Fanomanana ny lesona
Fitsipika mifehy ny fanomanana lesona mahomby
Loharanom-pitaovana ho fanomanana ny lesona
Soratra masina
Mifototra amin’ny fandalinana ireo soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana ireo taranjam-pianarana efatra an’ny seminera sy ny ankamaroan’ireo taranja nahazoana fankatoavana ao amin’ny institiota. Ny loharanom-pitaovana voalohany ahafahana mamaritra ny zavatra ampianarina ao amin’ireo taranjam-pianarana ireo dia ny soratra masina mihitsy. Nandritra ny lahateny nataony ho an’ireo mpampianatra seminera sy institiota dia nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Tsarovy mandrakariva fa tsy misy mahasolo ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona. Ireo no tokony ho loharanom-pitaovana fototra ho anareo” (“The Gospel Teacher and His Message” [lahateny natao ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, 17 Sept. 1976], 3).
Mifantoka amin’ny lohahevitra ara-pilazantsara ny sasantsasany amin’ireo taranjam-pianarana ao amin’ny institiota fa tsy amin’ny fandalinana ny soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana. Tokony hampiasa ireo boky natolotra ao amin’ny fandaharam-pampianaran’ny institiota (ary koa ny soratra masina) ireo mpampianatra ho toy ny loharano fototra ho an’ny fanomanana. Tokony hikaroka tsy tapaka ireo fotoana ahafahana mampiasa hatrany ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany mba hanazavana sy hanehoana an-tsary ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ireo taranjam-pianarana ireo ny mpampianatra.
Boky fampianarana ao amin’ny seminera sy institiota
Nomena mba hanampy ireo mpampianatra hanomanana sy hampianarana lesona amim-pahombiazana ireo boky fampianarana ao amin’ny seminera sy institiota. Manolotra fampahalalana fototra mikasika ny soratra masina sy ny sahan-kevitr’izany ny fandaharam-pampianarana, ary manolotra fanazavana ireo teny sy andian-teny sarotra, ahitana fanehoan-kevitry ny Manampahefana Ambony mikasika ny fotopampianarana sy fitsipika ampianarina ao amin’ny soratra masina, ary sosokevitra mikasika ny hoe inona no votoatiny sy fotopampianarana ary fitsipika tokony ho ampianarina. Manolotra sosokevitra mikasika ny fomba enti-mampianatra koa izany. Rehefa ampiasain’ireo mpampianatra miaraka amin’ny andian’andinin-tsoratra masina ny fandaharam-pampianarana dia afaka manentana ny fanahin’izy ireo ny Fanahy Masina rehefa mandrindra ny lesona hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra izy ireo.
Nanome fanazavana mikasika ny fanomanana sy ny fampiasana ny fandaharam-pampianarana ny Loholona Henry B. Eyring: “Ireo izay nantsoin’ny mpaminany mba haka antoka ny fahamarinan’ny fotopampianarana izay ampianarina ato am-piangonana dia mamerina mijery ny teny tsirairay, ny sary tsirairay ary ny fanazavana an-tsary rehetra ao amin’izany fandaharam-pampianarana izay raisinareo izany. Afaka mamaha ny hery entin’ izany fandaharam-pampianarana izany isika amin’ny alalan’ny fampiasana fotsiny ny finoantsika fa avy amin’ny fanentanam-panahy avy amin’Andriamanitra izany. …
“Ny fanarahana ny votoatin’ny fandaharam-pampianarana ary koa ny filaharany dia hamaha ireo fahazai-mampianatra miavaka ananantsika fa tsy hampihena izany” (“The Lord Will Multiply the Harvest” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, Feb. 6, 1998], 4–5).
Loharanom-pitaovana fanampiny
Afaka mampiasa loharanom-pitaovana fanampiny ny mpampianatra toy ny gazetibokin’ny Fiangonana, indrindra ireo mirakitra ny fampianarana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, raha toa izy ireo ka manampy amin’ny fahatakarana mazava kokoa ilay andian’andinin-tsoratra masina. Ireo loharanom-pitaovana hafa dia tsy tokony ho ampiasaina mba hamoahana hevitra sy fomba fanao vaovao, mba hampitolagaga, na hampianarana hevitra izay tsy mbola nandraisan’ny Fiangonana fanapahan-kevitra mazava. Na dia misy zavatra efa nohamarinina na navoaka aza taloha dia mety mbola tsy mety ny hampiasana izany any am-pianarana. Tokony hanorina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo mpianatra ny lesona.
Tapaho ny zavatra hampianarina sy ny fomba hampianarana azy
Rehefa manomana lesona iray ny mpampianatra rehetra dia tsy maintsy manapa-kevitra hoe: “Inona no hampianariko?” ary “Amin’ny fomba ahoana no hampianarako izany?” Ny hoe Inona no hampianarina dia mifototra amin’ny sahan-kevitra (ao anatin’izany ny fampahalalana fototra, ny kolontsaina, ary ny toe-java-miseho), ny votoatiny (toy ny fizotran’ny tantara, olona, zava-nitranga, toriteny sy fanazavana avy amin’ny fanentanam-panahy), ary ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara izay hita ao amin’ilay andian’andinin-tsoratra masina. Ny hoe Ahoana no hampianarana azy dia mifototra amin’ny fomba fampianarana, ny fitarihana ny fampianarana ary ireo sahanasa izay ampiasain’ireo mpampianatra mba hanampiana ireo mpianatra hianatra (toy ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana, ireo fitaovana jerena sy henoina, ireo asa atao an-tsoratra ary ireo asa iarahan’ny vondrona atao). Ny fanapahana hoe inona no hampianarina dia mila ialohavan’ny fisafidianana ny hoe ahoana no hampianarana azy mba hihazonana ny fifantohana voalohany amin’ny soratra masina, fa tsy amin’ny fomba fampianarana na ny teknika ampiasaina.
Mandritra ny fanomanana ny lesona ireo mpampianatra dia tokony hanokana fotoana sy ezaka ampy tsara eo amin’ny fanapahana ireo zavatra roa ireo dia ny hoe inona no hampianarina ary ahoana no hampianarana azy. Raha toa ka saika maka ny fifantohana rehetra mandritra ny fanomanana ny lesona ny hoe inona no hampianarina dia tsy hanana fotoana ampy hifantohana amin’ny fomba hanampiana ny mpianatra handray anjara amin’ny fandalinana ny mpampianatra. Matetika izany dia hiteraka lesona mampamonamonaina sy mifantoka loatra amin’ny mpampianatra. Raha toa kosa ka mifantoka loatra amin’ny hoe ahoana no fomba hampianarana azy ny mpampianatra dia hikorontana ny lesona ary tsy hanana tanjona sy hery.
Manapa-kevitra amin’izay lesona ho ampianarina
Misy dingana efatra lehibe lalovan’ny mpampianatra rehefa manomana ny zavatra ho ampianariny izy ireo: Voalohany, mikatsaka ny hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andian’andinin-tsoratra masina izy ireo. Faharoa, mamantatra sy manakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina izy ireo. Fahatelo, manapa-kevitra ny amin’izay fitsipika sy fotopampianarana manan-danja indrindra tokony hianaran’ny mpianany sy ho ampihariny izy ireo. Ary fahefatra dia manapa-kevitra mikasika ny halehiben’ny fanantitranterana tokony hatao ny fizarana tsirairay ao amin’ilay andian’andinin-tsoratra masina izy ireo.
1. Manakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andian’andinin-tsoratra masina izay ampianarina.
Ny mpampianatra dia tokony hikatsaka ny hahatakatra ny sahan-kevitra, na ny fampahalalana fototra mikasika ny andian’andinin-tsoratra masina sy hampifantoka tanteraka ny sain’izy ireo ao anatin’izany mandrapahafantatr’izy ireo tanteraka ny votoatiny. Ny dikan’ny hoe mifantoka tanteraka ao amin’ny soratra masina dia mamaky, mandalina, ary mivavaka mba hahazo fanentanam-panahy sy fahatakarana mikasika ny zavatra novakina.
Ny iray amin’ireo zavatra manampy indrindra azon’ny mpampianatra atao mba hahatakarana ny votoatin’ny soratra masina dia ny mamantatra ireo fizarazarana mazava ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina izay hitrangan’ny fiovana lohahevitra na zava-miseho. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny boky fampianarana sy ny hevi-baovaony manokana, ny mpampianatra dia afaka mizara ny andian’andinin-tsoratra masina ho kantsana kelikely kokoa na ho vondron’andinin-tsoratra masina mifototra amin’ireo fizarazarana mazava ireo. Ireo kantsana kelikely ireo dia ho tonga andian’andinin-tsoratra masina na singa manan-danja izay ho ampiasain’ny mpampianatra any aoriana ao anatin’ny fanomanany mba handrindrana ny fisosan’ny lesony ary hahafahan’izy ireo farafahakeliny mba maneho fifantohana ihany amin’ireo votoatin’ny zavatra rehetra hita ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina.
Rehefa mandrindra ny andian’andinin-tsoratra masina arak’io fomba io, ny mpampianatra dia tokony hikatsaka koa fomba hafa mba hampivelarana ny fahatakarany ny olona resahina, ny toerana ary ny fifandraisan’ny antony sy ny vokany izay toa manan-danja ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina, ary koa ny dikan’ireo teny na andian-teny sarotra. Ny fahazoana fahatakarana ampy mikasika ny votoatiny dia matetika mitaky famakiana ny andian’andinin-tsoratra masina mihoatra ny indray mandeha.
2. Mamantatra sy manakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika.
Miaraka amin’ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatiny dia tokony hamantatra sy hanakatra tsara ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina ireo mpampianatra ary hamerina hijery ireo natolotra ao amin’ny boky fampianarana. Tokony miezaka manoratra amin’ny fomba mazava sy voafintina ireo fotopampianarana sy fitsipika ny mpampianatra raha tsy hoe efa voatanisa ao anatin’ny fandaharam-pampianarana izany. Ny fanaovana izany dia hampazava ny fitsipika sy ny dikany ao an-tsain’ny mpampianatra. Hanampy amin’ny asa fandalinana atao mandritra ny fotoam-pianarana koa izany ary ahafahan’ireo mpianatra hampivelatra ny fahatakarana sy fampiharana mifantoka kokoa.
3. Manapa-kevitra hoe inona ireo fitsipika sy fotopampianarana izay manan-danja indrindra tokony hianaran’ny mpianatra sy hampihariny.
Ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina tsotra iray dia saika hisy foana ny fitaovana bebe kokoa izay azo hifanakalozana hevitra tsara mandritra ny fotoam-pianarana. Rehefa avy nandalina ny soratra masina sy ny boky fampianarana ireo mpampianatra dia mila manapa-kevitra izy ireo hoe inona ireo fitsipika sy fotopampianarana izay tena manan-danja tokony ho takarin’ny mpianany sy tokony hampihariny. Rehefa mandray izany fanapahan-kevitra izany ireo mpampianatra dia tokony handinika ireto zavatra manaraka ireto.
Ireo bitsiky ny Fanahy Masina Tokony hikatsaka tsy tapaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina hatrany ireo mpampianatra eo am-pandraisana fanapahan-kevitra hoe inona avy ireo fitsipika sy fotopampianarana tokony hamafisina ao amin’ny lesona.
Ny tanjon’ilay mpanoratra nentanim-panahy. Tokony hikatsaka ny hamantatra ny zavatra tian’ilay mpanoratra mandray faminaniana hampitaina ireo mpampianatra. Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Raha toa ka nahita izao androntsika izao izy ireo [ireo mpanoratra], ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja indrindra ho antsika, moa va tsy ho ny fomba tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna izany? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nitaoman’ny Tompo fanahy an’i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’izany izay hanampy ahy eo amin’ny fiainako amin’izao andro izao sy amin’izao vanimpotoana izao?” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, Nov. 1986, 6). Tokony hieritreritra fanontaniana mitovy amin’izany ireo mpampianatra mandritra ny fanomanany lesona ho an’izay mety ho taranja ianarana mahakasika ny soratra masina izay ampianariny.
Tokony hihazona ao an-tsainy koa ireo mpampianatra fa ny tanjona fototry ny mpaminany ao amin’ny soratra masina dia ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy foana. Hoy i Nefia hoe: “Fa ny tena fikasako dia ny hahazoako mandresy lahatra ny olona hanatona ny Andriamanitr’ i Abrahama sy ny Andriamanitr’ i Isaka ary ny Andriamanitr’ i Jakoba mba hovonjena”(1 Nefia 6:4). Noho izany ny mpampianatra dia tokony hametraka fanontaniana hoe: “Inona no ampianarin’ity andian’andinin-tsoratra masina ity mikasika an’i Jesoa Kristy izay hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fampianarany sy ny Sorompanavotany sy hiantehitra amin’izany?”
Rehefa mikatsaka ny hamantatra ny tanjon’ilay mpanoratra nentanim-panahy ireo mpampianatra dia tokony hitandrina tsara izy ireo mba tsy hihoatra ny zavatra hita mazava ao amin’ny lahatsoratra. Nampitandrina ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Tsy tokony hisehoseho aho fa mahafantatra ny zavatra rehetra tian’ny mpanoratra holazaina, na ny tsy tiany holazaina” (“‘And Thus We See:’ Helping a Student in a Moment of Doubt” [takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 5 Feb. 1993], 6).
Ireo fitsipika sy lohahevitra ara-potopampianarana mitondra fiovam-po. Rehefa manapa-kevitra ny mpampianatra hoe inona no ampianarina, dia tokony handinika izy hoe: “Amin’ireo fahamarinana rehetra azo antitranterina ao amin’ity andian’andinin-tsoratra masina ity dia inona no hanampy ny mpianatro hanatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary hitondra any amin’ny famonjena?” Nanoro hevitra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Rehefa manomana lesona ianareo dia tadiavo ao anatin’izany ireo fitsipika mitondra fiovam-po. … Ny fitsipika mitondra fiovam-po dia ireo izay mitarika any amin’ny fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra” (ao amin’ny L. Tom Perry, “Converting Principles” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, Feb. 2, 1996], 1).
Ireo filana sy fahaiza-manaon’ny mpianatra. Raha mahafantatra sy mahatakatra tsara kokoa izay manjo ny mpianany ny mpampianatra, dia ho mora kokoa ny hamantarana sy hanamafisana an’ireo fitsipika manan-danja izay mora ampiharina. Rehefa mandalina andian’andinin-tsoratra masina iray ny mpampianatra dia mety hahita hevitra na fomba fisainana maro izay manaitra azy mivantana na manana lanjany manokana ho an’ny tenany, kanefa ireo hevitra ireo dia mety hanana heviny sarotra mihoatra ny fahavononana sy fahatakarana ara-panahy ananan’ny mpianatra (jereo, ohatra, ny torohevitr’i Paoly mikasika ny hena sy ny ronono ao amin’ny 1 Korintiana 3:2). Mety hanana lanjany lehibe ho an’ny mpianatra ireo fitsipika sasantsasany izay mety tsy ho vaovao na tsy mahaliana ny mpampianatra. Tokony ho tsaroan’ny mpampianatra fa mampianatra mpianatra izy ireo fa tsy lesona fotsiny. Manorina tontolo iray ahafahana mianatra izy ireo fa tsy manomana ireo hevi-dehiben’ny lesona fotsiny. Afaka manampy ireo mpampianatra tokoa ny fandaharam-pampianarana eo am-pamaritana izay mety ho fitsipika sy fotopampianarana manan-danja indrindra ho an’ireo mpianatra.
Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Farito, araka ny fahaizan’ny tsirairay sy ny zavatra ilain’ireo mpianatra, izay laharam-pahamehana indrindra. Raha takatra ny fitsipika manan-danja iray, sy tafalatsaka anaty ary tafiditra ao amin’ny boky torolalam-piainan’ireo mpianatra, dia tanteraka izany ilay tanjona manan-danja indrindra” (“To Understand and Live Truth” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 4 Feb. 2005], 2–3).
Rehefa manapa-kevitra hoe inona ireo fahamarinana tokony ho antitranterina dia afaka manao drafitra koa ny mpampianatra mba hitanisa fohifohy ny fitsipika na fotopampianarana iray izay tsy kasain’izy ireo hivalamparana rehefa mandroso ao anatin’ny fandalinana ny andian’andinin-tsoratra masina. Izany dia manome fahafahana ny Fanahy Masina mba hampifanaraka amin’izay ilan’ny olona azy ny fitsipika iray, izay na dia tsy zavatra lehibe ifantohana ao anatin’ny lesona aza, dia mety hanan-danja ho an’ny mpianatra iray. Tokony ho ataon’ny mpampianatra ao an-tsaina koa fa ireo mpianatra dia mety hahita fahamarinana sasantsasany ao amin’ny filazantsara sy hanam-paniriana ny hifanakalo hevitra mikasika an’izany ary mety tsy tsikaritry ny mpampianatra na nokasainy horesahina izany.
Ao anatin’ireo zavatra rehetra ireo dia tokony hikatsaka ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy ny mpampianatra. Ny Fanahy dia hanampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny tanjon’ny mpanoratra soratra masina izay nentanim-panahy, sy ny zavatra ilain’ny mpianatra, ary izay fahamarinana ara-pilazantsara hanampy ireo mpianatra hanatona akaiky kokoa ny Rain’izy ireo any an-danitra sy ny Mpamonjy.
4. Manapa-kevitra mikasika ny halehiben’ny fanantitranterana atao amin’ny kantsana tsirairay ao amin’ilay andian’andinin-tsoratra masina.
Ireo mpampianatra ankehitriny dia afaka manapa-kevitra mikasika ny halehiben’ny fifantohana tokony homena ny kantsana tsirairay ao amin’ilay andian’andinin-tsoratra masina rehefa manana ny fahatakarana mikasika ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andian’andinin-tsoratra masina, sy nizarazara izany ho kantsana kelikely sy mifandray ny votoatiny, ary rehefa nahita ireo fahamarinana manan-danjan’ny filazantsara mba hianaran’ireo mpianatra sy hampihariny. Amin’ny ankapobeny ireo kantsana izay ahitana fotopampianarana sy fitsipika izay tian’ny mpampianatra ho antitranterina ao amin’ny lesona dia handaniana fifantohana be. Midika izany fa ho an’ireo vondron’andinin-tsoratra masina ireo, ny mpampianatra dia hitarika ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatiny, hamantatra sy hanakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja ao amin’izy ireo, hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe an’ireo fotopampianarana sy fitsipika ao am-pony, ary hanampy azy ireo hahita ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany.
Ireo kantsana hafa ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina dia mety tsy dia mifantoka loatra amin’ireo fahamarinana hamafisina ao amin’ny lesona, kanefa tsy tokony ho dinganina na hoe tsy ho jerena. Farafaharatsiny dia tokony hamintina ireo vondron’andinin-tsoratra masina ireo koa ny mpampianatra.
Fanamarihana: Mahalana ny hoe manana fotoana tsy voafetra hanomanana ny lesona. Ny fahadisoana mateti-pitranga ataon’ireo mpampianatra dia ny fandaniana fotoana be loatra amin’ny famakiana sy fandalinana ary fiezahana manapa-kevitra ny amin’ny hoe inona no ho ampianarina ka tsy ampy intsony ny fotoana hanomanana amim-pandinihana tsara ny hoe ahoana no fomba hampianarana azy. Dia amin’izay no tonga ilay fotoana mandritra ny fanomanana ny lesona rehetra izay tsy maintsy ilazan’ny mpampianatra iray hoe: “Tsapako fa manana fahatakarana ampy mikasika ny zavatra ho ampianariko aho. Ankehitriny aho dia mila manapa-kevitra hoe ahoana no fomba hampianarako izany amim-pahombiazana.”
Manapa-kevitra momba ny fomba hampianarana
Mateti-pitranga amin’ireo mpampianatra ny mientanentana mikasika ireo andian’andinin-tsoratra masina izay ho ampianariny sy ireo fahamarinana izay hitany. Amin’ny alalan’ny ezaka mafy atao mba handalinana sy hahatakarana ary mba ho ampianarin’ny Fanahy no hahazoan’ireo mpampianatra hery sy hahatsapany ho azy faniriana ny hizara ny zavatra nianarany nandritra ny fotoana fanomanana ireo mpampianatra. na dia mety ho tsara aza ny manao izany dia tokony hotsaroana fa ny tanjon’ny lesona tsirairay dia ny hahatakaran’ny mpianatra ny soratra masina, ny mba hampianaran’ny Fanahy Masina azy ireo ary hahatsapany famporisihana mba hampihatra ny zavatra nianarany. Izany dia saika mitaky foana zavatra bebe kokoa mihoatra ny filazan’ny mpampianatra fotsiny amin’ireo mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny soratra masina sy ny antony hahatsapan’izy ireo fa manan-danja izany. Izany koa dia mitaky zavatra mihoatra ny famakian’ny mpampianatra andinin-tsoratra masina iray, sy ny fanaovany fanamarihana mikasika izany, ary ny famakiana andinin-tsoratra masina iray hafa indray avy eo.
Mahazo hery ireo mpianatra rehefa tarihina ao anatin’ilay dingan’ny fianarana izay mitovy amin’ny zavatra niainan’ny mpampianatra nandritra ny fanomanana ny lesona. Tokony ho tarihina ny mpianatra hikaroka ny soratra masina mba hahatakatra zavatra ary mba hahita amin’ny alalan’ny tenan’izy ireo ny fahamarinan’ny filazantsara. Tokony homena fahafahana manazava ny filazantsara amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana izy ireo ary hizara zavatra izay fantany sy tsapany sy hijoro ho vavolombelona mikasika izany. Izany dia hanampy amin’ny fitondrana ny filazantsara miala avy ao an-tsainy mankany am-pony.
Rehefa mianatra tsy tapaka ny filazantsara araka izany fomba izany ny mpianatra dia hanana fahatokian-tena eo amin’ny fahaizan’izy ireo mandalina ny soratra masina ho an’ny tenany sy hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Manana faniriana ny hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo eo amin’ny fiainany izy ireo. Ho vonona tsara kokoa izy ireo hanazava ny zavatra inoany amin’ny olon-kafa ary hijoro ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.
Tokony hanomana fomba izay hanampy ireo mpianatra hiaina ity dingan’ny fandalinana ity ireo mpampianatra rehefa miaraka mandroso ao anatin’ny soratra masina izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana. Rehefa mandrindra ny drafitry ny lesony ireo mpampianatra, ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia manome ireo zavatra fototra hanapahan-kevitra hoe inona no ho ampianarina:
-
Inona no fomba na sahanasa fandalinana atao izay hanampy ireo mpianatro hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatiny izay ilain’izy ireo ho fantatra?
-
Inona no fomba izay hanampy ireo mpianatro hamantatra sy hilaza am-bava ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja ary hanome azy ireo fahafahana hahita ireo hafa?
-
Inona no fomba tsara indrindra izay hanampy ny mpianatro hahatakatra ireto fitsipika sy fotopampianarana ireto?
-
Inona no fomba izay hitarika ny mpianatro hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha zava-dehibe ireo fitsipika ireo ary hanasa azy ireo hizara sy hijoro ho vavolombelona mikasika azy ireo?
-
Inona no fomba mahomby izay hanampy azy ireo hahita ny fomba ahafahany mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainany sy hamporisika azy ireo hanao izany?
Ireto misy zavatra vitsivitsy tokony hodinihina ao anatin’ny fanapahana hevitra mikasika ny fomba hampianarana.
Makà antoka fa mifanaraka tsara amin’ny hafatra izay ampianarina sy mampitombo ny fitarihan’ny Fanahy ireo fomba fampianarana. Indraindray noho ny fiezahana hampifalifaly ny mpianatra na ny fiezahana hihazona ny fahalianany, dia misafidy fomba fampianarana na teknika izay tsy mitondra any amin’ny fahatakarana sy ny fivoaran’ny toe-tsaina ny mpampianatra. Rehefa mifantina ny fomba fampianarana dia tokony hojeren’ny mpampianatra raha toa ilay fomba fampianarana ka manatsara ny fandraisana na manalavitra amin’ny hafatra izay natao hanampiana ny mpianatra handray ny zavatra ampianarina azy. Ohatra, ny kilalao enti-mampianatra dia mety hahafinaritra sy fomba mahomby hampitana fampahalalana (toy ny filaharan’ny boky ao amin’ny Baiboly), kanefa mety tena tsy hitondra vokany izany raha toa ny tanjona farany ka hoe fananana fahatsapan-javatra ara-panahy. Mety mahomby ny miasa ao anatin’ny vondrona kely kanefa noho izany somary mandany fotoana ihany dia mety tsy izany no fomba tsara indrindra hamantarana fitsipika tsotra nambara iray.
Tokony haka antoka ilay mpampianatra fa mifanaraka amin’ny tontolo enti-mandalina ny filazantsara ny fomba fampianarana sy asa atao sy tsy hanafintohina na handratra na iza na iza, ary hitondra ny fitarihan’ny Fanahy.
Ampiasao ny fandaharam-pampianarana. Ny fandaharam-pampianarana ao amin’ny seminera sy institiota dia manolotra sosokevitra mikasika ny hoe ahoana no fomba ampianarina izay mampiditra ireo zavatra manan-danja ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Rehefa manomana ny lesona tsirairay ireo mpampianatra dia tokony hamerina hamaky tsara ny fandaharam-pampianarana ary hifantina izay fampahalalana sy fomba fampianarana ho ampiasain’izy ireo mba hampianarana ilay andian’andinin-tsoratra masina. Afaka misafidy ireo sosokevitra rehetra ao amin’ny fandaharam-pampianarana na ny ampahan’izany mba hampianarana andian’andinin-tsoratra masina iray ireo mpampianatra na afaka mampifanaraka ireo sosokevitra amin’ny zavatra ilaina sy ny zava-misy ao amin’ny kilasiny.
Ataovy izay hampifandray ny zavatra ianarana amin’ny mpianatra ary mametraha tanjona. Rehefa hitan’ny mpianatra ny fiantefan’ny zavatra halalinin’izy ireo ao amin’ilay andian’andinin-tsoratra masina eo amin’ny toe-javatra iainany manokana dia hazoto kokoa hianatra sy hampihatra ny fampianaran’ny filazantsara izy ireo amin’ny ankapobeny. Izy ireo koa dia afaka ny hahita ny fomba hitondran’ny soratra masina valiny sy fitarihana izay afaka ny hitarika azy ireo ao anatin’ny zava-misy marina mitranga eo amin’ny fiainany.
Noho izany, rehefa manomana ny hoe ahoana no hampianarana azy, dia tokony hanam-pahendrena ny mpampianatra handinika ireo fahamarinana mandrakizay voarakitra ao amin’ilay andian’andinin-tsoratra masina sy hieritreritra ny fomba mety hahatongavan’izany ho mahasoa sy manan-danja eo amin’ny fiainan’ireo mpianatra. Miaraka amin’izany ao an-tsainy, ireo mpampianatra dia hanomboka matetika ny lesony amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana manan-danja na firesahana toe-javatra miseho na olana iray izay hitarika ireo mpianatra hikaroka ny soratra masina mba hahitana ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara izay hitantana sy hitarika azy ireo. Rehefa manomana lesona ny mpampianatra dia tokony handrafitra fomba ahafahana mihazona ny fahalianana sy mamporisika hatrany ireo mpianatra hirotsaka ao amin’ny dingan’ny fandalinana koa izy ireo.
Alamino ny fotoana. Ny mpampianatra dia tokony hanao ezaka tsy tapaka mba hampianatra ny andian’andinin-tsoratra masina manontolo. Kanefa ao anatin’ny fandinihana ny habetsaky ny fotoana ho laniana amin’ireo fizarazarana samihafa ao amin’ny lesona, dia zava-dehibe ho an’ireo mpampianatra ny mahatsiaro fa mampianatra mpianatra izy ireo, fa tsy lesona. Tokony tsy hifantoka be fotsiny amin’ny fanarahana amin’ny fomba hentitra ny drafitry ny lesona ireo mpampianatra ka tsy hanome toerana ny fahafahana handray fanentanam-panahy na ny fandraisana anjara tsy ampoizina ataon’ireo mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana ka mety ilàna ny fanovana ny lesona.
Ny iray amin’ireo hadisoana mateti-pitranga eo amin’ireo mpampianatra dia ny fandaniana fotoana be loatra amin’ny ampahan’ny voalohan’ny lesona ary avy eo hafainganina ny ampahany faran’ny lesona. Rehefa manomana ireo mpampianatra dia ilain’izy ireo ny mandanjalanja ny fotoana holaniana mba hamitana ny fizarana tsirairay ao anatin’ny lesona amin’ny alalan’ny fampiasana ny fomba fampianarana nosafidiany. Satria ny mpampianatra iray dia tsy maintsy hanana zavatra bebe kokoa ho ampianarina foana amin’ny ankapobeny mihoatra ny fotoana ananana enti-mampianatra izany, dia mila faritan’izy ireo hoe inona avy ireo ampahany ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina tokony ho antitranterina ary inona no tokony ho fintinina.
Miantefa any amin’ny taranjam-pianarana feno sy amin’ny lesona tsirairay ny filana fandaminana ny halavam-potoana. Ohatra, ao amin’ny taranjam-pianarana Testamenta Vaovao, raha toa ka mandany fotoana be loatra amin’ny Filazantsara efatra ireo mpampianatra dia tsy afaka ny hampita araka ny tokony ho izy ireo fahamarinana manan-danjan’ny filazantsara hita ao amin’ireo boky hafa any aoriana.
Ny ankamaroan’ny boky fampianarana ho an’ny seminera sy institiota dia manolotra sosokevitra eo amin’ny fandaminana ny halavam-potoana sy fandaharam-potoana entina hamitana ny taranja iray manontolo.
Mifantoha amin’ny fanampiana ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny. Rehefa manomana ny fomba hampianarany ny mpampianatra dia tokony hifantoka foana amin’ny mpianatra fa tsy amin’ny zavatra ho ataon’ny mpampianatra fotsiny. Mba tsy hametrahana ny fanontaniana hoe: “Inona no hataoko any am-pianarana anio?” na, “Inona no hampianariko ny mpianatro?” dia tokony hieritreritra toy izao koa ny mpampianatra rehefa manomana lesona: “Inona no hataon’ireo mpianatra ao andakilasy androany?” na “Ahoana no hanampiako ireo mpianatro hahita ny zavatra mila fantariny?”
Mampiasà fomba fampianarana sy fomba fiasa isan-karazany. Na ny teknika fampianarana mandresy lahatra iray aza dia mety tsy hahomby intsony sy hankaleo raha ampiasaina foana. Raha tsy tokony hifantina fomba fampianarana noho ny fitiavana hanovaova ny zavatra atao fotsiny ny mpampianatra, dia maro ireo mpampianatra mahomby no manovaova ireo fomba fampianarany mandritra ny lesona tsirairay ary koa mety ho isan’andro isan’andro. Tokony ho vonona hanova ireo fomba fampianarana mandritra ny lesona ireo mpampianatra raha toa ka manomboka tsy dia liana ireo mpianatra na raha toa ka tsy manampy loatra ireo mpianatra hanatratra ny vokatra tadiavina ny zavatra ataon’izy ireo.
Afaka manampy koa ireo mpianatra izay mandalina amin’ny fomba samihafa ny fampiasana fomba maro isan-karazany entina mampianatra. Afaka manampy hanatsara ny fandraisan’anjaran’ny mpianatra sy ny fitadidiany ny zavatra nampianarina ireo fomba fampianarana na asa fandalinana atao izay mitaky ny fampiasan’ireo mpianatra retsipamantarany samihafa, toy ny fahitana, ny fihainoana ary ny fahatsapana.
Raha toa ka tokony hifantina ireo fomba izay ahazoany aina sy hainy mampiasa ny mpampianatra amin’ny ankapobeny dia tokony ho vonona hanandrana ireo fomba fampianarana na fitarihana ny fampianarana vaovao izy ireo mba hampahomby azy ireo bebe kokoa.
Ny fizarana manaraka ao amin’ity boky torolalana ity dia miresaka mikasika ireo fomba fampianarana sy fitarihana ny fampianarana isan-karazany izay azon’ireo mpampianatra dinihina rehefa manapa-kevitra hoe ahoana no fomba ampianarana izy.
Ny fandaharam-pampianaran’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (S&I) dia loharano fototra hanampiana anao hivoatra amin’ny maha mpampianatra anao sy hanolotra traikefa amin’ny fianarana mampiorina ho an’ireo mpianatra. Nampianatra toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Ireo izay antsoin’ny mpaminany mba hiantoka ny fahamarinan’ny fotopampianarana izay ampianarina ao am-piangonana dia mandinika ny teny tsirairay sy ny sary tsirairay ary ny kisary tsirairay ao amin’izany fandaharam-pampianarana voarainareo izany. Afaka mamaha ny hery entin’ izany fandaharam-pampianarana izany isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny finoantsika fa avy amin’ Andriamanitra izany. …
“Ny fanarahana ny votoatin’ny fandaharam-pampianarana ary koa ny filaharany dia hamaha ireo fahazai-mampianatra miavaka ananantsika fa tsy hampihena izany” (“The Lord Will Multiply the Harvest” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 6 Feb. 1998], 4–5).
Ny fandaharam-pampianarana dia mitondra ezaka hampifanaraka ireo fomba sy sahanasa fianarana amin’ny toromarika voaray avy amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana sy ny mpitantana ny S&I. Ny fampiasana ilay fandaharam-pampianarana sy ny fikatsahana hampiasa sy hampifanaraka izany dia hanampy anao hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy. Rehefa mampiasa tsy tapaka ilay fandaharam-pampianarana ianao dia ho lasa mpampianatra mifantoka amin’ny mpianatra kokoa ary hahita ny fomba hampifantohana ny traikefa amin’ny fianarana tsirairay amin’ny Mpamonjy.
Miezaka manampy anao hampianata ny soratra masina amin’ny fomba mahomby kokoa ilay fandaharam-pampianarana. Taiditra ao anatin’izany ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny sahan-kevitra sy ny votoatiny mba hahafahan’izy ireo mahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, sy mahita ny lanjan’izany, ary hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Ny fanaovana izany dia hanampy sy hamporisika ireo mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.