“Fomba sy fahaiza-manao ary paikady enti-mampianatra,” Fomba sy fahaiza-manao ary paikady enti-mampianatra (2023)
“Fomba sy fahaiza-manao ary paikady enti-mampianatra,” Fomba sy fahaiza-manao ary paikady enti-mampianatra
Fomba sy fahaiza-manao ary paikady enti-mampianatra
Andraikitra sarotra sy ahitana lafiny maro ny fampianarana. Ny lisitr’ireo fomba fampianarana sy ny teknika enti-mampianatra dia hahitana hevitra sy ohatra maro ary hameno boky maro ny fifanakalozan-kevitra mikasika azy ireo. Na izany aza anefa dia azo atao ny mampivondrona azy ireo ho ao anatin’ny sehatra amin’ny ankapobeny ahitana fomba fampianarana, fahaiza-manao enti-mampianatra ary fitarihana ny fampianarana izay ilaina ho an’ny fampianarana mahomby. Hiresadresaka mikasika ny sasany amin’ireo sehatra manan-danja ireo ity fizarana ity.
Rehefa manapa-kevitra mikasika ireo fomba fampianarana ho ampiasaina dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa ireo fomba fampianarana sy fahaiza-manao enti-mampianatra dia dingana arahana hanatratrarana tanjona fotsiny ihany, fa tsy ireo no tanjona akory. Ny mpampianatra dia tokony hifantina ireo fomba izay tena hanampy indrindra ireo mpianatra hahatakatra ny votoatin’ny andian’andinin-tsoratra masina iray, ny fotopampianarana ary ny fitsipika ao aminy ary hanamora ny fampianarana sy ny fampiharana. Ny fihazonana an-tsaina ny tanjona amin’ny fampiasana fahaiza-manao na teknika manokana dia hanampy ireo mpampianatra hampiasa izany amin’ny fomba mitondra voka-tsoa kokoa. Zava-dehibe ihany koa ny mahatsiaro fa raha tsy misy ny Fanahy dia tsy hahomby na dia ireo fomba sy paikady enti-mampianatra tena mahomby indrindra aza.
Fanontaniana
Iray amin’ireo fahaiza-manao manan-danja indrindra azon’ny mpampianatra kolokoloina ny fametrahana fanontaniana mahomby. Ny fanontaniana dia afaka mamporisika ireo mpianatra handray anjara ao amin’ny dingan’ny fanakarana ny soratra masina ary afaka manampy azy ireo hamantatra sy hanakatra ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara. Ny fanontaniana koa dia manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny akon’ny filazantsara teo amin’ny fiainan’izy ireo ary manampy azy ireo handinika ny fomba ahafahany mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy. Ny fametrahana fanontaniana mahomby dia afaka mamporisika ireo mpianatra hanasa ny Fanahy Masina ao anatin’ny fotoam-pandalinan’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiharana ny fahafahany misafidy sy ny fanatanterahany ny anjara andraikiny ao anatin’ny dingan’ny fandalinana.
Tsy hanenenana ny manao ezaka lehibe eo amin’ny fandrafetana amim-pitandremana fanontaniana mandritra ny fanomanana ny lesona izay hitondra any amin’ny fahatakarana sy hahaliana ny saina sy ny fon’ireo mpianatra eo am-pandalinany. Rehefa manomana fanontaniana dia tokony hamaritra ny antony hametrahany izany fanontaniana manokana izany ny mpampianatra (ohatra, mety ho tian’ny mpampianatra hahita fampahalalana ao anatina andinin-tsoratra masina ireo mpianatra, na tiany hieritreritra ny dikan’ny andinin-tsoratra masina iray na hizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ny fitsipika iray). Tokony handrafitra ilay fanontaniana miaraka amin’izany tanjona izany ao an-tsainy ny mpampianatra avy eo. Ny teny vitsivitsy nosafidiana tamim-pitandremana tsara dia afaka manova zavatra lehibe eo amin’ny hoe hitondra ilay vokany tadiavina ve sa tsia ilay fanontaniana.
Tokony hiezaka hanomana sy hametraka fanontaniana izay miteraka fieritreretana sy mampisy fahatsapan-javatra ny mpampianatra. Amin’ny ankapobeny dia tokony hisoroka ny fanontaniana azo valiana amin’ny “eny” na “tsia” izy ireo na fanontaniana izay mazava be ny valiny ka tsy mazoto ireo mpianatra hieritreritra ny valiny. Ny mpampianatra koa dia tokony hisoroka ireo fanontaniana izay mety hiteraka tsy fitovian-kevitra satria mety hanorisory ny mpianatra izany sy hiteraka fifandirana ao am-pianarana, ka hampalahelo ny Fanahy (jereo ny 3 Nefia 11:29).
Rehefa mametraka fanontaniana ao am-pianarana dia zava-dehibe ho an’ireo mpampianatra ny manome fotoana mba hieritreretan’ireo mpianatra ny valiny. Indraindray dia mametraka fanontaniana iray ny mpampianatra, miato kely segondra iray na roa, ary raha tsy misy mamaly avy hatrany, dia mikorontan-tsaina izy ary manome ny valiny avy hatrany. Matetika anefa ny fanontaniana mahomby dia mitaky fieritreretana sy fandinihana, ary mety mila fotoana ireo mpianatra hahitany ny valiny ao amin’ny soratra masina na handrindrany ao an-tsainy valiny mafonja kokoa. Mety hanampy kokoa indraindray ny fanomezana fotoana an’ireo mpianatra mba hanoratana ny valintenin’izy ireo alohan’ny hanomezana izany.
I Jesoa Kristy, ilay Tompo Mpampianatra, dia nampiasa karazam-panontaniana mba hamporisihana ny hafa hisaintsaina sy hampihatra ireo fitsipika nampianariny. Niovaova arakaraka ny zavatra tiany entina teo amin’ny fiainan’ireo izay nampianariny izany fanontaniana izany. Ny fanontaniana sasantsasany dia nanentana ireo mpihaino Azy hieritreritra sy hijery ny valiny ao amin’ny soratra masina, toy ny tamin’ny fotoana nametrahany fanontaniana hoe: “Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana no famakianao azy?” (Lioka 10:26). Ireo fanontaniana hafa dia natao mba hanaovana fanoloran-tena, raha nanontany Izy hoe: “Tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo?” (3 Nefia 27:27).
Raha toa ka maro karazana tokoa ireo fanontaniana azo apetraky ny mpampianatra dia misy karazam-panontaniana fametraka efatra izay manan-danja manokana ho an’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara:
-
Fanontaniana izay manasa ireo mpianatra hikaroka fampahalalana
-
Fanontaniana izay mitarika ireo mpianatra hanao fanadihadiana mba hahatakaran-javatra
-
Fanontaniana izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona
-
Fanontaniana izay mamporisika hanao fampiharana
Fanontaniana izay manasa ireo mpianatra hikaroka fampahalalana
Ireo fanontaniana mamporisika ny fikarohana dia manampy ireo mpianatra hanorina fahatakarana fototra an’ilay soratra masina amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hikaroka ireo antsipirian-javatra manan-danja izay mifandray amin’ny votoatin’ilay andian’andinin-tsoratra masina. Noho ireo fanontaniana mamporisika ny fikarohana manosika ny mpianatra hitady fampahalalana ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina, dia manampy tokoa ny fametrahana fanontaniana toy izany alohan’ny hamakiana ireo andininy izay ahitana ny valiny. Mampifantoka ny sain’ny mpianatra izany ary mamela azy ireo hahita ny valiny ao anatin’ny tantara ao amin’ny soratra masina.
Ireo fanontaniana mamporisika ny fikarohana matetika dia ahitana ny teny toy ny hoe: iza, inona, rahoviana, ahoana, aiza, ary nahoana. Ireto misy ohatra sasantsasany ahitana fanontaniana izay mitaona ny mpianatra hikaroka fampahalalana:
-
Araka ny voalazan’ny Matio 19:22, dia nahoana ilay zatovo mpanan-karena no niala tamin’alahelo?
-
Ao amin’ny 1 Samoela 17:24, nanao ahoana ny fihetsik’ireo lehilahin’i Isiraely rehefa nahita an’i Goliata? Nanao ahoana ny fihetsik’i Davida ao amin’ny andininy 26?
-
Inona no torohevitra nomen’i Almà an’i Siblôna zanany lahy ao amin’ny Almà 38:5–15?
Ny valin’ny fanontaniana mamporisika hanao ny fikarohana dia tokony hanorina fahatakarana fototra izay ahafahan’ireo karazam-panontaniana hafa miorina mba hisian’ny fahatakarana sy fampiharana bebe kokoa. Ilay fanontanian’ny Mpamonjy manao hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?” (Matio 16:13) dia manome fampahalalana fototra. Ny valinteny izay nomen’ny mpianany dia nanomana azy ireo tamin’ilay fanontaniana lalindalina sy nampitaintaina kokoa: “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” (Matio 16:15).
Fanontaniana izay mitarika ireo mpianatra hanao fanadihadiana mba hahatakaran-javatra
Mazàna ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia apetraka aorian’ny fahafantaran’ireo mpianatra tsara ireo andininy izay ianarany. Afaka manasa ireo mpianatra izy ireo mba hikatsaka fahatakarana lehibe sy lalindalina kokoa mikasika ny soratra masina. Afaka manampy ireo mpianatra izy ireo hanadihady ireo fifandraisan-javatra sy ireo lamina na hahita ny fifanoheran-javatra ao anatin’ny soratra masina. Ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia saika ahitana valiny mihoatra ny iray foana.
Amin’ny ankapobeny ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia natao hanatanterahana tanjona telo farafahakeliny. Izy ireny dia afaka manampy ny mpianatra mba:
-
Hahatakatra tsara kokoa ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina.
-
Hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara.
-
Hampivelatra fahatakarana lalina kokoa an’ireo fitsipika sy fotopampianarana ireo.
Manampy ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina. Ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia afaka manampy ireo mpianatra hampivelatra ny fahatakarany ny lahatsoratry ny soratra masina sy ny zava-nitranga amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handinika ireo andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny sahan-kevitry ny zava-niseho ara-tantara sy ara-kolontsaina ao anatin’izany, na ao anatin’ny sahan-kevitra fanampiny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina hafa. Ny fanontaniana toy izany dia afaka manampy ny mpianatra koa hahazo fanazavana momba ny dikan’ireo teny na andian-teny ary manampy azy ireo hanadihady ny antsipirian’ny fizotran’ny tantara mba hahatakaran-javatra bebe kokoa. Izany dingana izany dia manomana ireo mpianatra mba ho afaka hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianarana.
