Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 1: Manao asa amim-pinoana


“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 1: Manao asa amim-pinoana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Loharanom-pitaovana fampahafantarana

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 1

Manao asa amim-pinoana

Sary
Zatovovavy mamaky sy mandalina

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny fanampiana anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mba hanampy anao hanangana ny fototrao eo amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mitady valiny amin’ireo fanontaniana sy olana eo amin’ny fiainanao ianao.

Tsara sa ratsy ny fanontaniana?

Eritrereto hoe iza amin’ireto valiny manaraka ireto no mihatra amin’io fanontaniana io:

  • Iza amin’ireto manaraka ireto no mety ho antony ananan’ny olona iray fanontaniana momba ny filazantsara na ny Fiangonan’i Jesoa Krsity?

    1. Mbola tsy manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara izy ireo.

    2. Tena ao an-tsain’izy ireo ny filazantsara ka tiany ny hahatakatra bebe kokoa.

    3. Misalasala amin’ilay finoana nananany taloha izy ireo.

    4. Mety manentana azy ireo hieritreritra mombana zavatra iray tiany hampianarina azy ireo Andriamanitra.

      Miankina amin’ny fomba fisainan’ny olona iray sy ny antony ametrahany fanontaniana ny valiny. Vakio ny andiam-pehezan-teny 3 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022), ka tadiavo ny fomba ahafahan’ny fomba handraisantsika ireo fanontaniana momba ny filazantsara mampatanjaka na mampalemy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no hitanao ho niavaka indrindra ao amin’io andiam-pehezan-teny io? Nahoana?

Manana fanontaniana sy ahiahy daholo ny olon-drehetra. Tokony hitandrina isika mba tsy hitsara ny finoan’ny hafa rehefa manana fanontaniana izy ireo, ary tsy mila misalasala amin’ny finoantsika isika rehefa manana fanontaniana. Afaka ny hihamatanjaka na hihamalemy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, miankina amin’ny fomba handraisantsika ireo fanontaniantsika sy ahiahintsika. Rehefa mandalina ianao anio, dia eritrereto ny anjara asa tanan’ireo fanontanianao amin’ny fandrosoanao ara-panahy. Inona avy no fanontaniana anananao momba ny filazantsara na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy? Tsapanao ho misarika anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy ny Fiangonany ve ny fanontanianao?

Mahazo fahalalana ara-panahy

Mandritra ny fanaovanao seminera dia hanana fahafahana hampihatra ny fampiasana ireo fitsipika ao amin’ny mahazo fahalalana ara-panahy ianao. Ireto fitsipika telo manaraka ireto dia afaka manampy anao hanatona akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy rehefa misy fanontaniana na ahiahy miseho eo amin’ny fiainanao:

  1. Manao asa amim-pinoana.

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Hifantoka amin’ny fitsipiky ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ny ambin’ity lesona ity.

Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana hitadiavana fomba maro ahafahanao mamarana ity fehezan-teny manaraka ity.

Rehefa miseho ny fanontaniana sy fanahiana, dia afaka manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny… .

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Iza amin’ny fomba nosafidianao no heverinao fa mihatra indrindra amin’ny zatovo ankehitriny na amin’ny fiainanao mihitsy aza? Nahoana?

    • Ahoana no ahafahan’ny fisafidianana hanao asa amim-pinoana amin’io fomba io miantraika amin’ny fifandraisan’ny olona iray amin’ny Mpamonjy?

    • Iza no fantatrao fa nanao asa tamim-pinoana rehefa niatrika fanontaniana na ahiahy? Inona no nataony?

. .

Ohatra ao amin’ny soratra masina.

Ireo soratra masina ireo dia ahitana fitantarana maro momba ireo izay niatrika fanontaniana sarotra sy fanahiana tamin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Iray amin’izy ireny ny mpaminany Nefia. Vakio ireto ohatra manaraka avy amin’ny fiainan’i Nefia ireto ary tadiavo ny fomba nanaovany asa tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa niatrika fanontaniana sy olana hafa izy.

  • 1 Nefia 2:16—Ny sasany tamin’ireo akaiky azy dia tezitra tamin’ny zavatra nasain’i Lehia mpaminany, rainy nataon’izy ireo.

  • 1 Nefia 3:7—Nangatahina hanao zava-tsarotra izy.

  • 1 Nefia 9:5–6—Nandidy azy hanao zavatra noho ny antony tsy fantany ny Tompo.

  • 1 Nefia 10:17; 11:1–5—Naniry izy ny hanana ny fijoroany ho vavolombelona manokana momba ny zavatra nampianarin’ny rainy, ilay mpaminany.

  • 1 Nefia 11:17—Tsy fantany tanteraka ny valin’ny fanontaniana iray nanontaniana azy momba ny filazantsara.

  • Singa inona amin’ny fanaovana asa amim-pinoana no tena nasehon’i Nefia tamina ohatra?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Fenoy ity manaraka ity:

Mamarita fanontaniana maoderina iray na olana izay mety hiantraika amin’ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany. Ahoana no ahafahan’ny olona iray manao asa amim-pinoana rehefa miatrika izany fanontaniana na olana izany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fisafidianana hanao asa amim-pinoana na tsy hanao asa amim-pinoana miantraika amin’ny fifandraisany amin’ny Mpamonjy?

  • Inona no tianao hampiharina indrindra amin’ny fiainanao avy amin’ny zavatra nohalalininao androany? Ahoana no ahafahan’izany manampy anao eo amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy