mifandray. Miteraka fananan’ny mpianatra fahafahana mahatakatra ny soratra masina sy ireo fotopampianarana ary fitsipika hita ao anatiny ireo zava-manan-danja ireo raha ampiharina amim-pahendrena sy ampifandrindrana tsara. Ireo zavatra manan-danja ireo dia mamporisika ihany koa ny mpianatra mba handray anjara mavitrika amin’ny fianaran’izy ireo ny filazantsara sy hampitombo ny fahafahan’ny mpianatra miaina ny filazantsara sy mampianatra izany amin’ny hafa.
Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy
Ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara dia miseho amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Mitranga ny fampianarana sy fianarana amin’ny alalan’ny Fanahy rehefa manao ny anjara asany na ny andraikiny miaraka amin’ireo mpampianatra sy mpianatra na miaraka amin’izy roa ny Fanahy Masina. Amin’ny alalan’ny fampianarana sy fianarana amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ahafahan’ireo mpianatra mahatakatra sy miantehatra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany amin’ny fomba izay ahafahan’izy ireo mahazo ny fiainana mandrakizay.
Nanantitrantitra ny anjara toerana lehibe hazonin’ny Fanahy Masina ao amin’ny fianarana ara-panahy ny Filoha Henry B. Eyring rehefa nampianatra izy hoe: “Raha tsy ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo mpianatsika dia tsy afaka mahafantatra an’Andriamanitra ary noho izany dia tsy afaka mitia araka ny tokony itiavan’izy ireo Azy. Amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ahafahan’izy ireo mahafantatra fa tia antsika tokoa Andriamanitra ka nandefa ny Zanakalahiny ho avotra noho ny fahotantsika ary i Jesoa no Zanakalahin’Andriamanitra, ary nanonitra ny saran’ny otantsika i Kristy. Amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ahafahan’izy ireo mahafantatra fa niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy ny Zanany nitsangana tamin’ny maty ary be voninahitra. Amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ahafahan’izy ireo mahafantatra fa teny marin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Ary amin’ny alalan’ny fanentanam-panahy ihany no ahafahan’izy ireo mahatsapa ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka azy ireo tamin’ny alalan’ny fanomezana antsika ireo ôrdônansy ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Amin’ny alalan’ny fahazoana ireo fijoroana ho vavolombelona ireo ihany, izay mitoetra lalina ao am-pony amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, no ahafahan’izy ireo miorim-paka ao amin’ny fototra azo antoka mba hijoroana mafy rehefa miatrika fakam-panahy sy fitsapana eo amin’ny fiainan’izy ireo” (“To Know and to Love God” [takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 26 Feb. 2010], 2).
Ity lisitra manaraka ity dia ahitana ny asan’ny Fanahy Masina sasantsasany izay mifandray mivantana amin’ny anjara asany eo amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara:
-
Mijoro ho vavolombelona momba an’Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy Izy (jereo ny 1 Korintiana 12:3Etera 12:41).
-
Mankahery (mampitraka na mamolavola ara-panahy) an’ireo mpampianatra sy mpianatra Izy (jereo ny 1 Korintiana 14:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:22–23; 84:106).
-
Mandrotsaka ny “vokatry ny Fanahy” Izy, izay ahitana ireo zavatra toy ny fifaliana, fitiavana, fiadanana, faharetana, ary hatsaram-panahy (jereo ny Galatiana 5:22–23; Romana 15:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23; 11:12–13).
-
Manome hery ny olona iray hiteny ombam-pahefana fahefana sy fahasahiana Izy (jereo ny 1 Nefia 10:22; Almà 18:35; Môrônia 8:16).
-
Mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara Izy (jereo ny Jaona 15:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:9; 100:8).
-
Manome fahamarinana, fahalalana, hevi-baovao, fahatakarana ary fahazavan-tsaina Izy (jereo ny Jaona 16:13; 1 Korintiana 2:9–11, 14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14; 11:13–14; 76:5–10, 116).
-
Manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hahatsiaro ireo hevitra, fisaintsainana na fitsipiky Izy (jereo ny Jaona 14:26).
-
Manentana ny fanahin’ny olona iray momba ny zavatra tokony holazaina na tsy tokony holazaina Izy (jereo ny Lioka 12:11–12; 2 Nefia 32:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85; 100:5–6).
-
Mitondra ny fahamarinana ao am-pon’ny olona Izy (jereo ny 2 Nefia 33:1).
-
Manalefaka ny fon’ny olona Izy (jereo ny 1 Nefia 2:16; Almà 24:8).
-
Manome fampionona Izy (jereo ny Jaona 14:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:3).
-
Manamasina sy manova ny fo Izy (jereo ny Môzià 5:2; 3 Nefia 27:20; Môrônia 6:4).
Raha vao mahatakatra ny anjara asa manan-danja tanterahin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fianarana ara-panahy izy ireo dia hanao izay azony hatao ireo mpampianatra mba hanasana ny Fanahy hanatanteraka ireo anjara asany ireo. Mba hanaovana izany dia hiezaka ny hanana fahamendrehan’ny tena manokana ireo mpampianatra. Hanolotra “vavaky ny finoana” izy ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14) ary hikatsaka ny ho vonona tanteraka ho an’ny lesona tsirairay. Hikatsaka ny hifantoka amin’ny traikefa ara-pianaran’ireo mpianany izy ireo ary hanana fahatoniana ao am-pony fa tsy hahatsapa fiahiahiana na fitebitebena mikasika ny zavatra hafa. Haneho fanahin’ny fikatsahan-javatra amim-panetren-tena izy ireo. Hamporisika ireo mpianany hanasa ny Fanahy Masina ao anatin’ny fotoana ianarany koa izy ireo.
Afaka manampy amin’ny fanorenana tontolo iray ahafahana mahatsapa ny Fanahy Masina ireo mpampianatra sy mpianatra amin’ny alalan’ny:
-
Fanaovana fivoriam-bavaka manentana ny fanahy.
-
Famakiana sy fampianarana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany.
-
Fifantohana amin’ireo ohatra sy fifanakalozan-kevitra mikasika ny Mpamonjy sy ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba Azy.
-
Filazana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara amin’ny fomba tsotra sy mazava.
-
Fakana fotoana hisaintsainana lalina mandritra ireo fotoam-pahanginana tena tsara.
-
Fizarana zavatra niainan’ny tena manokana araka ny tokony ho izy sy fijoroana ho vavolombelona amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika.
-
Fampiasana hira mamelona ny fanahy.
-
Fanehoana fitiavana sy fankasitrahana eo amin’ny tsirairay sy ho an’ny Tompo.
Afaka mahatsapa ireo mpampianatra raha toa ka mitranga na tsia ao amin’ny kilasin’izy ireo ny fiasan’ny Fanahy amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
-
Moa ve mahatsapa ho mitombo fitiavana ho an’ny Mpamonjy, sy ny filazantsara ary ny soratra masina ireo mpianatra?
-
Moa ve mahatakatra mazava tsara ireo fitsipika nampianarina ireo mpianatra?
-
Moa ve mahazo hery ireo mpianatra ary mahatsapa fa mahazo fanentanam-panahy mba handray andraikitra eo anatrehan’ireo fitsipika izay nianarany?
-
Moa ve mitombo ny firaisan-kinan’ny mpianatra?
-
Moa ve zaraina sy mihamatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona?
-
Moa ve liana sy mandray anjara amin’ny dingan’ny fianarana ireo mpianatra?
-
Moa ve misy “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, hatsaram-panahy ary finoana” (Galatiana 5:22) ao am-pianarana?
Zava-dehibe ny fahatsiarovana fa tsy misy mpampianatra afaka mahasolo ny asan’ny Fanahy, na dia manana talenta sy mahatoky toy ny ahoana aza. Indraindray ireo mpampianatra dia mety manandrana mamorona zavatra niainana ara-panahy iray. Nampianatra ny Loholona Boyd K. Packer hoe: “Tsy azonareo terena ny zavatra ara-panahy. … Ny Fanahy dia tsy azonareo terena mba hiasa bebe kokoa mihoatra ny tsy fahafahanareo manery ny tsaramaso mba hitsimoka, na ny atody mba ho foy alohan’ny fotoanany. Afaka manorina tontolo iray hisian’ny fivoarana, fikarakarana ary fiarovana ianareo saingy tsy afaka ny hanery na hibaiko: tsy maintsy miandry ny fivoarana ianareo” (“Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 53).
Ireo mpampianatra izay mikatsaka ny hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy dia tsy tokony hiantehitra voalohany indrindra amin’ny faharanitan-tsainy, na ny fahaizany mampianatra, na ny maha izy azy fa tokony hiantehitra kosa amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina (jereo ny 2 Nefia 4:34). Tokony hialan’izy ireo ny manamboamboatra fiontanam-po na manandrana amim-panahy iniana mampitomany ho fanehoana fa manatrika eo ny Fanahy. Nampitandrina ny Filoha Howard W. Hunter hoe: “Mihevitra aho fa raha tsy mitandrina isika amin’ny … maha-mpampianatra antsika izay mampianatra isan’andro ao an-dakilasy, dia mety manomboka manandrana maka tahaka amim-pisandohana ny tena fitarihana marin’ny Fanahin’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fomba tsy mendrika sy mifono fanerena hanaraka ambokony. Lasa miahiahy aho rehefa ampitoviana amin’ny fanatrehan’ny Fanahy ny fisehoan’ny fiontanam-po mahery vaika na ny fitomaniana be. Marina fa afaka mitondra fahatsapana mahery vaika ny Fanahin’ny Tompo, isan’izany ny ranomaso, kanefa izany fisehoana ivelany izany dia tsy tokony hafangaro amin’ny fanatrehan’ny Fanahy mivantana” (“Eternal Investments” [evening with a General Authority, Feb. 10, 1989], 4).
Tokony hitandrina ireo mpampianatra amin’ny fampiasana andian-teny toy ny hoe “Nilaza tamiko ny Fanahy fa …” na hoe “Nilaza ny Fanahy fa tokony … aho”. Ireo andian-teny ireo, na fanahy iniana na tsia, dia azo raisina ho fanambonian-tena ary mety hidika ho fananana lenta ara-panahy diso tafahoatra ka mety hiteraka endrika fanerena olona hanao zavatra toy ireny hoe manana fahefana ara-panahy ireny. Amin’ny ankapobeny dia ampy ho an’ireo mpampianatra ny manao zavatra araka ny bitsiky ny Fanahy ary tsy ilain’izy ireo ny milaza fa manao izany izy ireo.
Nanolotra izao torohevitra izao ny Loholona Henry B. Eyring: “Ny fanaovana izay ahatsapan’ny mpianatra ny Fanahy dia zava-dehibe lavitra noho ny firesahana mikasika izany. Ary fantaro fotsiny fa ny olona tsirairay dia mahatsapa ny Fanahy amin’ny fomba samihafa. … Amiko dia zavatra tena an’ny tena manokana izany ka aleoko mitandrina ihany eo amin’ny fanandramana hilaza amin’ny antsipiriany loatra momba izany. Ataoko fa ny zavatra iainana miaraka amin’izany … dia ho tsaratsara kokoa noho ny filazana foana hoe: ‘Mahatsapa ny Fanahy ve ianareo?’ Amiko dia mety tsy hahomby loatra izany” (“Dinidinika niarahana tamin’ny Loholona Richard G. Scott sy ny Loholona Henry B. Eyring” [CES satellite training broadcast, Aog. 2003], 8).
Tokony hitazona ao an-tsainy ireo mpampianatra fa ny fampianarana araka ny Fanahy dia tsy manaisotra ny andraikitr’izy ireo hanomana lesona amim-pahavitrihana sy amim-pitandremana, ary tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny fandaharam-pampianarana izay natolotra. Etsy ankilan’izany, ny fampianarana araka ny Fanahy dia mitaky mihoatra ny fanarahana fotsiny ny torolalana araka ny fandaharam-pampianarana rehetra fa mila arahana vavaka sy fandinihana na fampifanarahana ny lesona amin’ny zavatra izay mety ilaina. Ankoatra izany dia tsy tokony hifantoka be amin’ny fanarahana amin’ny fomba henjana ny rindran-damin’ny lesony ireo mpampianatra ka lasa tsy misokatra handray sy hanaraka ny fitarihana avy amin’ny Fanahy mandritra ny fotoam-pampianarana.
Mandrindra toeram-pianarana hanjakan’ny fitiavana, sy ny fanajana, ary misy tanjona
Rehefa ny mpampianatra sy ny mpianatra no tia sy manaja ny Tompo, mifankatia sy mifanaja, ary tia sy manaja ny tenin’ Andriamanitra.dia mihatsara ny fampianarana. Ny fahatsapana iraisan’ny rehetra fa te-hanatratra tanjona dia mampifantoka amin’ireo ezaka sy zavatra antenaina ary manome fitarihana mikasika ny zavatra iainana ao am-pianarana. Sady andraikitry ny mpampianatra no an’ireo mpianatra ny manorina sy mandrindra toeram-pianarana hanjakan’ny fitiavana, ny fanajana ary misy tanjona toy izany ary manasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina izay manome hery.
Fitiavana sy fanajana
Manalefaka ny fo sy manasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fitiavana. Rehefa mitia tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy ireo mpampianatra dia mahita ny hafa toy ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo izy ireo. Mitaona ny mpampianatra iray tsy hilavo lefona amin’ny fanampiana ny zatovolahy sy ny zatovovavy tsirairay hiova fo tanteraka ny toetra tahaka ny an’i Kristy. Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: “Rehefa nantsoina hampianatra isika dia tokony hanaiky ny antsontsika ary hampianatra noho ny fitiavantsika an’Andriamanitra Ilay Ray Mandrakizay sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy. Ankoatra izany, dia tokony hampianatra amim-pitiavana hatrany ho an’ireo mpianatra ny mpampianatra ny filazantsara. … Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny zanany no antony faratampony hanaovana asa fanompoana. Ireo izay mampianatra amim-pitiavana dia hohatsaraina mba ho fitaovana eo am-pelatanan’Ilay tompoin’izy ireo” (“Gospel Teaching,” Ensign, Nov. 1999, 79).
Ireo mpampianatra sy mpianatra izay tia ny Tompo sy mahafantatra ny fitiavany azy ireo dia manana faniriana marina ny te-ho akaiky Azy sy ho tonga bebe kokoa tahaka Azy. Izy ireo dia manaja sy manome voninahitra ny teniny sy ny tenin’ireo mpaminaniny amin’ny fomba izay mamporisika azy ireo handalina ny soratra masina amim-pahazotoana, hampihatra ny zavatra nianarany ary hizara ny zavatra ianarany amin’ny hafa.
Rehefa fantatry ny mpianatra fa tian’ny mpampianany sy ireo mpianatra hafa izy ireo ary hajainy dia tena ho tonga ao an-dakilasy ary ho vonona hianatra izy ireo. Ny fanekena sy ny fitiavana tsapan’izy ireo avy amin’ny hafa dia afaka manalefaka ny fony, mampihena ny tahotra ao aminy, ary miteraka ao anatin’izy ireo ny faniriana sy ny fahatokian-tena ilaina mba hizarana amin’ny mpampianany sy ireo mpianatra hafa ao an-dakilasy ireo zavatra niainany sy ireo fahatsapana ananany.
Afaka mikolokolo ny fahatsapan’ireo mpianatra fitiavana sy fanajana ho an’ny Tompo ireo mpampianatra amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahatakatra ny Sorompanavotana, sy amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo an’ireo toetra araka an’Andriamanitra sy ny maha-sarobidy mandrakizay azy ireo ho an’ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahiny, ary amin’ny alalan’ny firesahana sy ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy Ireo amin’ny fomba mandrika sy feno fanajana.
Tokony hampitombo ny fitiavany sy ny fanajany an’ireo mpianany ireo mpampianatra. Hanampy azy ireo hampiseho ny fitiavana madion’i Kristy ho an’ireo mpianany sy hanampy azy ireo hampianatra amim-paharetana sy amim-pangorahana ny fanaovana izany. Ny mpampianatra dia afaka mamantatra ny anaran’ireo mpianatra ary mikatsaka ny hahafantatra ny zava-mahaliana azy ireo, ny talentany, ny fanamby atrehiny ary ny fahazai-manaony. Afaka mivavaka ho an’ireo mpianany izy ireo, ho an’izy rehetra mitambatra sy ho an’ny tsirairay avy amin’izy ireo. Afaka mandray ny mpianatra tsirairay ao am-pianarana ireo mpampianatra ary manome fahafahana ny mpianatra tsirairay mba handray anjara. Tokony hihaino tsara izy ireo rehefa mametraka fanontaniana na mizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapany ireo mpianatra. Ankoatra izany, ireo mpampianatra dia afaka manatrika fampisehoana, fifaninana ara-panatanjahan-tena na hetsika hafa izay andraisan’ireo mpianany anjara. Amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba haneho fitiavana an’ireo mpianany dia tsy tokony hanandrana haka ny toeran’ireo ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny fisoronana na ho tonga mpanoro hevitra manokana ho an’ireo mpianatra ny mpampianatra.
Ny ankamaroan’ireo mpampianatra dia hanana mpianatra ao an-dakilasiny izay, amin’ny ampahany, dia voafetra ny fahafahany manao zavatra na manana fahasembanana ara-batana na ara-tsaina. Zanaky ny Ray any An-danitra koa izy ireny ary mila mianatra ny filazantsara na manao ahoana na manao ahoana ny olana na ny tsy fahafaha-manao zavatra sasantsasany atrehany eto amin’ny fiainana an-tany. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Ireo saina sy fanahy rehetra nalefan’ Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao hatrizay dia heverina fa afaka ny hivoatra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 210). Mila antra fo amin’ny mpianatra rehetra sy mahafantatra ny zavatra ilain’ny tsirairay sy ny fahaiza-manaony ireo mpampianatra rehefa manomana sy mizara ny lesony.
Ny iray amin’ireo zavatra tena manampy indrindra azon’ireo mpampianatra atao mba hananana fitiavana marina an’ireo mpianany dia ny fikatsahana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo. Nampianatra ny mpaminany Môrmôna hoe: “Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana [fiantrana] izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy zanany” (Môrônia 7:48).
Mamorona fahatsapana hanatratra tanjona
Ny fahatsapana te-hanatratra tanjona izay samy ananan’ny mpampianatra sy ny mpianatra dia afaka mampitombo ny finoana sy manome fitarihana sy lanja ny zavatra iainana ao am-pianarana. Tokony hahatakatra ireo mpianatra fa manatrika ny fianarana izy ireo mba hahafahany mahafantatra ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy ary mba hivoarany mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Tokony hino izy ireo fa amin’ny alalan’ny fanatonana ny Tompo ao anatin’ny toe-tsaina vonona hangataka sy hivavaka no ahafahan’izy ireo ho ampianarina sy ho atanjahina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Rehefa manao ny fandalinana ny soratra masina miaraka amin’ny fanantenana hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy sy avy amin’izy samy izy ireo mpampianatra sy mpianatra dia mandrindra tontolo izay manasa ny fahazoana fanambarana izy ireo.
Afaka mamporisika ny hisian’ny fahatsapana te hanatratra tanjona ao am-pianarana ireo mpampianatra amin’ny alalan’ny fanaovana izao manaraka izao:
-
Andrandrao ny hahatontosan’ny mpianatra ny anjara andraikiny amin’ny maha mpianatra azy. Misy ny fahatsapana te-hanatratra tanjona ao am-pianarana rehefa miandrandra ny hahatontosan’ireo mpianatra ny andraikiny amin’ny maha mpianatra azy ireo mpampianatra sy manampy azy ireo amin’ny fanaovana izany ary rehefa hatokisana ny mpianatra fa hitondra anjara biriky manan-danja. Ireo mpampianatra izay manana fahatsapana te hanatratra tanjona, izay tia marina ny mpianany, dia handray an-tanana tokoa ny fivoaran’izy ireo sy ny fahombiazan’izy ireo ka tsy ho afa-po amin’ny ezaka kely monja. Ny mpampianatra toy izany dia hamporisika ireo mpianany amim-pitiavana sy hampahery azy ireo mba hahatratrarany izay tokony hahatongavany amin’ny maha-mpianatra sy mpanara-dia an’i Jesoa Kristy azy ireo.
4:562:15 -
Aoka ianareo hahitsy fo, entanim-pitiavana sy ho mavitrika mikasika ny soratra masina sy ny filazantsara. Manana faniriana bebe kokoa hianatra miaraka amin’ny fananana tanjona ireo mpianatra amin’ny ankapobeny rehefa tsapany ny fientanentanan’ny mpampianany sy ny finoany mikasika ilay zavatra resahina.
-
Manomàna lesona mankahery. Rehefa tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny lesona tsara omana sy mankahery ireo mpampianatra ary manana fahatokian-tena amin’ilay torolalana izay nasaina narahan’izy ireo dia mampita fahatsapana te-hanatratra tanjona izy ireo izay mora fantatry ny mpianatra.
-
Manomàna ireo zavatra sy fitaovana ilaina. Tokony ho tonga ao am-pianarana alohan’ireo mpianatra ny mpampianatra mba hanomana ireo zavatra sy fitaovana rehetra ilaina. Manome fahafahana ho an’ireo mpampianatra handray tanana tsirairay ireo mpianatra izany eo am-pahatongavan’izy ireo. Tokony hiezaka ny ho tonga ara-potoana ao am-pianarana ireo mpianatra ary hanana ireo fitaovam-pianarana ilaina rehetra—toy ny soratra masina, pensilihazo fanasiana marika, sy diary—eo ambony latabany rehefa manomboka ny fampianarana.
-
Sorohy ny fandaniam-potoana. Rehefa manomboka ara-potoana ny fotoam-pianarana ary rehefa tsikaritr’ireo mpianatra fa tsy misy fotoana lanilaniana fotsiny amin’izao dia hahatsapa te hanatratra tanjona izy ireo.
-
Mametraha fomba fiasa mahazatra ao am-pianarana. Mitondra fahatsapana filaminana sy fahatsapana te hanatratra tanjona ny fametrahana fomba fiasa mahazatra ho an’ireo asa atao miverimberina matetika ao am-pianarana. Mamporisika ny fandraisana anjaran’ny mpianatra tsirairay ireo fomba fiasa mahazatra ary manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hahomby kokoa amin’ny fampiasana ny fotoam-pianarana izay sarobidy. Azo atao ny mametraka fomba fiasa mahazatra ho an’ireo asa atao toy ny fakana sy famerenana amin’ny toerany ireo soratra masina sy fitaovam-pianarana, fandrindrana sy fanasiana fivoriam-bavaka mankahery ary fizarana sy fanangonana ireo taratasy sy fitaovana. Ny fanaovana filazana, ny firaketana ny anaran’ireo mpianatra manatrika, ny fijerena ireo asa nampanaovina ary ny fanatanterahana asa hafa atao dia tena tsara raha atao alohan’ny fivoriam-bavaka sy ny lesona.
Sosokevitra fanampiny momba fandrindrana tontolo fianarana araka ny tokony ho izy
Ankoatra ny fitiavana, ny fanajana ary ny tanjona, ny tontolo tena tsara enti-mandalina ny filazantsara koa dia ahitana filaminana, fanajana lalina ary fahatsapana fiadanana. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer fa “Mora kokoa ny ahatongavan’ny fanentanam-panahy ao anatin’ny toerana milamina” ary “ny fanehoana fanajana lalina dia mampisy fanambarana” (“Reverence Invites Revelation,” Ensign, Nov. 1991, 21–22). Voatanisa manaraka eto ireo torohevitra fanampiny sasantsasany izay azon’ny mpampianatra ampiasaina hanorenana sy hihazonana tontolo iray izay mandrisika ny fianarana ny filazantsara.
Alamino ny toerana sy ny fitaovana ho an’ny fianarana.
Afaka hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra iainan’ireo mpianatra amin’ny fandalinany ny filazantsara ireo zavatra manodidina azy. Tokony hanao izay rehetra azony atao hanomanana ny efitrano fianarana ireo mpampianatra mba hahazoan’ireo mpianatra aina tsara sy hahafahany mifantoka amin’ny lesona. Ireo zavatra sasantsasany tokony hojerena dia mety ahitana ny:
Seza. Tokony hanana seza fipetrahana hahazoana aina tsara ny mpianatra tsirairay, sy toerana asian’izy ireo ny soratra masiny sy ny fitaovana fandalinana ary latabatra hanoratana, afa-tsy amin’ny toe-javatra tena tsy azo hanoarana ihany. Ny fipetrahan’ireo seza dia tokony hamela ireo mpianatra hahita mora foana ny mpampianatra sy ireo fitaovana jeren’ny maso izay ampiasain’ny mpampianatra. Raha mety dia azo arindra amin’ny fomba samihafa ny fomba fipetrahana mba hanohanana ireo sahanasa fandalinana samihafa. Ny fametrahana ny mpianatra amin’ny seza voatendry hipetrahany dia afaka manampy ireo mpampianatra hahalala haingana ny anaran’ireo mpianatra, handamina ny mpianatra ho vondrona kely mpiara-miasa na hanao fifehezana soratra masina, ary hanasaraka ireo mpianatra izay be resaka mandritra ny fotoam-pianarana. Tokony hiery amim-pitiavana ireo mpianatra izay mety tsy afa-mihetsika firy na tsy mahita tsara ireo mpampianatra amin’ny alalan’ny fikarakarana fipetrahana izay mamporisika ny fandraisan’izy ireo anjara mandritra ny fotoam-pianarana.
Zavatra manelingelina. Tokony hiezaka hanala izay zavatra manelingelina mety hampiato ny dingan’ny fampianarana sy ny fianarana ireo mpampianatra. Raha any an-trano no atao ny fampianarana dia mety hisy olana manokana vitsivitsy, kanefa na dia ao anatin’izany toerana izany aza dia afaka mampihena ny fampiatoatoana ireo mpampianatra raha manao drafitra tsara.
Endriky ny efitrano fianarana. Afaka manatsara ny toeram-pianarana ireo sary mikasika ny filazantsara, sarisary ary peta-drindrina sy zavatra ampirantiana hafa. Mamporisika ny fisian’ny fanehoam-panajana ihany koa ny efitrano fianarana madio sy milamina ary miteraka tontolo iray izay ahazoana ny fitarihan’ny Fanahy.
Bika aman’endriky ny mpampianatra. Ho vonona hahatsapa bebe kokoa ny maha zava-dehibe ny traikefa amin’ny fianarana ireo mpianatra raha toa ka maotina sy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny akanjo sy ireo kojakoja anaovan’ny mpampianatra ary maneho ny toetra masin’ny hafatry ny filazantsara.
Asao ny Fanahy amin’ny alalan’ny fivoriam-bavaka mahomby.
Tokony hanomboka amin’ny fivoriam-bavaka fohy ny fotoam-pianarana. Afaka ny ho fomba tena tsara hampiraisana hina ireo mpianatra ny fivoriam-bavaka amin’ny alalan’ny fampitodihana ny eritreriny sy ny fony amin’ny zavatra ara-panahy. Afaka manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hahatsapa ny Fanahy sy ho vonona hianatra izany. Amin’ny ankapobeny ny fivoriam-bavaka dia ahitana fihirana, vavaka ary vatsim-panahy avy amin’ny soratra masina. Tena mahomby izany rehefa mizara ny zavatra tsapany sy ny hevi-baovao izay azony avy tamin’ny fandalinany manokana ny soratra masiny ireo mpianatra sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Ireo fivoriam-bavaka lava sy be antsipirian-javatra loatra dia tsy vitan’ny hoe maka ny fotoana izay natokana ho an’ny lesona fotsiny fa mety hampisintaka ny Fanahy koa. Ireo fivoriam-bavaka izay ahitana fandrosoana ody am-bava fo dia azo antoka fa hahatonga toe-tsaina goragora sy te hifalifaly fa tsy toe-tsaina mikatsaka ny ara-panahy akory. Tokony hanokana fotoana hiresahana amin’ireo mpianatra ireo mpampianatra, indrindra amin’ireo mpitarika ao an-dakilasy, mikasika ny tanjon’ny fivoriam-bavaka, ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahatonga azy ireo ho olona tsara kokoa ary ny fomba ahafahan’izy ireo mamporisika ny fandraisana anjaran’ny tsirairay.
Ifanakalozy hevitra ireo fitsipika momba ny fandalinana ara-panahy.
Afaka mampandray anjara ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ireo fepetra ilaina hampisy fandalinana ara-panahy ireo mpampianatra any amin’ny fanombohan’ny taona (jereo ny 1 Korintiana 2:10–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:17–22; 88:121–26). Ireo fifanakalozan-kevitra ireo dia azo ampifantohana amin’ireo toetra izay manasa ny Fanahin’ny Tompo hiaraka amin’izy ireo mandritra ny fandalinana ny filazantsara ary koa ireo toetra izay mahatonga ny Fanahy hisintaka. Ireo mpampianatra sy mpianatra dia tokony hifamporisika tsy tapaka hampihatra ireo zavatra eken’izy ireo fa hanasa ny Fanahy. Ny ezaka toy izany dia afaka manampy ny mpianatra sy ny mpampianatra hahatakatra sy hanatontosa ny anjara asany eo amin’ny fanasana ny Fanahy mandritra ny dingan’ny fandalinana.
Safidio amim-pitandremana ireo asa fandalinana atao.
Tokony ho fantatr’ireo mpampianatra fa ireo asa fandalinana samihafa dia miteraka toe-tsaina sy toe-panahy samihafa eo amin’ireo mpianatra. Ohatra, taorian’ny fanatanterahana kilalao mampitabataba iray izay mifono fampianarana tany amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana dia sorisorena ny mpampianatra iray rehefa tsy afaka namarana ara-panahy kokoa ny lesona izy. Hitan’ny mpampianatra iray fa nitombo ny tsy fanarahana ny fitsipi-pifehezana rehefa nizara ody am-bava fo nandritra ny fotoam-pianarana izy.
Diniho tsara ny fihetsiky ny mpianatra ary mandraisa andraikitra mifanaraka amin’izany.
Tokony ho hitan’ireo mpampianatra ny zavatra mitranga mandritra ny lesona ary tokony handray andraikitra mifanentana amin’izany izy. Raha toa ka monamonaina na mikofokofoka ireo mpianatra dia satria mety tsy ampandraisina anjara izy ireo na tsy takany ny zavatra ampianarina na ny fomba fiantefan’ny lesona amin’izy ireo. Mba hanampiana ireo mpianatra hifantoka dia mety ilain’ny mpampianatra ny manova zavatra eo amin’ny fanolorana ny lesona. Raha toa ka manao fihetsika tsy mety loatra ireo mpianatra ary mahatonga ny Fanahy hisintaka mandritra ny fotoam-pianarana dia mila mikatsaka fanentanam-panahy mba hiatrehana ilay olana ny mpampianatra fa tsy hoe minia tsy mahita izany. Tokony hiery tsara ireo mpianatra izay tsy mifandray amin’ireo mpianatra hafa na toa manirery koa ireo mpampianatra. Mety mila fiahiana manokana fanampiny avy amin’ny mpampianatra na avy amin’ireo mpianatra hafa ao am-pianarana ireo mpianatra ireo. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany dia afaka miresaka amin’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo mpampianatra mba hamantarana raha misy anton-javatra na fepetra hafa izay tokony ho fantatr’izy ireo.
Ahitsio ireo fihetsika mikorontandrotana sy tsy araka ny tokony ho izy.
Misy fitsipika sasantsasany amin’ny ankapobeny tokony hatao ao an-tsaina izay hanampy ny mpampianatra iray hampanjaka ny filaminana sy ny fanajana araka ny tokony ho izy ao am-pianarana. Ny hoe milamina dia tsy midika ho fahanginana tanteraka foana ary tsy midika koa izany hoe tsy mahafinaritra sy mahafaly ny fotoam-pianarana iray. Kanefa mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny dingan’ny fandalinana sy hanakana ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fisian’ny mpianatra na vondron’ny mpianatra manakorontana na tsy maneho fanajana.
Rehefa misy mpianatra na vondron’ny mpianatra manao fihetsika tsy mety dia mety hahasorena ny mpampianatra sy ireo mpianatra hafa izany. Amin’ny fotoana toy izany dia zava-dehibe tokoa ho an’ireo mpampianatra ny mifehy ny fihetseham-pony ary mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy. Angamba zava-dehibe kokoa noho ilay toe-javatra miseho ny fahaizan’ireo mpampianatra miatrika izany ary afaka mampitombo na mampihena ny fanajana sy ny fatokian’ireo mpianatra. Rehefa manitsy ireo fihetsika tsy mety ny mpampianatra dia mila hentitra izy ireo saingy mila feno fitiavana sy tsy miangatra ary maneho fiahiana ,ary avy eo dia miverina manohy ny lesona haingana. Ny fanalana baraka mpianatra iray ampahibemaso dia mety hanova ny fihetsiky ny mpianatra iray mandritra ny fotoana fohy fa tsy hampahery na ny mpampianatra na ny mpianatra. Mety hahatonga ny mpianatra hafa hatahotra sy tsy hatoky ny mpampianatra koa izany. Tokony ho tsaroan’ireo mpampianatra ny fitarihana marin’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, ary ny halemem-panahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–42).
Misy dingana sasantsasany manokana azon’ireo mpampianatra arahina mba hiatrehana ireo olana rehefa mitranga izy ireo. Ireto misy fomba azo ampiasaina mba hamahana ireo olana izay mety tsy hitovy ny fomba fiasany amin’ny mpianatra na ny toe-javatra tsirairay:
-
Banjino tsara izy ireo. Matetika ireo mpianatra no mifampiresaka amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana izany satria mieritreritra izy ireo fa tsy hahatsikaritra izany ny mpampianatra. Afaka mijery ireo mpianatra ny mpampianatra ary mibanjina tsara azy ireo mandritra ny fotoana fohy mba hahafahantaran’izy ireo fa fantatry ny mpampianatra ny zava-mitranga.
-
Aza miteny intsony. Raha toa ka miresaka ireo mpianatra nefa tokony hihaino dia afaka tsy miteny intsony ny mpampianatra, na dia eny anelanelan’ny fehezan-teny iray aza raha ilaina. Tsy hahavaha ny olana amin’ny ankapobeny ny fampiakarana mafy ny feo hanaronana ny feon’izy ireo.
-
Manatòna akaikikaiky kokoa. Ny fihetsika iray hafa azon’ireo mpampianatra atao mba hanitsiana ny fihetsika nefa tsy voatery manitsy mivantana mpianatra iray dia ny manatona sy mijoro eo akaikin’ilay mpianatra mampiseho toetra tsy mety. Afaka manohy ny lesona ilay mpampianatra kanefa mazàna ilay mpianatra dia hahatsapa ny fijoroan’ny mpampianatra eo ary hanajanona ny zavatra ataony.
-
Mametraha fanontaniana. Azon’ilay mpampianatra hametrahana fanontaniana mifandraika amin’ny lesona ilay mpianatra manakorontana ka tsy aseho azy hoe tsikaritra ilay fihetsika tsy mety ataony. Tsy natao hanalana baraka ilay mpianatra akory izany fa mba hanampiana azy hiverina indray ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra.
Mety hisy fotoana tsy hanarahan’ireo mpianatra ireo ezaka atao tsy tonga dia mivantana ireo ary hanohizany ny fanakorontanana ny fotoam-pianarana. Ireto manaraka ireto misy dingana fanampiny sy mivantana kokoa izay azon’ny mpampianatra iray atao hitandroana ny filaminana:
-
Miresaha mitokana amin’ilay mpianatra. Nilaza ny Tompo fa raha misy olona manafintohina olona iray hafa dia tokony hiresaka amin’ilay olona nanafintohina ilay olona tafintohina ary “halainao izy ary hitokana ianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:88). Afaka mifanakalo hevitra amin’ilay mpianatra ny mpampianatra mikasika ny antony hanaovany izany fihetsika tsy mety izany ary mampahafantatra azy fa tokony hovaina izany fihetsika izany na hisy dingana fanampiny horaisina. Tokony hataon’ireo mpampianatra izay hanavahana ilay fitondran-tenan’ilay mpianatra amin’ny lanjan’izy ireo manokana. Zava-dehibe tokoa ho an’ireo mpampianatra ny mitadidy fa “lehibe ny hasarobidin’ ny olona eo imason’Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10). Tokony ampahafantarin’izy ireo an’ilay mpianatra fa na dia tsy azo ekena aza ilay fihetsika tsy mety dia omena lanja izy. Ireo mpampianatra dia tokony hahatsiaro hanaraka ny torohevitry ny Tompo sy hampiseho “fitiavana sesehena amin’ ilay nitsinao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:43).
-
Saraho toerana ireo mpianatra mahatonga ny tsy filaminana.
-
Miresaha amin’ireo ray aman-dreny na ny mpitarika ao amin’ny fisoronana. Raha mbola mitohy ny fihetsika tsy azo ekena dia matetika manampy ireo mpampianatra ny firesahana amin’ny ray aman-drenin’ilay mpianatra. Matetika ireo ray aman-dreny no afaka manome fomba fijery sy hevitra fanampiny izay hanampy amin’ny fanitsiana ilay olana. Ao anatin’ny toe-javatra sasantsasany dia mety afaka hanampy ny evekan’ilay mpianatra.
-
Esory ao amin’ilay kilasy ilay mpianatra. Nanome izao torohevitra manaraka izao ho an’ireo mpampianatra ny Filoha David O. McKay: “Raha toa ka tsy mahomby ny [ezaka ataonareo], dia afaka mitodika any amin’ireo ray aman-dreny ianareo ary milaza hoe: -Raha mbola mitohy izao fihetsiny izao dia tsy maintsy hanatsahatra ny fanatrehany ny fianarana izahay.- Fanapahan-kevitra tena fara-tampony izany. Afaka manala [mpianatra] iray ny mpampianatra rehetra, saingy tokony hataonareo daholo aloha ireo fomba hafa rehetra azonareo atao alohan’ny hahatongavana amin’izany. Saingy tsy maintsy mampanjaka ny filaminana isika!—ilaina eo amin’ny fivoaran’ny fanahy izany, ary raha tsy manaiky ny [mpianatra] iray, na raha tsy manaiky ny [mpianatra] anankiroa mba hanao izany zavatra takiana izany dia tsy maintsy miala izy ireo. Aleo ny [mpianatra] iray ho noana ara-panahy toy izay hanapoizina tsikelikely ny mpianatra rehetra” (“Guidance of a Human Soul—The Teacher’s Greatest Responsibility,” Instructor, Sept. 1965, 343).
Tokony hila hevitra amin’ny ray aman-dreny, ny tompon’andraikitry ny seminera sy institiota, ary ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mifanentana amin’izany ny mpampianatra alohan’ny hangatahana mpianatra iray tsy hanatrika ny fianarana mandritra ny fotoana voafetra. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany dia zava-dehibe ny fanampian’ny mpampianatra ireo mpianatra sy ireo ray aman-dreny hahatakatra fa nisafidy ny hiala amin’ny seminera ilay mpianatra tamin’ny tsy fisafidianany haneho fitondran-tena tsy azo ekena. Ilay fanakorontanana no tsy azo ekena fa tsy ilay mpianatra akory. Rehefa misafidy ny mifanohitra amin’izany ilay mpianatra dia horaisina hiverina hanatrika ny fotoam-pianarana indray izy.
Mandalina ny soratra masina isan’andro ary mamaky ny lahatsoratra mifandray amin’ny lesona
Halalino isan’andro ny soratra masina
Ny fandalinana ny soratra masina isan’andro dia manome fahafahana tsy tapaka ho an’ireo mpampianatra sy mpianatra hianatra ny filazantsara, hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananany ary hihaino ny feon’ny Tompo. Hoy ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Ny soratra masina dia omena amin’ny alalako ho fianaranareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:16). Nampianatra ny mpaminany Nefia fa ireo izay “mibosesika handroso … ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, … dia hahazo ny fiainana mandrakizay” (2 Nefia 31:20) ary “ny tenin’ i Kristy; … [dia] hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo” (2 Nefia 32:3).
Nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fandalinana isan’andro ny soratra masina ireo mpaminanin’ny andro farany. Nampitandrina ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Raha tsy mamaky ny soratra masina isan’andro isika dia hihamanify ny fijoroantsika ho vavolombelona, tsy hiorim-paka ny ara-panahintsika” (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 66). Nampianatra ny Loholona Howard W. Hunter hoe: “Azo antoka fa ny olona izay mandalina ny soratra masina isan’andro dia hahatontosa zavatra bebe kokoa noho ny olona izay manokana fotoana be dia be hanaovana izany ao anatin’ny iray andro ary avy eo dia tsy manao mandritra ny andro maro alohan’ny hanohizany izany indray” (“Reading the Scriptures,” Ensign, Nov. 1979, 64).
Niangavy ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Mba hareheto ao an-tsaina sy ao am-pon’ny tanora tsirairay izay sarobidy ny fitiavana ny soratra masina. Areheto ao anatin’ny tanora tsirairay ilay lelafo tsy mety maty izay mamporisika an’ireo izay nahatsapa izany hanam-paniriana ny hahafantatra lalandava ny tenin’ny Tompo, hahatakatra ny fampianarany, hampihatra azy ireo ary hizara azy ireo amin’ny hafa. …
“Voalohany, miaraha manao dingana tsikelikely amin’ny mpianatrao amin’ny alalan’ireo andinin-tsoratra maron’ny teny masin’ny Tompo. Ampio izy ireo hahatsapa ny fientanentananao mikasika ny soratra masina ary ny fanajanao sy ny fitiavanao izany.
“Faharoa, ampio izy ireo hianatra hamaky, hisaintsaina, ary hivavaka mitokana mba hahita ny hery sy fiadanana izay mirotsaka avy amin’ny soratra masina” (“Four Fundamentals for Those Who Teach and Inspire Youth” [Fivorian’ny manam-pahaizana ao amin’ny DFF momba ny Testamenta Taloha, Aog. 14, 1987], 5).
Misy zavatra vitsivitsy azon’ireo mpampianatra atao izay ho fitaomana mahery vaika sy maharitra kokoa hitarika any amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’ireo mpianany noho ny fanampiana azy ireo hianatra hitia ny soratra masina sy handalina azy ireo isan’andro. Izany matetika dia miantomboka amin’ny fanehoan’ireo mpampianatra ohatra amin’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro eo amin’ny fiainany manokana. Ahafahan’ireo mpampianatra manolotra fijoroana ho vavolombelona manokana amin’ireo mpianany mikasika ny lanjan’ny soratra masina eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny firobohana lalina sy manokana ao amin’ny fandalinana isan’andro ny soratra masina. Ny fijoroana ho vavolombelona toy izany dia afaka ny ho tonga fomba manan-danja hanampy ireo mpianatra hanolo-tena handalina mitokana ny soratra masina tsy tapaka.
Tokony hampianatra tsy tapaka ireo fotopampianarana sy fitsipika avy amin’ny fandalinana ny soratra masina manokana amin’ireo mpianatra ireo mpampianatra. Afaka mamporisika koa ny mpianatra tsirairay hanokana fotoana iray isan’andro handalinana manokana ny soratra masina, manampy ireo mpianatra ho tompon’andraikitra amin’ny fandalinany isan’andro amin’ny alalan’ny fampiasana fomba fanaraha-maso mifanentana amin’izany izay ahafahana mandrefy ny zava-bitany ary manome fahafahana tsy tapaka an’ireo mpianatra ao am-pianarana mba hifampizara ireo zavatra nianarany sy tsapany tao anatin’ny fandalinany manokana ny soratra masina ireo mpampianatra. Rehefa mamporisika ny fandalinana ny soratra masina isan’andro ireo mpampianatra dia tokony hitandrina mba tsy hanao izay hahamenatra na hahakivy ireo mpianatra izay manana fahasarotana amin’ny fanatanterahana ny fandalinany manokana ny soratra masina.
Ireo mpianatra manana olana eo amin’ny famakiana na olana hafa eo amin’ny fandalinana dia tokony ho tolorana ny safidy handalinana ny soratra masina amin’ny endriny izay mety hifanentana kokoa amin’ny zavatra ilain’izy ireo, toy ny raki-peo, Teny Tanana Amerikana, na ny Soratra ho an’ny jamba. Mahazo tombontsoa avy amin’ny fanarahana ireo pejy vita printy ireo mpianatra izay manana fahasarotana eo amin’ny famakiana rehefa misy olona hafa mamaky amin’ny feo mafy.
Ireo fomba enti-mandalina ny soratra masina
Afaka manampy ireo mpianatra hampivelatra sy hampiasa fomba enti-mandalina ny soratra masina maro samihafa ireo mpampianatra mba hanampiana azy ireo hahomby eo amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina. Ireto fahaiza-manao sy fomba manaraka rehetra ireto, ary koa ireo hafa izay tsy voaresaka ao anatin’ity boky torolalana ity dia tokony hatao mba hanampiana ireo mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy, hahatakatra ny soratra masina ary hahita sy hampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Ampiasao ireo fitaovana enti-manampy amin’ny fandalinana soratra masina. Nanomana fitaovana enti-manampyloharanom-panampiana maro dia maro ho an’ny fandalinana ny soratra masina ny Fiangonana ary nampiditra azy ireo ao anatin’ny soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana ho an’ireo fiteny sasantsasany. (Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia amboaram-pitaovana enti-mandalina izay nomanina ho an’ireo fiteny hafa.) Ireo fanampiana ireo dia ahitana zavatra toy ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy, sasintenin’ny toko, lohahevitra araka ny abidia, ny Rakibolana ho an’ny Baiboly, ary ireo sarintany. Anisan’ireo fanampiana tena sarobidy tokoa azon’ireo mpampianatra sy mpianatra ampiasaina izany rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo. Afaka manampy ny mpianany hizatra hampiasa ireo fitaovana enti-manampy amin’ny fandalinana sy loharano ireo ny mpampianatra amin’ny alalan’ny fampiasana azy ireo araka ny tokony ho izy mandritra ny fotoam-pianarana. Nametraka loharano enti-mandalina hafa izay manampy ary hita an-jotra koa ny Fiangonana.
Mariho sy asio fanamarihana. Isan’ireo fomba tena manampy indrindra ahafahan’ireo mpampianatra sy mpianatra mahazo an-tsaina sy mitadidy ireo zavatra nianarany ny fanisiana marika sy fanamarihana eo amin’ny soratra masina. Ny hoe manisy marika dia manondro, mampiavaka, manokana na misarika ny saina amin’ny zavatra iray. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny fanipihana, fanisiana loko na fanavahana ireo teny na andinin-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Ny hoe manisy fanamarihana dia midika hoe manampy fanazavana na fanehoan-kevitra. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo ohatra eo amin’ny fanamarihana ara-tsoratra masina ny fanoratana ny zavatra tsapan’ny tena, fanamarihana mifono faminaniana, andinin-tsoratra masina mifandray, famaritana teny, na hevi-baovao azo avy amin’ny fanamarihana nozarain’ny mpianatra izay soratana eny amin’ny faritra tsy misy soratra eny amin’ny sisin’ny pejy ho an’ireo andinin-tsoratra masina manokana.
Ny fanisiana marika sy fanamarihana ny soratra masina dia afaka manampy ireo mpianatra sy mpampianatra:
-
Hanao izay hanamorana ny fitadidiana sy ny fitadiavana ireo teny manan-danja, andian-teny, fahamarinana, olona ary zava-nitranga.
-
Hanazava sy hitady ny hevitra fonosin’ny lahatsoratry ny soratra masina.
-
Hitahiry ireo zava-baovao hitan’ny tena manokana sy ireo voarain’ny hafa.
-
Hiomana hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa.
Afaka mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ny soratra masiny ireo mpampianatra amin’ny fitenenana zavatra toy ny hoe: “Eo am-pikarohanareo ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manasa anareo aho hanisy marika ny fitsipika manan-danja izay hitanareo ao,” na hoe “Ity izao misy andinin-tsoratra masina mifandray izay manan-danja. Azonareo atao ny manoratra izany eo amin’ny sisin’ny soratra masinareo izany.” Tsara kokoa ny mampianatra, maneho an-tsary sy mampihatra ireo singa fototra hita ao amin’ny fanisiana marika ireo soratra masina mandritra ny taona raha oharina amin’ny fampianarana fomba iray manokana fanisiana marika.
Saintsaino. Ny dikan’ny hoe misaintsaina dia mamakafaka na mieritreritra lalina mikasika ny zavatra iray, ary matetika arahina vavaka. Rehefa mianatra misaintsaina ireo mpianatra mandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina dia matetika ny Fanahy no hanambara ny fahamarinana amin’izy ireo ary hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba ahafahan’izy ireo ho lasa kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy.
Taorian’ny nampianarany ireo Nefita dia nilaza tamin’izy ireo ny Mpamonjy hoe: “Saintsaino ny zavatra izay efa nolazaiko” (3 Nefia 17:3). Fomba iray hanampiana ireo mpianatra handray anjara ara-panahy ao amin’ny lesona sy hamporisika azy ireo hampihatra sy hampahalalina ny fahatakarany ny zavatra nianarany ny fanomezana azy ireo fotoana hisaintsainana mikasika ny zavatra nianarany mandritra ny fotoam-pianarana. Amin’ny fotoana tahakaizany dia tokony hamporisika ireo mpianatra hangataka fanampiana avy amin’ny Tompo ireo mpampianatra.
Mametraha fanontaniana. Ny fianarana mametraka fanontaniana sy ny fikatsahana valiny eo am-pandalinan’izy ireo ny soratra masina dia iray amin’ireo fahaizana mandalina soratra masina manan-danja indrindra azon’ireo mpianatra ananana. Amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana, ireo mpianatra dia afaka mahazo fahatakarana tsara kokoa ny sahan-kevitry ny soratra masina sy ny votoatiny, ary hahita sy hahatakatra koa fotopampianarana sy fitsipika manan-danjan’ny filazatsara. Afaka mianatra mametraka fanontaniana izay hitarika azy ireo hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny zavatra ianarany ary hahafantatra ny fomba ampiharana izay nianarany ireo mpianatra.
Farito ireo teny sy andian-teny sarotra. Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo teny sy andian-teny sarotra matetika ny rakibolana, ny boky fandalinan’ny mpianatra, ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy ary ireo fitaovana enti-manampy amin’ny fandalinana ny soratra masina.
Alaovy sary an-tsaina. Mitranga ny fakana sary an-tsaina rehefa alain’ny mpianatra sary ao an-tsaina ny zava-mitranga ao amin’ilay tantara ao amin’ny soratra masina. Ohatra, azon’ireo mpianatra alaina sary an-tsaina i Petera mandeha eny ambony rano manatona ny Mpamonjy (jereo ny Matio 14:28–29), na ny nanipazana an’i Sadraka sy Mesaka ary i Abednego tao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra (jereo ny Daniela 3:19–25). Ny fakana sary an-tsaina dia afaka manampy hahatonga ny tantara ao amin’ny soratra masina hazava kokoa sy ho toy ny nisy marina ho an’ireo mpianatra.
Mampihatra ny soratra masina. Ny atao hoe mampihatra ny soratra masina dia mampitaha izany amin’ny fiainan’ny tena manokana. Afaka mametraka fanontaniana ny mpianatra hoe: “Inona ireo toe-javatra sy zava-mitranga eo amin’ny fiainako izay mitovy amin’ireo toe-javatra sy zava-mitranga ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity?” na “Inona no mampitovy ahy amin’ireo olona izay ianarantsika ao anatin’ny soratra masina?” Rehefa hitan’ireo mpianatra ny fitoviana misy eo amin’ny zavatra iainan’izy ireo sy ireo voalaza ao amin’ny soratra masina dia ho afaka ny hamantatra tsara kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara izy ireo. Afaka mahita ny fomba ahafahana mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny toe-javatra mitovy izay mitranga eo amin’ny fiainany manokana koa izy ireo.
Soratra masina mifandray. Ny atao hoe soratra masina mifandray dia andinin-tsoratra masina fanampiny izay afaka manome fampahalalana sy hevi-baovao mikasika ilay andinin-tsoratra masina izay nohalalinina. Ny hoe mampifandray soratra masina na “mampitohy” dia fampifandraisana ireo andinin-tsoratra masina izay manampy ireo mpianatra hahatakatra andinin-tsoratra masina na fotopampianarana na fitsipika iray. Ireo soratra masina mifandray izay manampy dia mety ho hita eny amin’ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy ao amin’ny fitaovam-panampiana hafa enti-mandalina, ao amin’ny boky fampianarana sy fandalinan’ny mpianatra ary ao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana. Afaka mahita soratra masina mifandray manan-danja ihany koa ireo mpampianatra sy mpianatra mandritra ny fandalinany manokana.
Manaova fampitahana sy fampifanoherana. Matetika no mazava ny andinin-tsoratra masina na fotopampianarana na fitsipika iray rehefa ampitahaina na ampifanoherana amin’ny zavatra hafa. Ny fanavahana ny fitoviana na ny fahasamihafana eo amin’ireo fampianarana, na olona, na zava-niseho dia afaka manome lanja lehibe kokoa ny fahamarinan’ny filazantsara. Ohatra, ny fijerena ny zavatra mifanohitra teo amin’ny fitondran’ny Mpanjaka Benjamina sy ny an’ny Mpanjaka Noà dia ahafahan’ireo mpianatra mahita mazava tsara ny fitahiana avy amin’ny fananana mpitarika marina sy ireo vokatra tena manimba avy amin’ny mpitondra ratsy fanahy. Ny fampitahana ny fiainana, fampianarana, ary fijoroana ho vavolombelon’i Jakoba sy i Almà amin’ny fotokevitra sy ny fiainan’i Serema sy Kôrihôra dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra mora kokoa ny fampianaran-diso eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ary hahita ny fomba hanoherana azy ireny. Ny fampitahana sy fijerena ny zavatra mifanohitra ao anatin’ireo dia maro samihafa tany amin’ireo tany nampanantenaina nataon’ny zanak’i Isiraely, i Lehia sy ny fianakaviany, ary ireo Jaredita dia afaka mampianatra fitsipika izay hanampy ireo mpampianatra sy mpianatra ao anatin’ny diany manokana eo amin’ny fiainany.
Manaova lisitra. Ny lisitra dia fitambaran’ireo eritreritra, hevitra na torolalana mifandray. Afaka manampy ny mpampianatra sy ny mpianatra hamantatra ny hevi-dehibe izay tian’ny mpanoratra antitranterina ny fijerena ireo lisitra ao amin’ny soratra masina. Ohatra, ny Didy Folo dia lisitra iray (jereo ny Eksodosy 20). Azo raisina ho lisitra ihany koa ny toriteny momba ny Hasambarana (jereo ny Matio 5:3–12; 3 Nefia 12:3–11). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 dia ahitana ny lisitr’ireo fepetra mahafeno ny fahamendrehana ho an’ireo izay voantso hanompo ny Tompo.
Tadiavo ireo zavatra mampifandray sy lamina, ary lohahevitra. Azo amporisihina hikaroka ireo zavatra mampifandray sy ny lamina ary ny lohahevitra ireo mpianatra rehefa mandalina ny soratra masina. Nilaza ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fikarohanazavatra mampifandray sy lamina ary lohahevitra ao anatin’ny fanambarana dia mampiorim-paka ny fahalalantsika ara-panahy sy mampitombo izany … . Mampivelatra ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika ny drafitry ny famonjena izany” (“A Reservoir of Living Water” [CES fireside for young adults, Feb. 4, 2007], 2).
Hampiasa ny ankamaroan’ireo fahaiza-manao ireo amin’ny ankapobeny ny mpampianatra sy ny mpianatra mandritra ny taona ao am-pianarana. Rehefa manao izany izy ireo dia mety hiato kely indraindray ireo mpampianatra ary hifanakalo hevitra fohy amin’ireo mpianatra mikasika ilay fomba na fahaiza-manao izay nampiasaina ary hamporisika azy ireo hampiasa izany ao anatin’ny fandalinan’ny tenany manokana.
Mamaky ny lahatsoratra ao anatin’ilay taranja
Ireo soratra masina ankatoavina rehetra—ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy—dia asasoratra azo avy amin’ny fanentanam-panahy izay mitahiry ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Maneho ireo asan’Andriamanitra miaraka amin’ny olombelona izy ireo sy mampianatra mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Manan-danja izy ireo rehefa mandeha tsirairay, ary rehefa miaraka dia manome fahatakarana bebe kokoa mikasika ny filazantsara sy ny drafitry ny famonjena izay nomanin’ny Raintsika any an-danitra.
Tokony hamaky sy handalina ny boky soratra masina iray manontolo izay mifandray amin’ny taranja tsirairay ianarana ireo mpianatra sy mpampianatra (afa-tsy ireo ampahany nofantenana avy ao amin’ny Testamenta Taloha, arak’izay voalaza ao amin’ny fandaharam-pampianarana).
Manakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina sy ny votoatiny ary ireo tenin’ny mpaminany
Manomana ireo mpampianatra sy mpianatra hahafantatra ny hafatr’ireo mpanoratra nentanim-panahy ny fahatakarana ny sahan-kevitry ny soratra masina sy ny votoatiny ary ireo tenin’ny mpaminany. Ny sahan-kevitra sy ny votoatiny dia mampazava sy maneho ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara voarakitra ao anatin’ireo zavatra niainan’ny olon-kafa sy ny fampianarany. Na dia miresaka mikasika ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina aza ny ankamaroan’ny zavatra voalaza manaraka eto dia azo ampiharina amin’ny fandalinana ireo teny sy hafatry ny mpaminanin’ny andro farany koa ny ankamaroan’ireo fitsipika sy hevitra.
Sahan-kevitra
Ny sahan-kevitra dia (1) ireo andalan-tsoratra masina izay mialoha na manaraka ny andinin-tsoratra masina iray na andian’andinin-tsoratra masina na (2) ny toe-javatra manodidina na toe-javatra izay manome fanazavana mikasika ny andinin-tsoratra masina, na zava-nitranga na tantara iray manokana.
Ny sahan-kevitra dia fitaovana entina hahatakarana ny votoatin’ny soratra masina. Manome fampahalalana fototra izay manazava sy mitondra fahatakarana lalina ireo tantara, fampianarana, fotopampianarana, ary fitsipika ao amin’ny lahatsoratra ara-tsoratry ny soratra masina izany. Samy nanoratra araka ny nitarihan’ny Fanahy Masina azy ireo mpanoratra soratra masina tsirairay, kanefa ireo rakitsoratra dia mifono sarinteny sy kolontsain’ny mpanoratra. Mba hahatakarana ny asasoratr’izy ireo dia tokony “hiditra ao amin’ny tontolon’izy ireo” ao an-tsainy arak’izay tratrany ireo mpampianatra sy mpianatra mba hahitan’izy ireo an’ireo zavatra araka ny fahitan’ny mpanoratra azy. Ireto misy ohatra vitsivitsy ahitana karazana sahan-kevitra.
Toe-javatra nisy ara-tantara. Ny fahafantarana fa tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith nandritra ny fandraisany sy ny fanoratany ireo fizarana 121, 122, sy ny 123 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manome lanja sy hery fanampiny ho an’ireo fotopampianarana sy fitsipika nampianarina ao amin’ireo fizarana ireo izay iresahana zavatra toy ny fahoriana sy ny fampiasana ny hery sy fahefana.
Toe-javatra nisy ara-kolotsaina. Ny fahalalana ny hevitra fototra momba ny andro firavoravoana sy ireo andro fetin’i Isiraely fahiny dia afaka manazava ny ifandraisan’izy ireo ara-tandindona amin’ny Mpamonjy sy ny iraka nampanaovina Azy. Ny fahalalana ny firazanan’ireo Samaritana sy ny zavatra tsapan’ireo Jiosy mahakasika azy ireo tamin’ny andron’i Kristy dia manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny fanoharana mikasika ilay Samaritana Tsara Fanahy ary manome lanja ny dikan’ny fihaonan’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana tao Samaria.
Ilay fanontaniana na toe-javatra izay niteraka ny fanoharana, na zava-nitranga, na fotopampianarana na fitsipika. Ny fahatakarana fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9 dia tonga ho valin’ny fangatahan’i Oliver Cowdery mikasika ny tsy fahafahany mandika teny dia manazava ireo fitsipika mikasika ny fanambarana izay ampianarina ao amin’izany fizarana izany.
Iza no miresaka amin’iza ary nahoana. Misy dikany lalindalina kokoa ny fampianaran’i Almà mikasika ny Sorompanavotana, ny Fitsanganana amin’ny maty, ny Fitsarana, ny famindram-po ary ny fahamarinana rehefa fantatsika fa ny sahan-kevitr’ireo fampianarana ireo dia firesahany tamin’i Kôriantona zanakalahiny, izay nanana olana mikasika ny voka-dratsin’ny fahotana goavana izay nataony.
Toe-javatra nisy ara-toetany. Mampitombo ny fahatakarantsika mikasika ny toerana niainan’i Lota sy i Abrahama ny fahafantarana ny toetanin’i Kanana, sy ny fomba niantraikan’izany teo amin’ireo safidy nataony ary ny akon’ireo safidy izay nataon’izy ireo teo amin’ny fianakaviany.
Ireo soratra masina, ireo fitaovana enti-manampy amin’ny fandalinana hita ao amin’ny soratra masina ary ny fandaharam-pampianarana amin’ny ankapobeny dia ahitana fampahalalana mikasika ny fampahalalana ara-tsahan-kevitra mba hanampiana ireo mpampianatra sy mpianatra hahatakatra ny votoatin’ilay soratra masina.
Votoatiny
Ny votoatiny dia ny fizotry ny tantara, ny olona, ny zava-nitranga, ny toriteny ary ny fanazavana nentanim-panahy izay mandrafitra ny lahatsoratry ny soratra masina. Ny votoatin’ny soratra masina dia manome aina sy lanja an’ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hita ao amin’ilay andian’andinin-tsoratra masina. Ohatra, ilay tantara mikasika ny nahazoan’i Nefia ny takela-barahina dia mampianatra ilay fitsipika hoe ny finoana ny Tompo sy ny fihainoana ny Fanahy dia afaka manampy ny olona tsirairay handresy ireo olana izay toa tsy hay vahana. Ny fahatakarana ireo zava-nitranga ao amin’ny Eksodosy dia mampazava ny hoe ny fatokiana ny Tompo sy ny fanarahana mpaminany iray dia afaka mitarika ny vahoaka sy ny firenena handray ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo saingy ireo fitahiana ireo dia tsy hirotsaka raha toa ka mimonomonona sy tsy mankatò ny olona.
Ny fahafantarana ny olona voalaza ao amin’ny soratra masina dia afaka manainga sy mamporisika ireo mpianatra hiatrika ireo olana izay atrehiny amim-pinoana sy hiaina amim-pinoana. Toy izao no nampanantenain’ny Loholona Richard G. Scott momba ny Bokin’i Môrmôna hoe:
“Hahita finamanana sy ohatra mendrika avy amin’i Nefia, Jakôba, Enôsa, Benjamina, Almà, Amôna, Helamàna, Môrmôna, Môrônia ary ireo maro hafa ianao ao anatin’izany boky izany. Hamelona indray ny herimpo izy ireo sy hanoritra ny lalana mankany amin’ny finoana sy fankatoavana. …
“Fa ny zava-dehibe kokoa, izy rehetra ireo, tsy misy anavahana, dia hampitombo ny fahatakaranao ho any amin’ilay namana tsara indrindra—ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, Jesoa ilay Kristy” (“True Friends That Lift,” Ensign, Nov. 1988, 77).
Ireo toriteny izay voatahiry tamim-pitandremana tokoa ao amin’ny soratra masina dia ampahany hafa tena manan-danja ao amin’ny votoatiny. Ho an’ireo mpianatra izay voagejan’ny fahotana dia afaka ny ho loharanom-panantenana sy fankaherezana ireo toritenin’i Paoly na i Almà Zanany. Ny lahateny farany nataon’ny Mpanjaka Benjamina tamin’ny vahoakany dia mampianatra amin’ny fomba mahery vaika ny hery sy ny lanjan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary manazava ny tanjon’ny asa fanompoana, ireo fitahian’ny fankatoavana sy ny maha-zava-dehibe ny fanolorana tanana ireo izay mila fanampiana. Afaka mahazo hevitra vaovao manaitra ny saina amin’ny alalan’ny fandalinana sy fikatsahana ny hampihatra ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra ny mpianatra izay miezaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy.
Ampahany tafiditra ao amin’ny fahatakarana ny votoatiny ny fianarana ny dikan’ireo teny sy andian-teny sarotra, ary koa ny dikan’ireo fanoharana, sariohatra sy ny sisa. Ohatra, ny fahafantarana ny dikan’ireo teny toy ny hoe fanasina (Matio 5:13) na ny hoe mifikira (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:19; 45:48) ary ny andian-teny toy ny hoe “sikino ny valahanareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:22) sy ny hoe “kitapom-bola, na kitapom-batsy” (jereo ny Lioka 10:4) dia manampy amin’ny fanazavana ny lahatsoratra ao amin’ny soratra masina. Lasa mora takatra kokoa ireo fitsipika nampianarina ao amin’ny fanoharan’ny Mpamonjy rehefa fantatra ny dikan’ny sariohatra toy ny voahangy lafo vidy (jereo ny Matio 13:45–46, ny varim-bazaha sy ny tsimparifary (jereo ny Matio 13:24–30ary ilay ondry very (jereo ny Lioka 15:4–7).
Eo anatrehan’ireo fampahalalana rehetra izay azo ianarana sy ampianarina, ny mpampianatra dia tokony hampiasa fahendrena amin’ny famaritana ny fotoana tokony hatokana ho an’ny sahan-kevitra sy ny votoatiny ary ny fotoana holaniana amin’ny fandalinana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Ireo mpampianatra dia tokony hanome fanazavana ampy mikasika ny sahan-kevitra sy ny votoatiny mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay izay hita ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina, kanefa tsy tokony hanantitrantitra be loatra ny fampahalalana fototra syireo antsipiriany toy izany ka hahatonga izany ho lasa votoatin-desona fototra.
Mamantatra sy manakatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara, sy mahatsapa ny fahamarinany sy ny lanjany, ary mampihatra izany
Ny famantarana sy fahatakarana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara dia manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hampihatra ireo soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ary hitarika azy ireo eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny fahatsapana ny fahamarinana sy ny lanjan’ ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary ny maha-laharam-pahamehana azy dia matetika hitarika any amin’ny fitomboan’ny faniriana hampihatra ny zavatra nianarana. Ny fampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara dia mitondra ireo fitahiana nampanantenaina, mampitombo ny fahatakarana sy manamafy orina ny fiovam-po ary manampy ireo mpampianatra sy mpianatra ho tonga kokoa tahaka ny Mpamonjy.
Ny fotopampianarana dia fahamarinana fototra sy tsy miova ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireo fahamarinana toy ny hoe manana vatana nofo sy taolana ny Ray any An-danitra, ilaina ny batisa mba hidirana ny fanjakan’Andriamanitra, ary hitsangana amin’ny maty ny olombelona rehetra dia ohatra amin’izany fotopampianarana izany.
Ny fitsipika dia fahamarinana maharitra na lalàna azon’ny olona iray ampiasaina mba hitarika azy eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny fitsipiky ny filazantsara dia natao ho an’ny rehetra ary manampy ny olona hampihatra ireo fotopampianaran’ny filazantsara eo amin’ny fiainana andavanandro. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ireo fitsipika dia fahamarinana mitambatra, natambatra mba ho ampiharina” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, Nov. 1993, 86). Midika izany fa mazàna ny fitsipika irain’ny filazantsara dia manoro ny asa tokony hatao ary koa ny vokatra aorian’izany. Ohatra: afaka manampy antsika handresy ny fakam-panahy ny fivavahana mandrakariva (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5), ary raha manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina isika dia hanampy antsika hahatontosa ny zavatra andidian’ny Tompo antsika Izy (jereo ny 1 Nefia 4).
Hisy fotoana izay mety hahasarotra ny famantatra izay mampiavaka ny fotopampianarana iray amin’ny fitsipika iray. Nilaza izao manaraka izao ny Loholona Henry B. Eyring: “Raha ny marina dia tsy handany fotoana be loatra aho, hiezaka hanavaka ny fitsipika iray sy ny fotopampianarana iray. Efa nandre fifanakalozan-kevitra toy izany aho izay tsy nitondra vokatsoa loatra” (“Training Guidelines and Resources: Loholona Richard G. Scott sy ny Loholona Henry B. Eyring Discussion,” [Aog. 2003 CES satellite training broadcast], 10).
Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika
Ny iray amin’ireo tanjona fototry ny soratra masina dia ny hampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Nanazava ny Filoha Marion G. Romney hoe: “Tsy afaka mandalina amin-kitsimpo ny soratra masina ny olona iray raha tsy mianatra ireo fitsipiky ny filazantsara satria nosoratana ny soratra masina mba hitehirizana ireo fitsipika ho tombontsoantsika” (“The Message of the Old Testament” [Fivorian’ny manam-pahaizana ao amin’ny DFF momba ny Testamenta Taloha, 17 Aog. 1979], 3). Nampianatra ny Loholona Boyd K. Packer hoe: “Ireo [fitsipika] dia hita ao amin’ny soratra masina. Izy ireo no singa sy tanjon’ireo fanambarana” (“Principles,” Ensign, Mar. 1985, 8). Ao amin’ity fotoampitantanana ity, ny Tompo dia nandidy ireo mpampianatra sy mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay hita ao amin’ny soratra masina: “Ary ankoatra izany, ny loholona, ny mpisorona ary ny mpampianatra ao amin’ity fiangonana ity dia hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsarako, izay ao amin’ ny Baiboly sy ny Bokin’ i Môrmôna izay ao aminy no misy ny fahafenoan’ ny filazantsara” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12).
Mitaky ezaka sy fampiharana matotra ny fianarana mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ao amin’ny soratra masina. Raha niresaka izany ezaka izany ny Loholona Richard G. Scott dia nilaza hoe: “Katsaho ny hahazo ireo fitsipika. Saraho amim-pitandremana amin’ireo antsipiriany entina manazava azy ireo izy ireny” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” 86).
Indraindray ao am-pianarana dia ho asehon’ny mpampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika. Indraindray ny mpampianatra dia hitarika, hamporisika ary hamela ireo mpianatra hikaroka manokana azy ireo. Tokony hanampy amim-pahavitrihana ireo mpianatra hahazo ny fahaiza-manao hamantarana irery ireo fotopampianarana sy fitsipika ny mpampianatra.
Ireo fotopampianarana sy fitsipika sasany dia mora fantarina satria ambara mazava tsara izy ireo. Ny fitsipika ambara toy izany dia matetika ialohavan’ny andian-teny toy ny hoe: “dia toy izany no ahazoantsika mahita,” “ary noho izany,” na “indro,” izay maneho fa angamba ilay mpanoratra ny soratra masina mamintina ny hafany na mamarana.
Ohatra, ny Helamàna 3:27 dia milaza hoe: “ Toy izany no ahazoantsika mahita fa ny Tompo dia feno famindram-po amin’ ireo rehetra izay hiantso ny anarany masina amin’ ny fahatsoran’ ny fony.”
Milaza ny ao amin’ny Almà 12:10 hoe: “Ary noho izany, izay manamafy ny fony dia izy no mandray ny ampahany kely indrindra amin’ ny teny; ary izay tsy manamafy ny fony dia izy no omena ny ampahany betsaka indrindra amin’ny teny.”
Mampianatra ny ao amin’ny Efesiana 6:13 hoe: “Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.”
Voalaza ao amin’ny Almà 41:10 ny hoe: “Indro, lazaiko aminao, ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”
Maro ireo fitsipika izay tsy lazain’ny mpanoratra soratra masina mivantana fa voafono kosa ao anaty teny hafa. Ireo fitsipika voafono ireo dia mety ho avy amin’ny boky soratra masina iray manontolo, na toko iray, na andininy iray monja ary mety hipoitra ao anatin’ny tantara na zava-mitranga na fanoharana ao amin’ny soratra masina. Ny famantarana ireo fitsipika voafono dia ahitana ny fahafantarana ireo fahamarinana izay aseho ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina ary ny filazana azy ireo amin’ny fomba mazava sy fohy. Matetika izany no mitaky fotoana sy fisaintsainana tsara. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Tsy hanenenana ny manao ezaka lehibe amin’ny fandaminana ny fahamarinana izay voangontsika ho lasa fanambarana tsotra fitsipika iray” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” 86).
Ireo fitsipika voafono dia matetika mety ho hita avy amin’ny fifandraisan’ny antony sy ny vokany ao anatin’ny andian’andinin-tsoratra masina. Hiharihary kokoa ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo asa ataon’ny olona tsirairay na vondron’olona ao amin’ny soratra masina ary ny toe-tsainy, ny fihetsiny, sy amin’ny alalan’ny famantarana ireo fitahiana na vokatra naterak’izany.
Mety ho hita koa ireo fitsipika voafono amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao:
-
Inona no lesona tsoahina avy amin’ilay tantara na ny tanjon’izany?
-
Nahoana no nampidirin’ny mpanoratra ao ireo zava-nitranga na andininy ireo araka ny eritreritrao?
-
Inona no tian’ny mpanoratra hianarantsika?
-
Inona ireo fahamarinana fototra sasantsasany ampianarin’ity andinin-tsoratra masina ity?
Ireo ohatra sasantsasany amin’ireo fitsipika voafono dia ahitana izao:
Avy amin’ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Almà Zanany na i Paoly: Afaka mitarika ny hafa hahazo ny fitahian’ny filazantsara ny olona iray izay nanaiky ny fahamarinana sy nibebaka tamin’ny fahotany (jereo ny Almà 36:10–21; Asan’ny Apôstôly 9:4–20).
Avy amin’ny fanoharana mikasika ireo virijiny folo: Raha toa ka niomana ara-panahy tamim-pahatokiana isika dia ho vonona rehefa ho tonga ny Tompo; na tsy horaisin’ny Tompo amin’ny Fiaviany ireo izay tsy niomana ara-panahy (jereo ny Matio 25:1–13).
Avy amin’ny tantaran’i Davida sy Goliata: Afaka ny handresy ireo olana lehibe eo amin’ny fiainantsika isika raha manao asa amin-kerimpo sy amim-pinoana an’Andriamanitra (jereo ny 1 Samoela 17:40–51).
Fomba vitsivitsy hanampiana ireo mpianatra hianatra hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianarana ny:
-
Manasa ireo mpianatra hanoratra ny zavatra ianaran’izy ireo ao anatin’ny teny ambara mifandray amin’ny alalan’ny: “raha toa … dia.”
-
Manome andraikitra ireo mpianatra hanoratra ireo teny ambara ahitana ny “ary dia izany no ahazoantsika mahita” mba hamintinina ireo fahamarinana izay nianarany.
-
Manasa ireo mpianatra hamantatra ireo zavatra nataon’ny olona tsirairay ao anatin’ilay andian’andinin-tsoratra masina sy hitady ireo fitahiana na vokatra naterak’izany.
-
Mamporisika ireo mpianatra mba hanipika ao amin’ny soratra masiny ireo teny na andian-teny manan-danja izay manoro ireo fanambarana fitsipika sy fotopampianarana.
-
Manoratra eny amin’ny solaitrabe ny fotopampianarana na fitsipika iray avy ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina iray. Mangataka ireo mpianatra hikaroka ilay adian’andinin-tsoratra masina ary hitady ny porofo manamarina izany fitsipika izany.
Rehefa hita ireo fotopampianarana sy fitsipika dia zava-dehibe ny filazana azy ireo amin’ny fomba mazava sy amin’ny fomba tsotra. “-Mba ho fantatra dia tsy maintsy ambara ny fahamarinana, ary arakaraka ny maha-mazava sy feno kokoa ilay fanambarana, no ananan’ny Fanahy Masina fahafahana tsara kokoa hijoroana ho vavolombelona amin’ny fanahin’ny olona fa marina ilay asa- [New Witnesses for God, boky miisa 3 (1909), 2:vii]” (B. H. Roberts, in James E. Faust, “What I Want My Son to Know before He Leaves on His Mission,” Ensign, May 1996, 41; Torio ny filazantsarako [2004], 182).
Fomba iray manampy mba hampazava ireo fahamarinana ireo ao an-tsain’ireo mpianatra ny fanoratana ireo fitsipika na fotopampianarana hita eo amin’ny solaitrabe na ny fanasana ireo mpianatra hanoratra na hanipika izany ao amin’ny soratra masiny.
Mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika
Ny hoe mahatakatra fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara iray dia midika fa ireo mpianatra dia mahatakatra ireo fahamarinana hita sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo fitsipika sy fotopampianarana hafa ao amin’ny drafitry ny Tompo ary ny toe-javatra mety ahafahana mampihatra izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa mahatakatra fotopampianarana na fitsipika iray ny mpampianatra na mpianatra iray dia tsy mahafantatra fotsiny ihany ny dikan’ny teny izy ireo fa mahafantatra koa ny fomba ahafahan’ilay fotopampianarana na fitsipika hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Raha vantany vao hita sy takatra ny fotopampianarana na fitsipika iray dia ho mora kokoa ny hampihatra izany.
Afaka mampitombo ny fahatakarany ny fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsaza ireo mpampianatra na mpianatra amin’ny alalan’ny fikarohana ny soratra masina mba hahitana fampianarana mifandray amin’izany na hevi-baovao fanampiny, amin’ny alalan’ny famakiana ireo teny sy fampianaran’ny mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany, amin’ny alalan’ny fanazavana amin’ny hafa ireo fahamarinan’ny filazantsara izay nianaran’izy ireo, ary amin’ny alalan’ny fivavahana mba hahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina. Mihamitombo hatrany ny fahatakarana rehefa ampiharina ireo fitsipika.
Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo mpampianatra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay mitarika ireo mpianatra hamakafaka ny dikany. Ohatra, avy amin’ny tantaran’ireo zatovolahy miaramila miisa 2.000 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia afaka mianatra fitsipika isika hoe raha tsy miahiahy isika dia hanavotra antsika Andriamanitra (jereo ny Almà 56:47–48). Mba hananana fahatakarana lehibe kokoa ny amin’ny hevitra fonosin’ity fitsipika ity dia afaka mandinika fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ireo mpampianatra:
-
Nahoana no tsy niroanahana ireo zatovolahy miaramilan’i Helamàna?
-
Inona no porofo hita eo fa tsy niroanahana ireo miaramila tanora ireo?
-
Ahoana no nanavotan’Andriamanitra ireo zatovolahin’i Helamàna ireo?
-
Inona ireo karazana “ady” atrehin’ireo tanoran’ny Fiangonana ankehitriny?
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany entin’Andriamanitra manavotra azy ireo amin’ny ady toy izany?
-
Inona no ampianarin’ny zavatra niainan’i Abinadia, i Joseph Smith, na i Sadraka, i Mesaka sy i Abed-nego antsika mikasika ny hoe inona no dikan’izany hoe avotana izany?
Avy amin’ny tantaran’i Namana sy i Elia ao amin’ny Testamenta Taloha dia afaka mianatra fitsipika isika hoe raha manetry tena sy vonona ny hanaraka ny torohevitry ny mpaminany isika dia afaka ny ho sitrana (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1–14). Mba hahatakarana ny dikan’io fitsipika io dia tokony handinika fanontaniana toy izao manaraka izao ireo mpampianatra sy mpianatra:
-
Ahoana no hanampian’ny fanetren-tena antsika hanaraka ny torohevitry ny mpaminany?
-
Manampy antsika hahatakatra ny tena dikan’ny hoe manaraka ny torohevitry ny mpaminany amin’ny fomba ahoana ny fahavononan’i Namana “hidio impito” tamin’ny farany?
-
Inona koa ireo zavatra hafa ilantsika fanasitranana ankoatry ny aretina ara-batana amin’izao fotoana izao?
-
Inona avy ireo zavatra sasantsasany nangatahan’ireo mpaminany mba hataontsika izay hanasitrana antsika ara-panahy kanefa mety tsy ho takatr’izao tontolo izao?
Mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana sy ireo fitsipika
Na dia mety mahita sy mahatakatra ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara aza ireo mpianatra dia matetika izy ireo no tsy hampihatra izany raha tsy efa mahatsapa ny fahamarinany sy ny maha zava-dehibe azy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy ary raha tsy efa mahatsapa fitomboan’ny fahamehana hampiditra ilay fitsipika eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Nanazava ny Loholona Robert D Hales hoe: “Ny tena mpampianatra marina, rehefa avy nampianatra ny zava-miseho [ao amin’ny filazantsara] … , dia mitondra [ireo mpianatra] hiroso hanao dingana mba hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy sy fahatakarana ao am-pon’izy ireo izay miteraka andraikitra tokony horaisina sy fanaovana izany” (“Teaching by Faith” [takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 1 feb. 2002], 5).
Afaka hanamafy ao an-tsain’ireo mpianatra sy ao am-pony ny lanjan’ny fotopampianarana na fitsipika iray ny Fanahy Masina ary afaka manome an’ireo mpianatra faniriana mba hampihatra ilay fitsipika sy afaka manome hery hanaovana izany. Ny mpampianatra dia tokony hanao ny ezaka rehetra mba hanamorana ny fiatrehan’ny mpianatra tsirairay ao amin’ny kilasiny izany zavatra izany. Namporisika ireo mpampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Hivavaka ve ianareo mba hahazo fitarihana eo amin’ny fanaovana izay hampitoetra lalina ao an-tsain’ireo mpianatrareo sy ao am-pony ny fahamarinana mba ho ampiasainy mandritra ny fiainany manontolo? Raha mikatsaka ombam-bavaka ireo fomba mba hanaovana izany ianareo dia fantatro fa hitarika anareo ny Tompo” (“To Understand and Live Truth,” [takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 4 Feb. 2005], 2).
Ny iray amin’ireo fomba mahomby indrindra mba hanampiana ireo mpianatra hanasa ny fitarihan’ny Fanahy ao am-pon’izy ireo sy hanomanana azy ireo hampihatra ny fitsipika nianarany dia ny famporisihana azy ireo handinika ireo zavatra niainan’izy ireo manokana izay misy ifandraisany amin’izany fitsipika izany (jereo ny fizarana 5.1.3, “Fanontaniana izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona ao amin’ny pejy 61). Izany dia manampy ireo mpianatra hahafantatra ny fiantraikan’izany fitsipika izany teo amin’ny fiainan’izy ireo na teo amin’ny fiainan’ny hafa. Ohatra, aorian’ny fifanakalozan-kevitra momba ny lalàn’ny fahafolonkarena dia mety hametraka fanontaniana ny mpampianatra hoe: “Inona avy ireo fitahiana hitanareo teo amin’ny fiainanareo na ny fiainan’ny hafa avy amin’ny fanajana ny lalàn’ny fahafolonkarena?” Rehefa misaintsaina fanontaniana toy izany ireo mpianatra sy mizara zavatra niainana mifandray amin’izany amin’ireo mpiara-mianatra dia afaka manampy azy ireo hahita mazava kokoa ireo fitahiana izay noraisiny sy noraisin’ny hafa tamin’ny alalan’ny fiainana fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara izy ireo. Ny Fanahy koa dia hanampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ireo mpampianatra koa dia afaka mizara tantara marina avy amin’ny fiainany manokana na avy amin’ny fiainan’ny olon-kafa mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’ny fiainana ny fitsipika izay ifanakalozana hevitra.
Ny mpampianatra dia afaka manome fahafahana ho an’ireo mpianatra mba hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ireo fitsipika sy fotopampianarana. Tokony hitady fotoana ahafahana mizara ny fijoroany ho vavolombelona koa ireo mpampianatra. Ankoatra izany, ireo mpampianatra dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’ireo fotopampianarana sy fitsipika amin’ny alalan’ny fampisongadinana ireo fijoroana ho vavolombelona nozarain’ny olona ao amin’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ny famakiana na fihainoana ireo fijoroana ho vavolombelona’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany.
Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika
Miseho ny fampiharana rehefa misaintsaina, miteny ary miaina arak’ireo fitsipika izay nianarany ireo mpianatra. Nanazava ny maha zava-dehibe ny fampiharana ny Loholona Richard G. Scott raha nilaza hoe: “Ny fomba fandrefesana tsara indrindra ny fahombiazana izay mitranga ao am-pianarana dia amin’ny alalan’ny fahitana fa takatra sy nampiharina teo amin’ny fiainan’ny mpianatra ireo fahamarinana” (“To Understand and Live Truth,” 3).
Rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainany ireo mpianatra dia handray ireo fitahiana nampanantenaina. Hahazo fahatakarana lalindalina kokoa sy fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana na fitsipika izay nampihariny izy ireo. Ohatra, ireo mpianatra izay mihazona ny andro Sabata ho masina dia hanana fahatakarana feno kokoa ny tena dikan’izany noho ireo mpianatra izay tsy mitandrina izany. Ireo mpianatra izay mahatoky ny Tompo amin’ny fony manontolo (jereo ny Ohabolana 3:5) sy nampatanjahana ary nahazo fankaherezana tao anatin’ny fotoam-pahoriana na fitsapana dia manana fahatakarana mazava kokoa mikasika izany fitsipika izany raha oharina amin’ireo izay tsy manao izany.
Ny mpampianatra dia tokony hanome fotoana an’ireo mpianatra mandritra ny fampianarana mba hisaintsainana, handalinana, na hanoratana mikasika ny zavatra takany sy tsapany ary handinihany an’ireo andraikitra tokony horaisiny mba hampiharana izany eo amin’ny fiainany. Amin’ny fotoana toy izany, ireo mpampianatra dia tokony hamporisika ireo mpianatra mba hangataka fitarihana sy torolalana avy amin’ny Tompo. Afaka mifanakalo hevitra mikasika ireo toe-javatra izay mety iainan’ireo mpianatra koa ny mpampianatra ary manasa azy ireo hizara hevitra mikasika ny fomba hitahian’ny fampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara ireo ny fiainan’izy ireo ao anatin’ireo toe-javatra ireo. Izy ireo dia afaka mandroso hevitra ny mba hametrahan’ireo mpianatra tanjona izay afaka hanampy azy ireo hiaina ny fitsipika izay nampianarina. Ireo mpampianatra dia afaka manomana soratra masina iray, na teny nindramina iray, na tononkalo, na ampahan’ny fihirana iray mba hozaraina ka ho azon’ireo mpianatra entina mody ho toy ny mpampahatsiahy izany fitsipika izany.
Mety hisy fotoana ao am-pianarana hanoloran’ny mpampianatra na mpianatra fomba ahafahana mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara. Ny ohatra toy izany dia afaka manome fanampiana mahasoa ireo mpianatra mikasika ireo fomba ampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainany andavanandro. Na izany aza anefa dia tokony hitandrina ireo mpampianatra mba tsy hanery loatra eo amin’ny fanomezana fampiharana manokana ho an’ireo mpianatra. Tsarovy fa ny fitarihana manan-danja indrindra ho an’ny fampiharan-javatra ataon’ny tena manokana dia tonga amin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny aingam-panahy na fanambarana avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: “Ireo mpampianatra izay nodidiana mba hampianatra -ny fitsipiky [ny] filazantsara- sy -ny fotopampianaran’ ny fanjakana- (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77) dia tokony hiala amin’ny fampianarana lalàna na fomba fampiharana manokana. … Raha vao nampianatra ilay fotopampianarana sy ireo fitsipika mifandraika amin’izany avy ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo mpaminany velona ny mpampianatra iray, dia amin’ny ankapobeny andraikitry ny tsirairay sy ny fianakaviana ny fomba fampiharana na lalàna manokana toy izany” (“Gospel Teaching,” 79).
Manazava, mizara, ary mijoro ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara
Manazava ny fahatakaran’ny olona iray ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary mampivoatra ny fahaiza-manaony eo amin’ny fampianarana ny filazantsara amin’ny hafa ny fanazavana ireo fotopampianarana sy fitsipika, fizarana hevi-baovao sy zavatra niainana manokana ary fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana masina. Rehefa manazava sy mizara ary mijoro ho vavolombelona ny mpianatra dia matetika izy ireo voatarika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina hahazo fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa mikasika ireo zavatra izay nozarainy. Afaka hisy fiantraikany manan-danja ao am-po sy ao an-tsain’ireo tanora mitovy taona aminy na ireo hafa izay mihaino azy ireo koa ny teniny sy ny hafany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.
Ireo mpampianatra izay mandalina, manomana ary mampianatra lesona iray amim-pahamatorana sy ombam-bavaka dia lasa mianatra zavatra goavana iray. Izany fitsipika izany dia mahomby koa ho an’ireo mpianatra. Rehefa mandalina sy mifampianatra ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ireo dia hahazo fahatakarana lehibe kokoa ary hampatanjaka ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona.
Manazava
Mitombo ny fahatakarana ny soratra masina rehefa mifanazava ny soratra masina ireo mpianatra sy mpampianatra. Ny fanomanana mba hilaza amin’ny fomba mazava sy tsotra ny dikan’ny andinin-tsoratra masina iray na fotopampianarana na fitsipika iray dia mamporisika ireo mpampianatra sy mpianatra hisaintsaina ireo andinin-tsoratra masina ireo, handrindra ny hevitra ao an-tsainy ary hanasa ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo.
Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Mianatra manao zavatra iray isika amin’ny alalan’ny fanaovana izany. Raha mandalina ny filazantsara isika mba hampianatra izany dia nahazo fahalalana, satria na aiza na aiza toerana hitondrantsika ny fanala mba hanazavana ny lalan’ny hafa dia manazava ny antsika manokana koa isika. Rehefa mamakafaka sy nandamina ny soratra masina isika mba hizarana lesona mirindra ho an’ny hafa dia efa nanazava ny saintsika manokana isika. Rehefa manazava izay zavatra efa fantatsika isika dia toa tonga eo amintsika ireo fahamarinana fanampiny izay misokatra ho antsika, sy ny fivelaran’ny fahatakarantsika, ary ny fifandraisan-javatra vaovao sy fomba fampiharana vaovao” (The Teachings of Spencer W. Kimball [1982], 530).
Ny fanomezana fahafahana ho an’ireo mpianatra hanazava fotopampianarana na fitsipika iray amin’ny olon-kafa dia mamporisika azy ireo hisaintsaina lalina kokoa sy hikatsaka fahatakarana bebe kokoa alohan’ny hampianarany ny hafa ny zavatra nianarany. Ny mpampianatra dia afaka mangataka ireo mpianatra hanazava ny antony maha-zava-dehibe ny fananana finoana, ny fanaovana batisa na ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena. Azo asaina ny mpianatra mba hitantara amin’ny hafa ny Fahariana, ny Fahalavoana, na ny antony inoany fa ny fianakaviana dia ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny fampiarahana ny mpianatra tsiroaroa na ao anatina vondrona kely, na ao anatina tantara lalaovina, na miaraka amin’ny mpianatra rehetra, na amin’ny alalan’ny fanoratana lahatsoratra. Azo atao ihany koa ny manasa ny mpianatra indraindray mba hanazava andinin-tsoratra masina na mampianatra fotopampianarana na fitsipika iray amin’ny ray aman-dreny, na amin’ny rahalahy na anabavy, na namana iray, na olona miray trano amin’izy ireo.
Mizara
Tokony ho samy hanana fahafahana hizara ny heviny sy ny fahatakarany sy ireo zavatra niainany manokana koa mikasika ny fotopampianarana na fitsipika iray ireo mpampianatra sy mpianatra. Afaka mitantara ireo zava-nitranga izay hitany teo amin’ny fiainan’ny hafa koa izy ireo.
Hoy ny Filoha Ruben Clark Jr. hoe: “Zara raha misy ny zatovo izay miditra ny varavaran’ny ny seminera na institiota ampianarinao no tsy mahatsapa tena ho nisitraka ireo fitahiana ara-panahy, na tsy nahita ny fahombiazan’ny vavaka, na tsy nanatri-maso ny herin’ny finoana manasitrana ny marary, na tsy nahita ny fitobahan’ireo zavatra ara-panahy izay tsy fantatr’izao tontolo izao amin’izao andro izao” (The Charted Course of the Church in Education, rev. ed. [1994], 9). Tokony homena fahafahana hizara ny zavatra niainana toy izany amin’ireo mpiara-mianatra ny mpianatra. (Mety mila manampy ireo mpianatra ny mpampianatra hahatakatra fa ny sasantsasany amin’ireo zavatra niainana dia masina loatra na tokony hijanona ho an’ny tena manokana ka tsy azo zaraina any amin’ny toerana toy ny ao am-pianarana; jereo ny Almà 12:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64.)
Mijoroa ho vavolombelona
Rehefa avy nanazava ireo fitsipiky ny filazantsara sy nizara ny zavatra niainany tamin’ny fampiharana ireo zavatra ireo teo amin’ny fiainany ireo mpianatra dia matetika voaomana tsara kokoa hijoro ho vavolombelona mikasika ny zavatra lasa inoany.
Nanazava ny iray amin’ireo fitahiana avy amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ny Loholona Boyd K. Packer: “Raha izao aho mba afaka mampianatra anareo ity fitsipika iray ity: Ny fijoroana ho vavolombelona dia azoavy amin’ny fizaranaazy! …
“Zavatra iray ny mahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny zavatra novakinareo na nolazain’ny olona iray; ary fanombohana tena ilaina izany. Zavatra iray tena hafa koa anefa ny manana ny Fanahy manamafy ao an-tratranareo fa ny zavatra izay nijoroanareo ho vavolombelona dia marina” (“The Candle of the Lord,” 54–55).
Ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy mitahy fotsiny ilay olona izay mizara izany fa afaka mampatanjaka koa ny finoana sy fijoroana ho vavolombelon’ny hafa. Ny fijoroana ho vavolombelona dia manome fahafahana ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana sy fitsipika manokana ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy voatery hiantomboka amin’ny fehezan-teny hoe: “Te-hizara ny fijoroako ho vavolombelona aho.” Mety ho fanambarana tsotra ny zavatra fantatry ny olona iray fa marina izany, izay lazaina amin-kitsimpo sy amim-paharesen-dahatra. Mety ho filazana tsotra fotsiny mikasika ny zavatra tsapan’ny olona iray momba ny fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara izany ary ny fiovana nentin’izany teo amin’ny fiainany. Ny mpianatra dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahana mampihatra ny fitsipiky ny filazantsara ary mahatsapa ho entanim-panahy bebe kokoa hampihatra azy ireo eo amin’ny fiainany rehefa mandre ny mpampianatra na ny mpianatra hafa mizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny lanjan’ireo fitsipika ireo.
Afaka mamporisika ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara ny mpampianatra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay manasa azy ireo hizara ny zavatra niainany sy ny zavatra inoany (jereo ny fizarana 5.1.3, “Fanontaniana izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona” ao amin’ny pejy 61). Afaka manome fahafahana an’ireo mpianatra mba hijoro ho vavolombelona amin’ireo tanora mitovy taona aminy koa izy ireo. Tokony hahatakatra ny maha-masina sy maha-an’ny tena manokana ny fijoroana ho vavolombelona ny mpampianatra ary afaka manasa kanefa tsy tokony hitaky amin’ireo mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Ireo mpampianatra dia tokony haka fotoana mba hijoroana ho vavolombelona matetika mikasika ny fitiavany manokana ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ary mikasika ny fahamarinana sy ny lanjan’ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Tokony ho hain’ireo mpampianatra, ary ho ampiasainy, ireo fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Mpamonjy sy ireo avy amin’ny mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany koa.
Mifehy ireo andinin-tsoratra masina manan-danja sy lohahevitra ara-potopampianarana
Rehefa mihazona ho sarobidy ireo fahamarinana mandrakizay ao an-tsainy sy ao am-pony ny olona iray dia hampahatsiahy ireo fahamarinana ireo amin’izy ireo ao anatin’ny fotoam-pahasahiranana ny Fanahy Masina sy manome azy ireo herim-po hanao zavatra amim-pinoana. Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter hoe:
“Mamporisika anareo tanteraka aho mba hampiasa ny soratra masina ao anatin’ny fampianaranareo ary hanao izay rehetra vitanareo mba hanampy ireo mpianatra hampiasa azy ireo sy ho zatra azy ireo. Tiako ny hananan’ireo tanorantsika fitokiana amin’ny soratra masina. …
“Voalohany, tiantsika hanana fitokiana amin’ny tanjaka sy ny fahamarinan’ny soratra masina ireo mpianatra, sy fitokiana fa ny Rain’izy ireo any An-danitra dia miresaka marina amin’izy ireo tokoa amin’ny alalan’ny soratra masina, ary ny fitokiana fa afaka manokatra ny soratra masina izy ireo ary mahita valiny hamahana ny olan’izy ireo sy valin’ny vavaka nataon’izy ireo. …
“… Manantena isika fa tsy hisy amin’ireo mpianatrareo handao ny efitrano fianarana amim-pahatahorana na amin-kenatra na ao anatin’ny fahatsapana ho afa-baraka fa tsy afaka mahazo ny fanampiana ilainy izy ireo satria tsy mahafantatra tsara ny soratra masina ka tsy mahita ireo andinin-tsoratra masina tokony hotadiavina” (“Eternal Investments,” 2).
Mba hanampiana ireo mpianatra hirakitra ao am-pony ireo fahamarinana mandrakizay sy hampitombo ny fahatokiany ny soratra masina dia nifantina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maromaro ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (S&I) ary nanomana lisitr’ireo lohahevitra ara-potopampianarana. Ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fotopampianarana ireo dia tokony ho ampiarahana mba hahafahan’ireo mpianatra mianatra manazava ireo fotopampianarana ireo amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana sy mampiasa ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanampy azy ireo hanazava sy hijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana ireo.
Fifehezana fotopampianarana
Ny S&I dia nifantina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 25 ho an’ny tsirairay amin’ireo taranja efatra amin’ny seminera. Manome fototra iorenana manan-danja ara-tsoratra masina mba hahatakarana sy hizarana ny filazantsara sy hampatanjahana finoana ireo andinin-tsoratra masina ireo. Amporisihina ireo mpianatra seminera mba hampivelatra ny “fifehezana” an’ireo andinin-tsoratra masina ireo araka ny famaritana izany etsy ambany. Tokony hamporisihina ireo mpianatra institiota mba hiorina eo ambonin’ny fototr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 100 ireo ary hampivelatra bebe kokoa ny fahatakarana ireo andinin-tsoratra masina manan-danja hafa.
Ny fifehezana ireo andinin-tsoratra masina dia ahitana ny:
-
Fitadiavana ny toerana misy ireo andininy amin’ny alalan’ny famantarana ireo andinin-tsoratra masina hafa mifandray amin’izany.
-
Fanakarana ny sahan-kevitrasy ny votoatin’ireo andinin-tsoratra masina.
-
Fampiharana ny fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina.
-
Fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina.
Afaka ho fitaovana tsara entina hanampiana ireo mpianatra hahafantatra sy hitia ireo andinin-tsoratra masina voafantina ny fanaovana tsianjery. Nanazava ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Rehefa ampiasaina araka izay nasain’ny Tompo hiraketana azy ireo ny soratra masina dia manana hery anaty izay tsy voampita izany rehefa lazaina amin’ny tenin’ny tena manokana” (“He Lives,” Ensign, Nôv. 1999, 88). Na izany aza anefa dia tokony hisy fitandremana, mba hanovana ny zavatra andrandraina hifanaraka amin’ny fahaiza-manao sy toe-javatra iainan’ny mpianatra tsirairay. Tsy tokony hatao izay hahatsapan’ireo mpianatra ho menatra na kivy raha toa ka tsy mahavita mitadidy soratra masina izy ireo.
Ho afaka hanampy bebe kokoa ireo mpianatra ny mpampianatra raha toa ka mahafehy ireo andinin-tsoratra masina ireo koa izy. Rehefa mampiasa tsy tapaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo ny mpampianatra, sy mihazona ny zavatra andrandraina araka ny tokony ho izy, ary mampiasa ireo fomba izay miteraka fomba fianarana samihafa dia hahita fahombiazana bebe kokoa izy ireo eo amin’ny fanampiana ireo mpianatra hifehy ireo andinin-tsoratra masina manan-danja. Mandritra ny lesona dia tokony hampiasaina mba hanazavana fotopampianarana sy fitsipika mifandray ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Azo ampiasaina ho lohahevitra mandritra ny fanaovana fivoriam-bavaka na apetaka eny amin’ny faritra iray ao amin’ny efitrano fianarana izy ireo. Tokony hamporisihana koa ireo mpianatra mba handalina sy hampihatra izany any ivelan’ny efitrano fianarana.
Any amin’ny toerana izay ahitana mpampianatra maromaro miaraka manompo ao amin’ny toeram-pampianarana iray dia hivoatra ny fianaran’ireo mpianatra rehefa mampiasa fomba mitovy amin’ny fampianarana ny fifehezana fotopampianarana ireo olona ao amin’ilay toeram-pampianarana. Ireo mpampianatra indraindray dia afaka misafidy ny hanao famerenana an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nampiasaina tany amin’ireo taona teo aloha mba hahafahan’ireo mpianatra mifehy ireo soratra masina voafantina rehetra.
Na dia ampahany manan-danja ao amin’ny fandaharam-pianarana aza ny soratra masina fifehezana fotopampianarana dia tokony ho fanampiny ihany izany, fa tsy hibahan-toerana ao anatin’ilay fandalinana soratra masina voafantina isan’andro. Tokony hampiasa fahendrena ireo mpampianatra eo amin’ny fotoana laniana ho an’ny fifehezana soratra masina. Tsy maintsy mitandrina tsara ireo mpampianatra ny mpianatra mianatra any an-tranony mba tsy ho lasa fifehezana fotopampianarana isan-kerinandro ny fandalinana any an-trano isan-kerinandro. Ny mpampianatra dia tokony hisafidy fomba, sahanasa ary hira izay mifanaraka amin’ny fahamendrehana sy ny tanjona ary ny fanahin’ny soratra masina ary misoroka ny fifandirana.
Lohahevitra ara-potopampianarana
Lohahevitra ara-potopampianarana sivy no voafaritra fa tokony hohamafisina ao amin’ny kilasin’ny seminera sy institiota. Ny mpampianatra dia tokony hanampy ireo mpianatra hamantatra, hahatakatra, hino, hanazava ary hampihatra ireo fotopampianarana fototry ny filazantsara ireo. Hanampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy hampitombo ny fankasitrahany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fanaovana izany. Ny fandalinana ireo fotopampianarana ireo dia hanampy azy ireo koa hiomana bebe kokoa amin’ny fampianarana ny hafa ireo fahamarinana manan-danja ireo.
Zava-dehibe ny mahatsiaro fa hisy fotopampianarana manan-danja hafan’ny filazantsara koa ho ampianarina, na dia tsy voatanisa ao amin’ny lisitry ny lohahevitra ara-potopampianarana aza izy ireo.
Ireto manaraka ireto ireo lohahevitra ara-potopampianarana nofantenin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara:
-
Ny Andriamanitra
-
Ny drafitry ny famonjena
-
Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
-
Ny famerenana amin’ny laoniny
-
Mpaminany sy fanambarana
-
Fisoronana sy fanalahidin’ny fisoronana
-
Ôrdônansy sy fanekempihavanana
-
Fanambadiana sy fianakaviana
-
Ireo didy
Rehefa mandalina sy mahatakatra manokana ireo lohahevitra ireo ny mpampianatra dia tonga dia mandeha ho azy kokoa ny fampiasany azy ireny sy ny fijoroany ho vavolombelona mikasika azy ireny rehefa mampianatra. Na izany aza anefa dia tsy tokony hiala amin’ny fampianarana ireo ampahan-tsoratra masina voafantina izy ireo mba hifantoka tanteraka amin’ireo lohahevitra ireo. Ny mpampianatra kosa dia tokony hifantoka tsara sy tsy tapaka amin’ireo lohahevitra ireo rehefa mipoitra ho azy ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina sy ao amin’ny taranja ianarana izy ireo. Amin’izay ilay lisitry ny lohahevitra ara-potopampianarana dia ho lasa mpampahatsiahy mikasika ny tokony hifantohana amin’ireo fahamarinana mandrakizay izay mahasoa indrindra ireo mpianatra sy ny tokony hanantitranterana azy ireo ao anatin’ny taranja ianarana. Azo ampiasaina ho lohahevitra dinihana mandritra ireo fivoriana fampaherezam-panahy koa ireo lohahevitra ara-potopampianarana ireo.
Ny mpampianatra hendry dia hahatsiaro koa fa ny faharetana sy ny fanaovana tsy tapaka zavatra iray dia manan-danja tokoa eo amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo lohahevitra ireo. Tsy takiana akory ny hahatakaran’ny mpianatra tanteraka indray mandeha ny zava-drehetra. Nampianatra ny zanany “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:12). Ireo mpampianatra sy mpianatra dia tokony handray ny fahatakarana ireo lohahevitra ireo ho toy ny dingana mitranga mandritra ny efa-taona ao amin’ny seminera ary mitohy mandritra ny taom-pianarana ao amin’ny institiota.