Ireto misy ohatra ahitana karazam-panontaniana toy izany:
-
Ahoana no hanampian’ny fanazavan’i Jesoa tao amin’ny Matio 13:18–23 antsika hahatakatra ny fampianarany ao amin’ny andininy 3–8?
-
Inona no fahasamihafana hitanao eo amin’ny fihetsika nasetrin’i Lamàna sy i Lemoela tamin’ny torolalan’ilay anjely sy ny fihetsika nasetrin’i Nefia (jereo ny 1 Nefia 3:31; 4:1–7).
-
Inona no nitarika ny fahaverezan’ny pejy miisa 116 izay nahatonga ny Tompo hanoro hevitra an’i Joseph Smith fa “tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra” izy? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7)
Manampy ireo mpianatra hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara. Rehefa mitombo ny fahatakaran’ireo mpianatra ny sahan-kevitry ny soratra masina sy ny votoatin’izany dia ho afaka ny hamantatra bebe kokoa ireo fitsipika sy fotopampianarana ao anatin’izany izy ireo. Ireo fanontaniana mamporisika ny fanaovana fanadihadiana dia afaka manampy ireo mpianatra hisintona fehin-kevitra na hanazava tsara ireo fitsipika na fotopampianarana hita ao amin’ilay andian’andinin-tsoratra masina (jereo ny fizarana 2.5.1, “Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika” ao amin’ny pejy 26).
Isan’ny ohatra amin’ireo fanontaniana ireo ireto:
-
Inona no fitsipika asehon’ny fahombiazan’i Nefia tamin’ny fahazoana ireo takela-barahana na dia sarotra be aza izany? (1 Nefia 3–4).
-
Fotopampianarana inona mahakasika ny toetran’ Andriamanitra no azontsika ianarana avy amin’ny Fahitana Voalohany? (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20).
-
Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny ezaka nataon’ilay vehivavy izay nandeha ra nandritra ny fotoana maharitra hikasika ny Mpamonjy, ary ny fihetsika nasehony tamin’ilay vehivavy vokatr’izany? (jereo ny Marka 5:24–34).
Manampy ireo mpianatra hanana fahatakarana lalindalina kokoa mikasika ireo fitsipika sy fotopampianarana. Ankoatra ny famantarana ireo fitsipika sy fotopampianarana dia mila mahatakatra azy ireo koa ny mpianatra alohan’ny ahafahana mampihatra azy ireo amim-pahombiazana. Manampy tanteraka ireo fanontaniana izay mitarika any amin’ny fahatakarana lalindalina kokoa ny dikan’ny fitsipika na fotopampianarana iray manokana, izay mamporisika ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fitsipika iray amin’izao vaninandro izao, na izay manasa ny mpianatra hanazava ny fahatakarany mikasika ny fitsipika iray. Ohatra amin’izany ireto manaraka ireto:
-
Inona no porofo mivaingana fa tia an’Andriamanitra amin’ny “herin[tsika], ny sain[tsika] ary ny tanja[tsika]” rehetra isika? (Môrônia 10:32).
-
Nahoana no manampy anao hatrany hahazo ny tanjaka ara-panahy ilaina hanoherana ny fakam-panahy toy ny fanaratsiana ny hafa na ny fandraisana anjara amin’ny fialam-boly izay manafintohina ny Fanahy ny fivavahana? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5).
-
Inona ireo toetra izay mety ho hitanao eo amin’ny fiainan’ny olona izay nanorina ny fototra ijoroany amin’i Kristy? (jereo ny Helamàna 5:1–14).
-
Raha mampiasa ny zavatra nianarantsika ao amin’ny Almà 40, dia ahoana no hanazavanao ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny namana iray izay tsy iray finoana amintsika?
Fanontaniana izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona
Manampy ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fitsipika sy fotopampianarana ary hanakatra izany ireo fanontaniana sasany, raha toa kosa ny hafa ka ahafahan’izy ireo misaintsaina zavatra iainana ara-panahy sy mitarika ireo mpianatra hahatsapa lalindalina kokoa ny fahamarinana sy ny lanjan’ny fitsipika na ny fotopampianaran’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Matetika ireo fahatsapana ireo no miteraka faniriana lalina ao am-pon’ireo mpianatra hiaina ny fitsipiky ny filazantsara amim-pahatokiana kokoa. Ao amin’ny lahateny iray natao ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, ny Loholona Henry B. Eyring dia niresaka mikasika ireo karazana fanontaniana ireo rehefa niteny hoe:
“Manentana ny fanahy ny fanontaniana sasany. Mametraka ireo fanontaniana ireo ny mpampianatra mahay. … Indro misy fanontaniana izay mety tsy manentana ny fanahy: -Ahoana no ahalalana ny mpaminany marina?- Izany fanontaniana izany dia mamporisika hanome valiny amin’ny endrika lisitra, notsoahina avy amin’ny fitadidiana ireo soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany velona. Maro ireo mpianatra afaka mandray anjara amin’ny famaliana izany. Afaka manome farafaharatsiny sosokevitra tsotsotra ny ankamaroan’izy ireo. Ary dia hitarika fampiasan-tsaina izany.
“Kanefa afaka mametraka koa ilay fanontaniana tahaka izao isika, izay somary misy fanovana kely fotsiny: ‘Oviana ianareo no nahatsapa ho teo anatrehan’ny mpaminany?’ Izany dia hanasa ny tsirairay hikaroka ao anatin’ny fahatsiarovany mba hitadidy ireo zavatra tsapany. Aorian’ny fametrahana fanontaniana dia mety raha miandry kely isika alohan’ny angatahana olona iray hamaly. Na ireo tsy mandray fitenenana aza dia hieritreritra zavatra niainana ara-panahy. Hanasa ny Fanahy Masina izany” (“The Lord Will Multiply the Harvest,” 6).
Ny fanontaniana toy izany dia hanasa ireo mpianatra hisaintsaina ny lasa, “hikaroka ao anatin’ny fahatsiarovany mba hitadidy ireo zavatra tsapany,” ary hieritreritra ny zavatra niainany ara-panahy izay mifandray amin’ny fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara izay nifanakalozana hevitra. Matetika ireo fanontaniana ireo dia mitarika ireo mpianatra hizara ireo zavatra tsapa sy niainana na fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana na fitsipika iray. Ireo fanontaniana ireo dia manampy amin’ny fitondrana ny filazantsara miala avy ao an-tsain’ireo mpianatra midina mankany amin’ny fony. Ary rehefa mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara iray ao am-pony izy ireo dia hampihatra izany kokoa eo amin’ny fiainany.
Indreto misy ohatra sasantsasany amin’ireo fanontaniana ireo izay miteraka fahatsapan-javatra sy fijoroana ho vavolombelona:
-
Oviana ianao no nahatsapa fiadanana sy fifaliana avy amin’ny famelana heloka ny hafa?
-
Eritrereto ny fotoana iray izay nitarihan’ny Tompo ny fanapahan-kevitrao satria nahatoky Azy ianao fa tsy niantehitra tamin’ny fahatakaranao manokana fotsiny (jereo ny Ohabolana 3:5–6). Inona no fitahiana azonao noho ny fanaovana izany?
-
Raha toa ka afaka maneho fankasitrahana mivantana an’ny Mpamonjy ianao noho ny sorona nataony ho anao dia inona no mety holazainao Azy?
-
Inona no niova teo amin’ny fiainanao vokatry ny zavatra nitranga tao amin’ny Ala kely masina?
-
Oviana ianao no nahita olon-kafa niatrika tamim-pahatokiana ireo fitsapana? Inona no fiantraikan’izany teo aminao?
Teny fampitandremana kely: Ny valin’ny karazam-panontaniana toy izany dia mety tena hahakasika ny tena manokana sy ho sarotra zaraina. Tokony haka antoka ny mpampianatra fa mahatsapa ho tsy voatery velively hamaly fanontaniana sy hizara ny zavatra tsapany na zavatra niainany na hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany ireo mpianatra. Ankoatra izany, ny mpampianatra dia tokony hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny toetra maha-masina ny zavatra niainana ara-panahy manokana sy hamporisika azy ireo hizara ireo traikefa ireo araka ny tokony ho izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64).
Fanontaniana izay mamporisika hanao fampiharana
Ny tena tanjona faratampon’ny fampianarana ny filazantsara dia ny hanampy ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika sy fotopampianarana hita ao amin’ny soratra masina ary hanampy ireo mpianatra ho mendrika ny handray ireo fitahiana nampanantenaina ho an’ireo mahatoky sy mpankato. Ireo mpianatra izay afaka mahita ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny fiainany ireo fitsipiky ny filazantsara taloha dia hanana faniriana bebe kokoa sy ho vonona tsaratsara kokoa hampihatra amim-pahombiazana azy ireo any amin’ny fiainany ho avy. Ny fanontaniana dia mitana anjara toerana manan-danja amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahita fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny toe-javatra iainany ankehitriny sy hitady fomba ahafahany mampihatra azy ireo any amin’ny fiainany ho avy.
Ireto manaraka ireto misy ohatry ny fanontaniana izay afaka hanampy ireo mpianatra hieritreritra manokana mikasika ireo fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fitsipika sy fotopampianarana eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana:
-
Inona ireo fanovana ilainao hatao mba hahafahana hihazona ho masina kokoa ny andro Sabata ka ahafahanao ho tsy voapentipentin’izao tontolo izao kokoa? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–13).
-
Inona ny zavatra natoron’ny mpaminany anao fa azonao arahina amin’ny antsipiriany? (jereo ny Almà 57:1–27).
-
Ahoana no ahafahan’ilay fitsipika manao hoe raha mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra aloha isika dia hotahiana eo amin’ny sehatra hafa eo amin’ny fiainantsika hanampy anao hanao laharam-pahamehana ireo tanjona sy sahanasa ho an’ny roa na telo taona manaraka? (jereo ny Matio 6:33).
Fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana
Mitana anjara toerana manan-danja eo amin’ny fampianarana sy ny fianarana ny filazantsara ny fifanakalozan-kevitra mafonja ao am-pianarana. Mitranga ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana rehefa mifampiresaka amin’ireo mpianatra ny mpampianatra ary mifampiresaka amin’izy samy izy koa ireo mpianatra amin’ny fomba izay miteraka fianaran-javatra. Ny fifanakalozan-kevitra tsara dia afaka manampy ireo mpianatra hianatra ny maha-zava-dehibe ny fitadiavana valiny ho an’ireo fanontaniana manan-danja sy hianatra ny maha-sarobidy ny fihainoana sy ny fianarana zavatra avy amin’ireo fanehoan-kevitry ny hafa sy heviny ary ny zavatra niainany. Izany koa dia afaka manampy ireo mpianatra hihazona ny fifantohan-tsaina sy fandraisana anjara ao am-pianarana izay matetika miteraka fahatakarana lalindalina kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara izay ifanakalozana hevitra, ary koa miteraka faniriana marina ao am-pony mba hampihatra ireo zavatra ianarany sy tsapany.
Ireto manaraka ireto misy hevitra sasantsasany hanampiana ireo mpampianatra hitarika fifanakalozan-kevitra manentana ny fanahy sy mamporisika ny fandraisana anjara:
Omano ny fifanakalozan-kevitra. Tahaka ireo fomba fampianarana hafa dia mila omanina tsara ny fifanakalozan-kevitra ary avy eo dia atao eo ambany fitarihan’ny Fanahy. Ny mpampianatra dia mila mieritreritra ny fomba hanampian’ny fifanakalozan-kevitra ireo mpianatra hahatakatra hoe inona no zavatra ilainy ianarana, inona avy ireo karazam-panontaniana izay hitondra any amin’ilay tanjona, ahoana no fomba fametrahana ireo fanontaniana ireo amin’ny fomba mahomby indrindra, ary ahoana no atao raha toa tarihin’ny mpianatra any amin’ny zavatra tsy ampoizina ilay fifanakalozan-kevitra.
Ialao ireo fanehoan-kevitra tafahoatra avy amin’ny mpampianatra. Ireo mpampianatra izay manao fanehoan-kevitra tafahoatra mikasika ny lohahevitra dinihina dia mety hahakivy ireo mpianatra eo amin’ny fanaovany ezaka mba handray anjara satria ho tsapan’izy ireo fa matetika te-hanome ny valiny avy hatrany ny mpampianatra azy. Ny fanehoan-kevitra tafahoatra dia mety hahatonga ireo mpianatra hahatsapa fa tsy dia ilaina loatra ny fandraisany anjara ary hahatonga azy ireo tsy ho liana izany.
Asao handray anjara ny mpianatra rehetra. Tokony hiezaka hikaroka fomba hanasana araka ny tokony ho izy ireo mpianatra rehetra handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra mafonja ireo mpampianatra, eny hatramin’ireo izay misalasala ny handray anjara aza noho ny antony maro samihafa. Ny mpampianatra dia tokony hitandrina mba tsy hanao izay hahamenatra ireo mpianatra amin’ny fanondroana azy ireo rehefa hitan’izy ireo fa tsy vonona ny hamaly fanontaniana ilay mpianatra.
Indraindray dia mitady hibahan-toerana ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana ny mpianatra iray na ny vondrona kelin’ny mpianatra iray. Afaka miresaka mitokana amin’ny olona toy izany ny mpampianatra, misaotra azy ireo amin’ny fahazotoany mandray anjara, maneho fa zava-dehibe ny mamporisika ny mpianatra rehetra handray anjara ary manazava ny antony mety tsy hanondroana azy ireo isaky ny manangan-tanana hamaly izy ireo.
Antsoy amin’ny anarany ny mpianatra. Miteraka tontolo fianarana hanjakan’ny fitiavana sy ny fifanajana ny fiantsoana ireo mpianatra amin’ny anarany rehefa hamaly fanontaniana iray.
Aza matahotra ny fahanginana. Indraindray rehefa hametrahana fanontaniana mahomby ireo mpianatra dia mety tsy mamaly avy hatrany. Tokony tsy hanakorontan-tsaina ny mpampianatra izany fahanginana izany raha toa ka tsy maharitra lava loatra. Indraindray ny mpianatra dia mila fananana fahafahana hieritreretana ny zavatra nanontaniana azy sy ny fomba ahafahany mamaly ilay fanontaniana. Ny fieritreretana toy izany dia manamora ny fampianarana amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Ovao ny fomba fametrahana ny fanontaniana. Indraindray mety sahirana amin’ny famaliana fanontaniana iray ny mpianatra satria tsy mazava izany. Mety mila manova ny fametrahana ilay fanontaniana ny mpampianatra na manontany ireo mpianatra raha takany ny zavatra anontaniana azy ireo. Tokony hosorohan’ny mpampianatra ny fametrahana fanontaniana maro mifanesisesy nefa tsy manome fotoana ampy hieritreretan’ireo mpianatra lalina mba hanomezany valiny araka ny tokony ho izy.
Mihainoa tsara ary mametraha fanontaniana hampitomboana ny fahatakarana. Indraindray ireo mpampianatra dia miahiahy amin’ny zavatra izay hotenenina na hatao manaraka ka tsy dia henoin’izy ireo tsara akory ny zavatra lazain’ireo mpianatra. Rehefa mandinika sy mihaino tsara ireo mpianatra ny mpampianatra dia afaka mamantatra ny zavatra ilain’izy ireo ary mitarika ilay fifanakalozan-kevitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Alaivo antoka fa takatrao ny valintenin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe: “Afaka manampy ahy hahatakatra izay tianao holazaina amin’izany ve ianao?” na hoe “Afaka manome ahy ohatra iray amin’izay tianao holazaina ve ianao?” na “Afaka manome ohatra iray ahy ve ianao mahakasika ny tianao holazaina?” Ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso ny zavatra izay natao toy izany dia hanasa ireo mpianatra hizara bebe kokoa ny zavatra eritreretiny sy tsapany ary matetika manasa ny fanahin’ny fijoroana ho vavolombelona ao anatin’ilay valinteny. Tokony ampahatsiahivin’ny mpampianatra ireo mpianatra mba hifampihaino ary koa tsy tokony hiresaka rehefa misy olon-kafa miteny.
Avereno zaraina ny fanamarihana na ny fanontaniana apetraky ny mpianatra. Mazàna ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana dia manaraka lamina ka mametraka fanontaniana ny mpampianatra, dia mamaly ny mpianatra ary avy eo manampy ny fomba fijeriny amin’ilay valintenin’ny mpianatra ilay mpampianatra alohan’ny hametrahana ny fanontaniana manaraka indray. Mety hanan-danja, hanaitaitra ary hahomby kokoa ny fifanakalozan-kevitra raha averin’ny mpampianatra resahina amin’ireo mpianatra hafa ireo valinteny na fanehoan-kevitry ny mpianatra iray. Ny fanontaniana tsotra toy ny hoe “Inona no hanampianao izany?” na “Inona no eritreritrao momba izany fanehoan-kevitra izany?” dia afaka mamorona tontolo hifamalian’ny mpianatra. Mampivelatra be ny traikefa eo amin’ny fandalinana izany matetika. Raha ny mahazatra dia tokony homena fahafahana hiteny ireo mpianatra rehetra izay maniry ny handray fitenenana, raha tsy hoe efa tsy ampy ny fotoana.
Ankasitraho amin’ny fomba tsara ny valinteny. Rehefa manome valinteny ny mpianatra iray dia mila maneho fankasitrahana araka izay azo atao ny mpampianatra. Mety hoe “misaotra” tsotra fotsiny izany na fanehoan-kevitra momba ilay valinteny. Raha toa ka diso ny valinteny nomena dia tokony hitandrina tsara ny mpampianatra mba tsy hanala baraka ilay mpianatra. Ny mpampianatra mahomby iray dia afaka maka hevitra avy amin’ny ampahan’ny valintenin’ilay mpianatra izay diso na mametraka fanontaniana fampitomboana ny fahatakarana, izay ahafahan’ny mpianatra miverina mandinika ny valinteniny.
Miaraka mamaky ny soratra masina ao am-pianarana
Ny famakiana ny soratra masina ao am-pianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hahafantatra sy hahatakatra tsara kokoa ireo andinin-tsoratra masina halalininy. Afaka manampy azy ireo hahatoky tena bebe kokoa amin’ny fahaizan’izy ireo mamaky ny soratra masina irery ihany koa izany. Tokony hitandrina ny mpampianatra mba tsy hanala baraka ireo izay tsy dia mahay mamaky tsara na saro-kenatra be. Ireo mpianatra izay tsy te-hamaky dia tsy tokony ho terena hanao izany, kanefa afaka mamporisika azy ireo handray anjara amin’ny fomba izay tsy mahasadaikatra azy loatra ny mpampianatra. Ohatra, mety ho fomba tsara ahafahan’ny mpianatra mandray anjara ao am-pianarana ny fanomezana azy andinin-tsoratra masina fohy mialoha mba hahafahany mizatra mamaky izany araka ny tokony ho izy.
Misy fomba maro isan-karazany hamakiana miaraka ny soratra masina ao am-pianarana:
-
Asaivo mamaky mafy ireo mpianatra, na izany mandeha tsirairay na miaraka.
-
Asaivo mifampamaky teny ny mpianatra.
-
Asaivo mamaky amim-pahanginana andinin-tsoratra masina iray ireo mpianatra.
-
Omeo andraikitra ny mpianatra samy hafa mba hamaky ny tenin’ireo olona maro tsirairay ao amin’ny tantara.
-
Mamakia mafy ho an’ny mpianatra rehefa manaraka ny soratra masiny izy ireo.
Famelabelarana ataon’ny mpampianatra
Raha toa ny fandraisan’ireo mpianatra anjara mavitrika eo amin’ny dingan’ny fandalinana ka zava-dehibe eo amin’ny fahatakarany sy ny fampiharany ny soratra masina, dia tsy mahasolo ny famelabelaran’ireo mpampianatra araka ny tokony ho izy ny fampahalalana amin’ny fotoana samihafa akory izany rehefa mihaino ny mpianatra. Ato amin’ity boky torolalana ity dia antsoina hoe: “famelabelarana ataon’ny mpampianatra” ireo fotoana izay iresahan’ny mpampianatra ka ihainoan’ireo mpianatra. Rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra dia afaka hampivelatra ireo fomba fampianarana hafa izany. Raha toa kosa anefa ka diso tafahoatra ny fampiasana izany dia hampihena ny fahombiazan’ny fampianarana sy hampihena ny fahafahan’ireo mpianatra hianatra zavatra amin’ny alalan’ny fandalinana sy finoana izany fibahanan-toeran’ny mpampianatra izany.
Afaka ny hahomby ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra rehefa hamintinana zavatra lava be ao anatin’ny fitaovana maro, hanolorana fampahalalana vaovao ho an’ny mpianatra, hanaovana fanohizana an’ireo fizarana maro ao amin’ny lesona na hisintonana famintinana. Mety ilain’ny mpampianatra ny manazava sy maneho an-tsary mba hahafahan’ireo mpianatra mahatakatra mazava kokoa ny sahan-kevitry ny andian’andinin-tsoratra masina iray. Mety ilain’ny mpampianatra koa ny manamafy fotopampianarana na fitsipika manan-danja ary mamporisika ireo mpianatra hampihatra azy ireo. Fa ny tena manan-danja indrindra angamba dia hoe ny mpampianatra dia afaka mijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara sy maneho ny fitiavany ny Ray any An-danitra sy ny Zanany lahy.
Rehefa mampiasa ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra, toy ny rehefa mampiasa fomba fampianarana hafa dia tokony hanombantombana tsy tapaka ny fandraisan’ny mpianatra ny zavatra ampianarina ny mpampianatra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao: “Moa ve liana sy mifantoka ny mpianatro?” sy hoe “Azon’izy ireo ve ny zavatra velabelarina?” Amin’ny farany, ny fahombiazan’ity fomba fampianarana ity na izay mety ho fomba hafa dia voafaritra amin’ny hoe mianatra na tsy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ny mpianatra, mahatakatra ireo soratra masina ary maniry ny hampihatra izay nianarany.
Afaka manampy ny mpampianatra hampiasa ity fomba ity amim-pahombiazana kokoa ireto hevitra manaraka ireto.
Omano ny ampahan’ny lesona hanaovana ilay famelabelaran’ny mpampianatra. Indraindray ireo mpampianatra dia manomana tsara ireo ampahany hafa ao amin’ny lesona hafa saingy tsy manao toy izany ho an’ireto ampahan’ny lesona ireto izay izy ireo no hiresaka betsaka indrindra. Ny iray amin’ireo olana mikasika ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra dia mety mora lasa mpandray anjara malaina fotsiny ny mpianatra ao anatin’ny dingan’ny fandalinana. Noho izany dia mila fanaovana drafitra sy fanomanana amim-pitandremana koa ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra, izay ahitana ny fanapahana mikasika ny hoe ahoana no fomba hanombohana sy ny fomba hamelabelarana ny fampianarana amin’ny fomba mora andraisana azy.
Rehefa manao drafitra ny hampiasa ny famelabelarana ataon’ny tenany ny mpampianatra dia tokony handinika tsara momba ny mpampianatra hoe aiza no fotoana manokana tokony tena handraisan’ireo mpianatra anjara mavitrika. Amin’ny ankapobeny, ny lesona rehefa mizotra mankany amin’ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andian’andinin-tsoratra masina, ny fifanakalozan-kevitra sy ny fampiharana ireo fitsipika sy fotopampianarana, dia mitombo ny maha-zava-dehibe ny fandraisan’ny mpianatra anjara mavitrika.
Ampiaraho amin’ny fomba fampianarana hafa ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra. Ny fomba mahomby iray amin’ny fampiasana ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra ao an-dakilasy dia ny fampiasana izany ho ampahan’ny drafitra fampitana ny lesona manontolo izay ahitana ireo fomba fampianarana sy fitarihana ny fampianarana hafa ao anatin’ilay torolalana. Tokony ho azo ovaina tsara ilay famelabelarana rehefa hita mibaribary fa monamonaina na mikorontan-tsaina ireo mpianatra. Amin’izay, na dia miteny aza ny mpampianatra dia mifantoka sy mianatra foana ireo mpianatra, ary afaka mampifanaraka ny fampianarana amin’izay ilaina ny mpampianatra. Nisy olona iray indray mandeha nampitaha ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra ho toy ny tady mihazona ireo voahangy maron’ny rojo iray. Ireo voahangy dia ireo fomba maro isan-karazany ampiasain’ny mpampianatra (fanontaniana, fifanakalozan-kevitra, fampiasana fitaovana jeren’ny maso, sns), kanefa voafatotra sy atambatry ny tadin’ny torolalana sy fanazavan’ny mpampianatra izy ireo. Raha ilay tady fotsiny dia tsy ho rojo manaitra mihitsy izany.
Ampiasao araka ny tokony ho izy ny karazam-pampianarana. Misy fomba maro ahafahana mampiditra karazan-javatra ao anatin’ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra. Afaka miala amin’ny fiverimberenan’ny zavatra mitovy ny mpampianatra amin’ny alalan’ny fomba firesaka, ny haavon’ny feo sy ny hamafiny ary amin’ny alalan’ny fivezivezena eran’ny efitrano rehefa mandeha ny famelabelarana. Afaka ny hisy zavatra samihafa koa ao anatin’ireo karazan-javatra velabelarina. Ohatra, afaka mitantara tantara ny mpampianatra, mampiasa zavatra tsara mampihomehy, mampiasa sary na zavatra hafa hita ao am-pianarana, mamaky teny nambara, mampiasa solaitrabe na mijery sarimihetsika ary mijoro ho vavolombelona. Tokony hampivelatra ny fahaizan’ny mpianatra manakatra sy mampihatra ny soratra masina ny karazan-javatra azo zaraina tsara ao anatin’ny famelabelarana ataon’ny mpampianatra.
Tantara
Afaka manampy amin’ny fanorenana ny finoan’ny mpianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny tantara. Miteraka fahalianana izy ireo ary manampy ireo mpianatra hahatakatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny fihainoana na famakiana zavatra niainan’olona fa tsy niainan’ny mpianatra mivantana. Fomba mahomby manokana koa ny tantara eo amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay hita ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina iray. Amin’ny alalan’ny fampisehoana ny fitsipiky ny filazantsara iray ao anatin’ny toe-javatra iainana amin’izao fotoana izao, ho fanampin’ny sahan-kevitr’ireo soratra masina, dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ifandraisan’ny fitsipiky ny filazantsara iray amin’ny fiainany ny tantara, ary koa manampy azy ireo hanana faniriana hampihatra izany.
Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie hoe: “Tsy misy mahadiso mihitsy ny fitantarana tantara iray hampitomboana finoana izay niseho tamin’izao andro izao, tantara iray izay nitranga tamin’izao fotoampitantanana izao. … Raha ny marina dia tokony hamporisihina mihitsy aza ny fanaovana izany. Tokony hanao ny ezaka rehetra isika mba hampisehoana fa mitranga eo amin’ny fiainan’ireo Olomasina ankehitriny ireo zava-nitranga tamin’ireo olona mahatokin’ny andro fahiny ireo. …
“Angamba ny lamina tsara indrindra entina hizarana tantara hampitomboana finoana dia ny fampianarana ny zavatra hita ao amin’ny soratra masina ary avy eo manamafy ny fisian’izany marina amin’ny alalan’ny fizarana zavatra mifanaraka na mitovy amin’izany izay nitranga tao amin’izao fotoampitantanantsika izao sy tamin’ireo vahoakantsika ary —ny tsara indrindra—tamintsika mivantana” (“The How and Why of Faith-Promoting Stories,” New Era, July 1978, 4–5).
Afaka mizara ireo tantara avy amin’ny fiainan’ny mpaminany sy avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana ireo mpampianatra, ary koa ireo tantara hita ao amin’ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana sy ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Afaka mizara tantara marina nitranga teo amin’ny fiainany koa ny mpampianatra. Ny sasany amin’ireo fianaran-javatra tena manan-danja sy misy fiantraikany dia mitranga rehefa manasa ireo mpianatra hizara tantara avy amin’ny fiainany manokana ny mpampianatra izay mampiseho ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny fiainany ny fitsipiky ny filazantsara iray.
Ireto misy fampitandremana sy torolalana tokony hodinihina mikasika ny fampiasana tantara.
-
Raha toa ka lasa fomba na teknika fampianarana mibahana loatra ny fitantarana tantara dia mety ho lasa ilay tantara no ifantohan’ny lesona, ka manamaivana ny fotoana tokony holaniana amin’ny soratra masina sy lasa manakona ireo fotopampianarana sy fitsipika izay ampianariny.
-
Ny fampiasana tantara be loatra avy amin’ny fiainan’ny mpampianatra manokana dia mety hiteraka ny fanambonian-tena ary mahatonga ireo mpampianatra “[hametraka] ny tenany ho fahazavan’ izao tontolo izao” (2 Nefia 26:29).
-
Raha toa ny tantara ka afaka manazava sy mampientanentana ny fampianarana soratra masina ary manampy ireo mpianatra hahatsapa ny herin’ny Fanahy dia tsy tokony ho ampiasaina velively mba handemena ny fihetseham-po izany.
-
Tokony hitandrina ny mpampianatra mba tsy hanitatra ny zava-nitranga ao amin’ny tantara marina iray mba hahatonga izany hampitaintaina na hisy fiantraikany kokoa.
-
Raha toa ka tsy marina ny tantara iray, toy ny tantara mampihomehy iray mba hanehoana lohahevitra iray dia tokony holazaina mazava any am-panombohana ny tantara izany hoe tsy tena nisy.
Fifanakalozan-kevitra sy asa ampanaovina ataona vondron’olom-bitsy
Indraindray dia manampy ny fizarana ny mpianatra ho tsiroaroa na ho vondrona kely vitsivitsy mba hahafahan’ny mpianatra miaraka mandray anjara ao anatin’ny asa fandalinana atao na amin’ny fifanakalozan-kevitra. Matetika ireo sahanasa ao anatin’ireo vondrona kely dia ahafahan’ny mpianatra maromaro mandray anjara sy ahafahana manome tontolo azo antoka izay ahafahan’ny mpianatra mifampizara fahatsapana, sy eritreritra ary fijoroany ho vavolombelona. Izany sahanasa izany dia afaka koa manome fahafahana ireo mpianatra hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa sy hanampy azy ireo hiomana hampianatra ny filazantsara amin’ny hoavy. Ny fifanakalozan-kevitra ao anatin’ireo vondrona kely dia ahafahana mampandray anjara amim-pahombiazana ireo izay toa tsy dia liana sy tsy mifanto-tsaina loatra ary ahafahan’ireo mpianatra mampivelatra ny fahaizana miserasera sy manamafy ny fifandrasaina ara-tsôsialy sy ara-panahy araka ny tokony ho izy. Afaka mampisy fahatokian-tena eo amin’ireo mpianatra tsy tia mifandray aman’olona loatra koa izany ka hitarika azy ireo handray anjara bebe kokoa.
Rehefa asaina miara-miasa tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ny mpianatra dia tsara raha atao ao an-tsaina izao manaraka izao:
-
Alohan’ny hizarana ireo mpianatra ho vondrona kely dia tokony hanome toromarika mazava ny mpampianatra mikasika ny zavatra andrasana mba ho ataon’ireo mpianatra mandritra ilay asa atao. Matetika tena manampy raha soratana eo amin’ny solaitrabe na atao printy amin’ny taratasy zaraina izany toromarika izany mba hahafahan’ny mpianatra miverina mijery azy ireo mandritra ny fanaovana sahanasa.
-
Mampitombo ny fahalianana sy ny fandraisana anjara bebe kokoa amin’ny ankapobeny ny asa fandalinana atao ao anatin’ireo vondrona kely izay manan-danja eo amin’ny fiainana sy ny toe-javatra iainan’ireo mpianatra.
-
Ny fanendrena mpianatra mpitarika ho an’ny vondrona tsirairay sy ny fanomezana fotoana voafetra dia manampy ilay vondrona hanatontosa ny andraikiny. Ireo asa lava loatra atao ao anatin’ireo vondrona dia matetika miteraka ny fahavitan’ireo vondrona ny asany amin’ny fotoana samihafa sy mety hitarika fikorontanana ao am-pianarana.
-
Amin’ny ankapobeny dia handray anjara amim-pahalianana kokoa ireo mpianatra raha asain’ny mpampianatra mialoha ireo mpianatra mba hiomana hizara na hampianatra ny zavatra nianarany avy tamin’ilay asa natao. Izany koa dia hanome fahafahana ny mpianatra hizatra hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa.
-
Mahay miasa kokoa ireo mpianatra rehefa ao anatin’ireo vondrona izay hamakafakany ny soratra masina, na hamakiany teny nambara iray na hanatanterahana asa ampanaovina ny tsirairay alohan’ny hiarahan’izy ireo mivondrona.
-
Mety ho lasa sarotra ho an’ny tsirairay ny mandray anjara mavitrika raha miisa dimy na mihoatra izany ireo mpianatra ao anaty vondrona. Ankoatra izany, dia sarotra kokoa ho an’ny vondrona ahitana olona maromaro kokoa amin’ny ankapobeny ny mifantoka amin’ny asa ampanaovina azy.
-
Mety tsy ho fomba tsara indrindra ny fiasana ao anatin’ny vondrona kely raha hamaliana fanontaniana tsotra noho ny fotoana ilaina mba handaminana ireo mpianatra ho ao anaty vondrona.
-
Raha diso ampiasaina foana koa ny asa fandalinana atao ao anaty vondrona dia lasa tsy dia mahomby loatra izany.
Mandritra ny fifanakalozan-kevitra na asa atao ao anatin’ireo vondrona kely dia mety ho lasa tsy mifantoka amin’ny tanjon’ny asa ampanaovina ireo mpianatra, na hanao zavatra manokana ho an’ny tenany na tsy dia hanao ezaka mba hianatra. Ny mpampianatra izay mitoetra ho mavitrika amin’ny alalan’ny fivezivezena eny amin’ny vondrona tsirairay sy manara-maso an’ilay asa fandalinana atao dia afaka manampy ireo mpianatra hanatontosa ny andraikitra ampanaovina azy sy hahazo tombontsoa avy amin’izany.
Asa atao an-tsoratra
Ireo mpampianatra dia tokony hanasa ny mpianatra handray anjara amin’ny asa atao an-tsoratra toy ny fandraisan-javatra an-tsoratra, fanoratana ao anaty diary, taratasy fanoratana ny fampiasana, firaketana ny fisaintsainana manokana ary ireo famelabelarana an-tsoratra. Indraindray ny fanasana ireo mpianatra hanoratra ny valin’ny fanontaniana mitaky fisainana lalina iray dia manampy azy ireo hampitombo sy hanazava ny fieritreretany. Ny fanasana ny mpianatra hamaly an-tsoratra ny fanontaniana iray alohan’ny hizarany ny eritreriny amin’ny ao am-pianarana dia manome fotoana ireo mpianatra handrindrana ny heviny sy handraisany ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina. Mety hanaiky kokoa hizara ny eritreriny ireo mpianatra rehefa nosoratany aloha izany ary hisy lanjany kokoa matetika ny zavatra zarain’izy ireo. Ankoatra ireo zavatra hafa, ny asa atao an-tsoratra dia manome fahafahana ny mpianatra mba handray anjara manokana, handray fanentanam-panahy ary hiomana hampianatra sy hizara ny fahatsapany amin’ny hafa, ary hanaiky ny fitantanan’ny Tompo eo amin’ny fiainany sy hizara fijoroana ho vavolombelona. Rehefa manapa-kevitra ny mpampianatra hoe inona no asa atao an-tsoratra mety tsara ho an’ny fotoam-pandalinana iray dia tokony hodinihin’izy ireo tsara ity fitsipika nozarain’ny Loholona David A. Bednar ity: “Ny fanoratana ny zavatra ianarantsika sy eritreretintsika ary tsapantsika rehefa mandalina ny soratra masina dia endrika iray hafa isehoan’ny fisaintsainana ary fanasana mahery vaika ny Fanahy Masina hitondra toromarika tsy tapaka” (“Because We Have Them before Our Eyes,” New Era, Apr. 2006, 6–7).
Ny asa atao an-tsoratra ho an’ny mpianatra tanora na voafetra kokoa ny fahafahany manao zavatra dia tokony ampifanarahana amin’izay ilaina mba hanampiana azy ireo hahomby. Ohatra, afaka manomana ilay fampiasana hoe fenoy ny banga ny mpampianatra izay ahitana fampahalalana bebe koa ho an’ireo mpianatra ary kely kokoa ny zavatra anontaniana azy ireo. Ny mpampianatra dia afaka manampy ireo mpianatra ireo amin’ny alalan’ny fampifantohana ilay asa atao an-tsoratra amin’ireo andinin-tsoratra masina fohy na fanontaniana manokana sy amin’ny alalan’ny fanomezana fotoana ampy ho azy ireo hanatontosana ny asa ampanaovina.
Mahazo tombontsoa kokoa avy amin’ny asa atao an-tsoratra amin’ny ankapobeny ireo mpianatra rehefa:
-
Manome toromarika an-tsoratra mazava ireo mpampianatra izay azon’ny mpianatra jerena foana mandritra ny fanatanterahana ny asa ampanaovina.
-
Mampifantoka ny eritreriny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara izay manan-danja eo amin’ny toe-javatra iainany manokana ilay asa atao.
-
Manampy azy ireo hampihatra manokana ireo fahamarinana ireo ilay asa ampanaovina.
-
Tohanan’ny mpampianany sy ampiany ireo mpianatra mandritra ilay asa atao an-tsoratra.
-
Misy fameram-potoana eny anelanelany eny izay mifanentana amin’ny hasarotry ny asa atao.
-
Asaina manazava, na mizara na mijoro ho vavolombelona mikasika ny zavatra nianarany avy tamin’ilay asa natao ireo mpianatra.
-
Mahazo antoka ireo mpianatra fa ireo asa atao an-tsoratra izay mifantoka amin’ny fahatsapan’ny tena manokana na fanoloran-tena manokana dia tsy ho zaraina amin’ny hafa, tafiditra ao anatin’izany ny mpampianatra, raha tsy nahazoana lalana avy tamin’ilay mpianatra izany.
-
Ampahany mafonja ao amin’ilay drafitra hitondrana ny lesona ilay asa ampanaovina ary tsy natao mba “hahabe ny asa atao” na ho toy ny fanasaziana vokatry ny toetra tsy mendrika.
-
Misy ny fanomezana fomba hafa firaketana ny eritreritra sy ny hevitra ho an’ireo izay manana fahasahiranana eo amin’ny fanoratana. Izany dia mety ahitana ny fampiasana mpianatra iray ho mpitantsoratra na fanaovana fandraisam-peo sy ny sisa.
-
Tsy lany andro ny asa atao an-tsoratra.
Solaitrabe ampiasana tsaoka na Tableau blanc
Manaporofo ny fiomanan’ny mpampianatra sy manampy amin’ny fahatsapana fisiana tanjona ao am-pianarana ny fisian’ny solaitrabe ampiasana tsaoka na tableau blanc tsara omana. Ny fampiasana amim-pahombiazana ny solaitrabe mandritra ny lesona dia afaka manomana ireo mpianatra hianatra ary manasa ny fandraisan’izy ireo anjara mavitrika, indrindra ho an’ireo izay mirona kokoa amin’ny fandalinana avy amin’ny zavatra jeren’ny maso. Rehefa mampiasa solaitrabe dia tokony ho tsaroan’ny mpampianatra ny manoratra mazava tsara sy manao izay hahalehibe tsara ny tarehintsoratra mba ho hitan’ny rehetra, ary misy elanelany tsara sy milamina ary mora vakiana ilay zavatra nosoratana. Raha tsy misy ny solaitrabe na tableau blanc dia azo anoloana izany ny taratasy lehibe iray na zavatra lehibe azo hametahana soratra na sary.
Eo amin’ny solaitrabe, ny mpampianatra dia afaka mampisongadina ireo lohahevitra na fitsipika lehibe mikasika ny lesona, na maneho amin’ny alalan’ny kisary ny fotopampianarana iray na zava-nitranga iray, na manao sarintany, na mamelabelatra rindran-damina, na mampiseho na manao ny sarin’ny zavatra hita ao amin’ny soratra masina, na mamorona tabilao izay mampiseho ireo zava-nitranga ara-tantara, mitanisa ireo zavatra hita ao amin’ny soratra masina araka ny hitan’ny mpianatra na manao zavatra hafa maro izay hanatsara ny fandalinana.
Zavatra azo tsapain-tanana sy sary
Matetika no sarotra ny mampianatra ireo lafin-javatra tsy azo tsapain-tanana ao amin’ny filazantsara. Ny fampiasana zavatra azo tsapain-tanana sy sary dia afaka ny ho fomba mahomby entin’ny mpampianatra manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo fitsipika ara-panahy. Ohatra, ny fitaovana mahazatra toy ny savony dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra fitsipika saro-takarina kokoa toy ny fibebahana. Matetika ny Mpamonjy no miresaka zavatra misy eto an-tany (toy ny mofo, rano, labozia ary vata famarana) mba hanampiana ireo mpihaino Azy hahatakatra ireo fitsipika ara-panahy.
Azo ampiasaina ireo zavatra azo tsapain-tanana sy sary mba hanampiana ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny endrikendriky ny olona, ireo toerana, ireo zava-nitranga, ary ireo fitaovana sy ireo tandindona nampiasaina izay hita ao amin’ny soratra masina. Raha tokony hiresaka fotsiny momba ny zioga ny mpampianatra (jereo ny Matio 11:28–30), dia afaka mitondra zioga ao am-pianarana izy, na mampiseho sary irain’izany na manao sary an’izany eo amin’ny solaitrabe. Afaka mamofona sy mikasika voninkazo iray ireo mpianatra rehefa miresaka mikasika ireo “voninkazo any an-tsaha” (Matio 6:28–29) izy ireo. Afaka manandrana mofo tsy misy masirasira izy ireo.
Ireo zavatra azo tsapain-tanana sy sary, tafiditra ao anatin’izany ny sarintany sy tabilao dia mahomby eo amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahazo sary an-tsaina, sy hamakafaka ary hahatakatra ny soratra masina, indrindra rehefa ampiasaina mba hampandeha tsara ny fifanakalozan-kevitra izany. Ny fisian’ny zavatra azo tsapain-tanana na sary iray efa miseho eo rehefa miditra ny mpianatra dia afaka manatsara ny tontolon’ny fandalinana ary mamporisika ny fananana fanahy te-hanadihady ao anatin’ireo mpianatra.
Misy lafiny roa tokony hotandremana rehefa mampiasa zavatra azo tsapain-tanana na sary: Voalohany, tokony hanamafy ny tanjon’ny lesona foana izy ireo fa tsy hampivaona an’izany. Faharoa, ny tantara ao amin’ny soratra masina dia tokony ho loharanom-pifanakalozan-kevitra mandrakariva ao am-pianarana mikasika ny toerana sy ny antsipirian’ny zava-nitranga iray fa tsy fanazavan-kevitry ny mpahaikanto iray mikasika ilay zava-nitranga na tantara iray.
Famelabelarana amin’ny alalan’ny fitaovana jerena sy henoina ary atao amin’ny solosaina
Ny soratra masina dia rakotr’ireo tantaran’ny Tompo manampy ny zanany hahatakatra ny fampianarany amin’ny alalan’ny zavatra jerena sy henoina (jereo ny 1 Nefia 11–14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76; Mosesy 1:7–8, 27–29). Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ny soratra masina sy hianatra ary hampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ireo loharanom-pitaovana avy amin’ny haino aman-jery sy teknôlôjia hafa raha toa ka ampiasaina araka ny tokony ho izy sy amin’ny fomba mahomby izany.
Ireo loharanom-pitaovana avy amin’ny haino aman-jery dia azo entina hanehoana ireo zava-nitranga manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ahafahana manampy ireo mpianatra hahazo an-tsaina sy hiaina ireo zava-nitranga ireo. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia afaka maneho amin’ny endrika sarimihetsika ny fomba nampiharan’ny olona ireo fitsipiky ny filazantsara mba handresena ireo fanamby sy olana natrehany ary afaka manome fahafahana ny Fanahy mba hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana.
Ny teknôlojia ampiasaina ao amin’ny solosaina dia manome fahafahana ny mpampianatra hampiseho ampahan-tsarimihetsika, fanontaniana manan-danja na sary, na teny iray nambaran’ny Manampahefana Ambony na hampisongadina fitsipika na fotopampianarana hita nandritra ny lesona. Ny famelabelarana amin’ny alalan’ny solosaina dia azo atao mitovy amin’ny nampiasana ny solaitrabe na tableau blanc —hamariparitana ireo lohahevitra manan-danjan’ny lesona, hampisehoana andinin-tsoratra masina ary hanomezana toromarika jeren’ny maso ho an’ny asa fandalinana atao tsiroaroa, na ao anatin’ny vondrona na ataon’ny tsirairay. Ny fampiasana teknôlôjia araka io fomba io dia hahasoa ireo mpianatra izay mianatra amin’ny alalan’ny zavatra jeren’ny maso ary ahafahana manampy ireo mpianatra handamina sy hahatakatra tsara kokoa ny zavatra nianaran’izy ireo.
Ny fampiasana loharanom-pitaovana ao amin’ny haino aman-jery, na solosaina na fitaovana hafa dia tokony hanaovana izay hahatonga ny lesona ho mazava, mahaliana sy tadidy foana, ary tsy tokony hampanalavitra ny fahatsapan’ny mpianatra ny fitarihan’ny Fanahy.
Ny famelabelarana amin’ny alalan’ny haino aman-jery dia afaka tena manampy tsara ny mpianatra hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara rehefa ampiasaina mba hampivoaka ny eritreritra sy ny zavatra tsapan’ny mpianatra izy ireo sy mba hampifantohana ny mpianatra ao anatin’ny lahatsoratra ara-tsoratra masina. Mety tsara raha soratana eo amin’ny solaitrabe ireo zavatra manokana mety tadiavin’ny mpianatra na ireo fanontaniana mety hananany rehefa mijery na mihaino ilay famelabelarana izy ireo. Azo atao koa ny mampiato kely ny famelabelarana mba hametrahana fanontaniana na hanehoana fampahalalana izay hanampy ireo mpianatra. Matetika dia ampahany fotsiny ihany amin’ny fitaovana jerena sy henoina no ilaina hanatratrarana ny tanjon’ny mpampianatra. Ireo mpampianatra izay mampiasa fomba fampianarana hafa, toy ny fifanakalozan-kevitra sy asa atao an-tsoratra, ampiarahana amin’ny fampiasana haino aman-jery sy teknôlôjia dia hanome antoka fa ho takatra sy tafalentika ao anatin’ireo mpianatra ireo fitsipiky ny filazantsara. Raha misy dia ny fampiasana ny fanampin-dohateny hita eo amin’ny horonan-tsary dia hampitombo ny fahatakaran’ireo mpianatra sy ny fihazonany zavatra ao an-tsainy, indrindra ho an’ireo izay manana fahasahiranana eo amin’ny fihainoana.
Tokony ho karakarain’ny mpampianatra alohan’ny hiantombohan’ny fotoam-pianarana ireo fitaovan’ny haino aman-jery na ny teknôlôjia ao amin’ny solosaina izay ilaina ao anatin’ny lesona iray ary tokony maka antoka izy ireo fa mandeha tsara izany. Tokony haka antoka izy ireo fa haheno ny famelabelarana sy hahita izany avy eny amin’ny toerany ny mpianatra rehetra. Alohan’ny fampianarana dia tokony hanomana ilay loharanom-pitaovana ao amin’ny haino aman-jery na solosaina ka hanomboka avy hatrany eo amin’ny zavatra tokony hojerena izany rehefa ilaina amin’ny lesona. Mety ho hevitra tsara koa ho an’ireo mpampianatra ny mizatra mampiasa ireo teknôlôjia ho an’ny famelabelarana alohan’ny ampiasaina izany ao amin’ny lesona.
Torolalana
Angamba ny fampiasana ireo loharanom-pitaovan’ny haino aman-jery na ny teknôlôjia dia ahitana fanamby sy olana be kokoa noho ireo fomba fampianarana hafa. Tokony handanjalanja tsara ny mpampianatra rehefa manapa-kevitra hoe mety sy tsara ho an’ilay fotoam-pandalinana ve ilay famelabelarana atao amin’ny alalan’ny haino aman-jery na solosaina. Ny fianteherana be loatra amin’ny teknôlôjia dia mety hitondra any amin’ny hoe lesona mifototra tanteraka amin’ny teknôlôjia sy ny haino vaky jery fa tsy lesona mifototra amin’ny soratra masina sy mifantoka amin’ireo mpianatra. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ireo mpampianatra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra hendry eo amin’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovan’ny haino aman-jery na ny teknôlôjia:
-
Manampy ireo mpianatra hianatra ny zava-manan-danja ve ireo fitaovana ireo? Mety hampiala voly na hahaliana ireo mpianatra tokoa ny famelabelarana amin’ny alalan’ny haino aman-jery kanefa moa mitondra mivantana any amin’ny tanjon’ny lesona sy ny zavatra tokony ianaran’ireo mpianatra ve izany? Ny fampiasana ireo fitaovana ireo ho toy ny fialam-boly sy famenoana fotoana dia tsy antony ampy ampiasana azy ireo. Ny mpampianatra dia tokony hijery na hihaino ny zavatra aseho tsirairay alohan’ny fampianarana ary maka antoka fa manamafy na manohana ny soratra masina sy ireo fotopampianarana sy fitsipika nampianarina tao amin’ny lesona izany.
-
Moa ve izany fitaovana manampy amin’ny lesona sa zavatra fototra hifantohan’ny lesona? Nanome torohevitra ny Loholona Boyd K. Packer hoe: “Ny fampiasana haino aman-jery ao am-pianarana dia mety ho fitahiana na ozona, arakaraka ny fampiasana azy ireo. Azo oharina amin’ny mpampatsiro sakafo sy hanitra atao amin’ny sakafo izy ireo. Tokony ho kely fotsiny no ampiasaina mba hanamafisana ny lesona sy mba hahatonga izany ho mahaliana” (Teach Ye Diligently, rev. ed. [1991], 265).
-
Moa ve mety izany ary mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Fiangonana? Mankahery ve izany? Maro ireo vokatra vokarina eto amin’izao tontolo izao no mety mitondra hafatra tsara saingy matetika tsy dia tsara loatra ny ao anatiny ka mety hanafintohina ny Fanahy na handefitra amin’ireo hevitra izay tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny filazantsara. Tsy tokony ho ampiasaina ny ampahan’ny horonantsary na horonam-peo iray, na dia azo atao aza, raha avy amin’ny loharanom-pitaovana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy izany. Mazàna no tsy manorina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ireo fitaovana ahitana zavatra izay tsy azokazon’ny olon-drehetra na mampitolagaga.
-
Moa handika ny zo rehetra voatokana ve izany na ireo lalàna hafa manan-kery? Horonan-tsary maro sy hira ary fitaovana jerena hafa na henoina no ahitana fameran-jo mifanaraka amin’ny lalàn’ny zo rehetra voatokana na zo manokan’ny mpampiasa. Zava-dehibe tokoa ny hanarahan’ireo mpampianatra sy mpitarika seminera sy institiota rehetra ny lalàn’ny fameran-jo eo amin’ny firenena izay ampianaran’izy ireo ary tokony hanaraka ny lalàna manan-kery sy fepetra izy ireo ka tsy ho voarakaraka eo ambanin’ny lalàna na izy ireo na ny Fiangonana.
Ireto torolalana manaraka ireto dia mihatra amin’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny seminera sy institiota any amin’ny firenena rehetra.
Ny fampiasana ireo fitaovana novokarin’ny Fiangonana
Ireo mpampianatra sy mpitarika dia afaka manao tahadika sy mampiseho ny horonan-tsary, sary ary raki-kira izay novokarin’ny Fiangonana mba ho ampiasaina tsy itadiavam-bola ary mba ho ampiasain’ny seminera sy institiota, raha tsy hoe misy fanamarihana manakana izany eo amin’ireo fitaovana novokarin’ny Fiangonana. Azo ampiasaina tsy itadiavam-bola sy azo ampiasaina ao amin’ny seminera sy institiota ireo hira avy amin’ny Fihirana, ny Bokin-kiran’ny ankizy, ary avy amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana, raha tsy hoe misy fameran-jo voamarika eo amin’ilay fihirana na hira. Afaka misintona an-jotra ary mampiseho ireo fitaovana novokarin’ny Fiangonana ao am-pianarana ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny seminera sy institiota, raha tsy hoe ahitana fameran-jo milaza zavatra mifanohitra amin’izany ireo fitaovana ireo.
Fampiasana ny fitaovana tsy novokarin’ny Fiangonana
Araka ny lalàna amin’ny ankapobeny dia tsy tokony halaina avy amin’ny Internet na haseho ao am-pianarana avy amin’ny Internet ireo fandaharana, na rindrankajy ary ireo fitaovana jerena sy henoina raha tsy efa voavidy ara-dalàna ny fahazoan-dalana ho an’izany. Raha tsy hoe an’ny Fiangonana ny horonantsary, na hira iray na fitaovana hafan’ny haino aman-jery iray dia mety hitera-doza, ary any amin’ny firenen-drehetra mihitsy, ny fampisehoana ny fitaovana toy izany ao am-pianarana izay mety handika ny lalàn’ny fameran-jo. Noho izany, araka ny lalàna ankapobeny, dia tsy tokony hampiseho ao am-pianarany ireo fitaovana izay tsy novokarin’ny Fiangonana ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny seminera sy institiota.
Ny fanaovana tahadika ny fitaovan’ny haino aman-jery izay ahitana hira misy fameran-jo (toy ny taratasy misy ireo mari-peon’ny hira na raki-kira) dia fandikana mivantana ny lalàn’ny fameran-jo raha tsy hoe nahazoana lalana an-tsoratra avy amin’ilay tompon’ny fameran-jo izany. Tsy manara-dalàna koa ny fanaovana tahadika ireo tononkira misy fameran-jo.
Ireto torolalana manaraka ireto dia mamariparitra manokana ny fisian’ny zavatra miavaka vitsivitsy mikasika ny lalàn’ny fameran-jo any Etazonia izay mamela ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny seminera sy institiota hampiseho horonantsary ao am-pianarana izay tsy hitakiana ny fahazoan-dalana avy amin’ny tompon’ilay fameran-jo. Na dia misy zavatra miavaka mitovy amin’izany aza any amin’ny firenena hafa dia tokony hifandray amin’ny Birao Misahana ny Fanomezana ny Zo Rehetra Voatokana ny mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny seminera sy institiota mba hamaritana ny lalàna manokana sy ireo zavatra miavaka izay ampiharina ao amin’ilay fireneny manokana alohan’ny hampisehoana horonantsary novokarina mba hamidy na fandaharana nalaina tamin’ny fahitalavitra na onjam-peo na tamin’ny Internet.
Fampiasana horonan-tsary novokarina mba hamidy. Ny lalàn’i Etazonia dia ahitana zavatra miavaka iray izay mamela ny mpampianatra sy mpianatra hampiasa ao am-pianarana ireo horonan-tsary novokarina mba hamidy ka tsy mila mividy ny fahazoan-dalana hanaovana izany. Mikasika izany indrindra, anefa, ireo horonan-tsary novokarin’ny mpamokatra horonan-tsary hamidy dia tsy azo ampiasaina raha tsy eo ambanin’io lalàna io raha toa ka voahaja ireto fepetra manaraka ireto. Ilay horonan-tsary naseho dia tsy maintsy: (a) avy amin’ny tahadika nahazoana lalana; (b) ampiasaina amin’ny fampianarana mivantana, izany hoe tokony ho eo ny mpampianatra na mpitarika ao amin’ny seminera sy institiota rehefa alefa ilay horonan-tsary; (d) alefa ao am-pianarana na amin’ny toerana natokana ho an’ny fampianarana; (e) asehon’ny fikambanam-pampianarana tsy mitady vola, toy ny kilasin’ny seminera na institiota; ary (f) alefa ho an’ny tanjona ara-pampianarana izay mifandray mivantana amin’ny taranjam-pampianarana fa tsy natao hialana voly. Mandika lalàna sy ratsy ny fampisehoana fitaovan’ny haino aman-jery izay nofaina na novidiana izay atao mialohan’ny fotoam-pianarana, na mandritra izany na aorian’izany. Toy izany hatrany no saika mitranga rehefa mampiseho horonan-tsary iray manontolo.
Fampiasana ireo fandaharana noraisina an-tsary sy feo avy amin’ny fahitalavitra. Ao Etazonia ny fandaharana amin’ny fahitalavitra izay alefa tsy misy sarany ho an’ny daholobe ka raisina an-tsary, na avy amin’ny câble, dia azo ampiasaina ao amin’ny efitrano fianarana raha toa ka manaraka ireto fepetra manaraka ireto: (a) Tsy hazonina mihoatra ny 45 andro ilay tahadikany ary avy eo dia tsy maintsy fafana avy hatrany. (b) Ao anatin’ny 10 andro manaraka ny daty nandraisana ny tahadika ihany no ampiasana izany ao amin’ny efitrano fianarana (aorian’ny 10 andro, saingy mbola ao anatin’ilay 45 andro, dia ho an’ny fanombanana ataon’ny mpampianatra na hamaritana ihany hoe tokony hampiasaina amin’ny lesona any aoriana ilay fandaharana sa tsia no azo ampiasana ilay tahadika). (d) Indray mandeha ihany no hanehoana ilay tahadika (indroa raha toa ka ilaina ny fanamafisana ny fanazavana. (e) Ao amin’ny trano fianarana ihany no anehoana ilay tahadika na toerana hafa natao hampianarana. (f) Tsy ovaina ny hafatra na votoaty ankapoben’ilay fandaharana. (g) Tsy azo adika ilay tahadika ka hozaraina amin’ny hafa. (h) Tsy maintsy misy fanambarana ny zon’ny mpamorona ho an’ilay fandaharana araka ny nandraisana azy ny tahadika rehetra. (i) Tsy mifangaro amina fandaharana hafa ilay fandaharana hamoronana fitambarana fampianarana na vokatra hafa (na izany tahadikana fandaharana hafa na natao amin’ny fomba elektronika).
Ho fanampin’ireo fepetra takiana teo aloha, ireo horonantsary novokarin’ireo mpamokatra horonantsary hamidy sy ireo fandaharana noraketina an-tsary sy feo avy amin’ny fahitalavitra na onjam-peo na Internet dia tokony: (a) hampiseho fotsiny ny ampahan’ilay horonantsary; (b) hampiasaina fa tsy asiam-panovana na nampidirana zavatra hafa; (d) tsy tokony ho ampiasaina amin’ny fomba izay maneho fa ilay mpamokatra ny fandaharana na tompony dia manaiky ny zavatra ataon’ny Fiangonana, na ny zavatra atao ao amin’ny seminera sy institiota na ny fampianarany, na amin’ny fomba izay maneho fa ny Fiangonana na ny seminera sy institiota dia manaiky ny zavatra voarakitra ao anatin’ilay fandaharana na ny tompony na ilay mpamokatra; (e) tsy tokony ho ampiasaina amin’ny fomba izay hanaovana dokam-barotra ny Fiangonana na seminera na institiota; ary (f) ho ampiasaina mifanaraka amin’ny votoatin’izay fameran-jo sy fitsipiky ny Fiangonana fantatra.
Raha manana fanontanaina tsy voavaly ato amin’ireto torolalana ireto ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny seminera sy institiota dia jereo ny fizarana 38.8.11, “Zavatra novokarina misy zon’ny mpamorona” ao amin’ny Boky Torolalan’ny Fiangonana Maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Intellectual Property Office
50 E. North Temple Street, Room 1888
Salt Lake City, UT 84150-0018
Telephone: 1-801-240-3959 or 1-800-453-3860, extension 2-3959
Fax: 1-801-240-1187
E-mail: cor-intellectualproperty@ldschurch.org
Hira
Afaka mitana anjara toerana manan-danja amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina mandritra ny fotoam-pandalinany ny filazantsara ny hira, indrindra ireo fihiran’ny Fiangonana. Ao amin’ny sasintenin’ny boky fihiran’ny Fiangonana dia nilaza toy izao ny Fiadidiana Voalohany: “Ireo hira manentana ny fanahy dia ampahany manan-danja ao anatin’ny fivoriam-piangonantsika. Manasa ny Fanahin’ny Tompo ireo fihirana, miteraka fahatsapana fanajana, mampiray hina ireo mpikambana ary manome fomba iray ho antsika mba hiderana ny Tompo.
“Ny sasany tamin’ireo toriteny lehibe indrindra izay notoriana dia natao tamin’ny alalan’ny fihirana. Ny fihirana dia manentana antsika hibebaka sy hanao asa tsara, hanorina fijoroana ho vavolombelona sy finoana, hampahery ireo trotraka, hampionona ireo malahelo ary hanentana antsika haharitra hatramin’ny farany” (Cantiques, ix). Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Manontany tena aho raha mba ampiasaintsika araka ny tokony ho izy ity fitaovana avy any an-danitra ity mandritry ny fivoriantsika, sy ny fotoam-pianarantsika ary any an-tokantranontsika. …
“Fiomanana mahery vaika amin’ny vavaka sy ny fampianarana ny filazantsara ny hira masintsika” (“Worship through Music,” Ensign, Nov. 1994, 10, 12). Ny mpampianatra dia tokony hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny lanjan’ny hira ao anatin’ny fitsaohana sy ny fomba ahafahan’izany manorina tontolo izay ahafahan’ny Fanahy miasa amim-pahombiazana kokoa.
Ireto misy fomba sasantsasany izay ahafahan’ny mpampianatra mampiasa ny hira entina hanatsarana ny fotoam-pandalinan’ny mpianatra ny filazantsara:
-
Mandefasa hira manentana fanahy eo am-pidiran’ny mpianatra ao am-pianarana na mandritra ny fotoam-pianarana rehefa manao asa atao an-tsoratra izy ireo.
-
Asao sy amporisiho ireo mpianatra handray anjara mavitrika rehefa miaraka manao hira ao amin’ny fihirana ny iray kilasy.
-
Mamerena mijery ireo fitsipiky ny filazantsara ary manomeza hevitra vaovao fanampiny mandritra ny lesona amin’ny alalan’ny firedonana ny fihirana iray na andininy iray ao amin’ilay fihirana izay mifandray mivantana amin’ny zavatra izay ampianarina amin’izany andro izany. Sady ahitana fizahan-takila araka ny abidia ho an’ny soratra masina no ahitana lohahevitra any amin’ny faran’ny boky fihirana izay afaka manampy amin’izay lafiny izay.
-
Omeo fahafahana hanorina sy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ireo mpianatra rehefa mamaky ny tonon’ireo fihirana.
-
Asao ireo mpianatra hanao fampisehoana an-kira izay mifanentana amin’ny tokony ho izy ao am-pianarana.
Rehefa manapa-kevitra ny hampiasa hira ao am-pianarana noho ny antony iray (toy ny hira alefa moramora mandritra ny lesona, soratra masina fifehezana fotopampianarana, na fanaovana tsianjery soratra masina) dia zava-dehibe ny fahatsiarovana ity fampitandremana manaraka avy amin’ny Loholona Boyd K. Packer ity: “Maro ireo ezaka natao mba hakana lohahevitra masina mikasika ny filazantsara ary hanambarana izany amin’ny hira maoderina mba hisarihana ireo ny sain’ireo tanorantsika any amin’ilay hafatra. … Tsy fantatro hoe ahoana no ahafahana manao izany ary ahoana no ahazoana fitomboana ara-panahy avy amin’izany. Mieritreritra aho fa tsy ho tanteraka izany” (That All May Be Edified [1982], 279). Farany dia andraikitry ny mpampianatra ny maka antoka fa ny hira rehetra ampiasaina mandritra ny fotoam-pandalinana dia mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Fiangonana ary tsy manafintohina ny Fanahin’ny Tompo mihitsy izany.
Torohevitra sy fampitandremana amin’ny ankapobeny
Raha toa ka azo ekena ny faniriana hanana fifandraisana tsara amin’ireo mpianatra, ny faniriana hahazo dera kosa, indrindra fa raha tsy tsapa na tsikaritra izany, dia mety hahatonga ilay mpampianatra hieritreritra kokoa mikasika ny fandraisan’ny mpianatra azy fa tsy hieritreritra mikasika ny fomba hanampiany ireo mpianatra hianatra sy hivoatra. Matetika izany dia mitarika ireo mpampianatra hanolo ireo fomba fampianarana natao mba hanasana ny Fanahy Masina amin’ireo fomba fampianarana entina hanatsaratsarana ny momba azy ireo eo imason’ny mpianatra. Ireo mpampianatra izay milatsaka ao anatin’izany fandrika izany dia ho meloka amin’ny komiberaky ny mpisorona satria “mametraka ny tenany ho fahazavan’ izao tontolo izao [izy ireo] mba hahazoany harena sy laza avy amin’ izao tontolo izao” (2 Nefia 26:29). Tokony hitandrina ireo mpampianatra mba tsy ho entina hanalana voly, na hanaitairana na hahazoana dera avy amin’ireo mpianatra ny fanaovana fampihomehezana na ny fitantarana tantara na ireo fomba fampianarana hafa. Fa ny zavatra tokony ifantohan’ireo mpampianatra filazantsara rehetra dia ny hanome voninahitra ny Ray any An-danitra sy hitarika ny mpianany any amin’i Jesoa Kristy.
Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter hoe: “Azoko antoka fa fantatrareo tsara ny loza lehibe mety hitranga rehefa tena mahasarika sy maharesy lahatra ianareo satria ny mpianatrareo dia haneho tokim-panoavana anareo fa tsy amin’ny filazantsara. Olana iray goavana izay tokony horesena izany ankehitriny ary manantena izahay fa ianareo rehetra dia mpampianatra manana herim-panahy manintona tokoa. Kanefa tena misy loza marina tokoa ao amin’izany. Izany no antony tokony hanasanareo ny mpianatrareo handalina ny soratra masina, fa tsy tokony homenareo fotsiny ny fanazavan-kevitrareo sy ny famelabelaranareo izy ireo. Izany no antony tsy maintsy hanasanareo ireo mpianatra hahatsapa ny Fanahin’ny Tompo, fa tsy hoe hizaranareo fotsiny ny zavatra tsapanareo mikasika izany izy ireo. Izany no antony, amin’ny farany, tsy maintsy hanasanareo ny mpianatrareo hanatona an’i Kristy avy hatrany, fa tsy hanatona an’ilay olona iray izay mampianatra fotsiny ihany ny fotopampianarany, na dia mahay mampianatra aza izy. Tsy ho afaka ny hanampy ireo mpianatra ireo foana ianareo. Tsy afaka ny hitantana ny tanan’izy ireo ianareo rehefa mandao ny sekoly ambaratonga faharoa na ny oniversite izy ireo. Ary tsy mila mpanara-dia ho an’ny tenanareo manokana ianareo” (“Eternal Investments” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 10 Feb. 1989], 2).
Ho fanampin’izany, ireto torohevitra sy fampitandremana manaraka ireto dia miantefa amin’ireo fomba fampianarana sy toe-javatra miseho isan-karazany:
-
Fanaovana fifaninana. Tokony hitandrina tsara ireo mpampianatra amin’ny fanaovana fifaninana ao am-pianarana, indrindra rehefa ampifaninanana ireo mpianatra. Mety hiteraka fifandirana, na fahakiviana, na fanalam-baraka sy fahamenarana ary mahatonga ny Fanahy hisintaka ny fifaninana.
-
Fanamarihana ratsy. Tokony hampiasa fahendrena ny mpampianatra rehefa maneho fahadisoam-panantenana amin’ny mpianatra rehetra na amin’ny tsirairay. Maro amin’ireo mpianatra no mahatsapa fa tsy ampy ny fahalalany ary mila fanohanana sy fankaherezana izy fa tsy fanamafisana ny fahalemeny.
-
Fanebahana. Ny fanebahana na izany ataon’ny mpampianatra amin’ny mpianatra iray na izany ifanaovan’ny samy mpianatra dia ratsy sy mandratra fo foana ary mitarika any amin’ny fanalana baraka sy ny fisintahan’ny Fanahy.
-
Fampitana hevitra sy fiteny tsy mendrika. Tokony hosorohan’ny mpampianatra ny fivazavazana na ny fifandirana amin’ny mpianatra. Ny teny ratsy sy ny fiteny mirefarefa amin’ny tany dia tsy azo ampiasaina any amin’ny toerana fampianarana ny filazantsara.
-
Fampiasan-kery. Tsy tokony hampiasa ny herim-batany sy ny tanjany na oviana na oviana ireo mpampianatra mba hampitahorana na hanerena mpianatra iray hipetraka tsara. Na ireo kilalao fitsapana herim-batana aza dia mety hivadika zavatra hafa na ho raisina hoy toy ny tena izy tokoa. Ny hany tokony hampiasan’ireo mpampianatra herim-batana amin’ny mpianatra iray dia rehefa entina hiarovana mpianatra iray hafa.
-
Fiteny manondro ny maha-lahy na ny maha-vavy. Tokony ho fantatr’ireo mpampianatra sy ho tandremany ireo fiteny manondro ny maha-lahy na ny maha-vavy ao amin’ny soratra masina. Ny soratra masina sasany dia ambara amin’ny alalan’ny fiteny manondro ny lahy noho ny karazan’ilay fiteny izay niaviany. Tokony hampahatsiahivin’ireo mpampianatra ny mpianatra fa ny sasany amin’ireo teny manondro ny lahy dia sady miantefa amin’ny lahy no miantefa amin’ny vavy. Rehefa nilazana i Adama fa “ny olona rehetra, na aiza na aiza, dia tsy maintsy mibebaka” (Mosesy 6:57), dia azo antoka fa niresaka momba ireo lehilahy sy vehivavy ny Tompo. Misy fotoana kosa izay mampiavaka sy mampahitsy ilay endri-piteny manondro ny lahy. Ohatra, ny olona ao amin’Ny Andriamanitra dia lehilahy ary ireo andinin-tsoratra masina mikasika ireo adidin’ny fisoronana dia miantefa amin’ireo rahalahy.